Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hatao Rehefa Mihena ny Vola Miditra?

Ahoana no Hatao Rehefa Mihena ny Vola Miditra?

Ahoana no Hatao Rehefa Mihena ny Vola Miditra?

MANAN-JANAKA roa i Obed. Niasa tao amin’ny hotely lehibe iray any Afrika izy nandritra ny folo taona, ary tsy sarotra taminy mihitsy ny namelona ny ankohonany. Afaka nitondra ny vady aman-janany nanao vakansy andaniam-bola be foana izy. Tsy nahavita an’izany intsony anefa izy satria nihena ny mpanjifa tao amin’ilay hotely ka very asa tampoka izy.

Niasa tao amin’ny banky lehibe iray nandritra ny 22 taona mahery i Stephen ary lasa nanana toerana ambony tao. Nahazo tombontsoa maro izy, nomena trano lehibe, fiara, mpiasa an-trano, ary nianatra tany amin’ny sekoly mihaja be ny zanany. Nanova ny fomba fiasany anefa ilay banky ka very asa tampoka i Stephen. Hoy izy: “Kivy be izahay. Mafy tamiko ilay izy sady natahotra be aho.”

Tsy izy ireo ihany no tratran’izany. Mitotongana foana ny toe-karena maneran-tany ka an-tapitrisany amin’ireo manana asa azo antoka no very asa. Maro amin’ireo mahita asa koa no kely karama nefa miakatra be ny vidim-piainana. Tsy misy afa-miala amin’ny fitotongan’ny toe-karena na ny firenena manankarena na ny firenena mahantra.

Ilaina ny fahendrena

Mora kivy isika rehefa very asa na mihena ny karamantsika. Marina fa tsy maintsy manahy isika. Hoy anefa ny lehilahy hendry iray: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Tokony “hitahiry fahendrena” isika, araka ny fampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy hanaiky ho ketraka rehefa misy olana ara-toe-karena.—Ohabolana 2:7.

Tsy boky momba ny fitantanam-bola ny Baiboly nefa nanampy olona an-tapitrisany eran-tany tamin’io lafiny io ny toroheviny. Andao hojerentsika ny toro lalana sasany omeny.

Manaova teti-bola. Hoy i Jesosy, ao amin’ny Lioka 14:28: “Iza aminareo, ohatra, no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?” Midika izany fa ilaina ny manao teti-bola sy manaja an’izany. Miaiky i Obed fa tsy mora izany. Hoy izy: “Zatra nandany vola tamin’ny zavatra maro tsy tena ilaina izahay taloha. Tsy nanao teti-bola mihitsy izahay satria toa nanam-bola hividianana an’izay tianay foana.” Raha mandamina mialoha ianareo, dia azo antoka hoe hampiasainareo hividianana zavatra tena ilaina ao an-trano ihany ny vola, na mihena aza ny karama.

Tsory ny fiainana. Azo antoka fa tsy mora ny manaiky hoe tsy maintsy tsorina ny fiainana. Tena ilaina anefa izany. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Hoy i Stephen: “Voatery nifindra tany amin’ny tranonay izahay. Kely kokoa ilay izy sady mbola tsy vita ny tao anatiny. Tsy maintsy nesorina tany amin’ilay sekoly mihaja be koa ny ankizy, ary nitadiavana sekoly tsotra nefa tsara.”

Mila mifampiresaka tsara ny mpianakavy raha tiana hahomby ilay fanovana. Hoy i Austin, voaroaka tao amin’ilay banky niasany nandritra ny sivy taona: “Nanao ny lisitr’izay zavatra tena ilaina izahay mivady. Tsy maintsy najanona hatreo ny fividianana sakafo lafo be sy akanjo tsy ilaina ary ny fanaovana vakansy andaniam-bola be. Faly aho satria nanaiky an’izany ny vady aman-janako.” Mety tsy ho azon’ny ankizy ny anton’ilay fanovana. Azonareo ray aman-dreny atao anefa ny manazava izany aminy.

Aza mifidifidy asa. Toa handreraka be ny asa vatana raha zatra niasa birao ianao. Hoy i Austin: “Tsy neken’ny saiko ilay hoe hanao asa vatana satria efa zatra nibaiko aho tamin’ilay asako taloha.” Tsy mahagaga izany, raha jerena ny Ohabolana 29:25 manao hoe: “Fandrika ny tahotra olona.” Tsy hahavelom-bady aman-janaka mihitsy anefa ianao raha mieritreritra be an’izay mety hoheverin’ny olona. Mila manao zavatra ianao mba tsy hanahy be momba an’izany.

Ilaina ny fanetren-tena. Nana-namana mpanamboatra fiara i Obed. Nanaiky hiara-miasa amin’io namany io izy rehefa very asa. Tsy maintsy nandeha an-tongotra lavitra be tamin’ny lalana mamovoka i Obed mba hividianana loko sy fitaovana hafa. Hoy izy: “Toa tsy ho tafavoaka mihitsy aho. Nanampy ahy hanao an’ilay asa anefa ny fanetren-tena. Tsy ampahefatry ny karamako taloha akory ny vola raisiko nefa ampy anay mianakavy ihany.” Mety hanampy anao koa ve ny toe-tsaina toy ny azy?

Mahaiza mianina. Afa-po amin’ny zava-misy ny olona mahay mianina. Toa sarotra izany amin’ny olona sahirana ara-bola. Diniho anefa ny tenin’ny apostoly Paoly, ilay misionera efa niaina tao anatin’ny tsy fisiana: “Efa nianatra ny hianina aho na inona na inona toe-javatra misy ahy. Haiko tsara ny hoe ao anatin’ny tsy fisiana, ary haiko tsara koa ny hoe manam-be.”—Filipianina 4:11, 12.

Mety hihatsara ny fiainanao izao nefa mety hiharatsy koa, satria miovaova ny fiainana. Hahasoa anao ny manaraka an’ity torohevitr’i Paoly ity: “Fomba hahazoan-tombony be tokoa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Tsy nampirisika ny olona ho kamo i Paoly teo, fa nampiseho kosa hoe ahoana no tokony hiheverantsika ny zavatra ilaintsika.—1 Timoty 6:6, 8.

Ny tena mahasambatra

Tsy hoe rehefa manana an’izay rehetra tianao na miaina ao anatin’ny haitraitra akory ianao dia ho tena sambatra. I Jesosy mihitsy no niteny hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Ho sambatra sy ho afa-po tokoa ianao raha miezaka manampy ny hafa sy mampahery azy ireo.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Mahafantatra tsara an’izay ilaintsika i Jehovah Andriamanitra Mpamorona, ary nanome torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly. Maro no efa nampihatra an’izany ka afaka nanatsara ny fiainany sady tsy dia nanahy intsony. Marina fa tsy hoe ho lasa mpanankarena tampoka izay mampihatra an’izany. Nanome toky anefa i Jesosy fa hahazo izay ilainy isan’andro ny olona ‘mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany foana’, alohan’ny zavatra hafa.—Matio 6:33.