Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Marina ve fa nanakarama mpitsoka sodina ny olona tamin’ny andron’i Jesosy, rehefa nandevina?

Milaza ny Baiboly fa fanaon’ny olona fahiny ny nitsoka sodina rehefa nisy fety. (1 Mpanjaka 1:40; Isaia 5:12; 30:29) Voalaza ao koa anefa fa nisy mpitsoka sodina rehefa nisy fandevenana, ary sodina ihany no zavamaneno nampiasaina. Niresaka an’izany, ohatra, i Matio. Narary efa ho faty ny zanakavavin’ny filoha jiosy iray, ka niangavy an’i Jesosy izy mba hanasitrana an’ilay zanany. Rehefa tonga tany anefa i Jesosy, dia ‘nahita mpitsoka sodina sy vahoaka nitabataba’, satria efa maty ilay zaza.—Matio 9:18, 23.

Marina ve izany tenin’i Matio izany? Hoy i William Barclay, mpandika Baiboly: ‘Nandrenesana feona sodina nampalahelo be foana fahiny rehefa nisy maty na nisy loza. Nahitana an’izany, ohatra, tany Roma, Gresy, Fenisia, Asyria, ary Palestina.’ Resahin’ny boky iray atao hoe Talmoda koa fa na lehilahy nahantra faraidiny aza, dia nanakarama mpitsoka sodina roa sy vehivavy iray mpitomany rehefa maty ny vadiny. Izany no fanaon’ny olona tamin’ny taonjato voalohany tany ho any rehefa nisaona. Nitantara izay nitranga tany Jerosalema tamin’ny taona 67 koa i Flavius Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Henon’ny mponina tany hoe resin’ny Romanina ny mponina tany Jotapata, any Galilia, ka betsaka no maty. “Nanakarama mpitsoka sodina àry ny ankamaroan’ireo mpisaona rehefa nanao hira fisaonana.”

Inona no helok’ireo olon-dratsy nofantsihana teo akaikin’i Jesosy?

Antsoin’ny Baiboly hoe “jiolahy” izy ireo. (Matio 27:38; Marka 15:27) Misy diksionera momba ny Baiboly milaza fa nampiasa teny grika samy hafa ny Soratra Masina mba hilazana an’ireny jiolahy ireny, ka arakaraka ny heloka vitany ny teny niantsoana azy. Ny teny grika hoe kleptes no ilazana ny olona mangalatra an-tsokosoko mba tsy ho tratra. Izany, ohatra, no niantsoana an’i Jodasy Iskariota, izay nangala-bola mangingina tao amin’ny boatim-bolan’ny mpianatr’i Jesosy. (Jaona 12:6) Lestes kosa matetika no iantsoana an’izay mandroba sy mampiasa herisetra. Ilazana ny mpikomy amin’ny fanjakana mihitsy aza io teny io. Lestes no niantsoana an’ireo jiolahy niara-nofantsihana tamin’i Jesosy. Hoy mihitsy ny iray tamin’izy ireo: “Rariny isika raha melohina, satria mendrika handray ny valin’asantsika.” (Lioka 23:41) Midika izany fa tsy nangalatra fotsiny izy ireo fa nanao zavatra hafa koa.

Nantsoina hoe lestes koa i Barabasy. (Jaona 18:40) Tsy mpangalatra tsotra fotsiny izy, satria milaza ny Lioka 23:19 fa ‘nitaona olona hikomy tao an-tanàna izy sady namono olona, ka natao am-ponja.’

Mety ho nitaona olona hikomy tamin’ny fanjakana na namono olona mihitsy koa àry ireo jiolahy niara-nofantsihana tamin’i Jesosy, fa tsy nandroba fotsiny. Na inona na inona anefa nataon’izy ireo, dia mendrika ny ho faty izy ireo araka ny hevitr’i Pontio Pilato, governora romanina.