Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ady Mafy ho An’ny Vaovao Tsara Tany Tesalonika

Ady Mafy ho An’ny Vaovao Tsara Tany Tesalonika

Ady Mafy ho An’ny Vaovao Tsara Tany Tesalonika

Tanàna miroborobo misy seranan-tsambo i Tesalonika ary any avaratratsinanan’i Gresy no misy azy. Thessaloníki na Thessalonique no iantsoana azy ankehitriny. Nisy vokany be teo amin’ny tantaran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny zava-nitranga tao, indrindra fa ny fitorian’i Paoly, ilay apostoly ho an’ny hafa firenena.—ASAN’NY APOSTOLY 9:15; ROMANINA 11:13.

TONGA tao Tesalonika i Paoly sy Silasy tamin’ny taona 50 tany ho any, nandritra ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly. Tamin’izay izy ireo vao nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, tany amin’ny faritra misy an’i Eoropa ankehitriny.

Nokapohina sy nogadraina izy ireo tany Filipy, any Makedonia. Azo antoka fa mbola tsaroan’izy ireo izany rehefa tonga tao Tesalonika izy ireo. Nilaza mantsy i Paoly, tatỳ aoriana, fa “tao anatin’ny ady mafy” no nitoriany “ny vaovao tsaran’Andriamanitra” tany Tesalonika, rehefa avy nijaly tany Filipy izy. (1 Tesalonianina 2:1, 2) Hanao ahoana ny fitoriana any Tesalonika? Ho tsara kokoa noho ny tany Filipy ve? Andeha aloha hojerentsika ny mombamomba an’i Tesalonika.

Tanàna nisy hotakotaka foana

Avy amin’ny teny grika roa midika hoe “Tesalianina” sy “fandresena” ny hoe Tesalonika. Ny anaran’ilay tanàna àry dia efa mampiseho ady mafy sy tolona. Maro no mino fa tamin’ny 352 T.K. i Philippe II, mpanjakan’i Makedonia sady rain’i Aleksandra Lehibe, no nandresy foko iray tany Thessalie, any Gresy afovoany. Voalaza fa nataony hoe Thessalonice ny anaran’ny zanany vavy, ho fahatsiarovana an’io fandresena io. Nanambady an’i Cassandre, ilay nandimby an’i Aleksandra, i Thessalonice, tatỳ aoriana. Nanorina tanàna tany andrefan’ny Saikinosy Chalcidique i Cassandre tamin’ny 315 T.K. tany ho any ary nampitondrainy ny anaram-badiny ilay izy. Nisy hotakotaka foana tany Tesalonika tamin’izany.

Nanan-karena koa i Tesalonika. Tao no nisy ny iray amin’ireo seranana voajanahary tsara indrindra any amin’ny Ranomasina Égée. Nandalo tao koa ilay lalana malaza atao hoe Lalana Egnatia, tamin’ny andron’ny Romanina. Anisan’ny toerana fivezivezen’ny entam-barotra tao amin’ny Fanjakana Romanina àry i Tesalonika satria nety tsara ny toerany, na an-tanety na an-dranomasina. Niady hahazo azy io foana ny Goths, Slavy, Francs, Italianina, ary ny Tiorka. Nisy tamin’izy ireny nahazo an’ilay tany rehefa nampiasa hery sy namono olona. Hodinihintsika anefa izao ny ady mafy natrehin’i Paoly, tamin’izy nitory ny vaovao tsara tany amin’io tanàna io.

Tonga tany Tesalonika i Paoly

Efa zatra ny Soratra Masina ny Jiosy ka mora mahatakatra ny vaovao tsara ary azon’i Paoly anombohan-dresaka. Matetika àry i Paoly no nitady Jiosy aloha, isaky ny tonga ao amin’ny tanàna iray. Misy manam-pahaizana mieritreritra fa nanao izany i Paoly, angamba satria nihevitra ny mpiray firenena aminy izy, na te hanomboka ny asany eo anivon’ireo hafa firenena ka ny Jiosy sy ny olona matahotra an’Andriamanitra no nitoriany voalohany.—Asan’ny Apostoly 17:2-4.

Tonga dia nankany amin’ny synagoga àry i Paoly rehefa tonga tany Tesalonika, ka “nandresy lahatra [ny Jiosy], niorina tamin’ny Soratra Masina. Dia nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy. ‘Ilay Jesosy izay toriko aminareo’, hoy izy, ‘no Kristy.’ ”—Asan’ny Apostoly 17:2, 3, 10.

Nampiady hevitra ilay zavatra nasongadin’i Paoly, dia ny hoe iza no Mesia ary inona no anjara asany. Nino ny Jiosy fa mpiady sy mpandresy ny Mesia, ka tsy neken’ny sainy ilay hoe nijalijaly ny Mesia. “Nandresy lahatra” azy ireo sy ‘nanazava’ ary ‘nanaporofo tamin’ny alalan’izay voasoratra’ tao amin’ny Soratra Masina àry i Paoly. * Mpampianatra mahay tokoa izy! Ahoana anefa no nandraisan’ireo nihaino an’i Paoly an’izany hevitra mafonja izany?

