Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famantarana ny Andro Farany ny hoe Hivadika ny Olona Maro

Famantarana ny Andro Farany ny hoe Hivadika ny Olona Maro

Famantarana ny Andro Farany ny hoe Hivadika ny Olona Maro

‘Tsy nivadika izahay, sady marina sy tsy nanan-tsiny.’ —1 TES. 2:10.

TADIAVO IRETO HEVI-DEHIBE IRETO:

Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Delila sy Absaloma ary Jodasy Iskariota?

Ahoana no hanahafantsika an’i Jonatana sy Petera eo amin’ny resaka tsy fivadihana?

Ahoana no ampisehoanao fa tsy mivadika amin’ny vadinao sy amin’i Jehovah ianao?

1-3. a) Milazà toetra iray amantarana ny andro farany, ary inona no tiana holazaina amin’izy io? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

INONA no itovizan’i Delila sy Absaloma ary Jodasy Iskariota? Samy nivadika izy ireo. I Delila nivadika tamin’ilay lehilahy tia azy, dia i Samsona Mpitsara. I Absaloma nivadika tamin’i Davida Mpanjaka rainy, ary i Jodasy nivadika tamin’ny Tompony, dia i Kristy Jesosy. Samy nitondra loza ho an’ny hafa ny nataon’izy ireo. Nahoana anefa izany no tokony hahaliana antsika?

2 Milaza ny mpanoratra iray fa anisan’ny toetra ratsy fahita indrindra ankehitriny ny hoe mivadika. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Efa nilaza mantsy i Jesosy fa anisan’ny famantarana ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ny hoe ‘hamadika ny namany ny olona maro.’ (Mat. 24:3, 10) Ny hoe “mivadika” dia midika hoe “manao hafetsena na mamadika olona iray, ka manolotra azy amin’ny fahavalony.” Mitranga izany ankehitriny. Miaina amin’ny “andro farany” àry isika, satria nilaza i Paoly fa ‘tsy ho mena-mivadika sy ho mpamadika ny olona amin’ny andro farany.’ (2 Tim. 3:1, 2, 4) Matetika no hita amin’ny bokin-tantara na amin’ny filma hoe mahafinaritra ny mivadika. Miteraka ratram-po sy fijaliana anefa izany, raha ny marina, ary mampiharihary fa andro farany izao.

3 Inona no ianarantsika rehefa mandinika ny nataon’ireo olona nivadika fahiny? Ahoana no azontsika anahafana an’ireo olona tsy nivadika tamin’ny namany? Ary iza no tsy tokony hivadihantsika mihitsy? Hojerentsika ny valin’ireo.

OHATRA RATSY FAHINY

4. Ahoana no namadihan’i Delila an’i Samsona, ary nahoana izany no tena ratsy?

4 Voalohany, hodinihintsika ny tantaran’i Delila. Raiki-pitia taminy i Samsona, dia ilay mpitsara niady tamin’ny Filistinina, mba hanafahana ny vahoakan’i Jehovah. Tsy tena tia an’i Samsona anefa i Delila. Fantatr’ireo andriana dimy teo amin’ny Filistinina angamba izany, ka nasain’izy ireo izy hamantatra ny antony nampahatanjaka be an’i Samsona, mba hahafahan’izy ireo hamono azy. Nanome vola be izy ireo ho takalon’izany. Nanaiky i Delila, ka namitaka an’i Samsona intelo nefa tsy nahomby. “Nanontaniany tsy misy farany” i Samsona taorian’izay, ary “nosokiriny foana.” “Tsy tantin’i Samsona” izany tamin’ny farany, ‘ka te ho faty izy.’ Nolazainy tamin’i Delila fa mbola tsy tapaka mihitsy ny volony, ka tsy hatanjaka intsony izy raha tapahina izy io. * Nampatorin’i Delila teo amin’ny lohaliny àry i Samsona, ka nasainy notapahina ny volony rehefa resin-tory izy. Natolony ny fahavalony i Samsona taorian’izay, ary navelany hanao izay tiany tamin’i Samsona ireo fahavalony ireo. (Mpits. 16:4, 5, 15-21) Tena ratsy tokoa ny nataon’i Delila! Vitany ny namadika ny olona tia azy, noho ny fitiavam-bola.

5. a) Ahoana no namadihan’i Absaloma an’i Davida, ary mampiseho inona ny fikomiany tamin’i Davida? b) Inona no tsapan’i Davida rehefa namadika azy i Ahitofela?

