Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovan’i Jehovah Isika mba ho Voavonjy

Arovan’i Jehovah Isika mba ho Voavonjy

Arovan’i Jehovah Isika mba ho Voavonjy

“Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ianareo, ho amin’ny famonjena izay efa vonona haharihary amin’ny fotoana farany.”—1 PET. 1:5.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Inona no nataon’i Jehovah mba hitaomana antsika ho ao amin’ny fivavahana marina?

Ahoana no ampisehoantsika fa avelantsika hitarika antsika i Jehovah?

Ahoana no ampaherezan’i Jehovah antsika?

1, 2. a) Nahoana isika no matoky fa hanampy antsika tsy hivadika hatramin’ny farany i Jehovah? b) Inona no fantatr’i Jehovah momba antsika tsirairay?

HOY i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mat. 24:13) Tsy tokony hivadika àry isika mandra-pahatongan’ny farany, mba ho voavonjy rehefa horinganin’i Jehovah ny tontolon’i Satana. Tsy avelan’i Jehovah hiaritra amin’ny herin’ny tenantsika fotsiny anefa isika, na amin’ny fahendrentsika fotsiny. Manome toky antsika ny Baiboly fa hanampy antsika i Jehovah. Hoy izy io: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’ (1 Kor. 10:13) Inona no dikan’izany?

2 Voalaza eo hoe ‘tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika’ i Jehovah. Afaka manao izany izy satria fantany ny zava-drehetra momba antsika. Fantany ny olana manjo antsika, sy ny maha izy antsika, ary ny hamafin’ny fitsapana zakantsika. Tena azo antoka ve fa fantatr’i Jehovah daholo izany? Izany tokoa. Asehon’ny Baiboly fa mahafantatra tsara antsika tsirairay izy. Fantany ny zavatra fanaontsika andavanandro sy ny fahazarantsika, ary na dia ny eritreritsika sy ny fanirian’ny fontsika aza.—Vakio ny Salamo 139:1-6.

3, 4. a) Inona no nitranga tamin’i Davida, ka manaporofo fa miahy ny olona tsirairay i Jehovah? b) Inona no asa lehibe ataon’i Jehovah ankehitriny?

3 Tena mihevitra antsika olombelona ve ilay Avo Indrindra, na dia bitika ihany aza isika? Nahalasa saina an’i Davida, mpanao salamo, izany ka nilaza tamin’i Jehovah izy hoe: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao?” (Sal. 8:3, 4) Nahoana i Davida no nieritreritra an’izany? Angamba satria tsapany hoe tena niahy azy i Jehovah. Faralahy tamin’ny zanak’i Jese izy nefa ‘sitraky ny fon’i Jehovah.’ Nalain’i Jehovah “teny am-piandrasana ondry” izy mba ho “mpitarika ny Israely.” (1 Sam. 13:14; 2 Sam. 7:8) Azo antoka fa tena talanjona i Davida nahatsapa fa fantatr’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao ny tao an-tsainy sy tao am-pony, nefa izy tovolahy kely mpiandry ondry.

4 Mahavariana koa fa tena miahy antsika tsirairay i Jehovah ankehitriny. Angoniny ho ao amin’ny fivavahana marina ireo olona anisan’ny “zava-tsarobidin’ny firenena rehetra”, ary ampiany mba tsy hivadika aminy. (Hg 2:7 Hag. 2:7) Ahoana àry no anampian’i Jehovah antsika mba tsy hivadika? Mba hamaliana izany, dia hodinihintsika hoe ahoana no itaoman’i Jehovah ny olona mba ho lasa mpanompony.

NOTAOMIN’I JEHOVAH ISIKA

5. Ahoana no itaoman’i Jehovah ny olona mba ho lasa mpianatr’i Kristy? Manomeza ohatra.

5 Hoy i Jesosy: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Midika izany fa mila ny fanampian’Andriamanitra ny olona iray, vao afaka ny ho tonga mpianatr’i Kristy. Manome izany fanampiana izany i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitoriana sy ny fanahy masina. Izany no nitranga tamin’ny vehivavy iray nitorian’i Paoly sy ireo misionera namany, tao Filipy. Tsy iza izany fa i Lydia. Milaza ny Soratra Masina fa ‘nanokatra tanteraka ny fon’i Lydia i Jehovah, mba handraisany tsara ny teny notorin’i Paoly.’ Nampiasa ny fanahy masina izy mba hanampiana an’i Lydia, ka lasa azon’i Lydia tsara ny hafatra notorina taminy. Natao batisa izy sy ny ankohonany, vokatr’izany.—Asa. 16:13-15.

