Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Sambatra Ianao na dia Tsy Manompo An’i Jehovah aza ny Mpianakavinao

Afaka ny ho Sambatra Ianao na dia Tsy Manompo An’i Jehovah aza ny Mpianakavinao

Afaka ny ho Sambatra Ianao na dia Tsy Manompo An’i Jehovah aza ny Mpianakavinao

‘Tsy fantatrao angaha fa mety ho voavonjinao ny vadinao?’—1 KOR. 7:16.

METY HO HITANAO VE NY VALIN’IRETO?

Inona no azontsika atao mba hifandraisana tsara amin’ny mpianakavintsika tsy Vavolombelona?

Inona no azontsika atao mba hanampiana ny mpianakavintsika hanaiky ny fahamarinana?

Inona no azon’ny tsirairay atao mba hanampiana an’ireo Kristianina manana fianakaviana tsy Vavolombelona?

1. Inona no mety hataon’ny fianakaviana, rehefa manaraka ny fahamarinana isika?

NITENY toy izao tamin’ny apostoliny i Jesosy, indray mandeha, rehefa naniraka azy ireo hitory: “Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ” (Mat. 10:1, 7) Hiadana sy ho sambatra izay mandray tsara an’io vaovao tsara io. Nampitandrina koa anefa izy hoe ho maro ny olona hanohitra ny asa fitoriana. (Mat. 10:16-23) Tsy mora izany, indrindra fa raha ny fianakaviana no manohitra.—Vakio ny Matio 10:34-36.

2. Nahoana isika no afaka ny ho sambatra, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza ny mpianakavintsika?

2 Midika ve izany fa tsy ho sambatra mihitsy ianao, raha tsy Vavolombelon’i Jehovah ny mpianakavinao? Tsy izany mihitsy! Marina fa mety ho mafy be ny fanoherana indraindray, nefa tsy hoe izany foana no izy. Mety tsy hiraika na hanohitra koa ny sasany nefa tsy voatery haharitra izany. Miankina amin’ny fomba iatrehanao an’ilay izy no hahasambatra anao na tsia. I Jehovah koa manampy antsika ho faly rehefa tsy mivadika isika. Ho sambatra àry ianao raha 1) miezaka mafy ianao hihavana amin’ny mpianakavinao, ary 2) miezaka mafy ianao mba hanampy ny mpianakavinao hanaiky ny fahamarinana.

MIEZAHA HIHAVANA AMIN’NY MPIANAKAVINAO

3. Nahoana isika no tokony hiezaka hihavana amin’ireo mpianakavintsika tsy Vavolombelona?

3 Rehefa misy fihavanana ao an-tokantrano, dia mora mitsimoka kokoa ao am-pon’ny mpianakavintsika ny voan’ny fahamarinana. (Vakio ny Jakoba 3:18.) Tsy maintsy miezaka mafy hihavana amin’izy ireo àry isika, na dia mbola tsy manompo an’i Jehovah aza izy ireo. Ahoana no hanaovana izany?

4. Inona no hanampy ny Kristianina mba ho tony foana?

4 Mila miezaka foana ny Kristianina mba hanana fiadanana anaty, na ho tony. Ilaina àry ny mivavaka amin’ny fo mba hahazoana ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Fil. 4:6, 7) Ho sambatra sy hiadan-tsaina isika, raha mianatra momba an’i Jehovah sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Isaia 54:13) Tena ilaina koa ny mandray anjara amin’ny fivoriana sy mazoto manompo eny amin’ny saha. Afaka mahita fomba hanompoana foana ny Kristianina iray, na dia tsy mitovy finoana aminy aza ny fianakaviany. Diniho, ohatra, i Erica. * Manohitra be ny vadiny, nefa mahavita manompo foana izy. Vitainy ny raharaha ao an-trano, vao mandeha mitory izy. Hoy izy: “Tena mitahy ahy i Jehovah, ka mahita vokatra tsara foana aho, isaky ny miezaka mitory ny vaovao tsara.” Nanampy an’i Erica ho tony sy ho afa-po ary ho sambatra izany.

5. Inona matetika no olana atrehin’ireo manana fianakaviana tsy Vavolombelona, ary inona no fanampiana azon’izy ireo?

5 Mila miezaka mafy isika mba hifandray tsara amin’ilay mpianakavintsika tsy Vavolombelona. Mety ho sarotra izany, satria tsy voatery hifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly foana ny zavatra angatahany amintsika. Mety ho tezitra izy rehefa tsy milefitra isika. Raha tsy mivadika anefa isika dia hitondra soa ho an’ny fianakaviantsika izany, ka hifandray tsara amintsika izy ireo. Mila mandefitra anefa isika rehefa tsy misy toro lalan’ny Baiboly voadika, satria mety hiteraka olana tsy amin’antony izany. (Vakio ny Ohabolana 16:7.) Rehefa miatrika zava-tsarotra isika, dia tena ilaintsika ny mitady torohevitra any amin’ny anti-panahy sy ao amin’ireo boky aman-gazety navoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina.—Ohab. 11:14.

6, 7. a) Nahoana ny olona sasany no manohitra? b) Ahoana no tokony hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny mpianatra Baiboly, rehefa toherin’ny fianakaviany?

6 Hihavana amin’ny mpianakavintsika isika, raha miezaka hahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo, sady miantehitra amin’i Jehovah. (Ohab. 16:20) Afaka mampihatra an’izany na ny olona vao mianatra Baiboly aza. Tsy toherin’ny vadiny ny olona sasany mianatra Baiboly. Misy aza milaza hoe mahasoa ny tokantranony izany. Mety hanohitra be anefa ny sasany. Niaiky i Esther, izay efa lasa Vavolombelon’i Jehovah, fa tezitra be izy rehefa nanomboka nianatra Baiboly ny vadiny. Hoy izy: “Nariako ny boky sy ny gazetiny na nodorako.” Nanohitra koa i Hery tamin’ny vao nianatra Baiboly ny vadiny. Hoy izy: “Maro ny lehilahy matahotra sao voafitaka hanaraka sekta ny vadiny. Mety tsy ho fantatr’ilay lehilahy izay tokony hatao mba hiarovana ny vadiny, ka lasa manohitra be izy.”

7 Rehefa toherin’ny vadiny ny olona ampianarintsika Baiboly, dia mila ampiantsika izy hahatakatra fa tsy voatery hajanony ny fianarany. Matetika no voavaha ilay olana rehefa malemy fanahy sy manaja ny vadiny izy. (1 Pet. 3:15) Hoy ihany i Hery: “Faly aho fa tony sy tsy nivatravatra mihitsy ny vadiko!” Hoy ny vadin’i Hery: “Nasain’i Hery najanoko ny fianarako Baiboly. Nilaza izy fa fanasana atidoha ilay izy. Tsy nifamaly taminy anefa aho. Nilaza fotsiny aho hoe mety ho marina ny teniny nefa tsy mahatsapa an’izany aho. Nasaiko novakiny àry ilay boky nianarako. Rehefa namaky izy, dia hitany fa marina izay voalaza tao. Tena nisy vokany lalina taminy ilay izy.” Tadidio fa mety hahatsiaro ho manirery, na hanahy momba ny tokantranony ny vady tsy Vavolombelona, rehefa mandeha mivory na mitory ny vadiny. Mila ampisehoana fitiavana sy omena toky àry ny vady, mba hanampiana azy tsy hanirery na hatahotra.

AMPIO IZY HANAIKY NY FAHAMARINANA

8. Inona no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ireo Kristianina manana vady tsy Vavolombelona?

8 Milaza ny apostoly Paoly fa tsy tokony handao ny vadiny ny Kristianina, satria fotsiny hoe tsy mitovy finoana aminy ny vadiny. * (Vakio ny 1 Korintianina 7:12-16.) Ho sambatra ilay Kristianina, raha mitadidy fa mety ho lasa mpanompon’i Jehovah koa ny vadiny indray andro any. Mila mitandrina anefa izy rehefa manampy ny vadiny hahatakatra ny fahamarinana, araka ny hodinihintsika amin’ireto ohatra ireto.

9. Inona no tokony hataontsika rehefa te hiresaka ny fahamarinana amin’ny mpianakavintsika?

9 Faly be i Solo tamin’ny vao nianatra Baiboly, ka hoy izy: “Tiako holazaina tamin’ny olon-drehetra ilay izy!” Rehefa takatry ny mpianatra Baiboly iray fa marina ny zavatra ianarany, dia mety ho faly be izy ka izany foana no resahiny. Mety hanantena izy fa hanaiky avy hatrany izay lazainy ny fianakaviany. Tsy voatery ho izany anefa no hitranga. Inona no vokatry ny hafanam-pon’i Solo teo amin’ny vadiny? Hoy ilay vadiny: “Feno be mihitsy ny lohako!” Niteny toy izao koa ny vehivavy iray, izay nanaiky ny fahamarinana 18 taona taorian’ny vadiny: “Nila nianatra an’ilay izy tsikelikely aho.” Ahoana àry raha tsy te hianatra Baiboly ny vadin’ny olona ampianarinao? Nahoana raha manao fanazaran-tena kely foana miaraka amin’ilay mpianatra, mba hanampiana azy hahay handanjalanja rehefa miresaka ny fahamarinana? Hoy i Mosesy: “Hirotsaka toy ny orana ny fampianarako, hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, eny, tahaka ny erika eny amin’ny ahitra.” (Deot. 32:2) Midika izany fa tsara kokoa raha alefa tsikelikely ny fahamarinana, fa tsy tonga dia atosaka indray mandeha. Mila fidina tsara koa ny fotoana ilazana azy.