5 Andeha hodinihintsika indray izay nataon’i Absaloma. Naniry laza izy, ka nanao tetika hakana ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Mody nampanantena zavatra tsara an’ireo Israelita izy, ary niseho ho tia azy ireo, mba ‘hamaboana ny fony.’ Namihina sy nanoroka azy ireo izy, toy ny hoe tena niahy azy ireo sy naniry hanome izay nilainy. (2 Sam. 15:2-6) Vitany mihitsy aza ny nitaona an’i Ahitofela mba hiray tetika taminy hamadika an’i Davida, nefa namana nitokisan’i Davida izy io. (2 Sam. 15:31) Nolazain’i Davida ao amin’ny Salamo faha-3 sy faha-55 fa tena nampalahelo azy izany. (Sal. 3:1-8; vakio ny Salamo 55:12-14.) Nikomy tamin’ny mpanjaka nofidin’i Jehovah i Absaloma, ka hita avy amin’izany fa nanohitra ny zon’i Jehovah hifidy mpanjaka izy. (1 Tan. 28:5) Tsy nahomby anefa ny tetiny, ka i Davida ihany no nanjaka.

6. Ahoana no namadihan’i Jodasy an’i Jesosy, ary ahoana no ampiasan’ny olona ny hoe Jodasy ankehitriny?

6 Diniho indray izay nataon’i Jodasy Iskariota. Niomana hamadika an’i Jesosy izy, ka hoy i Jesosy tamin’ny apostoly tamin’ny alina farany nankalazany ny Paska: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hamadika ahy ny iray aminareo.” (Mat. 26:21) Nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane izy avy eo, ary nilaza tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona hoe: “Efa manatona ilay mpamadika ahy.” Tamin’izay no nipoitra i Jodasy, niaraka tamin’ny vahoaka be. “Tonga dia nanitsy teo amin’i Jesosy izy sady niteny hoe: ‘Manahoana, Raby ô!’ Ary nanoroka azy izy.” (Mat. 26:46-50; Lioka 22:47, 52) “Namadika olo-marina” i Jodasy, rehefa nanolotra an’i Kristy tamin’ny fahavalony. Tena tia vola izy, ka vitany ny namadika an’i Jesosy, na dia farantsa volafotsy 30 monja aza no nomena azy. (Mat. 27:3-5) Nanomboka teo, dia nampiasain’ny olona ny hoe Jodasy mba hilazana ny olona “mivadika”, indrindra fa ireo mivadika amin’ny namany. *

7. Inona no ianarantsika avy amin’i a) Absaloma sy Jodasy, ary b) Delila?

7 Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo? Namadika ny voahosotr’i Jehovah i Absaloma sy Jodasy, ka nahamenatra ny fomba nahafatesany. (2 Sam. 18:9, 14-17; Asa. 1:18-20) Ary i Delila? Vehivavy mpamitaka sy mpihatsaravelatsihy no tonga ao an-tsain’ny olona rehefa mandre ny anarany. (Sal. 119:158) Tsy tokony ho tia vola sy laza àry isika, satria mety hamoizantsika ny fankasitrahan’i Jehovah izany. Tena manampy antsika tsy hivadika ireo ohatra ireo.

TAHAFO IREO TSY NIVADIKA

8, 9. a) Nahoana i Jonatana no nianiana fa tsy hivadika amin’i Davida? b) Ahoana no anahafantsika an’i Jonatana?

8 Misy tantaran’olona maro tsy nivadika koa anefa ao amin’ny Baiboly, fa roa no hodinihintsika. Ny tantaran’ny lehilahy iray tsy nivadika tamin’i Davida no hojerentsika voalohany. Tsy iza izany fa i Jonatana, lahimatoan’i Saoly Mpanjaka. Izy no tokony handimby ny rainy, nefa i Davida no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka. Tsy nialona anefa izy, fa nanaja ny safidin’i Jehovah. Lasa “niraiki-po be tamin’i Davida” izy, ka nianiana fa tsy hivadika aminy. Nomeny an’i Davida mihitsy aza ny akanjony, ny sabany, ny tsipìkany, ary ny fehikibony, mba ho fanomezam-boninahitra azy toy ny mpanjaka. (1 Sam. 18:1-4) Nanao izay rehetra azony natao i Jonatana mba hanohanana an’i Davida. Nanao vivery ny ainy mihitsy aza izy, ka niaro an’i Davida tamin’i Saoly. Tsy nivadika tamin’i Davida izy, ka nilaza hoe: “Ianao no ho mpanjakan’ny Israely, ary izaho no hanarakaraka anao.” (1 Sam. 20:30-34; 23:16, 17) Tsy mahagaga àry raha nanao hira fisaonana i Davida rehefa maty i Jonatana, mba hampisehoany fa tia sy nalahelo an’io zanaky ny mpanjaka io izy.—2 Sam. 1:17, 26.

