Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no zava-dehibe tamin’ny Jiosy ny tetirazany?

Nilaina ny tetirazana mba hanamarinana hoe foko avy aiza na fianakavian’iza ny olona iray. Nilaina koa izy ireny rehefa hizara tany sy lova. Tena zava-dehibe ny tetirazan’ilay Mesia nampanantenaina. Fantatry ny Jiosy tsara fa tsy maintsy ho avy amin’ny fokon’i Joda sady taranak’i Davida ny Mesia.—Jaona 7:42.

Hoy koa i Joachim Jeremias, manam-pahaizana iray: “Koa satria nolovaina ny asan’ny mpisorona sy Levita ..., dia tena zava-dehibe ny hoe tokony hazava tsara ny tetirazan’izy ireo.” Nasaina nanome ny tetirazany ny vehivavy israelita hanambady mpisorona, amin’izay “tsy ho voaloto” ny asa fisoronana. “Nitady ny lisitra tokony hisy ny anarany” ny fianakaviana levita maro tamin’ny andron’i Nehemia “mba hanamarinana amin’ny besinimaro ny razana niaviany. Tsy hita anefa izany” ka tsy nahafeno fepetra ho mpisorona izy ireo.—Nehemia 7:61-65.

Nilaza koa ny Lalàn’i Mosesy fa ‘tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah na ny zazasary na ny Amonita na ny Moabita.’ (Deoteronomia 23:2, 3) Hoy ihany i Jeremias: ‘Tsy maintsy porofoin’ny lehilahy iray hoe iza marina ny razambeny mba hampiharana ny zony. Manamarina ny hevitray izany, dia ny hoe ... na ny Israelita tsotra aza nahafantatra ny razambeny ary afaka nilaza hoe avy amin’iza amin’ireo foko roa ambin’ny folo izy.’

Ahoana no nandrafetan’ny Jiosy ny tetirazany sy nitehirizany azy ireny?

Namoaka ny tetirazan’i Jesosy tamin’ny an-tsipiriany i Matio sy Lioka, mpanoratra Filazantsara. (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38) Nisy tetirazana hafa koa notehirizina. Hoy, ohatra, ny boky jiosy iray, momba an’i Hilela, raby tamin’ny andron’i Jesosy: “Nisy horonana mirakitra tetirazana hita tany Jerosalema ary voalaza tao fa taranak’i Davida i Hilela.” Nilaza koa i Flavius Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany fa mpisorona ny razambeny ary “taranaka mpanjaka” izy raha avy amin’ny reniny. Hitany tao amin’ny “arisivam-panjakana” izany, hoy izy.

Nilaza i Josèphe tao amin’ilay bokiny hoe Diso Hevitra i Apion (anglisy) fa ny “lehilahy nanana toerana ambony indrindra” no nasain’ny Jiosy nitahiry ny firaketana momba ny fianakavian’ny mpisorona. Hoy Ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy): “Toa nankinina tamin’ny manam-pahefana manokana ireny firaketana ireny ary voalaza fa nasiana filan-kevitra momba ny tetirazana tao Jerosalema.” Any amin’ny tany niavian’ny rainy ny Jiosy tsy mpisorona no tokony hisoratra anarana. (Lioka 2:1-5) Ireny arisivam-panjakana ireny àry no nojeren’ireo mpanoratra Filazantsara. Toa nitahiry firaketana manokana koa ny fianakaviana tsirairay.