Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankasitraka ny Fanomezan’Andriamanitra ve Ianao?

Mankasitraka ny Fanomezan’Andriamanitra ve Ianao?

Mankasitraka ny Fanomezan’Andriamanitra ve Ianao?

“I Jehovah anie hanao fanomezana ho anareo, ka samy hahita fiadanana any amin’ny tranon’izay ho vadinareo avy ianareo!”—ROTA 1:9.

TADIAVO NY VALIN’IRETO:

Inona no porofo fa sarobidy tamin’ny mpanompon’i Jehovah fahiny ny fanambadiana?

Ahoana no ahalalantsika fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny safidintsika rehefa hifidy vady?

Inona no torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana tianao hampiharina?

1. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Adama rehefa nahazo vady?

FANOMEZANA avy amin’i Jehovah ny fanambadiana. Izy no nanome vady an’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Nampatory an’i Adama izy, ary namorona vehivavy tsara tarehy avy tamin’ny taolan-tehezany. Nantsoin’i Adama hoe Eva izy io. Faly erỳ i Adama, ka tsy mahagaga raha nilaza hoe: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe Vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.” (Gen. 2:23) Nakamban’i Jehovah tao amin’ny fanambadiana sambatra izy ireo. Koa satria ny taolan-tehezan’i Adama no namoronana an’i Eva, dia nifandray am-po kokoa noho ny mpivady hafa rehetra izy ireo.

2. Inona no mahatonga ny lehilahy sy vehivavy haniry hivady?

2 Manana fahendrena tsy manam-paharoa i Jehovah, ka nataony tao amin’ny olombelona ny karazana fitiavana iray, mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy hivady. Lasa misy fifanintonana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, noho izy io. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Samy manantena ny lehilahy sy ny vehivavy fa hanao firaisana sy hifankatia foana izy ireo, rehefa manambady.” Maniry hanana tokantrano sambatra sy maharitra tokoa ny olona rehetra. Tsy nofinofy anefa izany satria maro ny mpanompon’i Jehovah toy izany.

OLONA NANKASITRAKA AN’ILAY FANOMEZANA

3. Ahoana no nahazoan’i Isaka ny vadiny?

3 Tena sarobidy tamin’i Abrahama ny fanambadiana. Nirahiny ho any Mezopotamia àry ny mpanompony be taona indrindra, mba hitady vady ho an’i Isaka zanany. Nahazo vokatra tsara io mpanompo io rehefa nivavaka tamin’i Jehovah. Nahita an’i Rebeka, vehivavy natahotra an’Andriamanitra, izy mba ho vadin’i Isaka. Anisan’ireo nampiasain’i Jehovah i Rebeka, mba hahatonga ny taranak’i Abrahama hisy foana. (Gen. 22:18; 24:12-14, 67) Tsy midika anefa izany hoe afaka mitady vady ho an’ny olon-kafa isika, raha tsy niangaviana hanao izany. Mifidy samirery izay ho vadiny ny olona maro ankehitriny. Tsy mifidy vady ho antsika i Jehovah, nefa hanampy antsika izy, raha mangataka ny tari-dalany isika eo amin’ny lafiny fanambadiana sy ny zavatra hafa, sady manaiky hotarihin’ny fanahiny.—Gal. 5:18, 25.

4, 5. Inona no manaporofo fa tena nifankatia ilay tovovavy solemita sy ilay mpiandry ondry?

4 Hodinihintsika indray ny nataon’ny tovovavy solemita iray tsara tarehy, rehefa naniry hanambady azy i Solomona Mpanjaka, nanana vady maro. Tsy tiany hoterena hanambady an’i Solomona izy, ka nilaza hoe: “Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema ô: Aza mitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao izy hitsiry ho azy.” (Tonon. 8:4) Efa tia tovolahy iray mpiandry ondry ilay tovovavy solemita. Nanetry tena izy nilaza tamin’ilay mpiandry ondry hoe: “Izaho dia safrona ihany, safrona maniry eny amin’ny lemaka amoron-tsiraka, ary lisy eny amin’ny lemaka iva.” Tia azy koa ilay mpiandry ondry, ka namaly hoe: “Sahala amin’ny lisy eny amin’ny tsilo ny malalako, eo anivon’ny zazavavy.” (Tonon. 2:1, 2) Tena nifankatia tokoa izy ireo.