9 Fantatr’i Jonatana hoe iza no tsy tokony hivadihany. Tsy nivadika tamin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao izy, ary nanohana tanteraka an’ilay voahosotr’i Jehovah. Toy izany koa isika ankehitriny. Tokony ho vonona hanohana an’ireo rahalahy voatendry hitarika antsika isika, na dia tsy nahazo tombontsoa manokana eo anivon’ny fiangonana aza.—1 Tes. 5:12, 13; Heb. 13:17, 24.

10, 11. a) Nahoana i Petera no tsy nivadika tamin’i Jesosy mihitsy? b) Ahoana no anahafantsika an’i Petera, ary tokony handrisika antsika hanao inona izany?

10 I Petera no ohatra faharoa, izany hoe ilay apostoly nianiana fa tsy hivadika amin’i Jesosy. Nanao fanoharana i Jesosy indray mandeha, mba hanampiana ny mpianany hahatakatra hoe ilaina ny maneho finoana ny sorona hataony. Hafahafa tamin’ireo mpianatra anefa ny sarin-teny nampiasainy, ka maro tamin’izy ireo no tafintohina ary nandao azy. (Jaona 6:53-60, 66) Nanontany an’ireo apostoliny 12 àry i Jesosy hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?” Namaly i Petera hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:67-69) Midika ve izany fa takatr’i Petera daholo ilay zavatra nolazain’i Jesosy? Tsy voatery. Tapa-kevitra anefa izy fa tsy hivadika amin’ilay Zanaka voahosotr’Andriamanitra.

11 Tsy nieritreritra i Petera hoe diso hevitra i Jesosy, ka mbola hiova hevitra any aoriana any. Nanetry tena kosa izy ka niaiky fa i Jesosy no “manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” Ary ahoana ny amintsika? Ahoana no ataontsika rehefa mahita hevitra tsy azontsika na tsy mifanaraka amin’ny eritreritsika, ao amin’ireo boky sy gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana”? Manao toa an’i Petera ve isika? Tokony handrisika antsika koa izany mba hiezaka mafy hahatakatra an’ilay zavatra tsy azontsika, fa tsy hieritreritra hoe mbola hiova hifanaraka amin’ny hevitsika ilay fanazavana, any aoriana any.—Vakio ny Lioka 12:42.

AZA MIVADIKA AMIN’NY VADINAO

12, 13. Inona no mety hahatonga ny olona hivadika amin’ny vadiny, ary nahoana no tsy fialan-tsiny mihitsy ny taonan’ny olona iray?

12 Tena ratsy ny hoe mivadika, na inona na inona antony. Manimba ny firaisan-tsaina ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fiangonana mantsy izany. Andeha àry hodinihintsika hoe inona no hanampy anao tsy hivadika amin’ny vadinao sy amin’Andriamanitra.

13 Betsaka ny fomba ahitana fa mivadika ny olona. Ny fanitsakitsaham-bady anefa no mampahory indrindra amin’izy ireny. Mivadika amin’ny vadiny ny olona manao izany. Olon-kafa indray no tiany fa tsy ny vadiny. Lasa manirery ilay vady tsy manan-tsiny, ka mikorontana ny fiainany. Ahoana no nahatonga izany, nefa nifankatia erỳ izy roa tamin’ny voalohany? Matetika no manomboka io olana io, rehefa manomboka tsy miahy ny fihetseham-pon’ny andaniny intsony ny ankilany. “Tsy miezaka mafy manatsara ny fifandraisany intsony izy ireo”, araka ny nolazain’ny manam-pahaizana iray atao hoe Gabriella Turnaturi. Mety ho tratran’izany, na dia ireo mpivady efa ela aza. Nisaraka tamin’ny vadiny, ohatra, ny lehilahy iray 50 taona, mba hiarahana tamin’ny vehivavy hafa nahafinaritra azy. Efa nivady nandritra ny 25 taona anefa izy ireo. Mety hisy olona hilaza hoe manao an’izany daholo ny olona 50 taona eo ho eo, ary tsy afa-manoatra izy ireo. Tsy fialan-tsiny anefa izany. Tsy ara-dalàna mihitsy ny hoe manitsakitsa-bady. Mivadika amin’ny vadiny izay manao izany! *

14. a) Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa mahita olona mivadika amin’ny vadiny? b) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fanitsakitsaham-bady?

14 Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa mahita olona misaraka amin’ny vadiny, noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina? Milaza ny Baiboly fa ‘halan’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana.’ Teneniny mafy mihitsy aza ireo olona mampijaly sy mandao ny vadiny. (Vakio ny Malakia 2:13-16.) Mitovy fomba fihevitra amin’ny Rainy koa i Jesosy. Nampianatra izy fa tsy mety ny mandao na mandroaka vady tsy manan-tsiny, ary avy eo mitondra tena toy ny hoe tsy nanao ratsy.—Vakio ny Matio 19:3-6, 9.

