Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Tsara ve i Jesosy Kristy?

Fantatrao Tsara ve i Jesosy Kristy?

Fantatrao Tsara ve i Jesosy Kristy?

“Lazain’ny vahoaka ho iza moa aho?”—LIOKA 9:18.

NANONTANIAN’I Jesosy an’izany ny mpianany satria fantany fa samy nanana ny heviny ny olona. Nifanerasera tamin’ny olona anefa izy ka tsy tokony ho niady hevitra momba azy ry zareo. Tsy niafinafina izy rehefa nitory sy nampianatra mba hahafantaran’izy ireo ny marina momba azy.—Lioka 8:1.

Hita tamin’izay nolazain’i Jesosy sy nataony hoe iza marina izy, ary voaresaka ao amin’ny Filazantsara izany. Nahazo ny fanahy masin’Andriamanitra ireo nanoratra ny Filazantsara, ka ao isika no hahita ny valin’ny fanontaniana momba an’i Jesosy. *Jaona 17:17.

FANONTANIANA: Tena nisy ve i Jesosy?

VALINY: Tena nisy izy araka ny voalazan’ny mpahay tantara, toa an’i Josèphe sy Tacite, izay niaina tamin’ny taonjato voalohany. Manaporofo izany koa ny Filazantsara. Rehefa mitantara momba an’i Jesosy izy io, dia lazainy amin’ny an-tsipiriany ny daty sy ny toerana. Nanonona anarana mpitondra fito tamin’izany fotoana izany, ohatra, i Lioka rehefa niresaka ny fotoana nanombohan’i Jesosy ny fanompoany. Voaporofon’ny mpahay tantara fa tena nisy izy ireo.—Lioka 3:1, 2, 23.

Tsy azo lavina àry fa nisy tokoa i Jesosy, satria hoy ny boky iray: “Miaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tena nisy ilay lehilahy atao hoe Jesosy avy any Nazareta.”

FANONTANIANA: Andriamanitra tokoa ve i Jesosy?

VALINY: Nasehon’i Jesosy foana fa ambany izy raha oharina amin’Andriamanitra. Tsy nieritreritra mihitsy izy hoe mitovy izy ireo. Niantso an’i Jehovah * hoe “Andriamanitro”, ohatra, izy. (Matio 27:46) Midika izany fa nivavaka tamin’Andriamanitra izy. Nilaza koa i Jesosy hoe i Jehovah no “ilay hany tena Andriamanitra.” (Jaona 17:3) Tsy ho niteny an’ireo izy raha izy ihany no Andriamanitra.

Nasehon’i Jesosy fa hafa mihitsy Andriamanitra ary hafa mihitsy izy. Hoy izy tamin’ny olona nanohitra azy: ‘Voasoratra ao amin’ny Lalànareo hoe: “Marina ny tenin’ny vavolombelona roa.” Izaho mijoro ho vavolombelon’ny tenako ary ny Ray izay naniraka ahy koa mijoro ho vavolombeloko.’ (Jaona 8:17, 18) Tsy i Jehovah mihitsy àry i Jesosy, satria ahoana moa no itenenany hoe vavolombelona roa izy sy Jehovah raha izy ihany no Andriamanitra? *

FANONTANIANA: Olona tsara fanahy fotsiny ve i Jesosy?

VALINY: Olona niavaka izy, satria tena nandray anjara be tamin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Izao mihitsy aza, ohatra, no iantsoana azy:

“Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.” (Jaona 3:18) Fantatr’i Jesosy fa efa nisy ela be tany an-danitra izy vao nanketỳ an-tany. Hoy izy: ‘Avy any an-danitra aho.’ (Jaona 6:38) I Jesosy no noforonin’Andriamanitra voalohany, ary nanampy tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra izy avy eo. Izy ihany no noforonin’Andriamanitra irery, ka mety tsara ny iantsoana azy hoe “Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.”—Jaona 1:3, 14; Kolosianina 1:15, 16.

“Zanak’olona.” (Matio 8:20) Imbetsaka i Jesosy no nilaza fa “Zanak’olona” izy. Hita im-80 eo ho eo ao amin’ny Filazantsara io teny io. Midika izany fa tena olombelona izy, tamin’izy tetỳ an-tany, fa tsy hoe Andriamanitra miendrika olona. Ahoana anefa no nahatonga an’io Zanak’Andriamanitra io ho lasa olombelona? Nampiasa ny fanahiny masina i Jehovah mba hamindrana ny ainy tao an-kibon’i Maria virjiny. Lavorary àry i Jesosy rehefa teraka.—Matio 1:18; Lioka 1:35; Jaona 8:46.

“Mpampianatra.” (Jaona 13:13) Nilaza i Jesosy fa nasain’i Jehovah ‘nampianatra sy nitory’ ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. (Matio 4:23; Lioka 4:43) Nazava sy mora azo ny fampianarany. Nohazavainy tsara hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ahoana no hanatanterahan’izy io ny sitrapon’Andriamanitra.—Matio 6:9, 10.

“Ny Teny.” (Jaona 1:1) Mpitondra Tenin’Andriamanitra i Jesosy, izany hoe izy no nampita ny fanazavana sy toromarika avy tamin’Andriamanitra. Nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany i Jesosy mba hanambara hafatra avy aminy.—Jaona 7:16, 17.

FANONTANIANA: I Jesosy ve no Mesia?

