Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Nahoana no Mitory Isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana no Mitory Isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah?

▪ Nandidy ny mpianany toy izao i Jesosy: ‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ary ampianaro izy.’ (Matio 28:19, 20) Takatry ny mpianatr’i Jesosy voalohany fa tokony hanao izany ny Kristianina rehetra. Hoy, ohatra, ny apostoly Petera: ‘Nandidy anay hitory amin’ny olona i Jesosy.’ (Asan’ny Apostoly 10:42) Hoy koa ny apostoly Paoly: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara aho. Lozako raha tsy manao izany aho!’—1 Korintianina 9:16.

Tsy i Paoly sy Petera ihany no nankatò ilay baikon’i Jesosy, fa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehetra mihitsy. Ny asa fitoriana no tena nifantohan’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 5:28-32, 41, 42) Miezaka manao toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilay hafatra notorin’i Jesosy ihany no torin’izy ireo, dia “ny fanjakan’ny lanitra.”—Matio 10:7.

Iza no tokony hitoriana an’izany hafatra izany? Nilaza i Jesosy fa ny olon-drehetra any amin’ny toerana rehetra no tokony hitoriana. Hoy izy tamin’ny mpianany: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asan’ny Apostoly 1:8) Nilaza mihitsy aza izy fa ‘hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay fanjakana’, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14) Tsy tamin’ny olom-pantany na ny olona tsy mpivavaka ihany àry ny Kristianina voalohany no nitory, fa tamin’ny olon-drehetra mihitsy. (Kolosianina 1:23; 1 Timoty 2:3, 4) Izany koa no iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah atao. *

Inona no fomba mandaitra indrindra itoriana? Nirahin’i Jesosy ho any amin’ny tanàna sy vohitra ary trano ny mpianany, mba hitory amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. (Matio 10:7, 11, 12) Mbola nitory “isan-trano” ihany izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany. (Asan’ny Apostoly 5:42) Nitory tany amin’ny toerana rehetra nahitana olona koa izy ireo, toy ny nataon’i Jesosy. (Jaona 4:7-26; 18:20; Asan’ny Apostoly 17:17) Izany koa no mbola ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nilaza i Jesosy fa tsy ny olon-drehetra no hihaino. (Matio 10:14; 24:37-39) Tokony hahakivy ny Kristianina ve izany ka hahatonga azy ireo tsy hitory intsony? Aoka hatao hoe anisan’ny ekipa mpamonjy voina ianao taorian’ny horohoron-tany lehibe iray. Efa nikaroka elaela ianao nefa vitsy kely ny olona velona hitanao. Kivy ve ianao dia tsy hikaroka intsony? Tsy vao mainka aza ve izany hahatonga anao hanohy hikaroka, satria hita fa mbola misy fanantenana? Nandidy ny mpianany hitory foana koa i Jesosy raha mbola misy olona manaiky hihaino. (Matio 10:23; 1 Timoty 4:16) Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitory isan-trano. Mila mandre sy mankatò ny hafatra momba ilay Fanjakana mantsy ny olona raha te ho voavonjy.—Matio 22:37-39; 2 Tesalonianina 1:8.

Miresaka momba izany hafatra izany ity gazety vakinao ity. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mitsidika anao, na manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mitory any amin’ny tany 236 ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Nandany 1 700 tapitrisa ora izy ireo tamin’ny taona lasa mba hitoriana, ary nampianatra Baiboly olona 8 500 000 maneran-tany.