Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafaly ny Fanantenantsika!

Mahafaly ny Fanantenantsika!

Mahafaly ny Fanantenantsika!

‘Manana fanantenana fiainana mandrakizay isika, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be.’—TIT. 1:2.

HAINAO VALIANA VE IRETO?

Inona no mampiseho fa misy fifaliana any an-danitra rehefa tsy mivadika mandra-pahafatiny ny voahosotra iray?

Inona no ifandraisan’ny fanantenan’ny ondry hafa sy ny “fampiharihariana” an’ireo voahosotra?

Raha tiantsika ny hiaina mandrakizay, ahoana no hampisehoantsika fa manana “fitondran-tena masina” isika, ary ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’?

1. Nahoana no manampy antsika hiaritra ny fanantenana avy amin’i Jehovah?

NILAZA ny apostoly Paoly fa “Andriamanitra manome fanantenana” i Jehovah. Nilaza koa izy fa afaka manome antsika ‘fifaliana sy fiadanana’ i Jehovah, mba hananantsika ‘fanantenana bebe kokoa avy amin’ny fanahy masina.’ (Rom. 15:13) Ho afaka hiatrika ny toe-javatra rehetra isika, ary ho faly sy hiadan-tsaina foana, raha tadidìntsika foana ny fanantenantsika. Na voahosotra isika na ondry hafa, dia ‘vatofantsiky ny aintsika ny fanantenantsika, sady azo antoka no mafy orina.’ (Heb. 6:18, 19) Manampy antsika hiatrika an’ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana izy io, sady manampy antsika tsy hisalasala na hiala amin’ny finoana.—Vakio ny Hebreo 2:1; 6:11.

2. Inona no fanantenana roa ananan’ny Kristianina ankehitriny, ary nahoana no mahaliana ny “ondry hafa” ny momba an’ireo voahosotra?

2 Manantena ny hiaina any an-danitra, ka tsy ho faty intsony ny voahosotra anisan’ny “ondry vitsy.” Ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy izy ireo. (Lioka 12:32; Apok. 5:9, 10) Manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany lasa paradisa kosa ny “ondry hafa” maro be, ka ho vahoaka hoentin’ilay Fanjakan’ny Mesia. (Apok. 7:9, 10; Jaona 10:16) Tokony hotadidin’ny ondry hafa, fa miankina amin’ny fahazotoan’izy ireo manohana an’ireo voahosotra ‘rahalahin’i Kristy’ ny famonjena azy ireo. (Mat. 25:34-40) Azo antoka ny fanantenan’ireo voahosotra, ka azo antoka koa ny fanantenan’izy ireo. (Vakio ny Hebreo 11:39, 40.) Andeha àry aloha hodinihintsika ny fanantenan’ireo voahosotra.

NY FANANTENAN’IREO VOAHOSOTRA

3, 4. Inona no ataon’i Jehovah mba hahatonga an’ireo voahosotra hoe ‘hateraka indray’, ary inona ilay “fanantenana velona” azon’ireo voahosotra vokatr’izany?

3 Nantsoin’ny apostoly Petera hoe “voafidy” ireo voahosotra. (1 Pet. 1:1) Nanoratra taratasy roa ho azy ireo izy, ary nanome tsipiriany momba ny fanantenan’izy ireo. Hoy izy, ao amin’ny taratasiny voalohany: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho anareo. Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ianareo, ho amin’ny famonjena izay efa vonona haharihary amin’ny fotoana farany. Izany no iravoravoanareo fatratra.”—1 Pet. 1:3-6.

4 Tsy maintsy ‘ateraka indray’, ka hatsangan’i Jehovah ho zanany ireo Kristianina vitsivitsy, nofidiny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Amin’ny alalan’ny fanahy masina no hanaovan’i Jehovah izany. Ny fanahy masina koa no hanosorana azy ireo ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy. (Apok. 20:6) Nilaza i Petera fa noho izy ireo ‘ateraka indray’, dia lasa manana “fanantenana velona”, dia fanantenana hahazo an’ilay ‘lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, voatahiry ho azy ireo any an-danitra.’ Tsy mahagaga àry raha ‘ravoravo fatratra’ ireo voahosotra! Raha tsy mivadika ihany anefa izy ireo, vao hahazo an’izany zavatra antenain’izy ireo izany.

