Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vokany ve ny Zavatra Ampianarin’ny Kristianina?

Misy Vokany ve ny Zavatra Ampianarin’ny Kristianina?

Misy Vokany ve ny Zavatra Ampianarin’ny Kristianina?

HITANTSIKA teo aloha fa tsy manao politika ny tena Kristianina. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina anefa izy ireo. Inona no ataony? Mankatò an’ity tenin’i Jesosy ity, ohatra, izy ireo: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Matio 28:19, 20.

Nandidy ny mpianany i Jesosy eo mba ‘hampianatra’ ny olona. Inona anefa no ifandraisan’io didy io amin’ilay hoe tokony ho toy ny sira sy jiro na hazavana izy ireo? (Matio 5:13, 14) Inona no vokatr’izany amin’ny olona?

Miaro sy manazava

Miaro ny sakafo tsy ho simba ny sira. Toy izany koa fa miaro ny olona rehetra ilay hafatra nasain’i Jesosy hotorin’ny mpanara-dia azy. Voaro izay manaiky sy mampihatra an’io hafatra io, satria tsy manao zava-dratsy toy ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Lasa tsy mifoka sigara na manao zavatra hafa manimba fahasalamana, ohatra, izy ireo. Lasa be fitiavana, tia fihavanana, mahari-po, tsara fanahy, ary tsara toetra koa izy ireo. (Galatianina 5:22, 23) Lasa tena ilaina eo amin’ny fiaraha-monina izy ireo noho izany, ary manatsara ny fiainan’ny olona koa ny hafatra toriny.

Ahoana kosa ilay hoe tokony ho toy ny hazavana ny mpanara-dia an’i Kristy? Rehefa alina, dia mampita hazavana avy amin’ny masoandro ny volana. Toy ny hoe mampita ‘hazavana’ avy amin’Andriamanitra koa ny Kristianina, satria mitory ny hafatra avy aminy sady manao ny tsara.—1 Petera 2:12.

Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika famarana fa eo amin’ny fitoeran-jiro, mba hanazava an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hamirapiratra toy izany eo anatrehan’ny olona koa ny fahazavanareo.” Hitan’ny olona rehetra ny jiro rehefa apetraka eo amin’ny fitoeran-jiro. Tokony ho fantatra sy hitan’ny olona koa ny fitoriana sy ny asa tsara ataon’ny tena Kristianina. Hanome voninahitra an’Andriamanitra ny olona amin’izay.—Matio 5:14-16.

Manana andraikitra hitory ny rehetra

Ny Kristianina rehetra no nilazan’i Jesosy hoe: ‘Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao, ary aoka ianareo hampamirapiratra ny fahazavanareo.’ Tsy hety raha olona vitsivitsy any amin’ny fivavahana samihafa no hanao izany, fa tokony ho ny Kristianina rehetra. Izany mihitsy no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izy rehetra no mitory amin’ny olona. Misy fito tapitrisa izy ireo izao, any amin’ny tany maherin’ny 235.

Inona no resahin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory? Tsy nirahin’i Jesosy hanova izay tsy mety eo amin’ny fiaraha-monina ny mpanara-dia azy, na hanova ny politikan’ny fanjakana, na hanao zavatra hafa mitovitovy amin’izany. Nilaza kosa izy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Mankatò an’io tenin’i Jesosy io àry ny Vavolombelon’i Jehovah ka mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy io ihany mantsy no hahavita handringana ny tontolo ratsin’i Satana sy hanova ny tany ho Paradisa.

Hita ao amin’ny Filazantsara fa nisy zavatra roa nataon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, ka tokony hotahafin’ny tena Kristianina ankehitriny. Andeha hojerentsika izany.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Nahoana ny hafatra torin’ny Kristianina no toy ny sira?

[Teny notsongaina, pejy 9]

Nahoana ny hafatra torin’ny Kristianina no toy ny jiro?