Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Notarihin’ny Fanahy Masina Izy Ireo’

‘Notarihin’ny Fanahy Masina Izy Ireo’

‘Notarihin’ny Fanahy Masina Izy Ireo’

“Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 PET. 1:21.

HEVITRA HOSAINTSAININA

Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahy masina mba hitarihana an’ireo mpanoratra Baiboly?

Inona no porofo manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

Inona no tokony hataonao isan’andro mba hahatonga anao hankasitraka foana ny Baiboly?

1. Nahoana isika no mila ny Tenin’Andriamanitra?

AHOANA no nampisy ny olombelona? Inona no antony namoronana antsika? Hanao ahoana ny hoavy? Nahoana no feno faharatsiana izao tontolo izao? Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika? Mametraka an’ireo fanontaniana ireo ny ankamaroan’ny olona. Tsy ho fantatsika ny valin’ireo sy ny fanontaniana lehibe hafa, raha tsy teo ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy nisy ny Soratra Masina, dia nianatra avy tamin’ny zavatra niainantsika isika. Raha izany anefa no izy, dia tsy ho tsapantsika mihitsy ny hasarobidin’ny “lalàn’i Jehovah”, voalazan’ny mpanao salamo.—Vakio ny Salamo 19:7.

2. Inona no tokony hataontsika mba hahatonga antsika hankasitraka foana ny Tenin’Andriamanitra?

2 Mampalahelo fa lasa tsy tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly toy ny taloha intsony ny Kristianina sasany. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 2:4.) Tsy manana fomba fiaina mampifaly an’i Jehovah intsony izy ireo. (Isaia 30:21) Tsy voatery hitranga amintsika anefa izany. Afaka manao zavatra isika mba hahatonga antsika hankasitraka foana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianarana ao anatiny. Fanomezana sarobidy nomen’ilay Mpamorona be fitiavana izy io. (Jak. 1:17) Inona àry no hanampy antsika hankasitraka kokoa ny “tenin’Andriamanitra”? Mila saintsainintsika ny fomba nanoratana ny Baiboly, ary mila dinihintsika ireo porofo manamarina hoe avy amin’Andriamanitra izy io. Handrisika antsika hamaky Baiboly isan’andro mantsy izany, ary hanampy antsika hampihatra izay voalaza ao.—Heb. 4:12.

AHOANA NO “NITARIHAN’NY FANAHY MASINA” AN’IREO MPANORATRA BAIBOLY?

3. Ahoana no “nitarihan’ny fanahy masina” an’ireo mpaminany sy olon-kafa nanoratra Baiboly?

3 Lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly, ary mpaminany ny sasany. Naharitra 1 610 taona no nanoratana azy io, nanomboka tamin’ny taona 1513 T.K. ka hatramin’ny taona 98 A.K. ‘Notarihin’ny fanahy masina’ ireo olona nanoratra azy io. (Vakio ny 2 Petera 1:20, 21.) Ilay teny grika nadika hoe ‘tarihina’ dia midika hoe “entina avy any amin’ny toerana iray ho any amin’ny toerana iray”, na koa hoe “manaiky hoentina, na voataona.” Mampiasa an’io teny io ny Asan’ny Apostoly 27:15, mba hilazana ny sambo iray nentin’ny rivotra nankany amin’ny toerana iray. Rehefa milaza àry ny Baiboly hoe ‘notarihin’ny fanahy masina’ ireo mpaminany sy olon-kafa nanoratra Baiboly, dia midika izany fa nifandray tamin’izy ireo Andriamanitra, nandrisika azy ireo, ary nitarika azy ireo tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Ny hevitr’Andriamanitra àry fa tsy ny hevitr’izy ireo no nosoratany. Tsy fantatr’izy ireo akory aza indraindray ny dikan’ny zavatra nosoratany na nambarany mialoha. (Dan. 12:8, 9) Mazava àry fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo’, ary tsy misy hevitr’olombelona ao anatiny.—2 Tim. 3:16.

4-6. Ahoana avy no nampitan’i Jehovah ny teniny tamin’ireo mpanoratra Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Ahoana no nataon’ny fanahy masina mba hampitana ny hevitr’Andriamanitra tamin’ireo mpanoratra Baiboly? Ny teny tsirairay ve no nomena an’ireo mpanoratra? Sa ny hevitra fotsiny no nomena azy ireo, dia anjarany no manoratra an’ilay izy amin’ny fomba fiteniny? Diniho izao: Ahoana no ataon’ny lehiben’ny orinasa iray rehefa te hanoratra taratasy izy? Rehefa tena ilaina ny teny tsirairay, dia soratsoratany amin’ny taratasy ilay izy, na tononiny amin’ny sekreterany ny teny tsirairay. Ilay sekretera no manoratra an’ilay izy amin’ny milina avy eo, saingy ny sonian’ilay lehibe no ao amin’ilay taratasy. Tsy toy izany foana anefa no ataony. Ny hevitra fotsiny indraindray no omeny an’ilay sekretera, ka ilay sekretera avy eo no manoratra amin’ny fomba fiteniny. Jeren’ilay lehibe izany avy eo, ka ahitsiny izay mila ahitsy. Ataony sonia ilay taratasy, amin’ny farany, ka toy ny hoe avy aminy.