5, 6. Nahoana no mila miezaka mafy ireo voahosotra, mba ho azo antoka ny fiantsoana azy ireo?

5 Nampirisika an’ireo voahosotra i Petera, ao amin’ny taratasiny faharoa, fa ‘tokony hanao izay rehetra azony atao izy ireo, mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ireo.’ (2 Pet. 1:10) Mila miezaka mafy, ohatra, izy ireo mba hanana finoana, hahafoy tena ho an’Andriamanitra, ho tia ny rahalahy, ary ho tia ny olona rehetra. Hoy i Petera: “Raha anananareo ireo toetra ireo, sady anananareo betsaka, dia tsy havelan’izany hipetra-potsiny na tsy hahavokatra ianareo.”—Vakio ny 2 Petera 1:5-8.

6 Hoy i Kristy tamin’ireo anti-panahy voahosotra, tao amin’ny fiangonan’i Filadelfia: “Koa satria nitana ny teny momba ny fiaretako ianao, dia hiaro anao koa aho amin’ny ora fitsapana izay ho tonga eran’ny tany onenana, mba hitsapana an’izay monina ambonin’ny tany. Ho avy haingana aho. Tano mafy foana izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.” (Apok. 3:10, 11) Hahazo “satroboninahitra tsy mety malazo” ireo voahosotra tsy mivadika mandra-pahafatiny. Tsy hahazo an’io satroboninahitra io kosa izy ireo, raha mivadika.—1 Pet. 5:4; Apok. 2:10.

NY FOMBA IDIRANA AO AMIN’ILAY FANJAKANA

7. Inona no fanantenana mahafinaritra noresahin’i Joda?

7 Nanoratra ho an’ireo voahosotra namany i Joda, rahalahin’i Jesosy, tamin’ny taona 65 tany ho any. Nantsoiny hoe “olona voantso” izy ireo. (Joda 1; ampitahao amin’ny Hebreo 3:1.) Saika hanoratra momba ny fanantenana ‘iombonan’ny voahosotra’ izy, tamin’ny voalohany, dia ny fanantenana ho voavonjy. (Joda 3) Nisy zavatra hafa maika kokoa anefa tena nilaina, ka izay indray no noresahiny. Na izany aza, dia niresaka momba an’io fanantenana mahafinaritra io ihany izy, rehefa namarana ny taratasiny. Toy izao no fomba nilazany azy: “Ho an’ilay maharo anareo tsy ho tafintohina, sy mahavita mametraka anareo tsy misy tsiny eo anatrehan’ny voninahiny, amim-pifaliana lehibe, eny, ho an’ilay hany Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie ny voninahitra, sy ny fahalehibeazana, sy ny hery ary ny fahefana hatrizay hatrizay sy ankehitriny ary ho mandrakizay mandrakizay!”—Joda 24, 25.

8. Inona no mampiseho fa misy fifaliana any an-danitra, rehefa tsy mivadika mandra-pahafatiny ny voahosotra iray?

8 Mazava ho azy fa mila fiarovana ireo voahosotra, mba “tsy ho tafintohina” ka ho ringana. Manantena izy ireo fa hanangana azy amin’ny maty i Jesosy Kristy, ka hahazo vatana ara-panahy tonga lafatra izy ireo. Ho afaka hijoro eo anatrehan’Andriamanitra amim-pifaliana izy ireo amin’izay fotoana izay. Raha maty ny voahosotra iray ka tsy nivadika, dia azo antoka fa hahazo ‘vatana ara-panahy tsy mety lo’ izy, sady ho “be voninahitra.” (1 Kor. 15:42-44) Koa satria misy “fifaliana” be any an-danitra rehefa misy ‘mpanota iray mibebaka’, alao sary an-tsaina ny fifaliana any an-danitra rehefa misy rahalahin’i Kristy nahavita ny fihazakazany teto an-tany, ary tsy nivadika mihitsy! (Lioka 15:7) Rehefa handray ny valisoany “amim-pifaliana lehibe” ilay voahosotra, dia hiara-paly aminy i Jehovah sy ireo zavaboary ara-panahy hafa tsy nivadika.—Vakio ny 1 Jaona 3:2.

9. Inona no dikan’ilay hoe hiditra “amim-boninahitra” ao amin’ilay Fanjakana ireo voahosotra, ary inona no vokatr’izany amin’ireo voahosotra mbola eto an-tany?

