Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i Jehovah

Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i Jehovah

Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i Jehovah

“Zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hampisehoany amin’ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela.”—APOK. 1:1.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Inona amin’ilay sarivongana ngezabe no mifanitsy amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?

Inona amin’ny fahitan’i Jaona no milaza ny fifandraisan’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina sy ny Firenena Mikambana?

Inona no nolazain’i Daniela sy Jaona momba ny fifaranan’ny fitondran’olombelona?

1, 2. a) Inona no ho fantatsika rehefa mampitaha ny faminanian’i Daniela sy Jaona? b) Iza ireo loha enina voalohany amin’ilay bibidia?

HAHALALA ny dikan’ny zava-mitranga maro ankehitriny sy amin’ny hoavy isika, rehefa mampitaha ny faminanian’i Daniela sy Jaona. Inona àry no ianarantsika, rehefa mampitaha ny fahitan’i Jaona momba an’ilay bibidia, sy ny fanazavan’i Daniela an’ilay biby nampahatahotra nanana tandroka folo, ary izay lazain’i Daniela momba ilay sarivongana ngezabe? Tokony handrisika antsika hanao inona ny fahatakarana an’ireo faminaniana ireo?

2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny fanazavan’i Jaona momba an’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13. Hitantsika fa ny loha enina voalohany amin’ilay bibidia, dia i Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, ary Roma. Nankahala ny taranak’ilay vehivavy daholo ireo fanjakana ireo. (Gen. 3:15) I Roma no fanjakana natanjaka indrindra tamin’ny andron’i Jaona, sy nandritra ny taonjato maro taorian’izay. Naka ny toerany anefa ny loha fahafito, dia ny fanjakana matanjaka fahafito. Iza io fanjakana io, ary ahoana no nitondrany ny taranak’ilay vehivavy?

LASA NATANJAKA BE I GRANDE-BRETAGNE SY ETAZONIA

3. Iza ilay biby nanana tandroka folo, ary mifanitsy amin’iza ireo tandroka folo eo amin’ny lohan’izy io?

3 Ho fantatsika hoe iza ilay loha fahafito ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13, raha ampitahaintsika io fahitana io sy ny fahitan’i Daniela momba ny biby nanana tandroka folo. * (Vakio ny Daniela 7:7, 8, 23, 24.) Ny Fanjakana Romanina ilay biby hitan’i Daniela. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 12-13.) Nanomboka nizarazara io fanjakana io tamin’ny taona 400 tany ho any, ka lasa fanjakana kely maromaro. Ireo fanjakana ireo no mifanitsy amin’ireo tandroka folo nipoitra teo amin’ny lohan’ilay biby.

4, 5. a) Inona no nataon’ilay “tandroka kely”? b) Iza no loha fahafito amin’ilay bibidia?

4 Milaza ny faminanian’i Daniela fa nisy “tandroka kely” nipoitra teo amin’ireo tandroka folo, ka niongotra ny tandroka telo teo amin’ny lohan’ilay biby. Tanteraka izany rehefa lasa firenena matanjaka ny Anglisy, izany hoe i Grande-Bretagne, izay ampahany kely tamin’ny Fanjakan’i Roma taloha. Tsy firenena natanjaka izy io, raha tsy tamin’ny taona 1600 tany ho any. Natanjaka noho izy io i Espaina sy Holandy ary Frantsa, izay samy anisan’ny Fanjakan’i Roma koa taloha. Nandresy an’ireo firenena ireo tsirairay anefa i Grande-Bretagne, ka nanomboka lasa firenena matanjaka taorian’ny taona 1750. Mbola tsy nantsoina hoe loha fahafito anefa izy tamin’izay.

