Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Nikarakara ny Fianakaviany Foana i Josefa

Nikarakara ny Fianakaviany Foana i Josefa

ALINA ny andro tany Betlehema. Mbola hanao dia lavitra ho any Ejipta anefa i Josefa sy ny fianakaviany. Nampiakatra ny entany teo ambonin’ny ampondrany izy. Nipaipaika kely an’ilay ampondra izy sady nijerijery ny manodidina. Nieritreritra angamba izy hoe hanao ahoana re ny dia e! Sady mbola vaovao taminy daholo na ny olona na ny fiteny na ny fanao any Ejipta, ka asa raha ho tamana any ry zareo.

Nahoana izy ireo no tsy maintsy nandeha? Nisy anjely niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy tamin’io alina io. Nasain’Andriamanitra niteny taminy ilay anjely hoe tsy maintsy miala ao Betlehema eo no ho eo izy ireo, satria tadiavin’i Heroda Mpanjaka hovonoina ny zanany. (Matio 2:13, 14) Notenenin’i Josefa tamin’i Maria izany, na dia tsy mora taminy aza. Natahotra be i Maria. Tsy azon’izy roa hoe nahoana ny zanany kely tsy manan-tsiny no misy mitady hamono. Natoky an’i Jehovah anefa izy ireo ka niomana handeha ihany.

Tsy nisy nahalala izay nitranga ny olona, satria mbola natory daholo. Nandeha nianatsimo izy ireo, ary rehefa ela ny ela dia hita niposaka tsikelikely avy teny atsinanana ny masoandro. Mety ho nitebiteby izy hoe hanao ahoana ny fiainan’izy ireo. Hahavita hiaro ny vady aman-janany amin’i Heroda Mpanjaka ve izy, nefa mandrafitra no mba asany? Ho vitany ve ny hamelona azy ireo, sady hikarakara foana sy hitaiza an’ilay zaza? Izany mantsy no andraikitra lehibe nampanaovin’i Jehovah azy. Be dia be ny olana natrehiny, nefa vitany ny niatrika izany. Hojerentsika hoe ahoana no nataony, ary nahoana no mila manahaka azy isika rehetra, indrindra fa ny raim-pianakaviana.

Niaro ny vady aman-janany izy

Hojerentsika aloha izay nitranga herintaona talohan’izay. Tany Nazareta i Josefa no nipetraka ary efa mpifamofo izy sy Maria. Niova be ny fiainany taorian’izay. Tovovavy tsotra kely sady tena nanam-pinoana no nahafantaran’i Josefa an’i Maria, nefa fantany avy eo fa bevohoka izy. Saika hisaraka taminy mangingina izy, satria tsy te hanala baraka azy. * Nisy anjely niteny taminy tao amin’ny nofy anefa hoe avy amin’ny fanahy masina ilay zaza tao an-kibon’i Maria, ary ‘hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotana’ izy io. Hoy koa izy: “Aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao.”—Matio 1:18-21.

Tsara fanahy sy nankatò an’i Jehovah i Josefa ka nanambady an’i Maria. Nanaiky hitaiza an’ilay zaza koa izy, na tsy zanany aza. Andraikitra sarotra izany satria tena tian’Andriamanitra ilay zaza. Nisy fanisam-bahoaka tatỳ aoriana, ka tsy maintsy nankany Betlehema i Josefa sy Maria. Efa bevohoka be anefa izy tamin’izay, ka teraka tany. *

Tsy niverina tany Nazareta intsony ry zareo fa nijanona tany Betlehema, tanàna tsy lavitra an’i Jerosalema. Nahantra ry zareo, nefa niezaka i Josefa mba hanana ny ampy foana ny vady aman-janany. Lasa nipetraka tao amin’ny trano tsotsotra kely iray ry zareo. Niova tampoka indray anefa ny fiainan’izy ireo rehefa herintaona mahery teo ho eo i Jesosy.

