Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifanaraka Amin’ny Siansa

Mifanaraka Amin’ny Siansa

“Tsy efa nanoratra taminao ve aho, ka nanome anao torohevitra sy fahalalana, mba hampahafantarana anao fa azo antoka ireo teny marina? Amin’izay ianao dia hiverina hitondra teny fahamarinana.”—OHABOLANA 22:20, 21.

INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Matetika no tsy azo antoka ny zavatra resahin’ny boky fahiny sady mampidi-doza. Tena diso izy ireny raha ny siansa no jerena. Na ny boky amin’izao aza mbola misy mila ahitsy mba hifanaraka amin’ny zava-baovao hitan’ny mpahay siansa. Avy amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao kosa ny Baiboly, ka tsy mila ovana mihitsy fa “maharitra mandrakizay.”—1 Petera 1:25.

OHATRA: Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa tsy maintsy nanao lavaka tany “ivelan’ny toby” ny Israelita rehefa hanao maloto, ary nototofany ilay izy avy eo. (Deoteronomia 23:12, 13) Tsy maintsy nisasa koa izy ireo rehefa avy nikasika fatim-biby na fatin’olona. (Levitikosy 11:27, 28; Nomery 19:14-16) Natokan-toerana ny boka ka tsy nahazo niaraka tamin’ny olona raha tsy efa avy nozahana sy tsy natahorana hamindra.—Levitikosy 13:1-8.

INONA NO LAZAIN’NY MPITSABO? Mbola tena mandaitra hitandroana fahasalamana ilay hoe manana kabine sy misasa tanana ary manokan-toerana olona misy areti-mifindra. Izao no torohevitry ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia, raha tsy manana kabine isika: “Mialà 30 metatra, fara fahakeliny, avy eo amin’ny toerana misy rano be rehefa hanao maloto, ary totofy ilay izy avy eo.” Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa hihena 36 isan-jato ny ho voan’ny aretim-pivalanana raha manana kabine ara-dalàna daholo ny mponina. Tsy ampy 200 taona akory izay, dia hitan’ny dokotera fa namindra aretina hafa tamin’ny marary izy ireo satria tsy nanasa tanana rehefa avy nikasika faty. Milaza ilay foibe any Etazonia fa “ny fanasana tanana ihany no fomba mahomby indrindra tsy hampiparitaka aretina.” Hoy koa ny Gazety Saodianina Momba ny Fitsaboana (anglisy): “Vao voan’ny areti-mifindra ny olona iray dia tokony hatokan-toerana. Izay ihany no fomba mandaitra tsy hifindran’ilay izy.”

AHOANA NY HEVITRAO? Misy boky masina tranainy tena mifanaraka amin’ny siansa ve? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?

‘Miaiky daholo ny olona hoe tena tsara ny fomba fitandroana fahasalamana tamin’ny andron’i Mosesy.’—BOKY MOMBA NY FITSABOANA NY ARETINA ANY AMIN’NY TANY MAFANA (ANGLISY), NOSORATAN’I ALDO CASTELLANI SY ALBERT CHALMERS, DOKOTERA