5 Samy tia an’Andriamanitra ilay Solemita sy ilay mpiandry ondry, ka azo inoana fa ho mafy ny fifankatiavany rehefa hivady izy ireo. Vonona tsy hivadika amin’ilay mpiandry ondry ilay Solemita, ka nilaza hoe: “Ataovy toy ny tombo-kase eo amin’ny fonao sy eo amin’ny sandrinao aho, satria mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana. Tsy manaiky hozarazaraina amin’ny hafa ny fitiavana, satria toy ny Fasana izy ka tsy mety milefitra. Ny firedaredany dia toy ny firedaredan’ny afo, eny, ny lelafo avy amin’i Jah. Na dia renirano maro aza tsy mahafaty ny afon’ny fitiavana, ary na ony maro aza tsy mahavita manongotra azy. Raha misy olona manome ny harena rehetra ao an-tranony mba hividianana fitiavana, dia tena hatao tsinontsinona izany.” (Tonon. 8:6, 7) Raha mieritreritra ny hanambady ianao, tsy tokony ho olona toy izany koa ve no fidinao ho vady, izany hoe olona tia an’i Jehovah ary tsy hivadika aminao?

ZAVA-DEHIBE AMIN’I JEHOVAH NY SAFIDINAO

6, 7. Ahoana no ahafantarantsika fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny safidintsika rehefa hifidy vady?

6 Zava-dehibe amin’i Jehovah ny safidinao, rehefa hifidy vady ianao. Hoy izy tamin’ny Israelita: ‘Aza manao fifanarahana ara-panambadiana amin’ny Kananita: Aza omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy. Fa hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy izy, ka azo antoka fa hanompo andriamani-kafa ireo. Koa hirehitra aminareo tokoa ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy hiandry ela izy, fa handringana anareo.’ (Deot. 7:3, 4) Hoy koa i Ezra mpisorona, taonjato maro tatỳ aoriana: ‘Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israelita satria nanambady vehivavy hafa firenena, ka nampitombo ny heloky ny Israely.’ (Ezra 10:10) Nilaza toy izao tamin’ny Kristianina koa ny apostoly Paoly: “Voafatotry ny fanambadiana ny vehivavy raha mbola velona koa ny vadiny. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.”1 Kor. 7:39.

7 Nivadika tamin’i Jehovah ny Israelita tamin’ny andron’i Ezra, rehefa “nanambady vehivavy hafa firenena.” (Ezra 10:10) Tsy mankatò an’i Jehovah koa ny Kristianina iray nanokan-tena ho azy, raha manambady tsy Vavolombelona. Tsy mety ny mitady fialan-tsiny mba tsy hanarahana ny didin’i Jehovah. (2 Kor. 6:14, 15) Raha efa vita batisa ny olona iray no manambady tsy Vavolombelona, dia tsy ohatra tsara izy, ary tsy mihevitra ny fanambadiana ho sarobidy. Mety hamoy tombontsoa sasany eo anivon’ny fiangonana izy. Hafahafa raha manantena hotahin’i Jehovah ny olona toy izany. Toy ny milaza amin’i Jehovah izy hoe: ‘Nanao fanahy iniana tsy nankatò anao aho, kanefa mba tahio ihany.’

MAHAFANTATRA TSARA MOMBA NY FANAMBADIANA I JEHOVAH

8. Nahoana isika no mila manaraka ny tari-dalan’i Jehovah momba ny fanambadiana?

8 Izay olona namorona ny telefaonina no tena mahafantatra tsara ny telefaonina. Afaka manome toromarika momba ny fampiasana azy io izy. Ahoana anefa raha tsy manaraka ny toromarika omeny isika fa manao izay saim-pantatsika fotsiny? Ho simba ilay telefaonina! Raha te hanana tokantrano sambatra àry isika, dia mila manaraka ny toromarik’i Jehovah, ilay namorona ny fanambadiana.

9. Ahoana no ahitana fa takatr’i Jehovah ny fihetseham-pon’ny olona manirery ary mitondra fifaliana ny fanambadiana?

9 I Jehovah no tena mahalala ny zava-drehetra momba ny olombelona sy ny fanambadiana. Nataony tao anatin’ny olona ny faniriana hanao firaisana, mba hahafahan’izy ireo ‘hanan-taranaka sy hihabetsaka.’ (Gen. 1:28) Hoy koa izy talohan’ny namoronany an’i Eva: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” (Gen. 2:18) Midika izany fa tsapan’i Jehovah ny fihetseham-pon’ireo olona manirery. Fantany koa fa mitondra fifaliana ny fanambadiana.—Vakio ny Ohabolana 5:15-18.