Nisy mpanandro maromaro avy tany Babylona te hijery an’ilay zazakely izay ho mpanjakan’ny Jiosy. Nanaraka kintana iray ry zareo ka tonga tao an-tranon’i Josefa sy Maria. Nahalala fomba be ireo lehilahy ireo.

Saika maty i Jesosy noho ny nataon’ireo mpanandro ireo, na fantatr’izy ireo izany na tsia. Mbola nentin’ilay kintana tany Jerosalema tany amin’i Heroda Mpanjaka mantsy aloha izy ireo. Noteneniny taminy hoe mitady an’ilay zaza ho mpanjakan’ny Jiosy ry zareo, ka nialona sy romotra be i Heroda.—Jereo ny lahatsoratra ao amin’ny pejy 29.

Nanome “volamena sy ditin-kazo manitra ary miora” ho an’i Josefa sy Maria ireo mpanandro, nefa tsy nangataka takalony. Hafahafa tamin’izy mivady ihany angamba hoe lasa nanana harena be tampoka teo ry zareo. Efa saika hiverina tany amin’i Heroda ireo mpanandro ireo mba hilaza ny toerana nisy an’ilay zaza. Soa ihany anefa fa notenenin’i Jehovah tao amin’ny nofy izy ireo hoe aza miverina any intsony fa lalan-kafa haleha rehefa mody.—Matio 2:1-12.

Vao lasa kelikely ireo mpanandro dia nisy anjely niteny tamin’i Josefa hoe: “Ento mandositra any Ejipta ny zaza sy ny reniny, ka aza miala any raha tsy efa milaza aminao aho. Efa hikaroka an’ilay zaza mantsy i Heroda mba hamonoany azy.” (Matio 2:13) Tonga dia nankany Ejipta i Josefa araka ny hitantsika terỳ aloha, satria sarobidy taminy ny ain-janany. Soa ihany fa nahazo fanomezana sarobidy avy tamin’ireo mpanandro izy ireo, ka afaka nipetraka kelikely tany Ejipta.

Misy boky mitantara zavatra diso momba ny dian’izy mivady sy ilay zanany kely. Lazaina ao, ohatra, fa nanao fahagagana i Jesosy mba hanafainganana ny dian’izy ireo. Nataony tsy naninona an-dry zareo koa, hono, ny jiolahy. Rehefa haka voana palmie teny an-dalana aza, hono, i Maria dia nataon’i Jesosy niforitra ilay hazo. * Raha ny marina anefa, dia nanao dia lavitra be sy nandreraka izy ireo, sady tsy fantatr’izy ireo izay hitranga aminy.

Modely ho an’ny ray aman-dreny i Josefa. Nahafoy tena, ohatra, izy mba hiarovana ny vady aman-janany ary tonga dia nanajanona ny asany mihitsy. Noheveriny ho andraikitra lehibe nomen’i Jehovah azy mantsy ny fianakaviany. Be dia be koa amin’izao ny zava-dratsy mety hampidi-doza ny ankizy. Mahafinaritra anefa fa maro ny ray aman-dreny manahaka an’i Josefa, ka miezaka mafy miaro ny zanany.

Nanome izay nilain’ny fianakaviany izy

Toa tsy nijanona ela tany Ejipta ry Josefa, satria nilaza taminy ilay anjely taoriana kelin’izay hoe maty i Heroda. Niverina tany an-tanindrazany, any Nazareta, àry izy ireo. Efa nisy faminaniana nilaza fa hantsoin’i Jehovah “hiala avy tany Ejipta” ny zanany. (Matio 2:15) Anisan’ny nanampy mba hahatanteraka an’izany i Josefa.

Ratsy fanahy be sady mpamono olona koa anefa i Arkelaosy, nandimby an’i Heroda, ka nitandrintandrina tsara i Josefa. Nasain’i Jehovah nankany avaratra tany Nazareta i Josefa sy ny fianakaviany ary nipetraka tany. (Matio 2:19-23) Lavitra an’i Jerosalema izy io ka tsy misy atahorana.