10-12. a) Inona no torohevitr’i Petera ho an’ireo manana vady tsy manompo an’i Jehovah? b) Ahoana no nampiharan’ny mpianatra Baiboly iray ny 1 Petera 3:1, 2?

10 Nahazo fanahy masina ny apostoly Petera, ka nanoro hevitra an’ireo vehivavy manana vady tsy manompo an’i Jehovah. Hoy izy: “Maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.” (1 Pet. 3:1, 2) Marina fa mety hanohitra be ilay lehilahy. Mety hahataona azy hanaraka ny fivavahana marina anefa ilay vehivavy, raha manaiky sy manaja lalina ny vadiny. Toy izany koa ny lehilahy kristianina. Tokony ho be fitiavana sy hitondra tsara ny ankohonany izy, na dia manohitra aza ny vadiny.—1 Pet. 3:7-9.

11 Kristianina maro ankehitriny no nandray soa rehefa nanaraka ny tenin’i Petera. Diniho ny tantaran’i Sahondra. Tsy faly i Andry vadiny, rehefa nanomboka nianatra Baiboly izy. Hoy i Andry: “Nampahatezitra ahy ilay izy, ary lasa saro-piaro sy natahotra aho.” Hoy kosa i Sahondra: “Efa sarotra ny niara-niaina tamin’i Andry, talohan’ny nianarako ny fahamarinana. Nila nitandrina be foana aho satria mora tezitra izy. Vao mainka àry loza rehefa nianatra Baiboly aho.” Inona no nanampy an’i Sahondra?

12 Nanampy azy ny tenin’ilay anabavy nampianatra azy. Hoy i Sahondra: “Tsy te hianatra Baiboly aho indray andro izay, fa nalahelo be. Novonoin’i Andry aho ny alina talohan’io rehefa niezaka niaro ny hevitro. Notantaraiko tamin’ilay rahavavy ny zava-nitranga ary nolazaiko azy ny fihetseham-poko, ka nasainy novakiko ny 1 Korintianina 13:4-7. Rehefa namaky an’ilay izy aho, dia nieritreritra hoe: ‘Tsy mba mampiseho fitiavana hoatr’izany mihitsy i Andry.’ Hafa mihitsy anefa ny zavatra nolazain’ilay rahavavy. Hoy izy: ‘Firy amin’ireo toetra ireo no asehonao amin’ny vadinao?’ ‘Tsy misy’, hoy aho, ‘satria sarotra be ny miara-miaina aminy.’ Tsara fanahy ilay rahavavy niteny hoe: ‘Sahondra a! Iza no te ho lasa Kristianina: Ianao sa i Andry?’ Takatro fa nila nanova ny fomba fisainako aho. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho mba hanampiany ahy haneho fitiavana bebe kokoa tamin’i Andry. Nanomboka niova tsikelikely ny fiainanay, taorian’izay.” Nanaiky ny fahamarinana i Andry, 17 taona tatỳ aoriana.

AFAKA MANAMPY KOA NY HAFA

13, 14. Inona no azon’ny tsirairay atao mba hanampiana an’ireo Kristianina manana fianakaviana tsy Vavolombelona?

13 Afaka ny ho sambatra ireo Kristianina manana fianakaviana tsy Vavolombelona, raha manao ny anjara birikiny ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Elvina any Brezila: “Ny fitiavana nasehon’ireo ranadahy sy rahavavy no tena nanampy ahy hijoro tsy mivadika.”

