Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tokony Hatao Loha Laharana ny Fanompoana An’i Jehovah?

Nahoana no Tokony Hatao Loha Laharana ny Fanompoana An’i Jehovah?

Nahoana no Tokony Hatao Loha Laharana ny Fanompoana An’i Jehovah?

“Ny vavako hitantara ny fahamarinanao, sy hilaza mandrakariva ny famonjenao.”—SAL. 71:15.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Nahoana i Noa, Mosesy, Jeremia, ary Paoly no nanao ny fanompoana an’i Jehovah ho loha laharana?

Inona no tokony hosaintsaininao mba hahafahanao mahita izay tokony hataonao eo amin’ny fiainana?

Nahoana ianao no tapa-kevitra hoe ny fanompoana an’i Jehovah no ataonao loha laharana?

1, 2. a) Inona no hevitry ny voady nataontsika, raha efa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika? b) Inona no soa raisintsika rehefa mandinika ny ohatr’i Noa, Mosesy, Jeremia, ary Paoly?

NANAO dingana lehibe ianao raha efa nanokan-tena sy natao batisa, mba hanarahana ny dian’i Jesosy. Io no fanapahan-kevitra lehibe indrindra noraisinao. Toy ny nilaza ianao tamin’izay hoe: ‘Ianao Jehovah no Tompoko sy tiako hitarika ahy eo amin’ny fiainako. Mpanomponao aho. Ianao no tiako hamaritra izay tokony hataoko loha laharana, ny fomba ampiasako ny fotoanako, ny fananako, ary ny fahaizako.’

2 Nanao an’io voady io tamin’i Jehovah ianao, rehefa nanokan-tena ho azy. Fanapahan-kevitra tsara izany, ka tena mendri-piderana ianao. Rehefa nanaiky an’i Jehovah ho Tomponao anefa ianao, inona no vokatr’izany eo amin’ny fomba ampiasanao ny fotoananao? Manampy antsika hamaly an’izany ny ohatr’i Noa, Mosesy, Jeremia, ary ny apostoly Paoly. Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy ireo, ary mitovy amin’ny toe-javatra iainantsika ny niainan’izy ireo. Hita teo amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo hoe inona no loha laharana taminy. Handrisika antsika izany mba handinika ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika.—Mat. 28:19, 20; 2 Tim. 3:1.

TALOHAN’NY SAFODRANO

3. Nahoana no mitovy ny androntsika sy ny andron’i Noa?

3 Nampitovin’i Jesosy tamin’ny andron’i Noa ny androntsika. Hoy izy: ‘Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.’ (Mat. 24:37-39) Miaina ny fiainany fotsiny ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, fa tsy miraharaha hoe efa akaiky ny farany. Tsy mihaino ny fampitandreman’ny mpanompon’Andriamanitra izy ireo. Maro amin’izy ireo aza no maneso rehefa mandre hoe handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. (2 Pet. 3:3-7) Toy izany ny tamin’ny andron’i Noa. Ahoana anefa no nampiasan’i Noa ny fotoanany?

4. Ahoana no nampiasan’i Noa ny fotoanany rehefa nasain’i Jehovah hanao asa manokana izy, ary nahoana izy no nanao izany?

4 Rehefa fantatr’i Noa ny fikasan’i Jehovah, ka nasaina nanao sambofiara izy, dia notanterahiny izany mba hamonjena ny olombelona sy ny biby. (Gen. 6:13, 14, 22) Nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah koa izy. Nantsoin’ny apostoly Petera hoe “mpitory ny fahamarinana” i Noa. Midika izany fa niezaka nanampy ny mpiara-belona taminy izy, mba hahatakatra fa tandindomin-doza ny ain’izy ireo. (Vakio ny 2 Petera 2:5.) Ahoana ny hevitrao? Mbola tokony handany fotoana hanorenana raharaham-barotra lehibe ve ry Noa mianakavy tamin’izay, na hiezaka halaza kokoa noho ny hafa, na hanana fiainana mampiadana? Mazava ho azy fa tsia! Tsy navelany hanelingelina azy izany rehetra izany, satria fantany fa tsy ho ela dia horavana ilay tontolo tamin’izany.

NANAO SAFIDY NY ZANAKY NY MPANJAKA EJIPSIANINA

5, 6. a) Nahoana i Mosesy no nampianarina ‘ny fahendren’ny Ejipsianina’? b) Nahoana i Mosesy no nanda ny tombontsoa mety ho azony tao Ejipta?