5 Na dia lasa firenena matanjaka aza anefa i Grande-Bretagne, dia nitaky ny fahaleovan-tenany ireo faritra nozanahiny tany Amerika Avaratra, ary lasa nantsoina hoe Etazonia. Navelan’i Grande-Bretagne hihamatanjaka i Etazonia, ary nampiasainy hiarovana azy ireo mihitsy aza ny tafika an-dranomasina anglisy. I Grande-Bretagne no fanjakana lehibe indrindra teto an-tany, rehefa nanomboka ny andron’ny Tompo tamin’ny 1914. I Etazonia kosa no nanana ny indostria natanjaka indrindra. * Lasa nifandray akaiky ireo firenena ireo, nandritra ny Ady Lehibe I. Tamin’izay no nipoitra ny loha fahafito, dia ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Ahoana no nitondran’izy io ny taranak’ilay vehivavy?

6. Ahoana no fomba nitondran’ny loha fahafito an’ireo mpanompon’i Jehovah?

6 Notafihin’ilay loha fahafito ny rahalahin’i Kristy, taoriana kelin’ny nanombohan’ny andron’ny Tompo. (Mat. 25:40) Hita ao amin’ny tenin’i Jesosy fa hisy taranak’ilay vehivavy eto an-tany eo am-piandohan’ny andron’ny Tompo, ary hanao ny asa nampanaovin’i Jesosy azy. (Mat. 24:45-47; Gal. 3:26-29) Niady tamin’ireo olona masina ireo anefa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. (Apok. 13:3, 7) Nampijaly ny vahoakan’i Jehovah izy io nandritra ny Ady Lehibe I. Norarany koa ny bokintsika sasany, ary nogadrainy ny solontenan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Saika nitsahatra ny asa fitoriana, noho ny nataon’ilay loha fahafito. Efa fantatr’i Jehovah fa hitranga izany, ka nolazainy mialoha tamin’i Jaona. Nilaza tamin’i Jaona koa anefa izy fa hiverina hanao ny asa fitoriana indray ireo olona anisan’ilay taranaka aorian’izay. Toy ny hoe hovelomina indray izy ireo amin’izay. (Apok. 11:3, 7-11) Tanteraka tokoa izany, rehefa jerena ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro maoderina.

NY DIKAN’ILAY HOE TONGOTRA VY MIFANGARO TANIMANGA

7. Mifanitsy amin’ny inona ny loha fahafito amin’ilay bibidia sy ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe?

7 Samy midika hoe Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe sy ny loha fahafito amin’ilay bibidia. Nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Romanina ny Fanjakana Anglisy, ary zanatany anglisy ny Amerikanina. Azo lazaina hoe nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Romanina àry ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Ny Fanjakana Romanina ilay ranjo vy amin’ilay sarivongana, nefa nanomboka nisongadina ny Firenena Anglisy-Amerikanina ka izy io no tongotra vy sy tanimanga eo amin’ilay sarivongana. (Vakio ny Daniela 2:41-43.) Malemy anefa ny vy mifangaro tanimanga, raha oharina amin’ny vy. Inona àry no manaporofo fa malemy kokoa noho i Roma ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?

8, 9. a) Nahoana no azo lazaina fa manana ny tanjaky ny vy ilay firenena matanjaka fahafito? b) Mifanitsy amin’ny inona ilay tanimanga amin’ny tongotr’ilay sarivongana?

8 Nanana ny tanjaky ny vy ilay loha fahafito indraindray. Nandresy, ohatra, izy io tamin’ny Ady Lehibe I sy II. * Mbola natanjaka toy izany ihany izy io, na dia taorian’izay aza. Efa hita hatry ny ela koa anefa hoe nifangaro tanimanga izy io, izany hoe nalemy.

