Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Kristianina ve Izay Milaza fa Kristianina?

Tena Kristianina ve Izay Milaza fa Kristianina?

Tena Kristianina ve Izay Milaza fa Kristianina?

MILAZA ny Bokin-tsarintany Momba ny Fivavahana Kristianina Eran-tany (anglisy) fa efa ho 2 300 tapitrisa ny Kristianina eran-tany, tamin’ny 2010. Milaza koa anefa izy io fa maherin’ny 41 000 ny fivavahana misy azy ireo, ary samy manana ny fampianarany sy ny fitsipika arahiny ireo fivavahana ireo. Be dia be àry ny fivavahana milaza fa Kristianina, ka lasa mikorontan-tsaina sy diso fanantenana ny olona. Misy lasa saina hoe: ‘Tena Kristianina daholo àry ve izay milaza fa Kristianina?’

Mba hamaliana izany, dia haka ohatra aloha isika. Aoka hatao hoe nisy olona iray nosakanan’ny polisy, ka nanontaniany ny mombamomba azy. Tsy hino azy ilay polisy raha manazava fotsiny izy fa tsy manome porofo. Mila mampiseho kara-panondro, ohatra, izy. Toy izany koa fa tsy ampy raha milaza fotsiny ny olona iray hoe mino an’i Jesosy, fa mila manaporofo kosa izy fa tena Kristianina tokoa.

Taoriana kelin’ny taona 44 no nanomboka nampiasaina ny teny hoe “Kristianina.” Hoy i Lioka, mpanoratra Baiboly: “Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina.” (Asan’ny Apostoly 11:26) Hita eo fa mpianatr’i Kristy ireo nantsoina hoe Kristianina. Iza anefa izy ireo? Hoy Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy): ‘Ny mpianatr’i Jesosy dia izay mahafoy ny fiainany manontolo ho azy mandra-pahafatiny, ary tsy manantena tambiny rehefa manao izany.’ Ny tena Kristianina àry dia izay manaraka tsara ny toromarika sy ny zavatra nampianarin’i Jesosy, ary tsy manantena tambiny rehefa manao izany.

Manao izany daholo ve ireo olona be dia be milaza fa Kristianina? Misy zavatra dimy nolazain’i Jesosy fa amantarana ny tena mpanara-dia azy, ka hojerentsika ato raha tena nanao an’ireo tokoa ny Kristianina voalohany. Hojerentsika koa hoe iza amin’izay milaza fa Kristianina ankehitriny no manao an’ireo zavatra dimy ireo.