Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Mirindra Tsara

Boky Mirindra Tsara

“Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 PETERA 1:21.

INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Matetika no mifanipaka ny zavatra lazain’ny boky fahiny, na dia tamin’ny fotoana mitovy ihany aza no nanoratana azy. Mifanohitra foana koa ny zavatra lazain’ny boky nosoratan’olona samihafa, tany amin’ny toerana samihafa, ary tamin’ny fotoana samy hafa. Avy amin’Andriamanitra kosa ny boky 66 ao amin’ny Baiboly, ary mifandray sy tsy mifanipaka ny zavatra rehetra voalaza ao.—2 Timoty 3:16.

OHATRA: Mpiandry ondry tamin’ny taonjato faha-16 T.K. i Mosesy, ary izy no nanoratra ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly. Lazainy ao fa hisy ‘taranaka’ iray hamonjy ny olombelona, ary ho taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy io. (Genesisy 3:15; 22:17, 18; 26:24; 28:14) Nilaza i Natana mpaminany, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, hoe ho taranak’i Davida Mpanjaka ilay taranaka. (2 Samoela 7:12) Nohazavain’ny apostoly Paoly, 1 000 taona taorian’izay, fa i Jesosy sy ny mpianany nofidiny ilay taranaka. (Romanina 1:1-4; Galatianina 3:16, 29) Resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, fa hitory momba an’i Jesosy ireo mpianany anisan’io taranaka io. Hatsangana ho any an-danitra izy ireo avy eo, ary hiara-manjaka amin’i Jesosy 1 000 taona. Handringana ny Devoly ilay taranaka ary hamonjy ny olombelona.—Apokalypsy 12:17; 20:6-10.

INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY BAIBOLY? Gaga i Louis Gaussen rehefa nandinika an’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Izao no nosoratany: “Mirindra tsara izy rehetra, na dia nosoratan’olona maro samihafa nandritra ny 1 500 taona aza. ... Tsy azon’izy ireo tsara ny zavatra noresahiny, nefa mifampitohy ary miafara amin’ilay nanavotan’ny Zanak’Andriamanitra an’izao tontolo izao.”

AHOANA NY HEVITRAO? Mety hisy ve ny hoe boky nosoratan’olona 40 teo ho eo nandritra ny 1 500 taona mahery, nefa mifanaraka tsara daholo izay lazainy? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?

“Tsy misy mifanipaka ny zavatra lazain’ny Baiboly manomboka any amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy ... Tsy misy boky tena mitovy na mitovitovy amin’io mihitsy eran’izao tontolo izao.”—ZAVATRA NODINIHINA MOMBA NY TESTAMENTA TALOHA (ANGLISY), NOSORATAN’I JAMES ORR