9 Efa ela ny mpanompon’i Jehovah no niezaka namantatra hoe mifanitsy amin’ny inona ny tongotr’ilay sarivongana. Takatr’izy ireo avy amin’ny Daniela 2:41 fa “fanjakana” iray ilay tongotra vy sy tanimanga, fa tsy fanjakana maromaro. Tsy avy any amin’ny fanjakana hafa àry ilay hoe tanimanga fa antokon’olona ao amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, sy any amin’ny firenena anjakany ihany. Nampihena ny herin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny zavatra ataon’ireo antokon’olona ireo, ka lasa nalemy kokoa noho i Roma io fanjakana io. Antsoina hoe “taranak’olombelona” ilay tanimanga, izany hoe ny sarambabem-bahoaka. (Dan. 2:43) Nanao ezaka mba hitakiana ny zony ny olona ao amin’io fanjakana io, tamin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany. Nisy koa nitaky ny zon’ny mpiasa, ary nisy nanao hetsika mba hananganana fanjakana mahaleo tena. Tsy hatanjaka toy ny vy ilay Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, noho ny ataon’ny sarambabem-bahoaka. Samy manana ny heviny koa ny mpanao politika eo anivon’io fanjakana io. Mifanakaiky be koa ny voka-pifidianana any, ka tsy tena manana fahefana hanatanterahana ny tetikasany ny mpitondra, na dia izy aza no lany. Marina tokoa ny faminanian’i Daniela hoe: ‘Hisy ampahany amin’ilay fanjakana hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.’—Dan. 2:42; 2 Tim. 3:1-3.

10, 11. a) Hanao ahoana ny hiafaran’ny tongotr’ilay sarivongana? b) Misy dikany manokana ve ny isan’ny rantsantongotr’ilay sarivongana? Nahoana?

10 Mbola mifandray akaiky i Grande-Bretagne sy Etazonia amin’izao androntsika izao, ary matetika izy ireo no miara-miasa amin’ny raharaha lehibe sasany. Hitantsika avy amin’ireo faminaniana momba ilay sarivongana sy ilay bibidia manana loha fito, fa tsy hisy firenena matanjaka hafa intsony hisolo ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Marina fa malemy kokoa noho i Roma io fanjakana farany io, kanefa tsy hoe hihamalemy izy io ary ho rava ho azy amin’ny farany.

11 Misy dikany manokana ve ny isan’ireo rantsantongotr’ilay sarivongana? Milaza isa voafaritra tsara i Daniela ao amin’ny fahitana hafa. Nolazainy, ohatra, hoe firy ny tandrok’ireo biby samihafa, ary misy dikany manokana ireo isa ireo. Tsy nolazainy kosa anefa ny isan’ny rantsantongotr’ilay sarivongana. Toa tsy misy dikany àry ny isan’izy ireo, mitovy amin’ny hoe tsy misy dikany ny isan’ny sandrin’ilay sarivongana, ny tanany, ny rantsantanany, ny ranjony, ary ny tongony. Ny nolazain’i Daniela dia hoe vy sy tanimanga ny rantsantongony. Afaka manatsoaka hevitra àry isika fa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no firenena hatanjaka indrindra eto an-tany, rehefa hamely an’ireo tongotr’ilay sarivongana ilay “vato”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.—Dan. 2:45.

ILAY BIBIDIA MANANA TANDROKA ROA

12, 13. Mifanitsy amin’iza ilay bibidia manana tandroka roa, ary inona no ataony?

12 Hahavita zavatra lehibe ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina amin’ny andro farany, na dia malemy toy ny vy mifangaro tanimanga aza. Nahoana isika no milaza izany? Nahita bibidia manana tandroka roa sy miteny toy ny dragona i Jaona, tao amin’ny fahitana iray. Mifanitsy amin’ny inona io bibidia hafahafa io? Manana tandroka roa izy io, ka midika izany fa fanjakana roa miara-miasa izy io. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ihany àry io bibidia io, fa manao asa manokana.—Vakio ny Apokalypsy 13:11-15.

13 Nilaza i Jaona fa mampirisika ny olona io bibidia io, mba hanao ny sarin’ilay bibidia manana loha fito. Nilaza koa izy fa hipoitra ny sarin’ilay bibidia, nefa hanjavona avy eo, ary hipoitra indray amin’ny farany. Tanteraka tokoa izany. Nipoitra mantsy ny Fikambanam-pirenena, izay natao hisolo tena sy hampiray an’ireo fanjakana eran-tany, taorian’ny Ady Lehibe I. Nampirisika ny olona hanohana azy io i Grande-Bretagne sy Etazonia. * Nanjavona anefa izy io rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II. Nilaza ny mpanompon’i Jehovah, nandritra io ady io, fa mbola hipoitra indray ny sarin’ilay bibidia, araka ny faminanian’ny Apokalypsy. Nipoitra tokoa izy io, saingy lasa hoe Firenena Mikambana.—Apok. 17:8.

