Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

“Mba Avelao re Izahay Hiverina Aminao E!”

“Mba Avelao re Izahay Hiverina Aminao E!”

Efa nanompo an’i Jehovah ve ianao taloha? Te hiverina aminy indray ve ianao, nefa matahotra hoe tsy ho tiany intsony? Vakio tsara ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka, satria natao ho anao mihitsy.

TSY nanompo an’i Jehovah intsony ny vehivavy iray. Nandika ny fitsipiky ny Baiboly efa nampianarina azy hatramin’ny mbola kely izy. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy tatỳ aoriana hoe: “Avelao re aho mba hiverina aminao e! Mifona aho fa nanao zavatra tsy tianao!” Malahelo an’io vehivavy io ve ianao? Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Mbola tadidin’Andriamanitra àry ve ny olona niala taminy ary mba tiany “hiverina” aminy ihany ve?’ Andeha isika handinika ny Jeremia 31:18-20. (Vakio.) Ao mantsy no ahitana ny valin’izany, ary azo antoka fa hampahery anao izany.

Hojerentsika aloha izay nitranga, taona maro talohan’ny nanoratan’i Jeremia an’ireo teny ireo. Taona 740 Talohan’i Kristy (T.K.) tamin’izay. Navelan’i Jehovah nobaboin’ny Asyrianina ny foko folon’ny Israely. * Nanao fahotana lehibe mantsy izy ireo ka nofaiziny. Efa imbetsaka no nampitandrina azy ireo ny mpaminanin’Andriamanitra, nefa tsy noraharahainy. (2 Mpanjaka 17:5-18) Lasa nijaly izy ireo rehefa babo, sady tafasaraka tamin’i Jehovah ary lavitra ny tanindrazany. Nampiova azy ireo ve anefa izany? Ary i Jehovah? Hadinony tanteraka ve ny Israelita? Tsy havelany hody sy hifandray aminy intsony ve izy ireo?

‘Nanenina noho ny ratsy vitako aho’

Nibebaka tamin’ny fony manontolo ny Israelita babo na i Efraima rehefa tonga saina. Hitan’i Jehovah izany, ka niresaka momba izany izy. Diniho ange izay nolazainy e!

“Reko tokoa i Efraima nitaraina”, hoy i Jehovah. (Andininy 18) Nitaraina izy ireo satria nizaka ny vokatry ny nataony. Toy ny ankizy naditra voaroaka tao an-tranony ry zareo, ka nanenina be ary te hiverina hody. (Lioka 15:11-17) Izao no nolazain’izy ireo:

“Nanitsy ahy toy ny fanitsy zanak’omby mbola tsy nofolahina ianao.” (Andininy 18) Niaiky ny Israelita fa mendrika ny hofaizin’i Jehovah izy ireo, satria toy ny zanak’omby mbola tsy nofolahina. Inona no dikan’izany? Milaza ny boky iray fa tsy hofaizina amin’ny “hazo fanindronana” mihitsy ny zanak’omby raha tsy hoe “midongy tsy mety hasiana zioga.” Toy izany koa ny Israelita. Tsy ho nanafay azy ireo mihitsy Andriamanitra raha tsy nanota izy ireo.

“Ampio hiverina aminao aho, dia hiverina avy hatrany. Fa ianao no Jehovah Andriamanitro.” (Andininy 18) Nanetry tena ny Israelita. Niangavy an’Andriamanitra izy ireo mba hanampy azy hiverina sy hahazo sitraka aminy indray. Izao no andikan’ny Dikan-teny Anglisy Maoderina an’io Jeremia 31:18 io: “Ianao no Andriamanitray. Mba avelao re izahay hiverina aminao e!”

‘Nanenina noho ny ratsy vitako aho. Menatra sy afa-baraka koa aho.’ (Andininy 19) Nanenina ny Israelita sady niaiky hoe diso. Nahatsiaro ho afa-baraka sy tsy nisy dikany koa izy ireo.—Lioka 15:18, 19, 21.

