Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Nasaina Nanao Zavatra Miavaka i Mosesy

Nasaina Nanao Zavatra Miavaka i Mosesy

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Jehovah Andriamanitra sy Mosesy

Famintinana: Nirahin’i Jehovah hitarika ny Israelita hiala tany Ejipta i Mosesy.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY EKSODOSY 3:1-14; 4:1-17.

Mety ho hoatran’ny ahoana ny paozin’ilay voaroy nirehitra?

․․․․․

Mety ho nanao ahoana ny tarehin’i Mosesy sy ny feony, tamin’izy nantsoin’i Jehovah? (Eksodosy 3:4)

․․․․․

Raha jerena ny zavatra nanontanian’i Mosesy an’i Jehovah, mety hoe natahotra ve izy sa hoe ahoana? (Eksodosy 3:11, 13; 4:1, 10)

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Manaova fikarohana ao amin’izay boky ara-baiboly anananao, ka fantaro ny dikan’ilay hoe: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Nahoana i Jehovah no niteny an’io rehefa nanontany ny anarany i Mosesy? *

․․․․․

Araka ny hevitrao, nahoana i Mosesy no tsy te hiresaka tamin’i Farao? (Vakio ny Nomery 12:3.)

․․․․․

Ary nahoana i Mosesy no nisalasala niresaka tamin’ny Israelita?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA AN’IRETO:

Nahoana ny olona no tsy dia matoky tena indraindray?

․․․․․

Nahoana no azo lazaina fa matoky anao i Jehovah sady matoky hoe mahay ianao?

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Rehefa manao inona ianao matetika no tsy matoky tena?

․․․․․

Mety ho azon’i Jehovah ampanaovina inona avy ianao, na dia tsy mahay be aza?

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Azo alaina ao amin’ny www.pr418.com ao amin’ny Internet ity lahatsoratra ity

Tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Manao boky sy bokikely be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy anao hahay Baiboly kokoa izy ireny. Raha mila fanazavana bebe kokoa ianao, dia manontania Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo na manorata any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.