14. Nahoana ny sarin’ilay bibidia no antsoina hoe “mpanjaka laharana fahavalo”?

14 Antsoin’i Jaona hoe “mpanjaka laharana fahavalo” ny sarin’ilay bibidia. Fa nahoana izy io no atao hoe “mpanjaka”? Marina aloha fa tsy loha fahavalo amin’ilay bibidia izy io. Sarin’ilay bibidia fotsiny izy io. Izay fahefana rehetra ananany dia avy amin’ireo firenena mpikambana ao aminy, indrindra fa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, izay tena mpanohana azy. (Apok. 17:10, 11) Antsoina hoe “mpanjaka” anefa izy io, satria mahazo fahefana hanao zavatra toy ny mpanjaka, ka hampiova ny tantara.

HAMONO AN’ILAY MPIVARO-TENA NY SARIN’ILAY BIBIDIA

15, 16. Iza ilay mpivaro-tena, ary inona no azo lazaina momba ny mpivavaka ao aminy?

15 Nahita mpivaro-tena mitaingina bibidia mena midorehitra i Jaona, tao amin’ilay fahitana. Ny sarin’ilay bibidia manana loha fito ihany io bibidia mena midorehitra io. Misy anarana hoe “Babylona Lehibe” kosa eny amin’ilay mpivaro-tena, ary mitaingina an’ilay bibidia mena midorehitra izy, izany hoe mifehy azy. (Apok. 17:1-6) Mifanitsy amin’ny fivavahan-diso rehetra io mpivaro-tena io, ka ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no lehibe indrindra amin’izy io. Mankasitraka sy manohana ny sarin’ilay bibidia ny fivavahan-diso, sady miezaka mibaiko azy amin’izay ataony.

16 Niharìtra anefa ny ranon’i Babylona Lehibe, nandritra ny andron’ny Tompo, izany hoe nihena ny mpivavaka ao aminy. (Apok. 16:12; 17:15) Tena nanan-kery tany Eoropa, ohatra, ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny vao nipoitra ny sarin’ilay bibidia. Tsy manohana an’ireny fivavahana ireny intsony anefa ny olona maro any izao, ary tsy manaja ny mpitarika ao aminy. Maro aza ny olona mihevitra hoe ny fivavahana no mahatonga ny ady misy eran-tany. Misy fikambanan’ny manam-pahaizana mihitsy aza any an-dafy miezaka mandresy lahatra ny olona hoe tsy tokony havela hanan-kery eo amin’ny fiaraha-monina intsony ny fivavahana.

17. Inona no hanjo ny fivavahan-diso tsy ho ela, ary ahoana no hahatanteraka an’izany?

17 Tsy hoe hanjavona fotsiny amin’izao anefa ny fivavahan-diso. Mbola hanan-kery lehibe foana izy io, ka hataony izay hanarahan’ireo mpanjaka ny sitrapony. Tsy ho ela anefa dia ‘hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo mpanjaka ireo ny hanatanteraka ny heviny.’ (Vakio ny Apokalypsy 17:16, 17.) Hampirisihin’i Jehovah handringana ny fivavahan-diso ireo fitondrana ara-politika rehetra, izay manana ny Firenena Mikambana ho solontenany. Tsy hanan-kery intsony ilay mpivaro-tena amin’izay, ary ho fongotra ny harenany. Nieritreritra ny ankamaroan’ny olona, telopolo taona lasa izay, hoe hanan-kery foana ny fivavahana sady hohajain’ny olona. Efa manomboka miova anefa izany izao. Tsy hoe hihena tsikelikely anefa ny herin’ny fivavahana, ary hanjavona izy amin’ny farany. Horinganina kosa izy io, ary hitranga tampoka izany.—Apok. 18:7, 8, 15-19.