Tsotra sady tsy mora ny fiainan’izy ireo. Milaza ny Baiboly fa mpandrafitra i Josefa. Mafy be ny asany, satria nanapaka sy nibata hazo izy. Nila nanamaina hazo koa izy hanaovana trano, sambo, tetezana, sarety, kodiarana, zioga, ary izay fitaovana ilaina amin’ny fambolena. (Matio 13:55) Matetika no tsy lavitra ny tranony ny toeram-piasan’ny mpandrafitra fahiny. Indraindray koa teo an-tokotaniny ihany izy no niasa.

Nampiasa fitaovana fandrafetana isan-karazany i Josefa, ary mety ho nolovany tamin-drainy ny sasany. Anisan’izany ny sokera, pilao, lakre, famaky, tsofa, famaky miola-dela, marotoa, kanonta, fandraka, fandavahana, lakaoly isan-karazany, ary fantsika. Nampiasa an’ireo angamba izy na dia lafolafo aza izy ireo tamin’izany.

Alao sary an-tsaina ange i Jesosy tamin’ny mbola kely nijery an-drainy niasa e! Azo antoka fa nandinika an’izay nataon’i Josefa izy. Faly erỳ angamba izy satria natanjaka ilay rainy sady kinga sy tena nahay. Mety ho nampianarin’i Josefa nanao asa tsotsotra izy, toy ny hoe mikiky hazo amin’ny hoditra trondro maina mba halamalama ilay hazo. Mety ho nampianariny azy hoe inona no maha samy hafa ny hazo nampiasainy, ohatra hoe ny aviavidia na oaka na oliva.

Hitan’i Jesosy fa na dia natanjaka be aza ny dadany dia tsara fanahy, satria mety hoe nanafosafo sy nanambitamby azy sy ny reniny ary ny iray tam-po taminy. Tsy maintsy niasa mafy koa i Josefa mba hikarakarana sy hamelomana azy ireo. Maro an-trano mantsy ry zareo, satria nanan-jandry dimy i Jesosy fara fahakeliny.—Matio 13:55, 56.

Fantatr’i Josefa anefa fa ny manampy ny fianakaviany hifandray tsara amin’Andriamanitra no tena zava-dehibe. Nampianariny foana momba an’i Jehovah sy ny lalàny àry ny zanany. Nentin’izy mivady tany amin’ny synagoga foana izy ireo, mba hihaino ny famakiana sy fanazavana ny Lalàna. Nety ho be fanontaniana be i Jesosy rehefa avy tany, ka niezaka i Josefa namaly azy. Nentin’i Josefa tany Jerosalema koa ny fianakaviany rehefa nisy fety ara-pivavahana tany. Namonjy Paska tany, ohatra, ry zareo isan-taona. Nila nandeha an-tongotra 110 kilaometatra mahery ry zareo, izany hoe tapa-bolana tany ho any.

Manahaka an’i Josefa koa ny ray aman-dreny manompo an’i Jehovah ankehitriny. Mamelona ny zanany izy ireo, nefa izay hahatonga ny zanany ho tia an’i Jehovah no tena iezahany. Ataony izay hitondrana azy ireo any amin’ny fivoriana sy fivoriambe ara-pivavahana. Fantatr’izy ireo fa izany no lova tsara indrindra ho an-janany.

“Nitebiteby be” izy

Nankany Jerosalema, toy ny mahazatra, ry Josefa indray mandeha mba hankalaza Paska. Efa 12 taona i Jesosy tamin’izay. Nisy fianakaviana be dia be koa niaraka tamin’izy ireo. Nahafinaritra erỳ teny an-dalana, satria maitso mavana ny manodidina. Nihira fiderana ho an’i Jehovah angamba ny ankamaroan’ny olona rehefa nihananakaiky an’i Jerosalema. (Salamo 120–134) Feno olona tany tamin’izay. Rehefa vita ny Paska dia nody ny rehetra. Tsy tsikaritr’i Josefa sy Maria anefa hoe mbola nijanona i Jesosy. Be atao be angamba ry zareo sady nieritreritra hoe mety ho efa niara-nody tamin’ny havany izy. Efa nandeha iray andro izy ireo vao taitra hoe tsy hita izy.—Lioka 2:41-44.