14 Tena manohina ny fon’ireo mpianakavy tsy Vavolombelona ny hatsaram-panahy sy ny fiahiana asehontsika tsirairay. Nanaiky ny fahamarinana ny lehilahy iray any Nizeria, 13 taona taorian’ny vadiny. Hoy izy: “Nanao dia niaraka tamin’ny Vavolombelona iray aho indray mandeha, ary simba ilay fiara. Nitady Vavolombelona hafa teo amin’ny tanàna teo akaiky teo izy, ary nanome trano hatorianay izy ireo. Nikarakara be anay izy ireo, toy ny hoe efa nifankahalala taminay hatramin’ny mbola kely. Tonga dia tsapako ilay fitiavana kristianina noresahin’ny vadiko foana.” Hoy koa ny vehivavy iray any Angletera, izay nanaiky ny fahamarinana 18 taona taorian’ny vadiny: “Nanasa anay mivady foana ireo Vavolombelona, ary noraisin’izy ireo tsara foana aho.” * Hoy koa ny lehilahy iray any Angletera, izay lasa Vavolombelona tatỳ aoriana: “Nitsidika anay mivady ireo rahalahy sy anabavy, na nanasa anay tany an-tranony. Tsapako tamin’izany fa tena niahy anay ry zareo. Vao mainka tsapako izany rehefa tany amin’ny hopitaly aho, satria maro no nitsidika ahy.” Maro ny Kristianina manana fianakaviana tsy Vavolombelona. Afaka miahy ny fianakavian’izy ireo koa ve ianao?

15, 16. Inona no tokony hataontsika mba hahasambatra antsika, na dia tsy manompo an’i Jehovah aza ny fianakaviantsika?

15 Tsy voatery hanaiky ny fahamarinana anefa ny fianakaviana, na dia niezaka hanana toetra tsara nandritra ny taona maro aza ilay Vavolombelona, ary niezaka hahay handanjalanja rehefa nitory tamin’izy ireo. Mbola mety tsy hiraika ny sasany, na vao mainka hanohitra. (Mat. 10:35-37) Na izany aza, dia misy vokany tsara ny fananana toetra kristianina. Hoy ny lehilahy iray, izay lasa Vavolombelona tatỳ aorian’ny vadiny: “Raha vao manomboka mampiseho toetra tsara ianao, dia tsy maintsy tsapan’ny vadinao izany. Tsy fantatsika mihitsy ny vokatr’ilay izy ao am-po sy ao an-tsainy, ka aza manary toky mihitsy.”

16 Afaka ny ho sambatra ny Kristianina iray, na dia tsy mety hanaiky ny fahamarinana aza ny mpianakaviny. Tsy nanaiky ny fahamarinana mihitsy ny vadin’ny anabavy iray, na dia niezaka nandritra ny 21 taona aza izy. Hoy izy: “Faly foana aho rehefa miezaka mampifaly an’i Jehovah, sy tsy mivadika aminy, ary miezaka manatanjaka ny finoako. Miezaka manao zavatra betsaka eo amin’ny lafiny ara-panahy aho: Mianatra samirery, mivory, manompo, ary manampy ny hafa eo anivon’ny fiangonana. Manampy ahy mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany sady miaro ny foko.”—Ohab. 4:23.

AZA KIVY!

17, 18. Inona no hanampy antsika tsy ho kivy, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza ny fianakaviantsika?

17 Aza kivy raha tsy mitovy fivavahana aminao ny fianakavianao. Tadidio fa “tsy hahafoy ny olony i Jehovah, noho ny amin’ny anarany be voninahitra.” (1 Sam. 12:22) Momba anao izy, raha mifikitra aminy ianao. (Vakio ny 2 Tantara 15:2.) Miezaha àry hahita fifaliana rehefa mianatra momba an’i Jehovah, ary “miantehera aminy.” (Sal. 37:4, 5) “Mahareta amin’ny vavaka”, ary matokia fa afaka manampy anao hiaritra ny fitsapana rehetra ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.—Rom. 12:12.

18 Mangataha fanahy masina amin’i Jehovah, mba hahafahanao hihavana amin’ny mpianakavinao. (Heb. 12:14) Rehefa mifandray tsara amin’izy ireo ianao, dia ho afaka hanohina ny fony. Ho sambatra sy ho tony ianao, rehefa ‘ataonao ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (1 Kor. 10:31) Mampahery koa ny mahalala fa vonona hanampy anao ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana eo anivon’ny fiangonana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ireo anarana.

^ feh. 8 Tsy mandrara ny Kristianina tsy hisaraka io tenin’i Paoly io, rehefa ao anatin’ny toe-javatra tsy azo anoarana. Fanapahan-kevitra lehibe ny hoe hisaraka, ary ny tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izany. Jereo ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 220-221.

^ feh. 14 Tsy raran’ny Soratra Masina ny miara-misakafo amin’ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah.—1 Kor. 10:27.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Mahaiza mifidy fotoana rehefa hanazava ny zavatra inoanao

[Sary, pejy 29]

Tokony hiahy ny vadin’ireo mpiara-manompo amintsika tsy Vavolombelona isika