6. Ahoana no nitaoman’i Jehovah antsika mba hanompo azy?

6 Tsy i Lydia irery no notaomin’i Jehovah. Notaomin’i Jehovah koa ianao, raha Kristianina nanokan-tena ho azy. Nahita zavatra tsara tao aminao i Jehovah, toy ny nahitany zava-tsarobidy tao am-pon’i Lydia. Nanampy anao tamin’ny alalan’ny fanahiny izy, tamin’ianao vao nanomboka liana tamin’ny vaovao tsara, ka lasa azonao tsara ny hafatra notorina taminao. (1 Kor. 12:11, 12) Notahiny koa ny ezaka nataonao, rehefa nampihatra izay nianaranao ianao mba hanaovana ny sitrapony. Ahoana indray rehefa nanokan-tena ho azy ianao? Tena faly ny fon’i Jehovah! Vao nanomboka nandeha teo amin’ny lalan’ny fiainana àry ianao, dia nanampy anao i Jehovah, ary nanao izany izy isaky ny nisy dingana nataonao.

7. Ahoana no hahafantarantsika fa hanampy antsika tsy hivadika Andriamanitra?

7 Nanampy antsika i Jehovah tamintsika vao nanomboka nanompo azy. Azo antoka àry fa mbola hanampy antsika koa izy atỳ aoriana, mba hahatonga antsika tsy hivadika aminy. Fantany fa tsy tamin’ny herintsika samirery no nahatonga antsika tao amin’ny fahamarinana, ary tsy amin’ny herintsika samirery koa no hahafahantsika hijanona ao amin’ny fahamarinana. Nilaza tamin’ireo voahosotra ny apostoly Petera hoe: “Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ianareo, ho amin’ny famonjena izay efa vonona haharihary amin’ny fotoana farany.” (1 Pet. 1:5) Mihatra amin’ny Kristianina rehetra koa ireo teny ireo, ary tokony hahaliana antsika tsirairay. Mila ny fanampian’Andriamanitra daholo mantsy isika, mba tsy hivadika mihitsy.

AFAKA MISAKANA ANTSIKA TSY HANAO FAHADISOANA I JEHOVAH

8. Nahoana isika no mila mitandrina foana mba tsy hanao fahadisoana?

8 Tsy lavorary isika ary betsaka ny olana, ka mety tsy hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah isika indraindray. Mety hanao fahadisoana àry isika, nefa tsy tandrintandrintsika akory. (Vakio ny Galatianina 6:1.) Izany no nitranga tamin’i Davida.

9, 10. Ahoana no nisakanan’i Jehovah an’i Davida mba tsy hanao fahadisoana? Ary ahoana no anampiany antsika ankehitriny?

9 Tena nahavita nifehy tena i Davida ka tsy namaly faty, rehefa nialona azy i Saoly Mpanjaka ka nanenjika azy. (1 Sam. 24:2-7) Tsy nahatsindry fo anefa izy, tsy ela taorian’izay. Nila vatsy izy sy ny namany tamin’izay, ka niangavy fanampiana tamin’ny lehilahy israelita iray atao hoe Nabala. Tsy nety nanampy anefa i Nabala sady nanambanimbany azy ireo. Nisafoaka àry i Davida, ka niomana hamaly faty. Efa vonona handripaka ny ankohonan’i Nabala mihitsy aza izy. Tsy tao an-tsainy hoe ho meloka eo anatrehan’Andriamanitra izy, raha mamono olona tsy manan-tsiny. Soa ihany fa nanao zavatra i Abigaila, vadin’i Nabala, ka voasakana tsy hanao fahadisoana lehibe i Davida. Tsapan’i Davida hoe i Jehovah no nampiasa an’i Abigaila, ka hoy izy: “Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, izay naniraka anao androany mba hihaona amiko! Hotahina anie ny fahendrenao, ary hotahina anie ianao, izay nisakana ahy androany tsy ho meloka ho nandatsa-dra sy tsy hamaly faty!”—1 Sam. 25:9-13, 21, 22, 32, 33.

10 Hitantsika avy amin’izany, fa mety hisakana antsika tsy hanao fahadisoana i Jehovah. Tsy tokony hanantena anefa isika hoe isaky ny mitady hanao fahadisoana isika, dia haniraka olona izy hisakana antsika. Tsy fantatsika koa hoe inona no hataony amin’ny toe-javatra sasany, na hoe inona no toe-javatra havelany hitranga mba hahatanteraka ny sitrapony. (Mpito. 11:5) Matoky kosa isika fa fantatr’i Jehovah foana ny toe-javatra misy antsika, ary hanampy antsika mba tsy hivadika izy. Manome toky izy hoe: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” (Sal. 32:8) Ahoana no fomba anomezan’i Jehovah torohevitra antsika? Inona no tokony hataontsika mba handraisantsika soa avy amin’ny toroheviny? Ary nahoana isika no matoky fa mitarika ny vahoakany izy ankehitriny? Manampy antsika hahafantatra ny valin’ireo ny bokin’ny Apokalypsy.