RINGANA ILAY BIBIDIA

18. a) Inona no hataon’ilay bibidia amin’ny hoavy, ary inona no hitranga vokatr’izany? b) Iza no fanjakana lazain’ny Daniela 2:44 hoe horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra? (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 17.)

18 Rehefa rava ny fivavahan-diso, dia hanafika ny Fanjakan’Andriamanitra ilay bibidia, izany hoe ny fitondrana eto an-tany izay fehezin’i Satana. Tsy ho afaka hanafika an’io fanjakana any an-danitra io anefa ireo mpanjakan’ny tany, ka ireo olona manohana azy io etỳ an-tany no hanamparany ny hatezerany. Hiady amin’Andriamanitra izy ireo vokatr’izany. (Apok. 16:13-16; 17:12-14) Miresaka momba an’io ady farany io ny Daniela 2:44. (Vakio.) Ho ringana, amin’ny farany, ilay bibidia manana loha fito resahin’ny Apokalypsy 13:1. Ho ringana koa ny sarin’izy io, sy ilay bibidia manana tandroka roa.

19. Inona no azontsika antoka fa ho tanteraka, ary inona no tokony hataontsika dieny izao?

19 Miaina amin’ny andron’ilay loha fahafito isika izao. Tsy hisy loha hafa hipoitra intsony amin’ilay bibidia, alohan’ny handringanana an’io bibidia io. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no fanjakana hatanjaka indrindra, amin’ny fotoana handringanana ny fivavahan-diso. Tanteraka amin’ny an-tsipiriany tokoa ny faminanian’i Daniela sy Jaona. Afaka matoky isika fa tsy ho ela dia horinganina ny fivavahan-diso ary ho avy ny ady Hara-magedona. Efa nolazain’i Jehovah mialoha izany. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Hankatò ny fampitandremana voarakitra ao amin’ireo faminaniana ve isika? (2 Pet. 1:19) Tokony hankatò an’i Jehovah sy hanohana ny Fanjakany isika dieny izao.—Apok. 14:6, 7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Koa satria milaza isa feno matetika ny isa folo ao amin’ny Baiboly, dia ny fanjakana rehetra nipoitra avy tamin’i Roma no tiana holazaina amin’ny hoe tandroka folo.

^ feh. 5 Marina fa samy efa fanjakana na i Grande-Bretagne na i Etazonia, talohan’ny taona 1800. Efa izy ireo eo am-piandohan’ny andron’ny Tompo anefa no resahin’i Jaona. Sady ny zava-mitranga amin’ny “andron’ny Tompo” no resahin’ny Apokalypsy. (Apok. 1:10) Efa tamin’ny Ady Lehibe I vao niara-niasa i Grande-Bretagne sy Etazonia, ka lasa toy ny firenena matanjaka iray.

^ feh. 8 Efa voalaza mialoha ao amin’ny faminanian’i Daniela ny loza haterak’io mpanjaka io, amin’ny Ady Lehibe II. “Hahatonga faharavana tanteraka izy”, hoy ny Daniela 8:24. Tena nandrava zavatra betsaka, ohatra, i Etazonia rehefa nandatsaka baomba ataomika indroa tany amin’ny tany iray fahavalon’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.

^ feh. 13 Jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! pejy 240, 241,253.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 17]

IZA NO ANTSOINA HOE “IREO FANJAKANA REHETRA IREO”?

Milaza ny Daniela 2:44 fa ‘hanorotoro sy hanafoana an’ireo fanjakana rehetra ireo’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo fanjakana rehetra voalaza ao amin’ilay sarivongana ngezabe ihany no resahin’io faminaniana io.

Ahoana kosa ny amin’ireo fanjakana hafa? Miresaka momba izany ny faminanian’i Jaona mifanitsy amin’izy io, ao amin’ny Apokalypsy. Voalaza ao fa hivondrona hiady amin’i Jehovah ireo “mpanjakan’ny tany rehetra”, amin’ny “andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apok. 16:14; 19:19-21) Ny fanjakan’olombelona rehetra àry no ho ringana amin’ny Hara-magedona, fa tsy ireo fanjakana voalaza ao amin’ilay sarivongana ihany.