5 Handinika ny ohatr’i Mosesy indray isika izao. Natsangan’ny zanakavavin’i Farao ho zanany izy, ary nihalehibe tao an-dapa. Nampianarina “ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” izy tamin’izy mbola tanora. (Asa. 7:22; Eks. 2:9, 10) Natao izany mba hanomanana azy hiantsoroka andraikitra tao an-dapan’i Farao. Afaka ny halaza i Mosesy, satria i Ejipta no fanjakana natanjaka indrindra tamin’izany. Afaka ny hanan-karena sy hahazo voninahitra ary hankafy fiainana koa izy. Izany ve anefa no zava-dehibe tamin’i Mosesy?

6 Nampianarin’ireo tena ray aman-dreniny i Mosesy tamin’izy mbola kely, ka fantany hoe inona no nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Nino an’ireo fampanantenana ireo i Mosesy. Tsy maintsy ho nandinika tsara izy hoe hanao ahoana ny hoaviny, ary inona no hataony mba tsy hivadihana amin’i Jehovah. Inona àry no nataony rehefa nila nifidy izy hoe hiaina ao an-dapa ejipsianina sa ho andevo israelita? Naleony “nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana.” (Vakio ny Hebreo 11:24-26.) Nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ka nampiasa ny fiainany mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Eks. 3:2, 6-10) Nahoana i Mosesy no nanao izany? Satria nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy, ary fantany fa na inona na inona zava-bitany ao Ejipta dia tsy haharitra izany. Nety ny nataony, satria nofaizin’i Jehovah tamin’ny loza folo i Ejipta tatỳ aoriana. Afaka mandray lesona avy amin’izany ny Kristianina rehetra nanokan-tena ho an’i Jehovah. Tsy ny asa na ny fahafinaretana no tokony ho zava-dehibe amintsika, fa i Jehovah sy ny fanompoana azy.

FANTATR’I JEREMIA IZAY HITRANGA

7. Nahoana no mitovy ny toe-javatra misy antsika sy ny an’i Jeremia?

7 Nisy olon-kafa koa nanao loha laharana ny fanompoana. Tsy iza izany fa i Jeremia mpaminany. Nirahin’i Jehovah izy mba hanambara ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema sy Joda nivadi-pinoana. Niaina tamin’ny fotoanan’ny ‘farany’ koa izy, toa antsika ihany, ary fantany tsara fa tsy haharitra ilay tontolo nisy azy.—Jer. 23:19, 20.

8, 9. a) Nahoana no nila nahitsy ny fisainan’i Baroka? b) Inona no tokony hotadidintsika rehefa mieritreritra mialoha izay kasaintsika hatao?

8 Inona no tsy nataon’i Jeremia mihitsy, rehefa fantany izay hitranga? Tsy niezaka nanatsara ny fiainany teo amin’ilay tontolo efa ho rava izy. Hadalana mantsy izany. Tsy nisaina tsara anefa i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia, ka nampitandrina azy tamin’ny alalan’i Jeremia i Jehovah. Hoy izy: ‘Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo. Ianao anefa mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao ihany. Aza mikatsaka izany intsony. Fa hahatonga loza amin’ny nofo rehetra aho, nefa homeko ho babonao kosa ny ainao, any amin’ny toerana rehetra halehanao.’—Jer. 45:4, 5.

9 Tsy fantatsika hoe inona no “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka ho an’ny tenany. * Ny fantatsika kosa dia hoe zavatra tsy haharitra ilay izy, ary tsy hisy intsony rehefa horavan’i Babylona i Jerosalema ny taona 607 T.K. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Marina fa mila manao zavatra mialoha isika mba hitsinjovana ny hoavy ka hahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana. (Ohab. 6:6-11) Fahendrena ve anefa ny mandany fotoana sy hery be dia be hikatsahana zavatra tsy haharitra? Marina fa manao zavatra maro ny fandaminan’i Jehovah izao, mba hahafahana manorina Efitrano Fanjakana sy biraon’ny sampana, na hahafahana manao asa hafa. Zavatra haharitra anefa izy ireny satria hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Rehefa mieritreritra ny hanao zavatra àry ny Kristianina nanokan-tena iray, dia ny Fanjakan’Andriamanitra no tokony hataony loha laharana. Ahoana ny aminao? Ny fanjakana sy ny fahamarinan’i Jehovah ve no ataonao loha laharana?Mat. 6:33.