MIARO ANTSIKA NY TOROHEVITR’I JEHOVAH

11. Manao ahoana ny fahafantaran’i Jehovah ny fiangonana?

11 Mandinika an’ireo fiangonana fito any Azia Minora i Jesosy Kristy Mpanjaka, ao amin’ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3. Mahita tsipirian-javatra izy amin’izany, fa tsy hoe toe-javatra ankapobeny fotsiny. Manome teny fiderana na torohevitra ho an’ny fiangonana tsirairay izy, ary manonona anaran’olona mihitsy aza. Miantefa amin’ny voahosotra rehetra atỳ aorian’ny 1914 ny torohevitr’i Jesosy, satria izy ireo no tiana holazaina amin’ny hoe fiangonana fito. Mihatra amin’ny fiangonana rehetra misy ankehitriny koa anefa ireo torohevitra ireo. Noho izany, dia afaka milaza isika hoe mitarika ny vahoakany amin’ny alalan’ny Zanany i Jehovah ankehitriny. Inona àry no tokony hataontsika mba handraisantsika soa avy amin’izany?

12. Inona no tokony hataontsika mba hitarihan’i Jehovah antsika?

12 Mitari-dalana antsika amim-pitiavana i Jehovah, ary mandray soa amin’izany isika raha mianatra samirery. Misy torohevitra maro be, omeny amin’ny alalan’ny boky sy gazety avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Mat. 24:45) Tsy handray soa amin’izany isika, raha tsy maka fotoana ianarana azy ireny, ary avy eo mampihatra izay ianarantsika. Miaro antsika amin’ny alalan’ny fianarana samirery i Jehovah, mba “tsy ho tafintohina” isika, izany hoe tsy hanao ratsy. (Joda 24) Efa nisy torohevitra hitanao ve tao amin’ny boky na gazetintsika, ka hoatran’ny hoe natao ho anao mihitsy? Raiso ho toy ny hoe fanitsiana avy amin’i Jehovah izany. Mety hikitika kely antsika ny namantsika iray, mba hisarihana ny saintsika amin’ny zavatra anankiray. Mety hanao toy izany koa i Jehovah, ka hampiasa ny fanahy masina mba hisarihana ny saintsika amin’ny toetra na fitondran-tena tokony hahitsintsika, izay azo inoana fa tokony hahitsin’ny olona maro hafa koa. Manaiky hotarihin’i Jehovah isika, raha manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina. (Vakio ny Salamo 139:23, 24.) Mila jerentsika àry hoe manao ahoana ny fahazarantsika mianatra Baiboly.

13. Nahoana isika no mila mandinika ny fahazarantsika mianatra Baiboly?

13 Mety tsy hanam-potoana hianarana samirery anefa isika, raha lany fotoana be amin’ny fialam-boly. Hoy ny rahalahy iray: “Mora lasa ambanin-javatra ny fianarana samirery. Mitobaka be mantsy izao ny fialam-boly, sady lasa mora kokoa ny vidiny. Misy fialam-boly na amin’ny tele, na ordinatera, na telefaonina. Voahodidina fialam-boly mihitsy isika!” Mety hihena tsikelikely ny fotoana anaovantsika fianarana samirery, raha tsy mitandrina isika, ary mety tsy hisy intsony amin’ny farany. (Efes. 5:15-17) Mila mieritreritra àry isika hoe: ‘Isaky ny inona aho no maka fotoana handalinana ny Baiboly? Sao dia mba rehefa manana anjara na lahateny ihany?’ Raha izany no izy, dia mila manokana fotoana hafa koa ianao mba handinihana ny Soratra Masina. Azonao ampiasaina tsara ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na ny fianarana samirery, mba hikarohana ny fahendrena avy amin’i Jehovah. Io fahendrena io mantsy no miaro antsika mba tsy hivadika hatramin’ny farany.—Ohab. 2:1-5.

