Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahereza sy Matanjaha!”

“Mahereza sy Matanjaha!”

“Mahereza sy Matanjaha!”

“Mahereza sy matanjaha ... Momba anao i Jehovah Andriamanitrao.” —JOS. 1:7-9.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Inona no manaporofo fa be herim-po i Enoka sy Noa?

Ahoana no nampisehoan’ny vehivavy sasany fahiny fa nanam-pinoana sy be herim-po izy ireo?

Iza no tanora be herim-po hitanao hoe tena niavaka?

1, 2. a) Inona no toetra mety hilaintsika mba hahafahana manao ny tsara? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

NY HOE “mahereza” dia midika hoe “manàna herim-po.” Mifanohitra koa ny hoe be herim-po sy ny hoe matahotra na kanosa. Rehefa mandre hoe be herim-po isika, dia olona sahy sy matanjaka be no mety ho tonga ao an-tsaintsika. Mitaky herim-po anefa na dia ny fiezahana hanao ny tsara eo amin’ny fiainana andavanandro aza.

2 Be herim-po ny olona sasany resahin’ny Baiboly, rehefa niharan’ny fitsapana mafy. Misy koa be herim-po tamin’ny toe-javatra hafa, efa mahazatra ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Inona no ianarantsika avy amin’izy ireo? Inona no hanampy antsika ho be herim-po?

BE HERIM-PO KA NITORY TAMIN’IREO TSY NATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA

3. Inona no faminaniana nolazain’i Enoka momba an’ireo olona tsy natahotra an’Andriamanitra?

3 Nitaky herim-po ny nanompo an’i Jehovah, talohan’ny Safodrano, satria be ny mpanao ratsy. Na izany aza, dia sahin’i Enoka, “ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama”, ny nanambara an’izao faminaniana izao: “Efa tonga i Jehovah, miaraka amin’ny anjeliny masina an’alinalina, mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny rehetra, sy hanaporofo fa meloka izay rehetra tsy natahotra an’Andriamanitra. Meloka izy ireny noho ny asa ratsy rehetra nataony tamin-karatsiam-panahy, sy noho ny teny manafintohina rehetra nentin’ny mpanota hanoherana an’Andriamanitra, dia ireo mpanota tsy matahotra azy.” (Joda 14, 15) Toy ny hoe zavatra efa tanteraka no fomba nilazan’i Enoka an’ilay faminaniana, satria azony antoka ny fahatanterahany. Tanteraka tokoa ilay izy, satria ringana tamin’ny Safodrano ny ratsy fanahy!

4. Inona no zava-nisy tamin’ny andron’i Noa?

4 Tonga ny Safodrano tamin’ny taona 2370 T.K., izany hoe 650 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Enoka. Teo anelanelan’izay i Noa no teraka, sy nanorin-tokantrano, ary nanamboatra sambofiara niaraka tamin’ny zanany lahy. Nisy anjely ratsy nitafy nofo tamin’izay, nanambady vehivavy tsara tarehy, ary niteraka Nefilima. Tsy izay ihany fa nihabetsaka ny faharatsiana, ary feno herisetra ny tany. (Gen. 6:1-5, 9, 11) Na izany aza, dia “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Noa, ary sahy ‘nitory ny fahamarinana.’ (Vakio ny 2 Petera 2:4, 5.) Mila herim-po toy izany koa isika amin’izao andro farany izao.