Sarotra nefa nahomby

Nandray tsara ny hafatra notorin’i Paoly ny Jiosy sasany sy ny Grika maro niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. “Tsy vitsy koa ny vehivavy nanan-kaja” nanao toy izany. Mety tsara ilay hoe “vehivavy nanan-kaja” satria nitana toerana ambony ny vehivavy tany Makedonia. Niasa birao izy ireo, nanana trano sy tany, nanan-jo hanao zavatra sasany, ary nanao raharaham-barotra. Nanaovana tsangambato mihitsy aza izy ireo. Nandray ny vaovao tsara koa ny vehivavy ambony tao Tesalonika, toa an’i Lydia izay mpandraharaha avy any Filipy. Mety ho avy amin’ny fianakaviana mpanankarena na vadina olona ambony ireo vehivavy ireo.—Asan’ny Apostoly 16:14, 15; 17:4.

Velom-pialonana anefa ny Jiosy. “Naka olona ratsy fanahy tamin’ireo mpidonana-poana teny an-tsena” izy ireo, “ary namory vahoaka sy nampisavorovoro ny tanàna.” (Asan’ny Apostoly 17:5) Karazan’olona nanao ahoana io vahoaka io? “Olona maharikoriko sy tsy misy ilana azy”, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Hoy koa izy: “Hita hoe tsy liana tamin’ilay hafatra akory izy ireo fa toy ireny mpirotaka ireny, ka mora rangitina sy mora ampirisihina hahery setra.”

Nanafika “ny tranon’i Jasona”, ilay nampiantrano an-dry Paoly, ny mpirotaka “ary nitaky ny hamoahana an’i Paoly sy Silasy ho eo amin’ny vahoaka.” Nankany amin’ny manam-pahefana izy ireo rehefa tsy nahita an’i Paoly tao. “Nitaritarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho any amin’ny lehiben’ny tanàna [izy ireo], ka niantsoantso hoe: ‘Tonga eto koa izao ireny lehilahy manakorontana ny tany onenana ireny.’ ”—Asan’ny Apostoly 17:5, 6.

Renivohitr’i Makedonia i Tesalonika ka somary nahaleo tena. Nisy filan-kevitry ny vahoaka tao ka io no nandamina ny olana teo an-toerana. Olona ambony ireo “lehiben’ny tanàna” * ireo, ary nanana andraikitra hitandro ny filaminana sy handamina ny olana mety hahatonga ny Romanina hiditra an-tsehatra ka hamoizan’ilay tanàna ny tombontsoany. Tsy maintsy tezitra àry ireo lehiben’ny tanàna ireo rehefa nahare hoe nitady handrava ny filaminana ireo ‘mpanakorontana’ ireo.

Ratsy kokoa avy eo ny fiampangana azy ireo. Nolazaina fa “manohitra ny didin’i Kaisara izy rehetra ireo, ka milaza fa misy mpanjaka hafa, dia i Jesosy.” (Asan’ny Apostoly 17:7) Milaza ny boky iray fa tsy eken’ny mpanjaka “ny hanononana anarana mpanjaka [hafa] any amin’ny faritany resiny, raha tsy nahazo alalana avy taminy.” Te hilaza àry ireo mpiampanga hoe mitady “hikomy sy hanohitra” ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. Vao mainka toa marina ilay fiampangana satria efa novonoin’ny Romanina i Jesosy noho io fiampangana io mihitsy, nefa milaza i Paoly fa Mpanjaka io Jesosy io.—Lioka 23:2.

Nisahotaka ny lehiben’ny tanàna. Tsy nisy porofo mivaingana anefa sady tsy hita koa ireo voampanga ka ‘nakan’izy ireo vola antoka i Jasona sy ireo namany’ ary “navelany handeha.” (Asan’ny Apostoly 17:8, 9) Angamba io vola nomen-dry Jasona io karazana antoka mba hanomezana toky fa hiala ao amin’ilay tanàna i Paoly ary tsy hiverina hanakorontana intsony. Mety ho io no tian’i Paoly hotenenina rehefa nilaza izy hoe “nosakanan’i Satana” tsy hiverina tany Tesalonika.—1 Tesalonianina 2:18.

Nalefa tany Beria àry i Paoly sy Silasy rehefa alina ny andro. Nandeha tsara ny fitorian’i Paoly tany. Naharomotra be an’ireo Jiosy tany Tesalonika anefa izany ka nandeha 80 kilaometatra nankany Beria izy ireo mba hampirisihana ny vahoaka hanohitra an-dry Paoly. Lasa nankany Atena indray àry i Paoly. Tsy vita hatreo anefa ny ady mafy ho an’ny vaovao tsara.—Asan’ny Apostoly 17:10-14.

Niady mafy ilay fiangonana vaovao

Nisy fiangonana niforona ihany tany Tesalonika. Tsy fanenjehana fotsiny anefa no zava-tsarotra natrehin’ny Kristianina tany. Feno mpanompo sampy sy olona ratsy fitondran-tena koa tany ary nanahy i Paoly hoe hanao ahoana ireo rahalahiny any.—1 Tesalonianina 2:17; 3:1, 2, 5.

