Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Nanao Politika ve ny Kristianina Voalohany?

Nanao Politika ve ny Kristianina Voalohany?

▪ Tsy niresaka politika tamin’ny mpianany mihitsy i Jesosy talohan’ny niakarany tany an-danitra, fa toromarika momba ny fanompoana no nomeny. (Matio 28:18-20) Efa nanoro hevitra azy ireo koa izy talohan’io hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Nampihatra an’izany foana àry ny mpianany.

Nahoana io torohevitra io no nanampy ny mpanara-dia an’i Jesosy mba tsy ho anisan’izao tontolo izao, na dia miaina eto aza? Ahoana no nahalalan’izy ireo hoe inona no tokony homena an’i Kaisara, ary inona no tokony ho an’Andriamanitra?

Tsy miraharaha an’ilay torohevitr’i Jesosy izay manao politika, araka ny hevitry ny apostoly Paoly. Hoy i Doug Bandow, ao amin’ny boky nosoratany: “Nizaka ny zom-pirenena romanina i Paoly, ka nitaky an’izany zony izany izy mba hiarovana azy tany amin’ny fitsarana. Tsy nitaky ny hanovana ny lalàn’ny fanjakana anefa izy.” Tsy nanao politika mihitsy àry i Paoly.

Inona no toromarika nomeny ny Kristianina? Hoy ihany ilay boky: “Nanoratany taratasy ny Kristianina tany amin’ny tanàna lehibe, toa an’i Korinto sy Efesosy ary Roma. Tsy nahitana ady hevitra momba ny politika mihitsy anefa tao amin’ireny taratasy ireny. ... Nandidy ny Kristianina i Paoly mba hanaja ny manam-pahefana. Tsy nampirisika azy ireo hiditra tamin’ny raharaham-panjakana mihitsy anefa izy.”—Romanina 12:18; 13:1, 5-7.

Na dia efa maty am-polony taona aza i Paoly, dia mbola nahay nandanjalanja ny Kristianina. Nanaja ny manam-pahefana izy ireo, saingy tsy nanao politika mihitsy. Hoy ihany ilay boky: “Niaiky izy ireo hoe tsy maintsy hajaina ny mpitondra fanjakana, nefa tsy nanaiky hanao politika izy ireo.”

Niova anefa izany, 300 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Hoy i Charles Villa-Vicencio, teolojianina: “Rehefa i Constantin no nitondra, dia niova ny rafitra ara-politika. Toa lasa nanao asam-panjakana koa ny Kristianina tamin’izany sady nandray anjara tamin’ny ady ary nanaiky hanao politika.” Lasa fanaon’ny olona tany Roma àry ny nampifangaro ny fivavahana sy ny politika, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra.

Maro amin’izao ny fivavahana milaza fa manara-dia an’i Kristy, nefa mampirisika ny mpiangona ao aminy hanao politika. Tsy manahaka an’i Kristy sy ny Kristianina voalohany ireny fivavahana ireny.