NANAM-PINOANA SY BE HERIM-PO IZY IREO

5. Inona no mampiseho fa nanam-pinoana sy be herim-po i Mosesy?

5 Nanam-pinoana sy be herim-po i Mosesy. (Heb. 11:24-27) Nampiasa azy Andriamanitra nanomboka tamin’ny taona 1513 T.K. ka hatramin’ny 1473 T.K., mba hamoaka ny Israelita tao Ejipta sy hitondra azy ireo hamakivaky ny tany efitra. Nihevitra i Mosesy hoe tsy hahay an’ilay asa, nefa nekeny ihany ilay izy. (Eks. 6:12) Nisikina herim-po izy sy Arona rahalahiny, ka niverimberina tany amin’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Nilaza tamin’io mpitondra ratsy fanahy io izy ireo hoe handefa Loza Folo i Jehovah. Nataon’i Jehovah ireo loza ireo, mba hanafahana ny vahoakany sy hampisehoana fa tsy manan-kery ny andriamanitry ny Ejipsianina. (Eks. toko faha-7-12) Nanohana an’i Mosesy foana i Jehovah, ka lasa be herim-po sy nampiseho ny finoany izy. Toy izany koa isika ankehitriny.—Deot. 33:27.

6. Inona no hanampy antsika ho be herim-po, rehefa misy manam-pahefana manadinadina antsika?

6 Mila manana herim-po toa an’i Mosesy isika, satria hoy i Jesosy: “Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena. Rehefa atolony anefa ianareo, dia aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanareo sy izay holazainareo, fa homena anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo. Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.” (Mat. 10:18-20) Raha manadinadina antsika ny manam-pahefana, dia hanampy antsika ny fanahin’i Jehovah. Hahay hamaly amim-panajana isika, nefa koa hanana finoana sy herim-po mba hiarovana ny zavatra inoantsika.—Vakio ny Lioka 12:11, 12.

7. Inona no nanampy an’i Josoa mba ho be herim-po sy hahomby?

7 I Josoa no nandimby an’i Mosesy. Nanatanjaka ny finoany sy nanampy azy ho be herim-po ny fianarany tsy tapaka ny Lalàn’Andriamanitra. Hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, tamin’ny taona 1473 T.K. ary niteny taminy i Jehovah hoe: “Mahereza sy matanjaha.” Nahomby i Josoa ary nanao zavatra tamim-pahendrena, satria nankatò ny Lalàna. Nilaza taminy koa i Jehovah hoe: ‘Aza mivadi-po na mihorohoro, fa momba anao aho na aiza na aiza alehanao.’ (Jos. 1:7-9) Azo inoana fa nampahery an’i Josoa ireo teny ireo! Nomba azy tokoa i Jehovah, matoa azony daholo ny ankamaroan’ireo tany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, tamin’ny taona 1467 T.K., izany hoe enin-taona monja tatỳ aoriana.

IREO VEHIVAVY BE HERIM-PO

8. Inona no mampiseho fa nanam-pinoana sy be herim-po i Rahaba?

8 Be herim-po koa ny vehivavy maro fahiny. Anisan’izany i Rahaba, mpivaro-tena tao Jeriko, izay nino an’Andriamanitra. Nisikina herim-po izy rehefa nisy iraky ny mpanjaka nitady an’ireo mpitsikilo roa lahy nalefan’i Josoa. Nafeniny ireo mpitsikilon’i Josoa, ary lalan-kafa no natorony an’ireo iraka. Voaro i Rahaba sy ny fianakaviany vokatr’izany, rehefa nandrava an’i Jeriko ny Israelita. Tsy nanao an’ilay asa ratsiny intsony i Rahaba tatỳ aoriana, ary nanompo an’i Jehovah, sy lasa razamben’ny Mesia. (Jos. 2:1-6; 6:22, 23; Mat. 1:1, 5) Nahazo fitahiana tokoa izy, noho izy nanam-pinoana sy be herim-po!