Fantatry ny Kristianina tany Tesalonika fa tsy maintsy hankahala azy ireo sy ho tezitra aminy ny namany taloha, rehefa tsy manaraka ny fanaon’ny besinimaro sy ny fombafomba ara-pivavahana ao an-tanàna intsony izy ireo. (Jaona 17:14) Feno toerana masina ho an’ny andriamanitra grika toa an-dry Zeosy, Artemisy, Apollon, ary andriamanitra ejipsianina sasany ilay tanàna. Nalaza koa ny fivavahana amin’ny mpanjaka ary tsy maintsy nanaraka ny fombafomba mifandray amin’izany ny vahoaka rehetra. Noheverina ho nikomy tamin’i Roma izay tsy nety nandray anjara tamin’izy ireny.

Nitarika ny olona ho ratsy fitondran-tena be ny fivavahana amin’ny sampy. Inona no itovizan’ny fivavahana amin’i Cabirus andriamanitra tesalonianina, Isis andriamanitra ejipsianina, ary Dionysos sy Afrodita? Samy nisy fombafomba feno filibana sy fanaranam-po amin’ny fanaovana firaisana. Fahita koa ny olona nanana vady maro sy nivaro-tena. Tsy nampaninona ny olona ny mijangajanga. Kolontsaina romanina no narahin’izy ireo ary milaza ny boky iray fa “afaka nanakarama lehilahy sy vehivavy ao an-tanàna ny olona mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany rehetra, ary nilaza ny mpitsabo fa tsy tokony hofehezina ireny faniriana ireny.” Tsy nahagaga àry raha nandidy ny Kristianina tany i Paoly mba ‘hifady ny fijangajangana’ sy ny “filan’ny nofo tsy mety afa-po” ary ny “fahalotoana.”—1 Tesalonianina 4:3-8.

Nandresy

Tsy maintsy niady mafy ny Kristianina tany Tesalonika mba hanana finoana matanjaka. Niaritra fanoherana sy zava-tsarotra izy ireo ary feno mpanompo sampy sy olona ratsy fitondran-tena nanodidina azy. Noderain’i Paoly àry izy ireo noho izay ‘ataony noho ny finoany, ny asa mafy ataony amim-pitiavana, ny fiaretany’, ary noho izy ireo nitory ny vaovao tsara hatraiza hatraiza.—1 Tesalonianina 1:3, 8.

Nenjehina mafy izay nitonona ho Kristianina, tamin’ny taona 303, nanerana ny Fanjakana Romanina. Nitarika an’izany i Galère Kaisara, izay nipetraka tany Tesalonika ary nanorina trano maro tsara tarehy tany. Mbola azon’ny mpizaha tany jerena ny sisa tavela amin’ny sasany amin’izy ireny.

Mitory amin’ny mpiara-monina aminy izao ny Vavolombelon’i Jehovah any. Matetika aza izy ireo no mitory eo anoloan’ny zavatra naorin’ilay olona lozabe nanenjika ny Fivavahana Kristianina. Niaritra fanenjehana nivaivay ny Vavolombelona tany, tamin’ny taonjato faha-20. Misy fiangonana 60 eo ho eo anefa any izao. Hita amin’ny ezaka ataon’izy ireo fa mbola mitohy hatramin’izao ny ady mafy ho an’ny vaovao tsara, izay natomboka taonjato maro lasa izay, ary hita fa mbola mahomby foana izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Andinin-teny toa an’ireto angamba no nampiasain’i Paoly: Salamo 22:7; 69:21; Isaia 50:6; 53:2-7 ary Daniela 9:26.

^ feh. 16 Tsy hita any amin’ny asa soratra grika ny hoe “lehiben’ny tanàna.” Hita tamin’ireo zavatra nofongarina tao amin’ny faritr’i Tesalonika anefa ireo teny ireo, ary tamin’ny taonjato voalohany T.K. ny sasany. Manamarina ny fitantaran’ny Asan’ny Apostoly izany.

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

Lalana Egnatia

MAKEDONIA

Filipy

Amfipolia

Tesalonika

Beria

THESSALIE

Ranomasina Égée

ATENA

[Sary, pejy 20, 21]

Ambony: Thessalonique ankehitriny

Ambany: Toeram-pivarotana sy trano fandroana Romanina

[Sary nahazoan-dalana]

Sary roa eo ambany ankavia: 16th Ephorate of Prehistoric and Classical Antiquities, copyright Hellenic Ministry of Culture and Tourism

[Sary, pejy 21]

Trano boribory eo akaikin’ny andohalambon’i Galère; Sarin’i kaisara Galère; Olona mitory eo akaikin’ilay andohalambo

[Sary nahazoan-dalana]

Sary eo afovoany: Thessalonica Archaeological Museum, copyright Hellenic Ministry of Culture and Tourism

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Lohan’olona: © Bibliothèque nationale de France; soratra mivohitra: Thessalonica Archaeological Museum, copyright Hellenic Ministry of Culture and Tourism