Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mila Mahalala Azy ve Ianao?

Tena Mila Mahalala Azy ve Ianao?

Tena Mila Mahalala Azy ve Ianao?

“Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—JAONA 8:32.

NY BAIBOLY no milaza ny tena marina momba an’i Jesosy. Hanampy anao tsy hikorontan-tsaina na ho voafitaky ny fampianaran-diso izany. Tena zava-dehibe amin’i Jehovah sy Jesosy ny hahalalanao ny marina momba an’i Jesosy, ka tokony ho zava-dehibe aminao koa.

Nahoana izany no zava-dehibe amin’i Jehovah? Satria ‘Andriamanitra fitiavana’ izy. (1 Jaona 4:8) Tiany homena fiainana mandrakizay izay mianatra ny marina momba an’i Jesosy sy mampihatra izay ianarany. (Romanina 6:23) Tiany ho sambatra mandrakizay isika. Hoy i Jesosy: ‘Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra [ny olombelona], ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy.’ (Jaona 3:16) Nirahin’Andriamanitra hanavotra antsika ny Zanany, ka afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika. Izany rahateo no efa fikasany.—Genesisy 1:28.

Nahoana izany no zava-dehibe amin’i Jesosy? Tena tia ny olombelona koa i Jesosy, ka nahafoy ny ainy ho azy ireo. (Jaona 15:13) Fantany mantsy fa izany ihany no hahazoan’izy ireo famonjena. (Jaona 14:6) Tian’i Jesosy àry raha faran’izay betsaka ny olona mandray soa avy amin’ny sorona nataony. Izany no antony nanirahany ny tena mpanara-dia azy mba hampianatra ny olona eran-tany ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany.—Matio 24:14; 28:19, 20.

Nahoana izany no tokony ho zava-dehibe aminao? Eritrereto hoe inona no mba tena irinao. Tianao ve, ohatra, raha salama tsara sy sambatra ianao sy ny fianakavianao? Mampanantena i Jehovah fa hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao ianareo, ary tsy harary na hijaly intsony. (Salamo 37:11, 29; Apokalypsy 21:3, 4) I Jesosy no hasainy hanatanteraka izany. Misy zavatra tokony hataonao anefa raha te hahazo an’izany ianao.

Eritrereto indray ange ilay andinin-teny terỳ aloha e! Ilay hoe “ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” Handray soa àry ianao raha mahalala ny marina momba an’i Jesosy sy ny anjara asany amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Tsy ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana intsony mantsy ianao. Nahoana àry raha mianatra momba an’i Jesosy sy izay tokony hataonao sy ny fianakavianao? Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.