VALINY: Niresaka tamin’i Jesosy ny vehivavy samaritanina iray, indray mandeha. Hoy izy: “Fantatro fa ho avy ny Mesia, izay atao hoe Kristy.” Namaly i Jesosy hoe: “Izaho izay miresaka aminao izao no izy.” (Jaona 4:25, 26) Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa ho avy ny Mesia na Kristy na Voahosotra, ka tena handray anjara be amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra.

Misy porofo ve anefa hoe i Jesosy tokoa no Mesia? Ireto misy porofo telo mari-pototra, toy ny peta-tondro hamantarana azy.

Ny razambeny. Nilaza ny Baiboly fa taranak’i Abrahama sy Davida ny Mesia. (Genesisy 22:18; Salamo 132:11, 12) Tanteraka tamin’i Jesosy tokoa izany.—Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38.

Ny faminaniana tanteraka taminy. Be dia be ny zavatra nolazain’ny Baiboly mialoha momba ny Mesia. Noresahiny tamin’ny an-tsipiriany, ohatra, ny hahaterahany sy ny hahafatesany. Anisan’izany ny hoe ho teraka ao Betlehema izy (Mika 5:2), hiala any Ejipta (Hosea 11:1), ary tsy hotapahina ny taolany rehefa hovonoina (Salamo 34:20). Tanteraka tamin’i Jesosy daholo izany. (Lioka 2:4-11; Matio 2:15; Jaona 19:33, 36) Azo antoka fa tsy hoe namboamboarin’i Jesosy ny fiainany, mba ho tanteraka taminy ireny faminaniana ireny. *

Ny porofo avy amin’Andriamanitra. Rehefa teraka i Jesosy, dia naniraka anjely Andriamanitra hilaza tamin’ny mpiandry ondry hoe teraka ny Mesia. (Lioka 2:10-14) Imbetsaka koa Andriamanitra no nilaza tamin’i Jesosy fa nankasitrahany izy. (Matio 3:16, 17; 17:1-5) Nampian’i Jehovah izy ka nahavita nanao fahagagana. Porofo koa izany fa izy no Mesia.—Asan’ny Apostoly 10:38.

FANONTANIANA: Nahoana no tsy maintsy nijaly sy maty i Jesosy?

VALINY: Tsy mendrika ny hijaly i Jesosy satria tsy nanota. Tsy tokony ho nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana toy ny mpanao heloka bevava koa izy, ka navela ho afa-baraka teo. Efa fantatr’i Jesosy mialoha fa izany no hanjo azy, nefa nanaiky hiharan’izany izy.—Matio 20:17-19; 1 Petera 2:21-23.

Nilaza ny Baiboly fa hanavotra ny olona amin’ny ota ny Mesia ka hijaly sy ho faty. (Isaia 53:5; Daniela 9:24, 26) Izany no nataon’i Jesosy, satria nilaza izy fa “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Izay mino ny sorona nataony, dia tsy hanota sy tsy ho faty intsony ary hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. *Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10.

FANONTANIANA: Natsangana tamin’ny maty tokoa ve i Jesosy?

VALINY: Tena nanantena i Jesosy fa hatsangana amin’ny maty izy. (Matio 16:21) Tsy nisy nilaza anefa, na i Jesosy na ny mpanoratra Baiboly, fa hitsangana ho azy izy. Tsy hisy mihitsy koa ny zavatra hoatr’izany. Milaza ny Asan’ny Apostoly 2:24 fa ‘nanangana azy tamin’ny maty Andriamanitra rehefa namaha ny fatoran’ny fahafatesana.’ Tokony hino isika hoe afaka nanangana ny Zanany tamin’ny maty Andriamanitra, raha inoantsika hoe izy no namorona ny zava-drehetra.—Hebreo 3:4.

Misy porofo àry ve fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy? Diniho ireto:

Nisy olona nanatri-maso. Nilaza ny apostoly Paoly fa nisy olona 500 mahery nahita hoe natsangana i Jesosy. Mbola velona aza ny sasany tamin’izy ireo tamin’i Paoly nanoratra an’izany, 22 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (1 Korintianina 15:6) Mety tsy hino ianao raha olona iray na roa no nahita azy. Olona 500 be izao anefa ilay izy, ka iza no ho sahy handa an’izany?

Vavolombelona azo atokisana. Sahy nitory ny mpianatr’i Jesosy voalohany hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Izy ireo mantsy no tena nahita izay nitranga. (Asan’ny Apostoly 2:29-32; 3:13-15) Nihevitra mihitsy aza izy ireo fa tena tokony hino ny fitsanganana amin’ny maty ny Kristianina. (1 Korintianina 15:12-19) Naleony maty toy izay tsy hino an’i Jesosy intsony. (Asan’ny Apostoly 7:51-60; 12:1, 2) Izy ireo ve dia hanaiky ho faty raha tsy natsangana akory i Jesosy?

Hitantsika teo ny marina lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy. Tena zava-dehibe ve anefa ny hahalalana an’izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy boky miresaka momba an’i Jesosy, nefa tsy tena marina ny zavatra lazainy. Tsy mitovy amin’ireny anefa ny tena Filazantsara. Jereo ny pejy 18-19.

^ feh. 9 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

^ feh. 10 Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny pejy 20-22.

^ feh. 21 Miresaka faminaniana sasany tanteraka tamin’i Jesosy ny pejy 200, ao amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

^ feh. 25 Manazava bebe kokoa momba ny vidim-panavotana nataon’i Jesosy ny toko 5 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?