9. Inona no mampiseho fa be herim-po i Debora sy Baraka ary Jaela?

9 Nanendry mpitsara i Jehovah, taorian’ny nahafatesan’i Josoa, tamin’ny taona 1450 T.K. tany ho any. Naniraka an’i Debora mpaminanivavy izy, mba hampirisika an’i Baraka Mpitsara hiady amin’i Jabina, mpanjakan’i Kanana. Efa nampijaly ny Israelita nandritra ny 20 taona io mpanjaka io. Novorin’i Baraka teo amin’ny Tendrombohitra Tabara àry ny lehilahy 10 000, ary nivonona hiady tamin’ny tafik’i Jabina, notarihin’i Sisera, izy ireo. I Sisera sy ny tafiny indray niditra teo amin’ny lohasahan’i Kisona, niaraka tamin’ny kalesin’adiny 900. Rehefa nidina teo amin’ilay lohasaha anefa ireo Israelita, dia nataon’i Jehovah nisy tondra-drano tampoka, ka feno fotaka ilay toerana ary nihitsoka ny kalesin’ireo Kananita. “Lavon’ny lelan-tsabatra” ny miaramilan’i Sisera rehetra, ka resy izy ireo. Nitsoaka nankao an-tranolain’i Jaela i Sisera, kanefa novonoin’i Jaela izy rehefa natory. Tanteraka ny faminaniana nolazain’i Debora tamin’i Baraka hoe vehivavy no “hahazo voninahitra” amin’ilay fandresena. Noho ny herim-po nasehon’i Debora sy Baraka ary Jaela, dia “tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany nandritra ny efapolo taona.” (Mpits. 4:1-9, 14-22; 5:20, 21, 31) Maro koa ny lehilahy sy vehivavy manam-pinoana sy be herim-po toy izany.

METY HISY VOKANY TSARA NY TENINTSIKA

10. Inona no porofo fa afaka manampy ny hafa ho be herim-po ny tenintsika?

10 Mety hanampy ny mpiray finoana amintsika mba ho be herim-po koa ny tenintsika. Niteny toy izao tamin’i Solomona zanany i Davida Mpanjaka, tamin’ny taona 1000 T.K. tany ho any: “Mahereza sy matanjaha, ka ataovy ilay asa. Aza matahotra na mihorohoro, fa momba anao i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitro. Tsy handao anao izy na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny tranon’i Jehovah.” (1 Tan. 28:20) Nanampy an’i Solomona ho be herim-po izany, ka nahavita nanorina tempoly tsara tarehy ho an’i Jehovah izy, tao Jerosalema.

11. Inona no vokatry ny tenin’ny ankizivavy iray be herim-po?

11 Nahasoa olona koa ny tenin’ny ankizivavy israelita iray, tamin’ny taona 900 T.K. tany ho any. Nalain’ny mpandroba io ankizivavy io, ary lasa mpanompon’ny lehiben’ny tafika syrianina. Namàna no anaran’io Syrianina io ary boka izy. Fantatr’ilay ankizy fa nomen’i Jehovah hery mba hanaovana fahagagana i Elisa mpaminany, ka niteny tamin’ny vadin’i Namàna izy hoe raha mankany Israely i Namàna, dia hositranin’i Elisa. Nankany tokoa i Namàna, ka sitrana tamin’ny fomba mahagaga, ary lasa mpanompon’i Jehovah. (2 Mpanj. 5:1-3, 10-17) Raha tanora tia an’i Jehovah koa ianao, dia afaka manampy anao ho be herim-po i Jehovah, mba hitorianao amin’ny mpampianatra, sy ny mpiara-mianatra, ary ny olon-kafa.

12. Inona no vokatry ny tenin’i Hezekia Mpanjaka teo amin’ny vahoakany?

12 Afaka manampy olona ho be herim-po ny teny voahevitra tsara, rehefa ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza. Rehefa tonga hanafika an’i Jerosalema, ohatra, ny Asyrianina tamin’ny taona 732 T.K., dia niteny toy izao tamin’ny vahoakany i Hezekia Mpanjaka: ‘Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria sy ny olona rehetra miaraka aminy, fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika, ka hanampy antsika sy hiady ho antsika.’ Nilaza ny Baiboly fa “nankahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia.” (2 Tan. 32:7, 8) Afaka manampy antsika sy ny Kristianina hafa mba ho be herim-po koa ny teny mampahery toy izany, rehefa misy fanenjehana.

