Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

NIALA tamin’ny fivavahana nitaizana azy ny lehilahy iray, nefa niverina indray tatỳ aoriana. Nilaozan’ny rainy kosa ny ankizilahy iray, nefa nahita ray hafa ihany rehefa lehibe. Andeha hojerentsika ny tantaran’izy ireo.

“Mila miverina amin’i Jehovah aho.”—ELIE KHALIL

TERAKA: 1976

FIRENENA: CHYPRE

FIAINANY TALOHA: NADITRA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Chypre aho, fa lehibe tany Aostralia. Vavolombelon’i Jehovah ny dadanay sy mamanay, ary niezaka izy ireo nanampy ahy ho tia an’i Jehovah sy ho tia Baiboly. Lasa naditra anefa aho tatỳ aoriana. Nitsoaka tao an-trano aho tamin’ny alina mba hiaraka amin’ny namako. Nangalatra fiara izahay sady nanao ditra hafa koa.

Niafina aho tamin’ny voalohany fa natahotra an’ny dadanay sy mamanay. Tsy niraharaha intsony anefa aho rehefa nandeha ny fotoana. Vao mainka aho naditra, satria olona tsy tia an’i Jehovah no namako sady efa zokiko be. Niteny tamin’ny dadanay sy mamanay aho nony farany hoe tsy hiara-mivavaka amin-dry zareo intsony. Niezaka nampisaintsaina ahy ry zareo fa tsy noraharahaiko, ka nalahelo be izy ireo.

Niala tao an-tranonay aho tatỳ aoriana, ary lasa nifoka rongony. Namboly sy nivarotra rongony be dia be mihitsy aza aho. Lasa ratsy fitondran-tena aho sady namonjy alim-pandihizana foana. Lasa mora tezitra koa aho. Raha vao nisy olona niteny na nanao zavatra tsy tiako, ohatra, dia tonga dia nivazavazako be na nasiako mihitsy. Izay zavatra nampianarina ahy tao amin’ny Baiboly hoe tsy azo atao, dia nataoko daholo.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Lasa namako be ny lehilahy iray mpifoka rongony. Mbola kely izy dia efa maty ny dadany. Matetika izahay no niresaka hatramin’ny alina be. Nitaraina tamiko izy fa malahelo be an’ny dadany, ka noteneniko izy hoe efa nanangana ny maty i Jesosy, ary mbola hanao izany amin’ny hoavy. (Jaona 5:28, 29) Efa nianarako mantsy izany taloha. Faly be izy nilazako hoe: “Alao sary an-tsaina ange hoe hifankahita indray ianareo e! Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika rehetra amin’izay.”

Nanontany momba ny andro farany na ny Andriamanitra telo izay iray koa io namako io. Nalaiko ny Baiboliny dia nasehoko azy tao hoe inona marina ny andro farany, ary iza i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy. (Jaona 14:28; 2 Timoty 3:1-5) Arakaraka ny niresahako momba an’i Jehovah no nahatonga ahy hieritreritra indray ny fifandraisako taminy.

Nitamberina tsikelikely tato an-tsaiko ireo zavatra nampianarin’ny dadanay sy mamanay ahy tao amin’ny Baiboly. Tsaroako tampoka, ohatra, ny zavatra nianarako rehefa nifoka rongony niaraka tamin’ny namako tany amin’ny fety aho. Nilaza fa tia an’Andriamanitra ry zareo nefa tsy arak’izany akory ny nataony. Tsy te ho hoatran-dry zareo aho, ka hoy aho hoe tena mila miverina amin’i Jehovah aho.

Mora tenenina anefa izany fa sarotra atao. Tsy nanahirana ihany aloha ny niala tamin’ny rongony e! Tsy niaraka tamin’ny namako intsony koa aho, ary nianatra Baiboly niaraka tamin’ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tena mafy tamiko anefa ny nifehy tena rehefa tezitra. Indraindray aho nahavita, fa indraindray aho tsy nahavita. Kivy be aho ka niresaka tamin’ilay anti-panahy. Nanam-paharetana sy tsara fanahy izy ary tena nampahery ahy. Nasainy namaky lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana aho, indray mandeha. Mampirisika izy io hoe ilaina ny fikirizana. * Noresahinay koa hoe inona avy no azoko atao rehefa tezitra aho. Nahavita nifehy tena ihany aho rehefa nitadidy an’ilay lahatsoratra sy nivavaka foana tamin’i Jehovah. Natao batisa aho tamin’ny Aprily 2000. Mazava ho azy fa faly be ny dadanay sy mamanay.

