Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

SILAMO hiringiriny ny lehilahy iray ary mpamboly paraky no asany, nefa sady niova finoana izy no niova asa. Mpisotro toaka be kosa ny vehivavy iray, nefa nanova ny fiainany. Ahoana no nahavitan’izy ireo an’izany?

‘Faly be mihitsy aho fa anisan’izy ireo!’—DINO ALI

TERAKA: 1949

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: MPAMBOLY PARAKY

NY FIAINAKO TALOHA: Niala tany Albania i Dada sy Neny tamin’ny 1939 ary nifindra tany Mareeba, any Aostralia. Nisy Bosniaka, Grika, Italianina, Serba, ary olona avy amin’ny firenen-kafa koa nifindra tany. Nanana ny zavatra inoany sy ny kolontsainy manokana izy ireo, ka mbola izany ihany no narahin’izy ireo tany. Namboly paraky ny ankamaroan’ny olona tany, ary nanao an’izany koa i Dada sy Neny.

Tamin’izany fotoana izany no niteraka anay dimy mianadahy i Dada sy Neny, ary izaho no farany. Nampalahelo fa matin’ny aretim-po i Dada tamin’izaho vao herintaona. Nanambady indray i Neny ary niteraka efa-dahy. Namboly paraky koa ny raikeliko, ka niasa teny amin’ny tanimboliny daholo izahay mandra-pahalehibe anay.

Mbola tsy feno 20 taona aho dia efa niala tao an-tranonay. Nanambady an’i Saime aho tamin’izaho 20 taona mahery kely. Tao amin’ny mosquée no natao ny raharahanay, satria samy Silamo izahay. Silamo daholo koa ny havanay. Ny Kôrana sy ny boky misy ny tantaran’i Mahometa no novakiko. Namaky Baiboly kely iray izay koa anefa aho. Voaresaka ao amin’ny Kôrana ireo mpaminany resahin’ny Baiboly, ka rehefa namaky Baiboly aho dia lasa fantatro hoe oviana izy ireny no nisy.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga foana tao aminay, ary imbetsaka izahay no niresadresaka momba ny fivavahana. Tena nahafinaritra ahy ilay izy. Tena tianay sy Saime koa ny namaky ny boky sy gazety nomen-dry zareo. Nampiasa Baiboly foana izy ireo isaky ny namaly ny fanontaniako, fa tsy nilaza ny heviny fotsiny. Tena nisy vokany be tamiko izany.

Nanasa ahy hianatra Baiboly sy hivory any aminy ireo Vavolombelona, fa nanda foana aho. Ny hanana toeram-pambolena sy hanan-janaka be dia be mantsy no tena masaka tao an-tsaiko tamin’izany. Tsy nety nahazo toeram-pambolena mihitsy anefa aho. Faly kosa aho fa manan-janaka dimy mianadahy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Mbola tsy niova finoana aho, sivy taona taorian’ny nihaonako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena tiako anefa ny namaky ny boky sy gazetin’izy ireo. Namaky azy ireny foana izahay sy Saime isaky ny alahady. Notehirizinay ny gazety rehetra azonay nandritra ny taona maro. Tena nanampy ahy izy ireny rehefa niharam-pitsapana ny finoako.

Niezaka nanery ahy hanaraka ny fampianarany, ohatra, ny mpitory iray tao amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara. Nahavita nitaona ny zaodahiko sy ny zandriko lahy iray izy. Nisy olon-kafa maro avy amin’ny fivavahana samy hafa koa samy nitaona ahy hanaraka ny fivavahany. Nisy tamin’izy ireny aza nanome ahy boky nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasaiko nasehon’ireo mpanakiana ireo ahy hoe aiza ho aiza ao amin’ny Baiboly ny zavatra ampianariny, saingy tsy nahita navaly izy ireo.

Vao mainka izany rehetra izany nahatonga ahy handalina ny Baiboly sy hanao fikarohana bebe kokoa. Ireo boky sy gazety notehirizinay no nampiasaiko tamin’izany. Tsapako tamin’ny farany fa tokony hampihariko ny zavatra nianarako.