Nibebaka ny Israelita ka nibaboka ny fahotany tamin’Andriamanitra, ary tsy nanao ratsy intsony. Dia tsy hangoraka azy ireo ve izany Andriamanitra? Handray azy ireo ve izy, ary hamela azy hody?

“Tena hiantra azy aho”

Tena tian’i Jehovah ny Israelita. Hoy izy: “Ho Rain’ny Israely aho, ary i Efraima [na foko folon’ny Israely] kosa ho lahimatoako.” (Jeremia 31:9) Toy ny ray be fitiavana izy ka azo antoka fa handray azy ireo tsara, satria tena nanenina izy ireo. Mariho ange ny fomba nilazan’i Jehovah izay tao am-pony e!

“Tsy zanaka tena tiako ve i Efraima, ary zanaka mamin’ny foko? Fa toy ny hamafin’ny nanamelohako azy ihany no hahatsiarovako azy.” (Andininy 20) Izany ka teny mamy! Toy ny ray hentitra nefa be fitiavana Andriamanitra. Tsy maintsy nananatra azy ireo foana izy rehefa tsy nety ny nataon’izy ireo. Mafy loha ry zareo ka navelany ho lasa babo sy handao ny tanindrazany. Tsy nanadino azy ireo anefa i Jehovah. Aiza tokoa moa no hisy ray be fitiavana hanadino ny zanany? Inona no tsapan’i Jehovah rehefa hitany hoe tena nibebaka izy ireo?

“Mangotikotika ny tsinaiko noho ny aminy, * ka tena hiantra azy aho.” (Andininy 20) Nalahelo be an’ireo Israelita babo i Jehovah. Nibebaka izy ireo, ka nanohina ny fony izany. Tena tiany hiverina aminy izy ireo. Toy ny rain’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy i Jehovah. “Nangoraka” izy, ary tsy andriny ny hahita azy ireo ho tafody indray.—Lioka 15:20.

‘Jehovah ô! Avelao re aho  mba hiverina aminao e!’

Hitantsika tao amin’ny Jeremia 31:18-20 fa mangoraka sy mamindra fo i Jehovah. Na dia tsy manompo azy intsony aza ny olona iray, dia tsy hadinony mihitsy. Ahoana raha te hiverina aminy indray izy ireny? ‘Vonona hamela ny helony’ Andriamanitra. (Salamo 86:5) Tsy ho laviny mihitsy izay mibebaka ka manatona azy. (Salamo 51:17) Vao mainka aza izy ho faly handray azy ireo.—Lioka 15:22-24.

Te hanompo an’i Jehovah indray ilay vehivavy noresahina terỳ aloha, ka nankany amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teny an-tanànany. Menatra olona izy tamin’ny voalohany, nefa tsy maintsy nizaka an’izany. Hoy izy: “Nahatsiaro tena ho tsisy dikany aho.” Nampahery azy anefa ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonana, ary nanampy azy hifandray amin’i Jehovah indray. Hoy izy: “Faly erỳ aho fa navelan’i Jehovah hiverina aminy indray!”

Raha te hiverina amin’i Jehovah àry ianao, dia aza misalasala mankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tadidio fa mangoraka sy mamindra fo izy, raha mibebaka ianao ka miangavy azy hoe: “Avelao re aho mba hiverina aminao e!”

Famakiana Baiboly amin’ny Aprily:

Jeremia 17-31

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nizara roa ny fanjakan’ny Israely tamin’ny 997 T.K. Ny fanjakan’ireo foko roan’i Joda no tany atsimo. Ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely no tany avaratra, ary nantsoina hoe Efraima koa izy io. I Efraima mantsy no foko lehibe indrindra tamin’ireo foko folo ireo.

^ feh. 16 Nanazava an’ilay hoe tsinay mangotikotika ny boky iray, ka nilaza fa “ny tsinay na taova hafa no nolazain’ny Jiosy rehefa niresaka fihetseham-po izy ireo.”