NY SOA NORAISIKO: Milamin-tsaina aho sady tsy enjehin’ny eritreritro, satria tsy mifoka rongony sy tsy ratsy fitondran-tena intsony. Faly kokoa aho izao, na rehefa miasa izany na mivory na miala voly. Lasa tiako ny fiainako!

Misaotra an’i Jehovah aho nanome an’ny dadanay sy mamanay. Niezaka foana mantsy izy ireo nanampy ahy. Tiako koa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Faly be aho satria notaomin’i Jehovah ka tafaverina aminy indray.

‘Mba te hanana dada aho.’—MARCO ANTONIO ALVAREZ SOTO

TERAKA: 1977

FIRENENA: SILIA

FIAINANY TALOHA: MPANAO ROCK MAVESATRA

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tany Punta Arenas, tanàna tsara tarehy atỳ Amerika Atsimo, aho. Nisaraka ny dadanay sy mamanay tamin’izaho dimy taona, ka ny mamanay no nitaiza ahy. Tsy noraharahain’ny dadanay intsony aho, ka mba te hanana dada.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mamanay, ary nentiny nivory niaraka taminy aho. Tsy tiako mihitsy anefa izany, dia nila vaniny foana aho teny an-dalana. Tsy nety nandeha intsony aho tamin’izaho 13 taona.

Lasa tia mozika aho sady tena nahay nitendry. Lasa anisan’ny tarika mpanao rock mavesatra aho, tamin’izaho 15 taona. Tany amin’ny bara na fetim-pianakaviana na fety hafa izahay no nihira. Niaraka tamin’ny olona tena nahay mozika aho ka lasa tia mozika klasika koa. Nianatra mozika tao amin’ny sekoly tetỳ akaikinay aho. Nankany an-drenivohitra any Santiago aho, tamin’izaho 20 taona, satria te hahay mozika bebe kokoa. Mbola niaraka tamina tarika mpanao rock foana anefa aho.

Tsy afa-po tamin’ny fiainako mihitsy aho tamin’izany, ka nisotro toaka be sy nifoka rongony niaraka tamin’ny namako tao amin’ilay tarika. Noraisiko hoatran’ny fianakaviako mihitsy ry zareo. Naditra be aho ary hita tamin’ny paoziko mihitsy izany. Akanjo mainty foana no nanaovako, sady be volombava be aho. Nataoko lava be mihitsy koa ny voloko.

Niady tamin’ny olona foana aho ka matetika no nosamborin’ny polisy. Mamo be aho, indray mandeha, dia niady tamin’ny mpivarotra rongony. Nila vaniny taminay sy ny namako mantsy ry zareo. Novonovonoin-dry zareo aho ka voa be ny vavako.

Mbola zakako ihany anefa iny, fa ny tena mafy tamiko, dia izaho nofitahin’ny namako sy ny ankizivavy niaraka tamiko. Hay izy nampirafy ahy tamin’ny ankizilahy iray namako be, sady efa aman-taonany ry zareo no niaraka. Nahafantatra an’izany daholo ny namako nefa tsy nisy niteny tamiko. Tena kivy be mihitsy aho!

Niverina tany Punta Arenas aho, ka nampianatra mozika sy nikarama nitendry zavamaneno. Mbola nanao rock mavesatra sy namoaka raki-kira niaraka tamina tarika koa aho. Nihaona tamin’ny ankizivavy iray manja kely aho, indray andro. Sussan no anarany. Nifankatia izahay roa ka niara-nipetraka. Tsikaritr’i Sussan, tatỳ aoriana, fa nino ny Andriamanitra telo izay iray ny mamany, nefa izaho tsy nino. Nanontany ahy izy hoe: “Ny an’iza izany no marina?” Dia novaliako izy hoe: ‘Fantatro fa tsy telo izay iray Andriamanitra, fa tsy haiko fotsiny ny manaporofo azy avy ao amin’ny Baiboly. Ny Vavolombelon’i Jehovah izao no tena mahay mamaly an’izany.’ Nivavaka aho avy eo mba hampian’Andriamanitra. Efa ela be mihitsy aho no tsy nanao an’izany.