15. Inona no hanampy ny mpivady mba ho tapa-kevitra tsy hivadika amin’ny vadiny?

15 Inona no azon’ireo manambady atao, mba hanampy azy tsy hivadika amin’ny vadiny mihitsy? Hoy ny Baiboly: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao”, ary “ankafizo ny fiainana iarahanao amin’ny vady malalanao.” (Ohab. 5:18; Mpito. 9:9) Mila miezaka mafy hifankatia foana àry ny mpivady, rehefa mihantitra. Midika izany fa mila manao zavatra ho an’ny andaniny avy ny ankilany, izany hoe miahy azy, manokana fotoana iarahana aminy, ary mifandray akaiky aminy foana. Mila miezaka mafy izy ireo mba hiaro ny tokantranony sy ny fifandraisany amin’i Jehovah. Ho vitan’izy ireo izany, raha miara-mianatra Baiboly izy ireo, miara-manompo matetika, ary miara-mivavaka mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah.

AZA MIVADIKA AMIN’I JEHOVAH

16, 17. a) Rahoviana isika no mety halaim-panahy hivadika amin’i Jehovah? b) Inona no ohatra mampiseho fa misy vokany tsara ny fankatoavana an’i Jehovah?

16 Nanao fahotana lehibe ny Kristianina sasany, ka tsy maintsy nanarina mafy “mba hatanjaka amin’ny finoana.” (Tit. 1:13) Nila noroahina mihitsy aza ny sasany. Toy ny hoe ‘nampiofana’ azy ireo anefa izany famaizana izany, ka nanampy azy ireo hifandray tsara tamin’i Jehovah indray. (Heb. 12:11) Ahoana raha havanao na namanao akaiky ilay voaroaka? Amin’izay no ahitana hoe iza no tena tsy hivadihanao: Ilay olona sa Andriamanitra? Tadidio fa didin’i Jehovah ilay hoe tsy azo atao ny mifandray amin’ny voaroaka, na iza ilay voaroaka na iza. Mijery antsika i Jehovah raha hankatò azy isika na tsia.—Vakio ny 1 Korintianina 5:11-13.

17 Misy vokany tsara rehefa tsy mivadika amin’i Jehovah isika, ka miezaka mankatò ny didiny mba tsy hifandray amin’ny mpianakavintsika voaroaka. Voaroaka nandritra ny folo taona mahery, ohatra, ny tovolahy iray, ka ‘tsy nifanerasera taminy intsony’ ny rainy sy ny reniny ary ny rahalahiny efatra. Niezaka niditra tamin’ny zavatra nataon’ny fianakaviany izy indraindray, nefa tsy nisy nety hifandray taminy ireo fianakaviany ireo. Voaray indray izy tatỳ aoriana, ary nilaza fa tena nalahelo izy rehefa tsy afaka nifandray tamin’ny fianakaviany, indrindra fa rehefa irery izy tamin’ny alina. Nilaza izy fa raha nifandray taminy ny fianakaviany, na dia kely fotsiny aza, dia efa ampy azy izany. Tsy nifandray taminy mihitsy anefa izy ireo, ka naniry hiverina tamin’i Jehovah izy. Tadidio io ohatra io raha mitady halaim-panahy handika ny didin’i Jehovah ianao, ka te hifandray amin’ny fianakavianao voaroaka.

18. Inona no fanapahan-kevitra raisinao, rehefa nandinika an’ireo ohatra maromaro momba ny tsy fivadihana?

18 Maro ny olona mivadika, eto amin’ity tontolo ity. Tsy toy izany anefa ny olona eo anivon’ny fiangonana, ka azontsika tahafina. Hita amin’ny fomba fiainan’izy ireo fa ‘tsy mivadika izy ireo, sady marina sy tsy manan-tsiny.’ (1 Tes. 2:10) Aoka àry isika ho tapa-kevitra tsy hivadika amin’ny mpiray finoana amintsika sy amin’ny fianakaviantsika, indrindra fa amin’i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tsy ny volony no nahatonga an’i Samsona hatanjaka be, fa noho izy Nazirita ka nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah. Marika fotsiny ilay volo hoe Nazirita izy.

^ feh. 6 Amin’ny fiteny sasany, ny hoe “orok’i Jodasy” dia midika hoe “mamadika.”

^ feh. 13 Hazavaina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2010, pejy 29-32 hoe inona no azon’ny olona iray atao raha nanitsakitsaka azy ny vadiny.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Tsy nivadika tamin’i Jesosy i Petera, na dia nandao an’io Zanaka voahosotr’Andriamanitra io aza ny olon-kafa