Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nataon’i Jehovah Mahiratra ny Masoko

Nataon’i Jehovah Mahiratra ny Masoko

Nataon’i Jehovah Mahiratra ny Masoko

Notantarain’i Patrice Oyeka

Tsy nisy masoandro nihiratra teo amin’ny fiainako. Jamba aho sady manirery ary radio no mba nohenoiko nandritra ny tontolo andro. Tapa-kevitra aho indray takariva fa hamono tena. Nasiako poizina mahafaty ny rano hosotroiko ary napetrako teo ambony latabatra. Te handro sy hiakanjo tsara anefa aho alohan’ny hisotroako an’ilay izy. Fa nahoana aho no te hamono tena tamin’izay? Ary nahoana aho no mbola velona ankehitriny?

TERAKA tany Kasaï Atsinanana, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, aho tamin’ny 2 Febroary 1958. Maty ny dadanay tamin’izaho sivy taona, ka ny zokiko lahy no nikarakara ahy nanomboka teo.

Niasa tany amin’ny toeram-pambolena hazo fakana fingotra aho rehefa vita ny fianarako. Nanomana tatitra tao amin’ny biraoko aho, indray maraina, tamin’ny 1989. Tampoka teo anefa dia tsy nahita na inona na inona mihitsy aho. Nieritreritra aho tamin’ny voalohany hoe maty ny jiro. Naheno feona milina nandeha anefa aho, sady maraina rahateo ny andro. Nangovitra be aho avy eo fa hay izaho mihitsy no tsy nahita na inona na inona. Na ireo taratasy teo ambany masoko aza mantsy tsy hitako.

Nasaiko nitondra ahy tany amin’ny fitsaboana vonjimaika avy hatrany ny mpiasa iray. Nilaza ilay dokotera tao hoe tokony hoentina any amin’ny mpitsabo mahay any an-drenivohitra aho. Nalefany tany Kinshasa renivohitra àry aho nony hitany fa simba ny temimasoko ka tena nila notsaboina haingana.

Tany Kinshasa

Nankany amin’ny mpitsabo maso maromaro aho rehefa tany Kinshasa, saingy tsy nisy nahavita nanasitrana ahy ry zareo. Nijanona 43 andro tany amin’ny hopitaly aho. Nilaza anefa ny dokotera fa ho jamba mandra-pahafatiko aho. Nentin’ny fianakaviako tany amin’izao karazana fivavahana rehetra izao aho mba hositranina. Tsy nisy vokany anefa izany.

Kivy aho tamin’ny farany. Tsy nisy masoandro nihiratra intsony teo amin’ny fiainako. Lasa jamba aho. Very ny asako. Nandao ahy koa ny vadiko ary nentiny daholo ny fanananay. Menatra aho ka tsy nety nivoaka ny trano sy tsy nifanerasera tamin’ny olona. Lasa nitoka-monina aho satria toa tsy nisy nilana ahy intsony.

Efa indroa nanandrana namono tena aho fa ilay fanindroany no noresahiko terỳ aloha. Ankizilahikely iray havanay no nanavotra ahy. Sendra noraisiny ilay kaopy nisy poizina, tamin’izaho nandro, dia very ny tao anatiny. Soa ihany aza fa tsy nosotroiny ilay izy. Tezitra be aho rehefa tsy hitako ilay kaopy. Rehefa nitady an’ilay izy aho avy eo, dia tsy maintsy nolazaiko tamin’ny havako ny antony. Nolazaiko hoe saika hamono tena aho.

Misaotra an’Andriamanitra sy ny havako aho fa nikarakara ahy foana izy ireo. Tsy maty mantsy aho na dia efa namono tena aza.

Nihiratra indray ny masoandroko

Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao an-tranoko indray alahady, tamin’ny 1992. Teo am-pifohana sigara aho tamin’izay. Hitany fa jamba aho ka novakiny tamiko ny Isaia 35:5 hoe: “Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.” Faly be mihitsy aho rehefa nandre an’izany. Tsy nihambo ho mahay manasitrana toy ny fivavahana hafa efa nalehako ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza kosa izy ireo fa hahita indray aho rehefa ao amin’ny Paradisa ampanantenain’Andriamanitra, raha mianatra momba azy. (Jaona 17:3) Tonga aho dia nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’izy ireo. Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no nampiasainay tamin’izany. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra fanaon’izy ireo koa aho, ary nanova ny fomba fiainako. Tsy nifoka sigara intsony aho.

Misy sekoly fampiofanana hitory sy hampianatra any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianatra namaky sy nanoratra Braille tany amin’ny sekoly ho an’ny jamba àry aho, ka afaka nanao an’io sekoly io. Nanomboka nitory teny an-tanànanay aho tsy ela taorian’izay. Lasa nahafinaritra ahy indray ny fiainako. Nandroso ara-panahy tsara aho ary nanokan-tena ho an’i Jehovah ka natao batisa ny 7 Mey 1994.

Vao mainka tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amiko aho ka te hitory bebe kokoa. Lasa mpisava lalana maharitra na mpitory manontolo andro aho, tamin’ny 1 Desambra 1995. Lasa mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonanay koa aho tamin’ny Febroary 2004. Voasa hanao lahateny any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa aza aho indraindray. Tena mahafaly ahy izany rehetra izany ary manampy ahy hitadidy fa afaka manompo an’i Jehovah na ny olona manan-kilema aza.

Nomen’i Jehovah “maso” aho

Voalazako teo hoe nilaozan’ny vadiko aho rehefa lasa jamba. Nahazo fitahiana avy tamin’i Jehovah anefa aho. Toy ny hoe nomeny maso aho. Nanaiky ho vadiko mantsy i Anny Mavambu na dia jamba aza aho. Mpitory manontolo andro koa izy ka miaraka amiko mitory sy mampianatra foana. Rehefa hanao lahateny aho, dia vakiny amiko izay fanazavana ilaiko, amin’izay aho afaka manoratra an’ilay izy amin’ny soratra Braille. Tena nahazo tombony be aho nanambady azy! Hitako mihitsy fa marina ny voalazan’ny Ohabolana 19:14 hoe: “Trano sy harena no lova avy amin’ny ray, fa ny vady malina kosa avy amin’i Jehovah.”

Nomen’i Jehovah zanaka mianadahy koa izaho sy Anny. Tsy andriko ny hahita ny endrik’izy ireo rehefa ao amin’ny Paradisa. Faly koa aho fa nianatra Baiboly ilay zokiko lahy ary natao batisa. Tsara fanahy izy ka avelany mipetraka ao amin’ny taniny izahay. Iray fiangonana izahay izao.

Be dia be ny fitahiana azoko avy amin’Andriamanitra, ka tapa-kevitra ny hanompo azy bebe kokoa foana aho na dia jamba aza. (Malakia 3:10) Mivavaka aho isan’andro mba ho tonga ny Fanjakany hanafoana ny fijaliana rehetra. Afaka milaza tokoa aho, rehefa nianatra momba an’i Jehovah, fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”—Ohabolana 10:22.

[Sary, pejy 13]

Manao lahateny, Izaho sy ny ankohonako ary ny zokiko lahy