“HEVERIKO HO FAKO MIAVOSA IRENY”

10, 11. a) Inona no zava-dehibe tamin’i Paoly talohan’izy lasa Kristianina? b) Nahoana no niova tanteraka ny tanjon’i Paoly?

10 Ny ohatr’i Paoly no hodinihintsika farany. Hoatran’ny hoe nanana hoavy tsara izy, raha jerena ny fiainany talohan’izy lasa Kristianina. Nianatra ny lalàna jiosy izy, ary ny mpampianatra nalaza indrindra tamin’ny androny no nampianatra azy. Nahazo fahefana avy tamin’ny mpisoronabe jiosy izy. Nandroso tamin’ny Fivavahan’ny Jiosy, nihoatra noho ny ankamaroan’ireo nitovy taona taminy koa izy. (Asa. 9:1, 2; 22:3; 26:10; Gal. 1:13, 14) Niova anefa izany rehetra izany, rehefa takany fa tsy notahin’i Jehovah intsony ny firenena jiosy.

11 Fantany fa tsy nisy dikany teo anatrehan’i Jehovah ny zavatra noheverina fa tsara teo amin’ny tontolo jiosy. Nino izy fa tsy haharitra io tontolo io. (Mat. 24:2) Takatr’i Paoly ny fikasan’Andriamanitra, sady fantany fa voninahitra lehibe ny manao ny asa fitoriana. Noheveriny ho “fako miavosa” àry ny zavatra tena sarobidy taminy taloha. Navelany ny tombontsoa rehetra mety ho azony tao amin’ny Fivavahana Jiosy, ary nanokana ny fiainany sisa teto an-tany izy mba hitoriana ny vaovao tsara.—Vakio ny Filipianina 3:4-8, 15; Asa 9:15.

DINIHO IZAY ATAONAO LOHA LAHARANA

12. Inona no nifantohan’i Jesosy taorian’ny batisany?

12 Nanokana ny ankamaroan’ny fotoanany sy ny heriny tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ry Noa, Mosesy, Jeremia, Paoly, ary ny maro hafa koa. Ohatra tsara ho antsika izy ireny. I Jesosy anefa no modely tonga lafatra ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra. (1 Pet. 2:21) Nanokana ny fiainany manontolo mba hitoriana ny vaovao tsara sy hanomezam-boninahitra an’i Jehovah izy, taorian’ny batisany. Ny fanompoana an’i Jehovah àry no tokony ho loha laharana amin’ny Kristianina, raha manaiky izy fa i Jehovah no Tompony. Manao izany ve ianao? Ahoana àry no ahafahanao manatratra tanjona ara-panahy, nefa koa hanao an’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana?—Vakio ny Salamo 71:15; 145:2.

13, 14. a) Inona ny fampirisihana nomena ny Kristianina rehetra? b) Inona no azo antoka fa hitondra fifaliana ho antsika?

13 Efa an-taonany maro ny fandaminan’i Jehovah no nampirisika ny Kristianina, mba handinika sy hivavaka raha afaka manao ny asan’ny mpisava lalana izy ireo. Mety tsy ho afaka hanatratra 70 ora isam-bolana ny sasany, noho ny toe-javatra samihafa. Tsy tokony hanamelo-tena amin’izany izy ireo. (1 Tim. 5:8) Ahoana anefa ny aminao? Tena tsy vitanao mihitsy ve ny asan’ny mpisava lalana?

14 Eritrereto ny hafaliana tsapan’ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, tamin’ity taona ity. Nomena safidy ny mpisava lalana mpanampy, tamin’ny volana Martsa, hoe hanatratra 30 ora izy sa 50 ora. (Sal. 110:3) An-tapitrisany no nandray anjara, ka tena faly ireo fiangonana. Afaka mandamina ny fotoananao ve ianao, mba ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy matetika kokoa? Ho faly ianao amin’izay, ka isaky ny mifarana ny andro tsirairay, dia ho afaka hilaza ianao hoe: “Nanao izay rehetra azoko natao tamin’ny fanompoana anao aho Jehovah.”

