Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Tsotra Fotsiny ve ny Baiboly?

Boky Tsotra Fotsiny ve ny Baiboly?

Boky Tsotra Fotsiny ve ny Baiboly?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa ... mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 TIMOTY 3:16, 17.

VITSY ny olona manaiky ny voalazan’io andinin-teny io. Ary ianao? Iza amin’ireto no fahitanao ny Baiboly?

• Asa soratra kanto

• Hoatran’ny boky masina rehetra ihany

• Angano hakana fianarana

• Tenin’Andriamanitra

Zava-dehibe ve anefa izay inoanao momba izany? Hoy ny Romanina 15:4: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” Natao hampianatra sy hampionona ary hanome fanantenana antsika àry ny Baiboly.

Azo itokisana ve anefa ny Baiboly raha asa soratra kanto na boky masina tsotra fotsiny? Boky toy izany ve no antenainao hanome torohevitra anao sy ny fianakavianao, indrindra raha tsy mifanaraka amin’ny eritreritrao izay lazainy? Hampionona sy hanome fanantenana anao ve izy io raha angano fotsiny?

Olona an-tapitrisany kosa no mianatra Baiboly ka miaiky fa Tenin’Andriamanitra izy io. Nahoana? Inona marina no mampiavaka ny Baiboly? Handinika zavatra dimy mampiavaka azy io isika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka.