Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpampiharihary Zava-miafina” i Jehovah

“Mpampiharihary Zava-miafina” i Jehovah

“Mpampiharihary Zava-miafina” i Jehovah

“Tena Andriamanitry ny andriamanitra tokoa ny Andriamanitrareo, sady Tompon’ireo mpanjaka ary Mpampiharihary zava-miafina.”—DAN. 2:47.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Inona no nampahafantarin’i Jehovah antsika momba ny hoavy?

Iza avy ireo loha enina voalohany amin’ilay bibidia?

Tanisao hoe inona amin’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara no mifanitsy amin’ny lohan’ilay bibidia.

1, 2. Inona no nampahafantarin’i Jehovah antsika, ary nahoana i Jehovah no nampahafantatra izany?

IZA no fitondram-panjakana matanjaka indrindra eto an-tany, rehefa handringana ny fitondran’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra? I Jehovah no “Mpampiharihary zava-miafina”, ka fantany ny valin’izany. Nampahafantariny antsika anefa izany tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany sy ny apostoly Jaona.

2 Nomeny fahitana momba ny bibidia samihafa, ohatra, i Daniela sy Jaona. Nohazavainy tamin’i Daniela koa ny dikan’ilay sarivongana ngezabe hitan’i Nebokadnezara tamin’ny nofy. Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly ireo rehetra ireo, mba handraisantsika soa. (Rom. 15:4) Nanao izany izy satria tiany isika ho resy lahatra tanteraka hoe tsy ho ela dia hanorotoro ny fitondran’olombelona rehetra ny Fanjakany.—Dan. 2:44.

3. Inona no tsy maintsy takatsika mba hahazoantsika tsara ny faminaniana hafa, ary nahoana?

3 Miresaka momba ny mpanjaka valo, izany hoe fanjakana valo, i Daniela sy Jaona. Hazavain’izy ireo koa hoe iza no handimby an’iza. Mila mahatakatra an’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly anefa isika, vao hahazo tsara an’ireo faminaniana ireo. Nahoana? Satria misy ifandraisany amin’izy io ny Baiboly manontolo sy ny faminaniana hafa rehetra.

NY TARANAK’ILAY MENARANA

4. Iza no taranak’ilay vehivavy, ary inona no hataon’io taranaka io?

4 Nilaza an’ilay faminaniana voalohany i Jehovah, taoriana kelin’ilay fikomiana tany Edena. Nampanantena izy hoe hisy “vehivavy” hanana ‘taranaka’, ary hotorotoroin’io taranaka io eo amin’ny lohany ilay menarana, dia i Satana. * (Vakio ny Genesisy 3:15.) Nampahafantarin’i Jehovah tatỳ aoriana hoe ho avy amin’iza ilay taranaka: Ho avy amin’ny fianakavian’i Abrahama, ho anisan’ny firenen’Israely, ho avy amin’ny fokon’i Joda, ary ho taranak’i Davida Mpanjaka. (Gen. 22:15-18; 49:10; Sal. 89:3, 4; Lioka 1:30-33) I Kristy Jesosy no lehibe indrindra amin’ilay taranaka. (Gal. 3:16) Anisan’ilay taranaka koa anefa ireo Kristianina voahosotra. (Gal. 3:26-29) I Jesosy sy ireo voahosotra no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary io fanjakana io no hampiasain’Andriamanitra mba hanorotoroana an’i Satana.—Lioka 12:32; Rom. 16:20.

5, 6. a) Firy ny fanjakana lehibe noresahin’i Daniela sy Jaona? b) Manondro inona ny lohan’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy?

5 Milaza koa ilay faminaniana voalohany fa hanana ‘taranaka’ i Satana, ary ‘handrafy’, izany hoe hankahala ny taranak’ilay vehivavy izy io. Iza no taranak’ilay menarana? Izay rehetra mankahala sy manohitra ny vahoakan’i Jehovah, toy ny ataon’i Satana. Nozarazarain’i Satana ho fanjakana maro ny taranany. (Lioka 4:5, 6) Ny sasantsasany amin’ireny fanjakana ireny ihany anefa no nanohitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe nanohitra ny firenen’Israely fahiny sy nanohitra an’ireo voahosotr’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny hahalalantsika izany, satria manampy antsika hahafantatra hoe nahoana i Daniela sy Jaona no tsy niresaka afa-tsy mpanjaka valo, izany hoe fanjakana lehibe valo.

6 Nomen’i Jesosy fahitana maromaro tena manaitra i Jaona, tamin’ny taona 96 tany ho any. (Apok. 1:1) Nahita dragona teo amoron-dranomasina izy, izay tsy iza fa ny Devoly. Niakatra avy tao an-dranomasina avy eo ny bibidia hafahafa iray nanana loha fito, ary nomen’ny Devoly fahefana lehibe izy io. (Vakio ny Apokalypsy 13:1, 2.) Nahita bibidia mena midorehitra nanana loha fito indray i Jaona, tamin’ny fahitana iray hafa. Sarin’ilay bibidia hafahafa ao amin’ny Apokalypsy 13:1 izy io. Nilaza ny anjely iray fa ny loha fiton’ilay bibidia mena midorehitra dia midika hoe “mpanjaka fito”, izany hoe fitondrana fito. (Apok. 13:14, 15; 17:3, 9, 10) Efa “lavo”, izany hoe tsy nanjaka intsony ny dimy tamin’ireo, tamin’ny andron’i Jaona. Mbola teo am-perinasa kosa ny iray, ary ny iray “mbola tsy tonga.” Iza ireo fanjakana fito ireo? Handinika ny tsirairay amin’ny lohan’ilay bibidia isika, mba hahafantarana izany. Handinika tsipiriany momba izany koa isika ao amin’ny bokin’i Daniela, izay nosoratana taonjato maro talohan’ny nisian’ireo fanjakana ireo.

LOHA ROA VOALOHANY: EJIPTA SY ASYRIA

7. Iza no loha voalohany amin’ilay bibidia, ary nahoana isika no milaza izany?

7 I Ejipta no loha voalohany amin’ilay bibidia. Nahoana? Satria i Ejipta no firenena matanjaka voalohany nankahala ny vahoakan’i Jehovah. Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa avy amin’ny taranany ny taranak’ilay vehivavy. Rehefa nihamaro anefa ny firenen’Israely tany Ejipta, dia nampijaly azy ireo ny Ejipsianina. Te hamongotra azy ireo i Satana, alohan’ny hipoiran’ilay taranaka. Ahoana no nataon’i Satana? Nampirisika an’i Farao izy mba hamono ny zazalahikely israelita rehetra. Nosakanan’i Jehovah anefa ny teti-dratsiny, ary nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta izy. (Eks. 1:15-20; 14:13) Nomeny ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tatỳ aoriana.

8. Iza no loha faharoa amin’ilay bibidia, ary inona no nataon’izy io?

8 I Asyria no loha faharoa amin’ilay bibidia. Niezaka nandripaka ny vahoakan’i Jehovah koa io fanjakana matanjaka io. Marina fa nampiasa an’i Asyria i Jehovah, mba hanasaziana ny foko folon’ny Israely tany avaratra, noho izy ireo nanompo sampy sy nikomy taminy. Nanafika an’i Jerosalema koa anefa ny Asyrianina. Tian’i Satana hofongorana angamba ilay fianakavian’ny mpanjaka tao Jerosalema, satria avy amin’izy io no hipoiran’i Jesosy. Tsy anisan’ny fikasan’i Jehovah àry io fanafihana io, ka nanao fahagagana izy mba handripahana ny tafika asyrianina sy hamonjena ny vahoakany.—2 Mpanj. 19:32-35; Isaia 10:5, 6, 12-15.

LOHA FAHATELO: BABYLONA

9, 10. a) Inona no navelan’i Jehovah hataon’ny Babylonianina? b) Inona no tsy maintsy mitranga, mba hahatanteraka ny faminaniana?

9 I Babylona no loha fahatelo amin’ilay bibidia. Fantatsika fa navelan’i Jehovah izy io handrava an’i Jerosalema sy hitondra ny vahoakany ho babo. Efa nampahafantarin’i Jehovah mialoha an’ireo Israelita izany, noho izy ireo nikomy. (2 Mpanj. 20:16-18) Nilaza koa izy fa tsy hisy mpanjaka olombelona intsony amin’izay fotoana izay, eo amin’ny ‘seza fiandrianany’ ao Jerosalema. (1 Tan. 29:23) Nilaza anefa izy fa mbola hisy taranak’i Davida ho avy, ‘hanan-jo ara-dalàna’ hipetraka amin’ny seza fiandrianany.—Ezek. 21:25-27.

10 Nilaza ny faminaniana iray hafa fa hanompo an’i Jehovah ao amin’ny tempoly ao Jerosalema ny Jiosy rehefa ho tonga ny Mesia, na Voahosotra. (Dan. 9:24-27) Milaza koa ny faminaniana iray nosoratana talohan’ny naha babo ny Israelita, fa ho teraka ao Betlehema ny Mesia. (Mika 5:2) Tsy ho tanteraka ireo faminaniana ireo, raha tsy afaka avy any Babylona ny Jiosy, miverina any amin’ny taniny, ary manorina indray ny tempoly. Tsy manafaka ny babony mihitsy anefa ny Babylonianina! Ahoana àry no hodian’ny Jiosy any an-tanindrazany? Nampahafantarin’i Jehovah an’ireo mpaminany ny valin’izany.—Amosa 3:7.

11. Inona avy no mifanitsy amin’ny Fanjakana Babylonianina? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Nolazain’i Jehovah mialoha hoe iza ireo fanjakana hifandimby aorian’i Babylona, ary nampiasa fomba maro samihafa izy hanaovana izany. Nasehony an’i Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona, tamin’ny nofy, ohatra, ny sarivongana ngezabe iray vita tamin’ny metaly samy hafa. (Vakio ny Daniela 2:1, 19, 31-38.) Babo tany Babylona i Daniela tamin’izay, ka nampiasa azy i Jehovah mba hanazava ny hevitr’io nofy io. (Dan. 1:1-6) Nolazainy an’i Daniela fa ilay loha volamena dia ny Fanjakana Babylonianina. * Ny tratra sy sandry volafotsy dia ny fanjakana matanjaka handimby an’i Babylona. Iza io fanjakana io, ary ahoana no fomba nitondrany ny vahoakan’i Jehovah?

LOHA FAHEFATRA: FANJAKANA MEDIANINA SY PERSIANINA

12, 13. a) Inona no nampahafantarin’i Jehovah mialoha momba ny fanjakana handresy an’i Babylona? b) Nahoana isika no afaka milaza fa i Media sy Persa no loha fahefatra amin’ilay bibidia?

12 Nilaza tsipiriany momba an’ilay fanjakana handresy an’i Babylona i Jehovah, zato taona mahery talohan’ny andron’i Daniela. Nolazainy tamin’i Isaia mpaminany hoe ahoana no haharesy an’i Babylona, ary nolazainy mihitsy aza ny anaran’ilay mpitondra handresy azy io, dia i Kyrosy persianina. (Isaia 44:28–45:2) Nahazo fahitana roa hafa koa i Daniela momba ny Firenena Matanjaka Medianina sy Persianina. Aseho ho toy ny orsa izy io, ao amin’ilay fahitana iray. Niainga ny ila tenany, ary nilazana izy io hoe: “Mihinàna nofo be dia be.” (Dan. 7:5) Toy ny ondrilahy nanana tandroka roa kosa izy io, ao amin’ilay fahitana iray hafa.—Dan. 8:3, 20.

13 Nampiasa ny Fanjakana Medianina sy Persianina i Jehovah mba hanatanteraka faminaniana, izany hoe handresy an’i Babylona sy hamerina ny Israelita any an-tanindrazany. (2 Tan. 36:22, 23) Nitady handripaka ny vahoakan’i Jehovah anefa ny Fanjakana Medianina sy Persianina tatỳ aoriana. Nanao tetika hamongorana ny Jiosy nanerana ny fanjakana persianina i Hamana praiminisitra, ary efa nifidy fotoana mihitsy izy hanatanterahana izany. Soa ihany fa narovan’i Jehovah tamin’ny fanafihan’ny taranak’i Satana ny vahoakany. (Est. 1:1-3; 3:8, 9; 8:3, 9-14) Afaka milaza àry isika hoe i Media sy Persa no loha fahefatra amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy.

LOHA FAHADIMY: GRESY

14, 15. Inona no nampahafantarin’i Jehovah mialoha momba ny Fanjakan’i Gresy?

14 I Gresy no loha fahadimy amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy. Mifanitsy amin’ilay kibo sy fe varahin’ilay sarivongana io fanjakana io, araka ny nohazavain’i Daniela. Nahita fahitana roa hafa koa i Daniela, ary nomena tao ny tsipiriany momba an’io fanjakana io sy ny mpanjaka iray niavaka indrindra tao aminy.

15 Nahita leopara nanana elatra efatra izy, tao amin’ilay fahitana iray. I Gresy io leopara io, ary asehon’ireo elatra efatra fa handresy haingana be izy io. (Dan. 7:6) Nahita osilahy nanana tandroka lehibe kosa izy tao amin’ilay fahitana iray hafa. Namono ondrilahy nanana tandroka roa izy io, ary vetivety no namonoany azy. Nolazain’i Jehovah tamin’i Daniela fa i Gresy ilay osilahy, ary ilay tandroka lehibe dia ny mpanjakany. I Media sy Persa kosa ilay ondrilahy. Nilaza koa i Daniela fa ho tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ary hisy tandroka kely efatra hisolo azy. Nosoratana roanjato taona talohan’ny nahalasa firenena matanjaka an’i Gresy io faminaniana io, nefa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany. I Aleksandra Lehibe ilay tandroka lehibe. Izy no mpanjaka niavaka indrindra tao Gresy, ary izy no nitarika ny tafik’i Gresy hiady tamin’ny Medianina sy Persianina. Vetivety anefa dia tapaka ilay tandroka, satria maty tampoka izy tamin’izy 32 taona, tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny fitondrany. Nozarain’ireo jeneraliny efatra ny fanjakany, tatỳ aoriana.—Vakio ny Daniela 8:20-22.