Tsy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, fa tonga fotsiny dia nanatrika ny fivorian’izy ireo. Tsy azoko ny aiko tamin’ny voalohany sady menatra be aho. Sariaka anefa ry zareo, ary tiako koa ny zavatra nianarako. Tapa-kevitra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho, ka natao batisa tamin’ny 1981.

Nanaja ny fanapahan-kevitro ny vadiko, na dia natahotra aza izy indraindray hoe sao dia voafitaka aho. Nanatrika ny batisako ihany izy. Noresahiko taminy foana ny zavatra nianarako. Herintaona teo ho eo taorian’ny batisako, rehefa nody avy nanao vakansy izahay, dia nilaza tamiko izy fa te ho lasa Vavolombelona koa. Hoatran’ny nanonofy aho tamin’izay. Natao batisa izy tamin’ny 1982.

Nila nanova ny fiainanay izahay na dia sarotra aza izany. Tsy namboly paraky intsony aho, satria mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly izany. (2 Korintianina 7:1; Jakoba 2:8) Elaela izahay vao nahita asa raikitra sy mety amin’ny Kristianina. Tsy nety nitsidika anay intsony koa ny havanay sasany, nandritra ny taona maro. Niezaka nampihatra ny fitsipiky ny Baiboly anefa izahay ka naneho fitiavana azy ireny. Niravona ihany ilay olana tamin’ny farany ka tsy ihatakatahan-dry zareo intsony izahay izao.

NY SOA NORAISIKO: Niatrika fitsapana isan-karazany aho, anisan’izany ny hasarotan-kenatra sy ny olana ara-bola ary ny fanoheran’ny fianakaviana. Hitako anefa hoe manampy ahy hiatrika olana i Jehovah, ary tena manam-paharetana izy. Manampy ahy hamita ny andraikitro ao amin’ny fiangonana, ohatra, izy, satria anti-panahy aho. Tena sarotra amiko indraindray io andraikitra io. Tsy maintsy mampianatra eny amin’ny lampihazo mantsy ny anti-panahy, nefa mangovitra foana aho ka lasa miakanakam-piteny. Soa ihany fa manampy ahy i Jehovah ka vitako ihany ilay izy rehefa mivavaka aho.

Lasa mifankatia kokoa izahay mivady, ary sarobidy be aminay izany. Marina fa nisy tsy nety ny fomba nitaizanay ny zanakay, kanefa nanao izay azonay natao izahay mba hampianarana azy ireo ny fahamarinana ara-baiboly. (Deoteronomia 6:6-9) Misionera izao ny zanakay lahimatoa sy ny vadiny.

Tadidiko indray mandeha izay, tamin’izahay mianakavy vao nanomboka nivory kelikely. Najanoko ny fiaranay ary nijery an’ireo olona tao amin’ilay efitrano aho. Hoy aho avy eo tamin’ny vady aman-janako: “Jereo ange ry zareo e!” Samy hafa fiaviana daholo ry zareo, nefa faly erỳ niara-nivory tao. Nisy Albaney tao, nisy Aostralianina, ary nisy Kroaty koa. Faly be mihitsy aho fa anisan’io fianakaviam-be io, sady tsy eto Aostralia ihany no misy azy io fa eran-tany mihitsy.—1 Petera 5:9.

‘Tsy kivy mihitsy ny zokiko fa nanampy ahy foana.’—YELENA SYOMINA

TERAKA: 1952

FIRENENA: ROSIA

FIAINANY TALOHA: MPISOTRO TOAKA BE SADY EFA NAMONO TENA

NY FIAINAKO TALOHA: Tany Krasnogorsk aho no teraka. Tanàna kely milamindamina any akaikin’i Moscou izy io. Mpampianatra i Dada sy Neny. Nahay be aho tany am-pianarana ka afaka nianatra mozika koa. Toa namiratra erỳ ny hoaviko.