5 Toy izany koa fa nosoratan’ny “rantsantanan’Andriamanitra” ny ampahany sasany amin’ny Baiboly. (Eks. 31:18) Notononin’i Jehovah tamin’ireo mpanoratra Baiboly koa ny teny tsirairay, rehefa nilaina izany. Izao, ohatra, no voalazan’ny Eksodosy 34:27: ‘Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Soraty ireo teny ireo, satria araka ireo teny ireo no anaovako fifanekena aminao sy ny Israely.”’ Hoy koa izy tamin’i Jeremia mpaminany: ‘Soraty ao amin’ny boky ny teny rehetra holazaiko aminao.’—Jer. 30:2.

6 Hevitra fotsiny anefa matetika no nampitain’i Jehovah. Nampitainy tamin’ny fomba mahagaga tao am-po sy tao an-tsain’ireo mpanoratra Baiboly ny heviny, ary izy ireo no nitady teny hilazana an’ilay izy. Hoy ny Mpitoriteny 12:10: “Niezaka nitady teny mahafinaritra ilay mpamory vahoaka, sady nanoratra tenim-pahamarinana tsy misy diso.” I Lioka kosa ‘namotopototra sy nanamarina ny zava-drehetra hatrany am-piandohana, mba hahafahany hanoratra an’ilay izy araka ny filaharany.’ (Lioka 1:3) Nampiasa ny fanahiny i Jehovah mba ho azo antoka hoe tsy nisy nodisoin’ireny olona tsy lavorary ireny ny hafatra nampitainy.

7. Nahoana no azo lazaina hoe manana fahendrena i Jehovah, rehefa nampiasa olombelona mba hanoratra ny Teniny?

7 Hita hoe manana fahendrena i Jehovah, rehefa nampiasa olombelona mba hanoratra ny Teniny. Tsy hoe mampita hevitra fotsiny mantsy ny teny, fa mampita fihetseham-po koa. Ahoana raha anjely no nampiasain’i Jehovah hanoratra Baiboly? Ho vitan’izy ireo ve ny hampita fihetseham-pon’olombelona, toy ny tahotra, alahelo, ary fahadisoam-panantenana? Koa satria olona tsy lavorary no nanoratra ny Baiboly ary navelan’i Jehovah hifidy izay teny hampiasainy izy ireo, dia lasa misy fihetseham-po ny hafatra ao amin’ny Baiboly, misy fomba isan-karazany hampitana hevitra, ary manohina ny fontsika ny zavatra lazainy.

POROFO FA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA NY BAIBOLY

8. Nahoana no tsy mitovy amin’ny boky masina hafa rehetra ny Baiboly?

8 Maro ny porofo manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Izy io irery no manampy antsika hahafantatra an’ilay tena Andriamanitra. Tsy tena miresaka momba an’Andriamanitra mantsy ny boky masina hafa rehetra. Ny bokin’ny Hindoa, ohatra, miresaka momba ny fetiny, ny filozofiany, ny anganony, ary ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Ny bokin’ny Bodista indray manazava ny foto-pinoan’ny Bodista sy ny fampianaran’i Bouddha ary ny fitsipika arahin’ny moanina. Tsy hita ao amin’ny bokin’ny Bodista hoe nilaza ny tenany ho andriamanitra i Bouddha. Zara koa i Bouddha raha niresaka momba an’Andriamanitra. Ny bokin’ny fivavahana antsoina hoe Konfosianisma indray miresaka momba ny zava-nitranga fahiny, ny fitsipika momba ny fitondran-tena, ny mazia, ary ny hiran’izy ireo. Ary ahoana kosa ny bokin’ny Silamo? Marina fa miresaka momba ny Andriamanitra tokana izy io, ary lazainy fa mahalala ny zava-drehetra sy mahay milaza ny hoavy izy. Tsy resahina ao mihitsy anefa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, izay miseho inarivony ao amin’ny Baiboly.

9, 10. Inona no ampianarin’ny Baiboly antsika momba an’Andriamanitra?