16. Inona no nataon’i Antiokosa Faha-4?

16 Nanjaka teo amin’ny Israely i Gresy, rehefa avy nandresy an’i Persa. Efa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Jiosy tamin’izay, ary efa voaorina ny tempolin’i Jerosalema. Mbola vahoaka voafidin’i Jehovah izy ireo tamin’izay, ary tao amin’ny tempoly izy ireo no nanompo azy. Nampijaly azy ireo anefa i Gresy, tamin’ny taona 168 T.K. Nanisy alitaran’ny mpanompo sampy tao amin’ny tokotanin’ny tempoly i Antiokosa Faha-4, iray tamin’ireo jeneraly nahazo ny fanjakan’i Aleksandra. Namoaka didy koa izy hoe hovonoina ho faty izay manaraka ny fivavahan’ny Jiosy. Tena nankahala ny vahoakan’i Jehovah tokoa ny taranak’i Satana! Tsy ela anefa dia nisy fanjakana matanjaka hafa nisolo an’i Gresy. Iza izy io?

LOHA FAHENINA: I ROMA FANJAKANA “NAMPAHATAHOTRA”

17. Inona no nataon’ilay loha fahenina, ka nanatanteraka ny Genesisy 3:15?

17 I Roma no fanjakana natanjaka indrindra eran-tany, tamin’i Jaona nahazo an’ilay fahitana momba ny bibidia. Izy io no loha fahenina amin’ilay bibidia. (Apok. 17:10) Nandray anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana ny Genesisy 3:15 i Roma. Nampiasa an’ireo mpitondra romanina mantsy i Satana, mba handratrana ny ‘voditongotr’ilay taranaka.’ Nendrikendrehin’izy ireo ho nampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana i Jesosy, ka nasainy novonoina ho faty. (Mat. 27:26) Vetivety anefa dia sitrana ilay ratra, satria natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy.

18. a) Iza ilay firenena vaovao nofidin’i Jehovah, ary nahoana i Jehovah no nifidy azy io? b) Inona no manaporofo fa nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana?

18 Niray tetika tamin’ireo mpitondra romanina ny mpitondra fivavahana jiosy, mba hamono an’i Jesosy. Nanda an’i Jesosy koa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany àry ny Israelita, ary nifidy firenena vaovao izy, dia ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 3:26-29; 6:16; Mat. 23:38; Asa. 2:22, 23) Iza io firenena vaovao io? Ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra rehetra, ka Jiosy ny sasany ary hafa firenena ny sasany. (Efes. 2:11-18) Mbola nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana, na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty aza. Imbetsaka ny fitondrana romanina no nitady handripaka ny Kristianina voahosotra, izay anisan’ny taranak’ilay vehivavy. *

19. a) Ahoana no fomba ilazan’i Daniela an’ilay fanjakana matanjaka fahenina? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 I Roma no mifanitsy amin’ny tongotra vy, amin’ilay sarivongana nohazavain’i Daniela. (Dan. 2:33) Nisy fahitana iray koa hitan’i Daniela miresaka momba an’i Roma, sy ny firenena matanjaka hipoitra avy ao aminy. (Vakio ny Daniela 7:7, 8.) Tanteraka ny voalazan’ilay fahitana, satria toy ny biby “nampahatahotra sy nahatsiravina ary natanjaka tsy nisy hoatr’izany” i Roma, nandritra ny taonjato maro. Milaza koa anefa ilay faminaniana fa hisy “tandroka folo” hipoitra avy amin’i Roma, ary hisy “tandroka kely” hafa hatanjaka noho izy ireo. Iza ireo tandroka folo ireo, ary iza ilay tandroka kely? Inona amin’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara no mifanitsy amin’io tandroka kely io? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny fitambaran’ireo mpanompon’i Jehovah rehetra any an-danitra no antsoina hoe vehivavy, ao amin’ny Genesisy 3:15. Asehon’ny Baiboly ho toy ny hoe vadin’i Jehovah izy io.—Isaia 54:1; Gal. 4:26; Apok. 12:1, 2.

^ feh. 11 Mifanitsy amin’i Babylona ilay loha volamena ao amin’ny bokin’i Daniela sy ilay loha fahatelo amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy. Jereo ny sary ao amin’ny pejy 12-13.

^ feh. 18 Tsy vahoaka voafidin’i Jehovah intsony ny Israely ara-nofo, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romanina tamin’ny taona 70. Tsy fanafihana ny taranak’ilay vehivavy àry io fanafihana io, izany hoe tsy anisan’ny fahatanterahan’ny Genesisy 3:15.

[Fanontaniana]