Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe mandehana roa kilaometatra?

Hoy i Jesosy, indray mandeha: “Raha misy manam-pahefana manery anao handeha iray kilaometatra ka hanao fanompoana ho azy, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.” (Matio 5:41) Matetika ny manam-pahefana tamin’izany no nanery ny vahoaka hanao zavatra, ka azo antoka fa azon’ny olona hoe izany no tian’i Jesosy holazaina.

Ny Romanina no nifehy ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Naka zavatr’olona izy ireo, raha nilainy izany, mba hamitana haingana ny raharaham-panjakana. Notereny hiasa ho azy koa na olona izany na biby. Noteren’ny miaramila romanina hibata ny hazo fijalian’i Jesosy, ohatra, i Simona avy any Kyrena. (Matio 27:32) Tena halan’ny Jiosy ny Romanina, satria nanjakazaka sy nampijaly azy.

Tsy fantatra hoe hoatran’ny ahoana ny hamafin’ny asa azon’ny manam-pahefana nampanaovina ny vahoakany. Sarotra inoana anefa hoe hanao mihoatra noho izay notakina taminy ny olona. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe mandehana roa kilaometatra? Nampirisika ny olona izy mba tsy ho tezitra rehefa manao izay zavatra takin’ny manam-pahefana, satria zon’izy ireo izany.—Marka 12:17.

Iza ilay Anasy resahina ao amin’ny Filazantsara?

“Lehiben’ny mpisorona” i Anasy, ary rafozan-dahin’i Kaiafa Mpisoronabe. (Lioka 3:2; Jaona 18:13; Asan’ny Apostoly 4:6) Efa mpisoronabe koa izy tamin’ny taona 6 na 7 tany ho any. Naongan’i Valerius Gratus, governora romanina, anefa izy tamin’ny taona 15 tany ho any. Mbola nanana fahefana teo amin’ny Israely izy na izany aza. Mpisoronabe ny dimy tamin’ny zanany sy ny vinantony.

Nanao ny asany mandra-pahafatiny ny mpisoronabe, tamin’ny Israelita mbola nahaleo tena. (Nomery 35:25) Rehefa lasa nofehezin’ny Romanina anefa izy ireo, dia afaka nanongana ny mpisoronabe ny governora romanina sy ny mpanjaka voatendry. Nilaza, ohatra, i Flavius Josèphe, mpahay tantara, fa i Joazara no mpisoronabe tamin’ny taona 6 na 7 tany ho any. Naongan’i Kyrenio, governoran’i Syria, izy ka i Anasy no nataony solony. Toa nitandrina tsara anefa ny mpitondra romanina, mba ho avy amin’ny fianakavian’ny mpisorona foana ny mpisorona vaovao notendreny. Tsy maintsy nanao izay tian’ny manam-pahefana romanina ny mpisoronabe.

Nalaza ho tia tena sy nanan-karena be i Anasy sy ny fianakaviany. Inona no nety ho nampanan-karena azy ireo? Ry zareo no tena nitantana ny fivarotana ny zavatra nanaovana fanatitra tao amin’ny tempoly. Anisan’izany ny voromailala, ondry, menaka, ary divay. Nilaza i Josèphe fa “nanana mpiasa ratsy fanahy i Ananiasy [zanak’i Anasy]. Naka an-keriny ny ampahafolon-karena tokony ho an’ny mpisorona izy ireo. Novonovonoiny mihitsy aza izay tsy nanome.”