9 Zara raha mampianatra momba an’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo boky masina ampiasain’ny fivavahana. Ny Baiboly kosa mampahafantatra antsika ny momba an’i Jehovah sy ny asany ary ny toetrany. Milaza izy io hoe tena mahery Andriamanitra, feno fahendrena, manao ny rariny, ary tia antsika. (Vakio ny Jaona 3:16; 1 Jaona 4:19.) Hoy koa ny Baiboly: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35) Manamarina an’izany ny hoe voadika amin’ny fiteny isan-karazany ny Baiboly. Milaza ny manam-pahaizana fa misy fiteny 6 700 eo ho eo ampiasaina ankehitriny. Ny 100 amin’ireo no tena ampiasain’ny ankamaroan’ny mponina eran-tany. Voadika amin’ny fiteny 2 400 mahery anefa ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, ka midika izany fa saiky ny olon-drehetra no afaka mamaky Baiboly, na fara faharatsiny ny ampahany aminy.

10 Hoy i Jesosy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:17) Efa Andriamanitra i Jehovah hatramin’izay ka ho “mandrakizay”, ka eritrereto ny asa rehetra efa vitany! (Sal. 90:2) Ny Baiboly irery no miresaka amintsika ny asan’Andriamanitra taloha sy ankehitriny, ary izay mbola hataony amin’ny hoavy. Hitantsika ao amin’ny Baiboly koa hoe inona no tiany sy tsy tiany, ary ahoana no ahafahantsika manatona azy. (Jak. 4:8) Tsy tokony havelantsika hampiala antsika amin’i Jehovah àry ny zavatra tiantsika na mampanahy antsika.

11. Inona no torohevitra feno fahendrena hita ao amin’ny Baiboly?

11 Misy torohevitra be dia be ao amin’ny Baiboly, ary azo itokisana sy feno fahendrena izy ireny. Porofo izany fa ambony lavitra noho ny olombelona ny Loharanon’izy io. Hoy ny apostoly Paoly: “Iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, mba hampianatra azy?” (1 Kor. 2:16) Nalain’i Paoly avy amin’ny tenin’i Isaia izy io. Hoy i Isaia: “Iza no mahavita mandrefy ny fanahin’i Jehovah, ary iza no mpanoro hevitra azy ka mampahafantatra azy ny zava-drehetra?” (Isaia 40:13) Mazava ho azy fa tsy misy, satria tsy misy manam-pahalalana noho i Jehovah. Tsy mahagaga àry raha tena mahasoa ny mampihatra ny torohevitry ny Baiboly momba ny asa mafy, fanambadiana, fitaizana, fialam-boly, namana, fanaovana ny marina, ary ny fitondran-tena. Tsy misy torohevitra ratsy mihitsy ao amin’ny Baiboly. Ny olombelona kosa tsy ampy fahendrena, ka tsy voatery handaitra foana ny toroheviny. (Jer. 10:23) Ovana sy havaozina foana ny torohevitr’olombelona rehefa hita hoe tsy mety. Hoy ny Baiboly: ‘Zava-poana toy ny fofonaina ny eritreritry ny olona.’—Sal. 94:11.

12. Inona no nataon’ny olona mba hamongorana ny Baiboly?

12 Voaporofon’ny tantara koa fa avy amin’ilay tena Andriamanitra ny Baiboly. Olona maro fahiny no niezaka nanafoana azy io. Izany no nataon’i Antiokosa Faha-4, mpanjaka syrianina. Naniraka olona izy tamin’ny 168 T.K., mba hikaroka ny bokin’ny Lalàna rehetra ka handoro azy ireo. Toy izany koa no nataon’i Dioclétien, mpanjaka romanina. Namoaka didy izy tamin’ny taona 303 hoe ravana ny toeram-pivorian’ny Kristianina ary dorana ny Baiboly. Naharitra folo taona io fandravana io. Nataon’ireo papa koa izay tsy hielezan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, nanomboka tamin’ny taonjato faha-12. Tsy navelan’izy ireo hadika amin’ny fitenin’ny olona ny Soratra Masina. Mbola misy hatramin’izao anefa ny Baiboly, na dia teo aza ny ezaka nataon’i Satana sy ny olony mba hamongorana azy io. Tsy avelan’i Jehovah ho fongana tokoa ny fanomezana nomeny ho an’ny olombelona!

POROFO HAFA MAMPIAIKY NY OLONA

13. Inona no porofo hafa manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

13 Misy porofo hafa koa manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Mirindra tsara izy io, marina ara-tsiansa sy ara-tantara, tanteraka ireo faminaniana voalaza ao, ary tsy mba nafenin’ireo olona nanoratra azy io ny fahadisoana nataony. Mahavita manova olona koa izy io, ary mamaly an’ireo fanontaniana tetsy amin’ny fehintsoratra voalohany. Ireto misy tantaran’olona, ary mariho hoe inona no nanampy azy ireo hino fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.