9 Niresaka momba ny valisoan’ireo voahosotra koa i Petera. Nilaza izy fa raha tsy mivadika izy ireo, dia ‘havela hiditra amim-boninahitra ao amin’ilay fanjakana mandrakizay, dia ny fanjakan’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.’ (2 Pet. 1:10, 11) Inona no tian’i Petera holazaina rehefa niteny izy hoe hiditra “amim-boninahitra” ao amin’ilay Fanjakana ireo voahosotra? Te hilaza izy fa homena voninahitra izy ireo, rehefa miditra ao amin’ilay Fanjakana. Midika hoe “omena be dia be” ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “amim-boninahitra.” Mety ho te hilaza koa àry i Petera hoe homena fitahiana be dia be ireo voahosotra rehefa any an-danitra. Ho faly be sy ho feno fankasitrahana tokoa izy ireo amin’izay, rehefa mieritreritra ny tsy fivadihana nasehony tetỳ an-tany. Azo antoka fa manampy an’ireo voahosotra mbola eto an-tany mba ‘hatanja-tsaina’ izany fanantenana izany, mba hahafahan’izy ireo manao foana ny asa nanendrena azy.—1 Pet. 1:13.

NY FANANTENAN’NY ONDRY HAFA

10, 11. a) Inona no fanantenan’ny ondry hafa? b) Inona no ifandraisan’ny fanantenan’ny ondry hafa sy ny zavatra nataon’i Kristy? Ary inona no ifandraisan’ny fanantenan’ny ondry hafa sy ny “fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra”?

10 Nanoratra ho an’ireo voahosotra ny apostoly Paoly, ary nilaza fa ho “mpiara-mandova” amin’i Kristy izy ireo. Niresaka momba ny fanantenan’ireo olona maro be, anisan’ny “ondry hafa”, anefa izy avy eo. Hoy izy: “Ny zavaboary [olombelona] dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra [izany hoe ireo voahosotra]. Fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho ny sitrapon’ilay namela izany hitranga. Eny, navela hitranga izany, miorina amin’izao fanantenana izao: Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—Rom. 8:14-21.

11 Nanome fanantenana ho an’ny olombelona i Jehovah, rehefa nampanantena fa hanafaka ny olona amin’ilay “menarana tany am-boalohany”, dia i Satana Devoly. Hanao an’izany amin’ny alalan’ilay ‘taranaka’ nampanantenaina izy. (Apok. 12:9; Gen. 3:15) I Jesosy Kristy no lehibe indrindra amin’io ‘taranaka’ io. (Gal. 3:16) Rehefa maty sy natsangana izy, dia afaka nanantena ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona. Hanomboka ho tanteraka tsikelikely io fanantenan’ny olombelona io, rehefa ‘haharihary ireo zanak’Andriamanitra’, izany hoe ireo voahosotra, izay anisan’ilay ‘taranaka’ koa. Haharihary ireo zanak’Andriamanitra ireo, rehefa hiaraka amin’i Kristy izy ireo handrava ny tontolon’i Satana. (Apok. 2:26, 27) Ho voavonjy kosa ireo vahoaka be anisan’ny ondry hafa, vokatr’izany.—Apok. 7:9, 10, 14.

12. Inona no soa ho azon’ny olombelona, rehefa ‘haharihary ireo zanak’Andriamanitra’?

12 Hitondra fanafahana ho an’ny “zavaboary”, izany hoe ho an’ny olombelona, ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Mbola ‘haharihary’ amin’ny fomba hafa ireo “zanak’Andriamanitra” amin’izay fotoana izay. Hanao ny asan’ny mpisorona miaraka amin’i Kristy mantsy izy ireo, ka hanampy ny olombelona handray soa amin’ny sorom-panavotana. Hafahana tsikelikely amin’ny “fanandevozan’ny fahalovana” ny olombelona mankatò, eo ambanin’ny fitondran’ilay Fanjakana. Hafahana amin’ny vokatry ny ota sy ny fahafatesana izy ireo. Ho voasoratra mandrakizay ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anaran’izy ireo, raha tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo mandritra ilay Fanjakana Arivo Taona, sy mandritra ilay fitsapana amin’ny faran’ny Arivo Taona. (Apok. 20:7, 8, 11, 12) Hanana ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo aorian’izay. Fanantenana mahafinaritra tokoa izany!