10. Ahoana no hahafahan’ny mpivady mampifaly an’i Jehovah eo amin’ny resaka firaisana?

10 Tsy misy ny fanambadiana tonga lafatra, satria nandova ota sy tsy fahalavorariana ny olombelona. Afaka ny ho sambatra am-panambadiana anefa ny mpanompon’i Jehovah, raha mampihatra ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. Nanome torohevitra momba ny firaisana, ohatra, ny apostoly Paoly. (Vakio ny 1 Korintianina 7:1-5.) Tsy milaza ny Soratra Masina hoe natao mba hiterahan’ny mpivady fotsiny ny firaisana. Mahazo izay ilainy ara-pihetseham-po sy mahazo fahafinaretana koa ny mpivady rehefa manao azy io. Tsy tokony hanao firaisana mamoafady anefa na dia ny mpivady aza, satria tsy mampifaly an’i Jehovah izany. Tokony ho tsara fanahy sy hifaneho fitiavana kosa izy ireo, rehefa manao firaisana. Tena zava-dehibe mantsy ny firaisana, eo amin’ny fiainan’ny mpivady.

11. Inona no fitahiana azon’i Rota noho izy tsy nivadika tamin’i Jehovah?

11 Tokony ho feno fifaliana sy fahasambarana ny tokantrano, indrindra fa ny tokantrano kristianina. Diniho izay nitranga 3 000 taona lasa izay. Efa antitra i Naomy, ary maty vady avokoa izy sy Orpa sy Rota vinantovaviny. Teny an-dalana avy any Moaba ho any Joda izy ireo tamin’izay, ary nasain’i Naomy niverina izy roa vavy. Moabita i Rota, nefa tsy nety niverina. Nanaraka an’i Naomy foana izy, ary tsy nivadika tamin’ilay tena Andriamanitra. Nomena toky izy fa ‘hahazo valisoa tonga lafatra avy amin’i Jehovah, satria tonga nitady fialofana teo ambany elany.’ (Rota 1:9; 2:12) Lasa vadin’i Boaza tokoa izy, ary nankasitraka izany fanomezana izany. Nahita fifaliana sy fiadanana izy, rehefa nanambady an’io mpanompon’i Jehovah efa zokiolona io. Nahazo valisoa hafa koa izy satria lasa razamben’i Jesosy Kristy. Ho faly izy hahalala an’izany rehefa hatsangana amin’ny maty. (Mat. 1:1, 5, 6; Lioka 3:23, 32) Nahazo fitahiana lehibe tokoa i Rota, satria tsy nivadika tamin’i Jehovah!

TOROHEVITRA HAHASAMBATRA NY TOKANTRANO

12. Aiza no misy torohevitra tena tsara momba ny fanambadiana?

12 Lazain’ilay Mpamorona ny fanambadiana amintsika izay tokony ho fantatsika mba hahasambatra ny tokantrano. Tsy misy mahalala momba ny fanambadiana, mihoatra noho izy. Raha misy te hanome torohevitra tena tsara momba ny fanambadiana àry, dia tokony hijery ny hevitry ny Baiboly izy, satria marina foana izay lazain’izy io. Hoy, ohatra, ny apostoly Paoly: ‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efes. 5:33) Mahatakatra an’izany torohevitra izany daholo rehefa Kristianina matotra. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia hoe: ‘Hanaraka an’izany ve izy ireo?’ Hampihatra an’izany izy ireo, raha mihevitra ny fanambadiana ho fanomezana avy amin’i Jehovah. *

13. Inona no ho vokany raha tsy arahin’ny lehilahy manambady ny torohevitra ao amin’ny 1 Petera 3:7?

13 Tokony ho tia ny vadiny foana ny lehilahy kristianina. Hoy ny apostoly Petera: ‘Aoka ianareo lehilahy hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Mpiara-mandova aminy mantsy ianareo, eny, mpiara-mandova ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.’ (1 Pet. 3:7) Hita avy amin’io fa mety ho voasakana ny vavaky ny lehilahy iray, raha tsy mampihatra ny torohevitr’i Jehovah izy. Mety hisy vokany eo amin’ny fifandraisan’izy mivady amin’i Jehovah izany, sady hiteraka fihenjanana eo amin’ny fifandraisan’izy ireo. Mety hifamaly lava koa izy ireo, ary tsy hifaneho hatsaram-panahy.

