Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

Manadino ny Heloka Navelany ve Andriamanitra?

Manadino ny Heloka Navelany ve Andriamanitra?

RAHA tsorina dia “eny” no valiny. Hoy i Jehovah momba ny olona ankasitrahany: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jeremia 31:34) Manome toky àry i Jehovah fa rehefa namela ny helok’ireo mpanota nibebaka izy, dia tsy hahatsiaro ny fahotany intsony. Midika ve izany fa tsy mahatadidy ny fahadisoana navelany ilay Mpamorona an’izao rehetra izao? Manazava an’izany i Ezekiela.—Vakio ny Ezekiela 18:19-22.

Mpitondra tenin’i Jehovah i Ezekiela mpaminany ary nasainy nanambara didim-pitsarana tamin’i Joda sy Jerosalema nivadi-pinoana. Tsy nanompo an’i Jehovah intsony ilay firenena ary feno herisetra ilay tany. Nilaza i Jehovah fa horavan’ny Babylonianina i Jerosalema. Nampanantena anefa izy hoe manan-tsafidy ny tsirairay ka samy hovaliana arakaraka ny safidiny.—Andininy 19, 20.

Ahoana, ohatra, raha miova ny mpanao ratsy? Hoy i Jehovah: “Raha miala amin’ny fahotany rehetra ny ratsy fanahy, ka tena mitandrina ny lalàko rehetra ary manao ny rariny sady manao izay mahitsy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.” (Andininy 21) “Vonona hamela heloka” tokoa i Jehovah rehefa tena mibebaka sy miova ny mpanota iray.—Salamo 86:5.

Ahoana kosa ny amin’ny helok’ilay olona? Hoy i Jehovah: “Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra vitany, ary tsy hanamelohana azy intsony izany.” (Andininy 22) Nahoana izany no zava-dehibe?

Tsy hoe mahatadidy ny lasa fotsiny no dikan’ilay teny hebreo nadika hoe “mahatsiaro”, ao amin’ny Baiboly. Hoy ny boky iray, momba an’io teny io: “Milaza fanaovan-javatra [izy io] matetika, na miaraka amin’ny matoanteny mampiseho zavatra atao.” Midika hoe “manao zavatra” àry ny hoe “mahatsiaro.” Rehefa nilaza i Jehovah hoe “tsy hotsarovana intsony” ny fahotan’ny mpanota nibebaka, dia te hilaza izy fa tsy hampiasainy hanamelohana an’ilay olona ireo fahotany ireo, ka tsy hiampangany azy na hanasaziany azy intsony. *

Mamela heloka tanteraka Andriamanitra ary mampihetsi-po tokoa ny fomba ilazan’ny Ezekiela 18:21, 22 an’izany. Tsy hanamelohan’i Jehovah antsika intsony ny fahotana navelany fa ariany any ivohony. (Isaia 38:17) Toy ny hoe mamafa na mikosoka ny fahotantsika izy.—Asan’ny Apostoly 3:19.

Mila ny famindram-pon’Andriamanitra isika satria tsy lavorary ka manota imbetsaka. (Romanina 3:23) Tian’i Jehovah ho fantatsika anefa fa vonona hamela heloka izy raha tena mibebaka isika. Tsy hotsarovany intsony koa ny heloka avelany, izany hoe tsy hampiasainy hiampangana na hanasaziana antsika intsony. Mampahery izany! Tsy mandrisika anao hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ve ny famindram-pony?

Famakiana Baiboly amin’ny Jolay:

Ezekiela 6-20

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Midika hoe “manao zavatra hanamelohana ny mpanota” koa ny hoe “mahatsiaro fahotana.”—Jeremia 14:10.