15. Inona no tokony ho tanjon’ny tanora kristianina momba ny fianarana?

15 Raha efa ho vita ny fianaranao izao, ary salama tsara ianao sady tsy dia manana andraikitra, efa nandinika lalina momba ny asan’ny mpisava lalana maharitra ve ianao, ary mieritreritra hanao izany? Mety hampirisika anao handranto fianarana ambony ny mpampianatra anao, na ny havanao, na ny namanao, mba hahazoanao asa tsara. Miantehitra amin’ity tontolo ity sy ny vola izy ireo, kanefa tsy haharitra ireo. Asa tsara sy maharitra kosa ny fanompoana an’i Jehovah, ka handray soa ianao raha manatratra tanjona eo amin’ny fanompoana. Manahaka an’i Jesosy ianao raha manao izany, sady ho voaro sy ho sambatra. Ho hita koa hoe tena maniry hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenanao ianao.—Mat. 6:19-21; 1 Tim. 6:9-12.

16, 17. Inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainintsika momba ny asa sy ny zavatra hafa?

16 Mpanompon’i Jehovah maro no miasa mandritra ny ora maro, mba hamelomana ny ankohonany. Misy indray miasa ora maro, mihoatra noho izay tena ilaina mba hivelomana. (1 Tim. 6:8) Miezaka mafy ity tontolo ity mba handresy lahatra antsika, fa tena ilaintsika ireo fitaovana maro be atolony sy ireo fitaovana nivoaka farany. Tsy ny tontolon’i Satana mihitsy anefa no tokony havelantsika hilaza amintsika izay tokony hataontsika loha laharana. (1 Jaona 2:15-17) Ahoana kosa ny amin’ireo Kristianina efa misotro ronono? Tsy ny asan’ny mpisava lalana ve no fomba tsara indrindra ampiasan’izy ireo ny fotoanany? Manao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo, raha manao izany.

17 Tokony hisaintsaina an’ireto fanontaniana ireto ny mpanompon’i Jehovah nanokan-tena rehetra: Inona no tena tanjoko eo amin’ny fiainana? Ilay Fanjakana ve no katsahiko voalohany? Mahafoy tena toa an’i Jesosy ve aho? Manaraka ny tenin’i Jesosy ve aho ka manara-dia azy foana? Afaka manitsy ny fandaharam-potoanako ve aho mba hananako fotoana hitoriana bebe kokoa, na hanaovana an’ireo zavatra hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy? Raha mbola tsy afaka mampitombo ny fanompoako aho izao, miezaka mahafoy tena ho an’i Jehovah ve aho?

‘SADY MANIRY NO MANATANTERAKA’

18, 19. Inona no azonao angatahana amin’ny vavaka, ary nahoana no mampifaly an’i Jehovah izany?

18 Tena mahafinaritra ny mahita ny zotom-pon’ny vahoakan’i Jehovah. Misy anefa tsy maniry hanao ny asan’ny mpisava lalana, na mihevitra fa tsy ampy fahaizana amin’izany, na dia afaka manao izany aza. (Eks. 4:10; Jer. 1:6) Inona no tokony hatao raha mitranga izany? Mivavaha amin’i Jehovah. Nilaza i Paoly fa tian’i Jehovah ny manampy antsika mba hahatonga antsika ‘haniry’ hanompo azy, sy ‘hanatanteraka’ izany faniriana izany. (Fil. 2:13) Raha tsy maniry hampitombo ny fanompoanao àry ianao, dia iangavio i Jehovah mba hanampy anao hanana izany faniriana izany, sy hanampy anao ho ampy fahaizana.—2 Pet. 3:9, 11.

19 Ho faly i Jehovah raha manao izany isika, satria hanampy antsika izany mba hiezaka hanahaka ny ohatra navelan’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny. Nahafoy tena daholo mantsy ry Noa, Mosesy, Jeremia, Paoly, ary Jesosy. Samy nampiasa ny fotoanany sy ny heriny izy ireo mba hanambarana ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy nisy navelany hanelingelina azy tamin’izany. Efa akaiky ny farany, ka mila manao toa azy ireo koa isika rehetra, izay nanokan-tena ho an’i Jehovah. (Mat. 24:42; 2 Tim. 2:15) Mampifaly an’i Jehovah isika raha manao izany, sady hotahiny.—Vakio ny Malakia 3:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo ny boky Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany, pejy 104-106.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Tsy nihaino ny fampitandreman’i Noa ny olona

[Sary, pejy 24]

Efa nandinika lalina momba ny asan’ny mpisava lalana maharitra ve ianao, ary mieritreritra hanao izany?