MANAMPY ANTSIKA HIARITRA NY FAMPAHEREZANA

14. Inona no voalazan’ny Baiboly, ka mampiseho fa mihevitra ny fihetseham-pontsika i Jehovah?

14 Niatrika olana maro nampahory azy i Davida. (1 Sam. 30:3-6) Asehon’ny Baiboly fa takatr’i Jehovah ny fihetseham-pony, tamin’ireny fotoana ireny. (Vakio ny Salamo 34:18; 56:8.) Fantatr’i Jehovah tsara koa ny fihetseham-pontsika. Mampahery antsika ny mahalala hoe fantany rehefa “torotoro fo” isika, na “ketraka.” Nampahery an’i Davida izany, araka ny teniny hoe: “Hifaly sy hiravoravo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, satria mahita ny fijaliako ianao. Mahalala ny fahoriana manjo ahy ianao.” (Sal. 31:7) Tsy hoe mahita ny fijaliantsika fotsiny anefa i Jehovah, fa mampahery antsika koa. Fomba iray anaovany izany ny fivoriana.

15. Inona no ianarantsika avy amin’ny zava-nitranga tamin’i Asafa?

15 Mahasoa antsika ny fivoriana, ary mampiseho an’izany ny zava-nitranga tamin’i Asafa, mpanao salamo. Nieritreritra be momba ny tsy rariny izy, ka nihevitra fa tsy misy dikany ny anompoany an’Andriamanitra. Lasa kivy izy, ka niteny hoe: “Sosotra aho tao am-poko tao, ary nanaintaina mafy ny voako.” Efa saika tsy hanompo an’i Jehovah intsony àry i Asafa. Inona anefa no nanampy azy hanitsy ny fomba fiheviny? ‘Niditra tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra izy.’ Niaraka tamin’ny mpiray finoana taminy izy tao, ka afaka nanitsy ny fomba fiheviny. Nanjary takany hoe mihelina ihany ny fiadanan’ny ratsy fanahy, ary tsy maintsy hanao ny rariny i Jehovah. (Sal. 73:2, 13-22) Mety ho kivy toa an’i Asafa koa isika, noho ny tsy rariny eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Mampahery antsika anefa ny miara-mivory amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Manampy antsika izany mba ho faly foana manompo an’i Jehovah.

16. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Hana?

16 Ahoana anefa raha tena mafy aminao ny mandeha mivory, angamba noho ianao menatra satria nisy tombontsoam-panompoana tsy maintsy nafoinao, na noho ianao manana olana amin’ny rahalahy na anabavy iray, na noho ny olana hafa? Mety hanampy anao ny ohatr’i Hana. (Vakio ny 1 Samoela 1:4-8.) Nampijaly an’i Hana i Penina rafivaviny, ka nalahelo be izy. Vao mainka mafy taminy ilay izy, isaky ny nandeha nanolotra fanatitra ho an’i Jehovah tany Silo izy mianakavy, isan-taona. Ory dia ory izy, ka ‘nitomany sady tsy nahahinan-kanina.’ Na izany aza, dia nankany Silo foana izy mba hanompo an’i Jehovah. Hitan’i Jehovah hoe tsy nivadika izy, ka notahiny.—1 Sam. 1:11, 20.

17, 18. a) Nahoana no mampahery ny fivoriana? b) Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny zavatra ataon’i Jehovah ho anao?

17 Tokony hanahaka an’i Hana isika, ka hamonjy fivoriana foana. Tena mampahery ny fivoriana, ary azo inoana fa mahatsapa izany isika rehetra. (Heb. 10:24, 25) Mahatsapa ny fitiavan’ireo Kristianina namantsika isika any. Mety hanohina ny fontsika ny zavatra henontsika amin’ny lahateny na valin-teny iray. Afaka miresaka amin’ny mpiray finoana koa isika, aloha sy aorian’ny fivoriana, ka faly isika rehefa mihaino tsara antsika izy ireo, na manao teny mampahery antsika. (Ohab. 15:23; 17:17) Mampahery antsika koa ny mihira fiderana ho an’i Jehovah miaraka amin’izy ireo. Vao mainka mila mivory isika, rehefa betsaka ‘ny tebiteby ao anatintsika.’ ‘Mampionona’ sy mampahery antsika i Jehovah any, ary manampy antsika tsy hivadika.—Sal. 94:18, 19.

18 Mikarakara antsika amim-pitiavana izy, ka tsy manana ahiahy isika. Mahatsapa toa an’i Asafa isika, izay nilaza tamin’i Jehovah hoe: ‘Nandray ny tanako ankavanana ianao, ary ny torohevitrao no hitarihanao ahy.’ (Sal. 73:23, 24) Mankasitraka an’i Jehovah tokoa isika, noho izy miaro antsika mba hahatonga antsika ho voavonjy!

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Anisan’ireo notaomin’i Jehovah koa ianao

[Sary, pejy 30]

Voaro isika raha mampihatra ny torohevitr’Andriamanitra

[Sary, pejy 31]

Manampy antsika hiaritra ny fampaherezana omena antsika