13. Inona no porofo fa be herim-po i Obadia?

13 Be herim-po koa isika rehefa mitandrina mba tsy hiteny zavatra tsy tokony holazaina. Izany no nataon’i Obadia, mpanompon’i Ahaba Mpanjaka, tamin’ny taona 900 T.K. tany ho any. Nasain’i Jezebela, vadin’ny mpanjaka, novonoina ny mpaminanin’i Jehovah. Nisikina herim-po anefa i Obadia, ka nanafina an’ireo mpaminanin’i Jehovah zato, ary tsy niteniteny. “Dimampolo avy no nataony tao anaty lava-bato.” (1 Mpanj. 18:4) Maro koa ankehitriny ny mpanompon’i Jehovah toa an’i Obadia. Be herim-po izy ireo, ka tsy lazainy amin’ireo mpanenjika ny mombamomba ny mpiray finoana aminy.

BE HERIM-PO I ESTERA

14, 15. Ahoana no ahitana fa nanam-pinoana sy be herim-po i Estera? Inona no vokatr’izany?

14 Nanam-pinoana sy be herim-po koa i Estera, vadin’ny mpanjaka persianina, rehefa notandindomin-doza ny Jiosy. Nanao tetika hamongorana ny Jiosy nanerana an’ilay fanjakana mantsy ny lehilahy iray atao hoe Hamana, tamin’ny taona 500 T.K. tany ho any. Nisy lalàna nivoaka tamin’izay mba handripahana ny Jiosy, ka nalahelo mafy izy ireo. Nifady hanina izy ireo, sady azo inoana fa nivavaka mafy. (Est. 4:1-3) Nitaintaina be koa i Estera. Nanome azy ny dika mitovy tamin’ilay lalàna mantsy i Mordekay, zanaky ny rahalahin-drainy. Nasain’i Mordekay nankany amin’ny mpanjaka koa izy, mba hitalaho famindram-po ho an’ny Jiosy mpiray tanindrazana aminy. Mety hovonoina ho faty anefa izy, satria tonga tsy nasaina eo anatrehan’ny mpanjaka.—Est. 4:4-11.

15 Hoy koa i Mordekay taminy: ‘Raha mangina ianao, dia avy any an-toeran-kafa no hiavian’ny fanafahana. Ary iza moa no mahalala raha ho amin’ny toe-javatra toy izao indrindra no nisandratanao ho vadin’ny mpanjaka?’ Nangataka tamin’i Mordekay àry i Estera mba hamory ny Jiosy nipetraka tao Sosana, ary nasainy nifady hanina izy ireo noho ny aminy. Hoy koa izy: ‘Hifady hanina koa aho, ary hankao amin’ny mpanjaka avy eo, na dia tsy araka ny lalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia aoka ho faty.’ (Est. 4:12-17) Nanao zavatra tamin-kerim-po i Estera, ary hita ao amin’ilay boky mitondra ny anarany fa nanafaka ny vahoakany Andriamanitra. Be herim-po toy izany koa ny Kristianina voahosotra sy ny ondry hafa rehefa iharam-pitsapana, ary manohana azy ireo foana ilay “Mpihaino vavaka.”—Vakio ny Salamo 65:2; 118:6.

“MAHEREZA”

16. Inona no ohatra tsara navelan’i Jesosy ho an’ny tanora?

16 Hita tao amin’ny tempoly i Jesosy, tamin’izy 12 taona. “Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra” izy, ka “nihaino sady nanontany” azy ireo. “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.” (Lioka 2:41-50) Mbola kely i Jesosy tamin’izay, nefa nanam-pinoana sy be herim-po. Vitany ny nametraka fanontaniana tamin’ireo mpampianatra. Tokony ho be herim-po toa azy koa ny ankizy sy ny tanora, satria hanampy azy ireo izany mba hanararaotra hitory sy hiaro ny finoany, rehefa misy manontany azy.—1 Pet. 3:15.

17. Nahoana i Jesosy no nampirisika ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany mba ho be herim-po, ary nahoana isika no mila herim-po?