Nifankahita tamin’ny lehilahy iray aho, tsy ela taorian’izay. Hoatran’ny efa hitako izany izy, ka nanontaniako raha Vavolombelon’i Jehovah. Somary niahotra kely aloha izy nahita ny paoziko, nefa novaliany tsara aho rehefa nanontany momba ny fivoriana. Nieritreritra aho hoe tena valim-bavaka izany! Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana aho, ary nipetraka tany aoriana be mba tsy ho hitan’ny olona. Be dia be anefa no nahatadidy ahy, ka niarahaba sy namihina ahy. Maivamaivana erỳ aho! Hoatran’ireny ankizy naditra efa nandao ny tranony ela be ireny aho, ka faly erỳ fa tafaverina indray. Hitako tany koa ilay lehilahy nampianatra Baiboly ahy tamin’ny mbola kely, ka nasaiko nampianariny indray aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Namaky ny Ohabolana 27:11 aho, indray andro. Ilay hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko.” Taitra kely aho hoe: ‘Izaho izay olona kely tsy misy dikany ity ve dia mba afaka mampifaly an’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao?’ Tonga saina aho hoe hay i Jehovah ilay Ray izay notadiaviko hatramin’izay.

Te hampifaly sy hanao ny sitrapon’ilay Raiko any an-danitra aho, saingy mbola nifoka rongony sy nisotro toaka be. I Jesosy anefa nilaza hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa.” (Matio 6:24) Niezaka niova àry aho, ary tena nahatonga saina ahy ny 1 Korintianina 15:33 hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” Fantatro tamin’izany fa tsy ho tafala amin’ny fanaoko mihitsy aho raha mbola miaraka amin’ny namako sy mankany amin’ny toerana falehanay. Tsy maintsy nataoko mihitsy àry izay nialana tamin’izay zavatra mety hahavoa ahy.—Matio 5:30.

Sarotra be tamiko ny tsy nanao rock mavesatra intsony satria tiako be ilay izy. Nanampy ahy anefa ny namako teo anivon’ny fiangonana, ka vitako ihany izany tamin’ny farany. Tsy nisotro toaka be intsony aho, ary tsy nifoka rongony intsony. Notapahiko koa ny voloko, nesoriko ny volombavako, ary tsy nanao akanjo mainty foana intsony aho. Gaga be i Sussan rehefa noteneniko hoe hotapahiko ny voloko, ka hoy izy: “Fa inona no ataonareo any amin’izany Efitrano Fanjakana izany e? Aleo mihitsy aho ho any!” Nahafinaritra azy ny zavatra hitany tany, ka nianatra Baiboly izy. Nisoratra izahay sy Sussan, tatỳ aoriana, ary natao batisa tamin’ny 2008. Faly izahay roa fa manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny mamanay.

NY SOA NORAISIKO: Tena sambatra aho izao fa tsy hoatran’ny taloha. Tafala tamin’ireny namako mpamitaka ireny koa aho. Mbola tia mozika aho fa fidifidiko tsara fotsiny. Tiako ny mitantara ny fiainako mba hanampiana ny fianakaviako sy ny olon-kafa, indrindra fa ny tanora. Tiako hahita mantsy izy ireo hoe mody hoatran’ny tsara fotsiny ny zavatra eto amin’ity tontolo ity, nefa “fako miavosa” raha ny marina.—Filipianina 3:8.

Mana-namana tsy mamitaka aho eo anivon’ny fiangonana. Mifandray tsara sy mifankatia koa izahay. Ny tena mahafaly ahy anefa, dia nahita Dada ihany aho satria lasa mifandray tsara amin’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2000, pejy 4-6, io lahatsoratra io.

[Teny notsongaina, pejy 13]

‘Notaomin’i Jehovah aho ka tafaverina aminy indray’