TADIDIO FOANA NY FANANTENANTSIKA

13. Nahoana isika no manana fanantenana, ary rahoviana no haharihary i Kristy?

13 Manampy ny voahosotra sy ny ondry hafa mba hitadidy ny fanantenany ireo taratasy roa nosoratan’i Petera. Nasehony fa noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah no mahatonga antsika hanana fanantenana, fa tsy noho ny asa ataontsika. Nampirisihiny isika mba ‘hanantena ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah’, satria hahasoa antsika izy io, “rehefa haharihary i Jesosy Kristy.” (1 Pet. 1:13) Rahoviana tokoa moa no haharihary i Jesosy Kristy? Rehefa ho avy izy hamaly soa an’ireo mpanara-dia azy tsy mivadika, sy hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ireo ratsy fanahy.—Vakio ny 2 Tesalonianina 1:6-10.

14, 15. a) Inona no tokony hataontsika ao an-tsaina, raha tiantsika ny hitadidy foana ny fanantenantsika? b) Inona no torohevitra nomen’i Petera antsika?

14 Hotadidintsika foana ny fanantenantsika, raha ataontsika ao an-tsaina fa efa akaiky ny “andron’i Jehovah”, ary ataontsika mifanaraka amin’izany ny fiainantsika. Hoy i Petera: ‘Olona tokony hanao ahoana moa ianareo, raha miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah! Io andro io no handevonana ny lanitra efa mirehitra sy hampiempoana ireo singan-javatra efa mahamay be.’ (2 Pet. 3:10-12) Rehefa tonga ny andron’i Jehovah, dia horinganina ny “lanitra” sy ny “tany” ary ny “singan-javatra” eo amin’ny tany. Tsy inona ny “lanitra” fa ny fitondran’olombelona, ary ny “tany” dia ireo olona ratsy fanahy.

15 Inona no hitranga aorian’izay? Hisy “lanitra vaovao”, izany hoe ny fitondran’i Kristy, ary hisy “tany vaovao”, izany hoe ny olo-marina hofehezin’izy io. (2 Pet. 3:13) Mila manaraka an’ity torohevitr’i Petera ity àry isika eo am-piandrasana izany: “Koa satria miandry izany zavatra izany ianareo, ry malala, dia ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho hita ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo, amin’ny farany.”—2 Pet. 3:14.

ASEHOY HOE MANANA FANANTENANA IANAO

16, 17. a) Ahoana no hampisehoantsika fa manana “fitondran-tena masina” isika, ary ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’? b) Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ho azo ilay fiainana mandrakizay nantenaintsika?

16 Tsy ampy ny hoe mitadidy ny fanantenantsika, fa tokony ho hita eo amin’ny fomba fiainantsika koa hoe manana fanantenana isika. Nilaza i Petera fa tokony hiezaka isika mba hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. Mila manana “fitondran-tena masina” foana àry isika. Asehontsika izany, raha ‘tsara foana ny fitondran-tenantsika eo amin’izao tontolo izao.’ (2 Pet. 3:11; 1 Pet. 2:12) Mila “mifankatia” koa anefa isika. Tafiditra amin’izany ny hoe miaro ny firaisan-tsain’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, anisan’izany ny firaisan-tsain’ny fiangonana misy antsika. (Jaona 13:35) Nilaza koa i Petera fa mila ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ isika, izany hoe mila manao zavatra mba hanamafisana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mivavaka amin’ny fo, ohatra, isika, mamaky Baiboly isan’andro, mianatra samirery sy misaintsaina, manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary mazoto mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.”—Mat. 24:14.

17 Irintsika rehetra ny hovonjen’i Jehovah rehefa ‘handevona’ na handringana an’ity tontolo ity izy. Mila miezaka àry isika mba ho anisan’ireo karazan’olona ankasitrahany. Raha manao izany isika, dia ho azontsika ilay ‘fiainana mandrakizay nantenaintsika, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be.’—Tit. 1:2.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Tsy maintsy ‘ateraka indray’ ireo voahosotra mba hanana “fanantenana velona”

[Sary, pejy 24]

Mitadidy ny fanantenantsika foana ve ianao sy ny fianakavianao?