14. Hanao ahoana ny tokantrano raha be fitiavana ny vehivavy?

14 Afaka manao izay hisian’ny fiadanana sy fahasambarana ao an-tokantranony koa ny vehivavy, raha manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly sy ny fitarihan’ny fanahy masina. Efa ara-dalàna amin’ny lehilahy kristianina ny hoe tia ny vadiny sy maniry hiaro azy, indrindra eo amin’ny lafiny ara-panahy. Maniry hotiavina koa ny vehivavy. Mila miezaka anefa ny vehivavy mba hitiavan’ny vadiny azy. Hoy ny Ohabolana 14:1: “Manamafy orina ny ankohonany ny vehivavy tena hendry, fa manimba izany kosa ny vehivavy adala.” Raha hendry sy be fitiavana àry ny vehivavy, dia ho sambatra ny tokantranony. Asehony amin’izany fa tena mihevitra ny fanambadiana ho fanomezana avy amin’i Jehovah izy.

15. Inona no torohevitra ao amin’ny Efesianina 5:22-25?

15 Mila manahaka ny fomba nitondran’i Jesosy ny fiangonana ny mpivady, ka hifaneho fitiavana sy hifanaja. Izany no ahitana fa mihevitra ny fanambadiana ho fanomezana avy amin’i Jehovah izy ireo. (Vakio ny Efesianina 5:22-25.) Handray fitahiana avy amin’i Jehovah ny mpivady, raha tena mifankatia tsara, manetry tena, tsy mifampimonjomonjo rehefa misy tsy ifanarahana, ary tsy mampiseho toetra ratsy hafa mety hanimba ny tokantrano.

AOKA TSY HOSARAHIN’OLONA NY MPIVADY

16. Nahoana no tsy manambady ny Kristianina sasany?

16 Mieritreritra ny hanambady ny ankamaroan’ny olona. Tsy manambady anefa ny mpanompon’i Jehovah sasany, satria tsy mahita vady mpanompon’i Jehovah sy mety aminy. Ny hafa indray nifidy ny tsy hanambady mihitsy, mba tsy ho voahelingelin’ny andraikitra ao an-tokantrano, fa hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Na inona na inona anefa antony mahatonga ny olona iray tsy hanambady, dia azony atao foana ny mankafy izany, nefa tsy tokony handika ny fitsipik’i Jehovah izy.—Mat. 19:10-12; 1 Kor. 7:1, 6, 7, 17.

17. a) Inona no tenin’i Jesosy tokony hotadidintsika? b) Inona no tokony hataon’ny Kristianina haingana, raha manomboka mitsiriritra vadin’olona izy?

17 Mila mitadidy an’ity tenin’i Jesosy ity isika rehetra, na manambady na tsia: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Mat. 19:4-6) Midika izany fa fahotana ny mitsiriritra vadin’olona. (Deot. 5:21) Raha manomboka mitsiriritra vadin’olona ny Kristianina iray, dia tokony hiezaka haingana izy hanao izay rehetra azony atao, mba hanala izany fanirian-dratsy feno fitiavan-tena izany. Mety hiteraka ratram-po be ho azy izany, raha toa ka efa navelany hitombo tao am-pony. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy maintsy esoriny tao izany. (Mat. 5:27-30) Tena ilainy ny manitsy ny fomba fisainany sy manaisotra ny eritreri-dratsiny, satria mamitaka ny fo.—Jer. 17:9.

18. Ahoana no tokony hiheverantsika Kristianina ny fanambadiana?

18 Na dia ireo olona tsy mahalala firy momba an’i Jehovah sy ny fanambadiana aza mba manaja ny fanambadiana ihany. Mainka moa fa isika izay nanokan-tena ho an’ilay “Andriamanitra falifaly”! Faly àry isika mampiseho amin’ny fomba fiainantsika fa tena mankasitraka ny fanomezana avy amin’i Jehovah isika, dia ny fanambadiana.—1 Tim. 1:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 6]

Manome voninahitra an’i Jehovah sy mitondra fahasambarana ho an’ny mpianakavy ny tokantrano raha mandeha tsara

[Sary, pejy 5]

Nihevitra ny fanambadiana ho fanomezana avy amin’i Jehovah i Rota

[Sary, pejy 7]

Hita amin’ny zavatra ataonao ve fa mihevitra ny fanambadiana ho fanomezana avy amin’i Jehovah ianao?