14-16. a) Inona no nahatonga ny olona sasany hiaiky hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? b) Inona no porofo ampiasainao mba hampisehoana amin’ny olona hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly?

14 Lehibe tany amin’ny tany silamo ny lehilahy atao hoe Anwar. * Nisy Vavolombelon’i Jehovah nandondòna tao an-tranony, tamin’izy nifindra tany Etazonia. Hoy izy: ‘Halako ny fivavahana kristianina tamin’izany, noho ny famonoana olona mahatsiravina nataon’ny Eglizy fahiny. Olona te hahafanta-javatra anefa aho, ka nanaiky hianatra Baiboly.’ Niverina tany amin’ny taniny izy, tsy ela taorian’izay, ka tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona intsony. Nifindra tany Eoropa indray izy taona maro tatỳ aoriana, ary niverina nianatra Baiboly. Hoy izy: “Niaiky aho hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, rehefa nahita fa tanteraka daholo ireo faminaniana ao, mirindra tsara izay voalaza ao, ary mifankatia ny vahoakan’i Jehovah.” Natao batisa i Anwar tamin’ny 1998.

15 Hindoa mafana fo ny fianakavian’i Asha, tovovavy 16 taona. Hoy izy: “Tsy nivavaka aho raha tsy rehefa nankany amin’ny tempoly, na rehefa nanana olana. Tsy niraharaha an’Andriamanitra mihitsy aho rehefa nandeha tsara ny fiainako. Niova be anefa ny fiainako rehefa nandondòna tao aminay ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nianatra Baiboly i Asha, ka nanjary nahafantatra an’Andriamanitra sy lasa namany. Inona no nandresy lahatra azy hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? Hoy izy: “Namaly an’ireo fanontaniako be dia be ny Baiboly. Nankany amin’ny tempoly aho taloha mba hiankohoka tamin’ny sampy, satria te hanam-pinoana. Nanampy ahy anefa ny Baiboly hoe tsy voatery mahita an’Andriamanitra aho vao hino azy.”

16 Katolika ny fianakavian’ny tovovavy iray atao hoe Paula. Nisalasala anefa izy rehefa nihalehibe hoe tena misy ve Andriamanitra. Niova anefa izany. Hoy izy: “Nisy antokona tanora lava volo sy mpifoka rongony tamin’izany, ary anisan’izy io ny tovolahy iray namako. Tsy nihaona nandritra ny volana maromaro izahay, ka gaga aho rehefa nahita azy, fa lasa nadio izy, ary notapahiny ny volony. Hitako hoe sambatra izy, ka nanontaniako hoe: ‘Fa inona no nampiova anao, ary taiza foana ianao?’ Nohazavainy hoe nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nitory tamiko mihitsy aza izy avy eo.” Lasa liana tamin’ny Baiboly i Paula rehefa nahita fa nisy heriny teo amin’ilay namany ny fahamarinana. Nanjary niaiky koa izy hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.

“JIRO HO AN’NY TONGOTRO NY TENINAO”

17. Inona no vokany rehefa vakinao isan’andro sy saintsaininao ny Baiboly?

17 Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny Baiboly, izay nomeny tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Hitombo ny fitiavanao azy io sy ilay Nampanoratra azy io, raha tia mamaky Baiboly isan’andro ianao. (Sal. 1:1, 2) Mivavaha isaky ny hianatra Baiboly, mba hahazoana ny fitarihan’ny fanahy masina. (Lioka 11:13) Ny hevitr’Andriamanitra no ao amin’ny Baiboly, ka rehefa misaintsaina azy io ianao, dia hitovy amin’ny fomba fisainany ny fomba fisainanao.

18. Nahoana ianao no tokony hianatra Baiboly foana?

18 Tena ilaina koa ny mampihatra izay ianaranao. (Vakio ny Salamo 119:105.) Toy ny mijery fitaratra ianao rehefa mandinika ny Soratra Masina. Rehefa mandinika azy io ianao, ka hitanao hoe misy zavatra mila ahitsy, dia manaova fanitsiana. (Jak. 1:23-25) Toy ny sabatra koa ny Tenin’Andriamanitra. Azonao ampiasaina izy io mba hiarovana ny finoanao, sy handravana ny fampianaran-diso ao am-pon’ny olona tso-po. (Efes. 6:17) Aoka ianao ho faly rehefa mampiasa azy io, ary ho velom-pankasitrahana hoe nahazo ny fitarihan’ny fanahy masina ireo olona nanoratra azy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Novana ny anarana sasany.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 29]

Vakio isan’andro ny Baiboly, dia hitombo ny fitiavanao an’ilay Nampanoratra azy io

[Sary, pejy 26]

Ilay olona manao sonia no tena tompon’ilay taratasy