17 Nampirisika ny hafa mba ho be herim-po i Jesosy, ka hoy izy: “Mahereza.” (Mat. 9:2, 22) Hoy koa izy tamin’ny mpianany: “Ho avy ny fotoana, eny, efa tonga tokoa ny fotoana hanaparitahana anareo ho any amin’izay misy anareo avy, ary hilaozanareo ho irery aho. Tsy irery anefa aho satria eo ny Raiko. Nilaza izany taminareo aho mba hanananareo fiadanana amin’ny alalako. Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:32, 33) Ankahalain’ity tontolo ity koa isika, kanefa aoka isika tsy hanahaka an’ity tontolo ity. Raha misaintsaina ny fomba nampisehoan’i Jesosy herim-po isika, dia hanana herim-po hanalavirana an’ireo zavatra mandoto eto amin’ity tontolo ity. Naharesy an’ity tontolo ity i Jesosy, ka afaka mandresy azy io koa isika.—Jaona 17:16; Jak. 1:27.

18, 19. Ahoana no ahitana fa nanam-pinoana sy be herim-po ny apostoly Paoly?

18 Niaritra fitsapana maro ny apostoly Paoly. Efa saika matin’ny Jiosy tao Jerosalema izy, indray mandeha, raha tsy novonjen’ny miaramila romanina. Nijoro teo anilany àry ny Tompo ny alin’iny, ka nanao hoe: “Mahereza! Fa toy ny nanazavanao tsara ny momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.” (Asa. 23:11) Nanaraka ny teniny i Paoly.

19 Tsy natahotra koa i Paoly nananatra an’ireo nihambo ho apostoly, izay nitady hanimba ny fiangonan’i Korinto. (2 Kor. 11:5; 12:11) Tsy mba sahala amin’ireo lehilahy ireo i Paoly, fa nanana porofo hoe tena apostoly izy. Maro mantsy ny zavatra efa niaretany. Efa nigadra izy, nokapohina, niatrika loza tamin’ny dia nataony, noana, nangetaheta, tsy nahita tory, ary nitebiteby momba ireo rahalahy. (Vakio ny 2 Korintianina 11:23-28.) Nanam-pinoana sy be herim-po i Paoly, ka hita tamin’izany hoe Andriamanitra no nanome hery azy.

20, 21. a) Milazà ohatra mampiseho fa ilaina foana ny misikina herim-po. b) Rahoviana isika no mila misikina herim-po, ary inona no azontsika antoka?

20 Tsy isika rehetra no iharan’ny fanenjehana mivaivay. Mila herim-po anefa isika mba hiatrehana zava-tsarotra. Nianatra Baiboly, ohatra, ny tovolahy iray any Brezila, izay anisan’ny andian-jiolahy. Tsapany hoe mila miova izy, nefa fantany koa fa matetika no vonoina ho faty izay miala amin’ilay andian-jiolahy. Nivavaka àry izy, ary niresaka tamin’ny lehibeny. Nohazavainy tamin’ny alalan’ny Baiboly hoe nahoana izy no tsy afaka miaraka amin’izy ireo intsony. Navela hiala izy ary tsy nosazina. Lasa mpitory izy tatỳ aoriana.

21 Mitaky herim-po ny fitoriana ny vaovao tsara. Mila herim-po koa isika raha tiantsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa any am-pianarana, na tiantsika ny hangataka andro tsy iasana mba hanatrehana ny andro rehetra amin’ny fivoriambe. Be dia be ny toe-javatra mitaky herim-po raha hotanisaina. Na inona na inona anefa zava-tsarotra atrehintsika, dia afaka matoky isika fa hihaino ny ‘vavaka ataontsika amim-pinoana’ i Jehovah. (Jak. 5:15) Hanome antsika ny fanahy masina izy, mba hahatonga antsika ho be herim-po.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 11]

Be herim-po i Enoka ka sahy nitory tamin’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra

[Sary, pejy 12]

Be herim-po i Jaela