Nikoropaka niverina tany Jerosalema izy ireo. Alao sary an-tsaina ange ry zareo nimpenimpenina eran’ny lalana rehefa tonga tao amin’ilay tanàna e! Hoatran’ny tsy nisy olona mihitsy tao tamin’izy ireo, sady lasa hafahafa be. Aiza àry ilay zaza? Efa ho telo andro izao izy ireo no nitady azy. Lasa nieritreritra angamba i Josefa hoe: ‘Sao dia tsy nahay nitaiza tsara an’ilay Zanak’Andriamanitra àry aho?’ Efa lany haika izy ireo ka nankany amin’ny tempoly. Hitany tao amin’ny efitra iray i Jesosy niaraka tamin’ny olona nanam-pahaizana sy nahay Lalàna. Faly erỳ i Josefa sy Maria!—Lioka 2:45, 46.

Inona no nataon’i Jesosy tao? Nihaino sy nanontany an’ireo olona ireo izy. Variana mihitsy izy ireo hoe tena narani-tsaina sy nahay namaly izy. Gaga i Josefa sy Maria nahita azy niaraka tamin’izy ireo. Tsy niteny i Josefa, fa i Maria no nilaza hoe: “Fa nahoana ianao, anaka, no manao anay toy izao? Jereo fa tena nitebiteby be nitady anao izaho sy rainao.”—Lioka 2:47, 48.

Raha io tantara io fotsiny no jerena, dia mety hanahirana ny mitaiza, na dia lavorary aza ilay zaza. Be dia be ny zavatra mety ‘hampitebiteby’ ny ray aman-dreny ankehitriny. Mampahery azy ireo anefa ny mahafantatra hoe na ny Baiboly aza milaza an’izany.

Soa ihany i Jesosy fa tao amin’ny tempoly. Tao mantsy no nahatsapany hoe tena akaiky an’i Jehovah Rainy izy. Niezaka nianatra zavatra betsaka momba azy izy tao. Izany no nahatonga azy hamaly an’i Josefa sy Maria hoe: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?”—Lioka 2:49.

Azo antoka fa nisaintsaina an’ireo teny ireo foana i Josefa. Mety ho faly sy nirehareha kely angamba izy. Niezaka be mantsy izy nanampy an’i Jesosy ho tia an’i Jehovah sy hihevitra azy hoe Rainy. Tamin’izay i Jesosy dia efa nahafantatra an’izany atao hoe ray tena tia ny zanany izany, satria nifankatia be izy sy Josefa.

Raha ray ianao, tsapanao ve fa tsara be mihitsy ny andraikitrao? Afaka manampy ny zanakao mantsy ianao hahatsapa hoe hoatran’ny ahoana izany hoe ray tena tia sy miaro ny zanany izany. Raha ray kely indray ianao, dia tahafo koa i Josefa, ka tiavo daholo na ny zanakao na ny zanaky ny vadinao. Ampio izy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah, ilay Rain’izy ireo any an-danitra.

Niezaka foana izy

Na dia kely ihany aza ny zavatra resahin’ny Baiboly momba an’i Josefa ankoatra izay, dia misy azo ianarana tsara ihany. Nanao tsara ny andraikiny amin’ny maha loham-pianakaviana azy izy, matoa i Jesosy, ilay zanany lavorary, nankatò azy sy nanaja ny fahefany. Milaza mantsy ny Baiboly fa ‘nankatò foana’ ny ray aman-dreniny i Jesosy, ary ‘nihanitombo fahendrena, sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.’—Lioka 2:51, 52.