Nanambady aho tatỳ aoriana, ka nifindra trano izahay mivady. Mpiteny ratsy sy mpiboboka toaka ary mpifoka sigara ny mpiray tanàna taminay. Tsy tandrintandriko akory dia nanao ny fanaon-dry zareo koa aho. Nandeha namonjy fety isan-karazany aho. Mba hihira sy hitendry gitara fotsiny tamin’ny voalohany no nandehanako. Nasain’ny olona hisotrosotro sy hifoka niaraka tamin-dry zareo anefa aho tany, ka tsy ela dia lasa mpisotro toaka be.

Nanimba ny fiainako ny toaka. Nisy fotoana aho tena kivy be ka tsy nahahinan-kanina mihitsy. Te ho faty aho ary nanandrana namono tena. Soa ihany anefa fa tsy maty aho!

Nitsidika ahy foana ny zokiko vavy nandritra izany fotoana izany. Lasa Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy, ka niezaka nampahafantatra ahy fa afaka manampy ahy ny Baiboly. Tsy liana tamin’izany anefa aho, ka nataoko izay tsy hankanesany tatỳ amiko intsony. Tsy kivy mihitsy anefa izy fa nanampy ahy foana. Tena nanam-paharetana sy be fitiavana izy, ka nanaiky hianatra Baiboly ihany aho tamin’ny farany.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nanapa-kevitra ny tsy hisotro toaka intsony aho rehefa nianatra Baiboly. Tamin’izay mihitsy no nisy lehilahy mpiray tanàna taminay mamo ka namonomono ahy. Naiditra hopitaly aho, satria tapaka ny efatra tamin’ny taolan-tehezako ary voa mafy koa ny iray tamin’ny temimasoko. Nanampy ahy hiala tamin’ny toaka anefa ny fijanonako tany amin’ny hopitaly.

Nivavaka foana aho nandritra izany. Tena nampahery ahy ny Fitomaniana 3:55, 56 hoe: “Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao amin’ny lavaka lalina dia lalina aho. Ho renao tokoa ny feoko. Aza manampin-tsofina tsy hanafaka ahy. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho.”

Tena mino aho hoe namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Nomeny hery aho mba tsy hanao ny fanaoko taloha intsony. Nisy fotoana aloha aho te hisotro toaka indray e! Tsy nanaiky ho resin’izany fakam-panahy izany mihitsy anefa aho ka tena faly.

Rehefa nanohy nianatra Baiboly aho, dia fantatro fa ny vadiko no loham-pianakaviana ka tokony hanohana azy aho. (1 Petera 3:1, 2) Sarotra tamiko izany, satria efa zatra nibaikobaiko azy aho. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho. Tsy hoe niova tampoka teo anefa aho, fa nandeha tsikelikely ilay izy. Nihatsara ny toetrako ary lasa nanohana kokoa ny vadiko aho.

Gaga be ny vadiko rehefa nahita ahy niova, saingy mbola tsy liana tamin’ny Baiboly aloha izy tamin’izay. Rehefa nanapa-kevitra ny tsy hifoka intsony anefa aho, dia nilaza izy hoe: “Raha tsy mifoka sigara intsony ianao, dia hianatra Baiboly aho!” Tamin’io andro io ihany dia samy niala tamin’ny sigara izahay.

NY SOA NORAISIKO: Nitana ny teny nataony ny vadiko ka nianatra Baiboly. Miara-mamaky Baiboly isan’andro izahay izao, misaintsaina izay novakinay, ary miezaka mampihatra an’izany.

Tena nihatsara be mihitsy ny fiainam-pianakavianay. Manginy fotsiny ny fitahiana azoko manokana. Misaotra an’i Jehovah aho nitaona ahy hanatona azy. (Jaona 6:44) Misaotra ny zokiko vavy koa aho, satria tsy kivy mihitsy izy fa nanampy ahy foana. Izaho mihitsy no mahatsapa fa tena manova olona tokoa ny Baiboly.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Tsapako fa tokony hampihariko ny zavatra nianarako

[Teny notsongaina, pejy 13]

Tena nanam-paharetana sy be fitiavana ny zokiko vavy, ka nanaiky hianatra Baiboly ihany aho tamin’ny farany