Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Iza no Nandefa An’ilay “Kintana” Nitarika An’ireo Mpanandro?

Iza no Nandefa An’ilay “Kintana” Nitarika An’ireo Mpanandro?

▪ Efa nahita sary momba ny nahaterahan’i Jesosy ve ianao? Aseho amin’izy ireny matetika fa nisy mpanjaka na olon-kendry telo nitsidika an’i Jesosy tany Betlehema, tamin’izy vao teraka tao amin’ny fihinanam-bilona. Kintana nalefan’Andriamanitra, hono, no nitarika azy ireo tany. Be dia be mihitsy aza ny ankizy mahay tsianjery hoe Melkiora sy Gaspara ary Baltazara no anaran’izy ireo. Tsy marina anefa izany tantara izany raha ny Baiboly no jerena.

Raha ny Baiboly mbola tamin’ny teny grika no jerena, dia tsy hita ao mihitsy hoe mpanjaka izy ireo na olon-kendry. Mpanompo sampy sady mpanandro izy ireo, raha ny marina, ary mpandinika kintana mba hahalalana ny hoavy. Tsy milaza ny anarany na ny isany koa ny Baiboly.

Tsy tamin’i Jesosy vao teraka tao amin’ny fihinanam-bilona no tonga ireo mpanandro ireo, fa efa tatỳ aoriana. Hoy mantsy ny Matio 2:11: “Rehefa niditra tao amin’ilay trano izy ireo, dia nahita an’ilay zaza sy Maria reniny.” Tsy tao amin’ilay tranom-biby intsony àry i Josefa sy Maria tamin’ireo mpanandro tonga, fa efa tao amin’ny “trano” iray.

Ary Andriamanitra tokoa ve no nandefa an’ilay “kintana”? Izany matetika no ampianarin’ny mpitondra fivavahana. Tadidio anefa fa tsy tonga dia nentin’ilay “kintana” tany Betlehema ireo mpanandro. Nentiny tany amin’i Heroda tany Jerosalema aloha izy ireo, nefa mpanjaka be fialonana sy mpamono olona i Heroda. Nolazain’ireo mpanandro taminy fa teraka i Jesosy, ilay ho “mpanjakan’ny Jiosy.” Mbola niteny zavatra hafa koa anefa ry zareo, ka vao mainka halan’i Heroda i Jesosy. (Matio 2:2) Nofetsifetsen’i Heroda ry zareo. Mody nilaza izy fa te hiankohoka amin’ilay zaza, ka mila miverina any aminy ireo mpanandro mba hanoro azy hoe aiza ilay zaza. Nentin’ilay “kintana” tany amin’i Josefa sy Maria avy eo ireo mpanandro. Saika matin’i Heroda ilay zaza, raha tsy niaro azy Andriamanitra. Romotra be i Heroda rehefa tsy niverina tany aminy intsony ireo mpanandro. Nasainy novonoina daholo àry ny ankizilahikely roa taona no ho midina tany Betlehema sy ny manodidina.—Matio 2:16.

Nilaza tamin’i Jesosy i Jehovah tatỳ aoriana hoe ‘Zanany malalany’ izy sady ‘sitrany.’ (Matio 3:17) Hita amin’io fa tena tia ny Zanany i Jehovah, ka izy ve dia handefa kintana hitarika an’ireo mpanandro ireo ho any amin’ny olona hamono ny zanany? Dia ho io kintana io ihany ve no hampiasainy avy eo mba hanondroana ny toerana nisy an’ilay Zanany, izay mbola tsy afaka miaro tena akory? I Jehovah koa mandrara ny fanandroana, ka izy indray ve no hampiasa mpanandro?—Deoteronomia 18:10.

Aoka hatao hoe misy lehiben’ny miaramila nandefa miaramila tena mahay mba hamita iraka any amin’ny tanin’ny fahavalony. Dia holazain’ilay lehibeny amin’ny fahavalony ve hoe aiza no misy an’ilay miaramilany? Tsy hanao izany mihitsy izy! Toy izany koa i Jehovah. Nirahiny teto amin’ity tontolo mampidi-doza ity ny Zanany. Izy ve anefa dia hilaza amin’i Heroda hoe aiza no misy azy? Tsy hanao izany izy, satria na i Jesosy aza tamin’izany mbola zazakely tsy afaka niaro tena.

Tsy Andriamanitra àry no nandefa an’ilay “kintana”, ary mety ho tsy tena kintana akory aza ilay izy. Eritrereto izao: Iza no ho faly raha maty i Jesosy ka tsy afaka manatanteraka ny iraka nampanaovina azy tetỳ an-tany? Iza koa no mamitaka sy mampirisika ny olona handainga, ho tia herisetra, ary hifamono? Nilaza i Jesosy fa ‘mpandainga sady rain’ny lainga’ i Satana Devoly, ary “mpamono olona hatrany am-piandohana.” (Jaona 8:44) Avy aminy àry ilay “kintana.”