Matoa i Jesosy nihanitombo fahendrena, dia niezaka mafy koa i Josefa nitaiza azy. Nisy ohabolana fahiny nilaza fa ny olona ambony ihany no mety hanam-pahendrena, fa tsy toy izany kosa ny mpanao asa tanana. Anisan’izany ny mpandrafitra sy ny mpamboly ary ny mpanefy. Tsy mahay manavaka, hono, izy ireny hoe inona no mety sy tsy mety. Tsy hiaraka amin’ny olona manam-pahaizana mihitsy koa, hono, izy ireny. Tsy marina anefa izany, matoa i Jesosy nanam-pahendrena. Imbetsaka i Josefa no nampianatra azy momba ny fahendren’i Jehovah, na dia olona tsotsotra aza izy.

Nikarakara tsara an’i Jesosy koa i Josefa ka lasa salama tsara sady natanjaka izy. Nampianariny tsara koa izy ka tena nahay nandrafitra. Tsy hoe zanaky ny mpandrafitra fotsiny no nahafantaran’ny olona an’i Jesosy fa hoe “mpandrafitra” mihitsy. (Marka 6:3) Tokony hanahaka an’i Josefa àry ny raim-pianakaviana ka hikarakara izay ilain’ny zanany, ary hataony azo antoka fa hahavelon-tena izy ireo rehefa lehibe.

Tsy miresaka momba an’i Josefa intsony ny Baiboly rehefa feno 30 taona i Jesosy, izany hoe tamin’izy natao batisa ka nanomboka ny fanompoany. Toa efa maty vady i Maria tamin’izay. (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 27.) Niezaka foana i Josefa niaro sy nanome izay nilain’ny fianakaviany. Tena ohatra tsara àry izy ka tokony hanahaka azy ny Kristianina rehetra, indrindra fa ny loham-pianakaviana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Efa noheverina ho toy ny mpivady ny mpifamofo tamin’izany.

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo: ‘Nandinika Lalina tao Am-pony’ Izy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2008.

^ feh. 14 Lazain’ny Baiboly tsara fa efa vita batisa i Jesosy vao nanao fahagagana voalohany. (Jaona 2:1-11) Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy 18, raha te hahalala momba an’ireo boky tsy anisan’ny Baiboly ireo ianao.

[Efajoro, pejy 27]

Oviana i Josefa no Maty?

Mbola velona i Josefa tamin’i Jesosy 12 taona. Rehefa 12 taona ny ankamaroan’ny ankizy jiosy no nianatra ny asan’ny dadany, ary nanomboka niasa mihitsy rehefa 15 taona. Nahavita nampianatra an’i Jesosy ho mpandrafitra angamba i Josefa vao maty. Toa efa maty anefa izy tamin’i Jesosy 30 taona teo ho eo. Tsy niresaka momba azy intsony mantsy ny Baiboly tamin’izay, nefa niresaka momba an’i Maria sy ny iray tam-po tamin’i Jesosy. Nantsoina hoe “zanak’i Maria” mihitsy aza i Jesosy, indray mandeha, fa tsy zanak’i Josefa intsony. (Marka 6:3) Milaza koa ny Baiboly fa nisy fotoana i Maria tsy nanontany ny vadiny, fa tonga dia nanapa-kevitra. (Jaona 2:1-5) Tsy fanao anefa izany fahiny raha tsy hoe maty vady angaha ilay vehivavy. Ny apostoly Jaona koa no nasain’i Jesosy hikarakara ny reniny, tamin’i Jesosy efa ho faty. (Jaona 19:26, 27) Izy ve dia hanao an’izany raha mbola velona teo i Josefa? Azo antoka àry fa mbola tanora i Jesosy no maty i Josefa. I Jesosy no zokiny indrindra, ka azo inoana fa nandimby ny asan’ny rainy izy. Mety ho izy no namelona ny mamany sy ny zandriny, talohan’ny batisany.

[Sary, pejy 24]

Nahafoy tena i Josefa sady nanao zavatra haingana mba hiarovana ny zanany

[Sary, pejy 25]

Niasa mafy i Josefa mba hamelomana ny fianakaviany

[Sary, pejy 26]

Nentin’i Josefa nivavaka tany amin’ny tempoly tany Jerosalema foana ny fianakaviany

[Sary, pejy 28]

Nampianatra ny zanany ho lasa mpandrafitra i Josefa