Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Nahoana Andriamanitra no Nandidy ny Mpanompony Hanambady Olona Mitovy Finoana Aminy Ihany?

Nahoana Andriamanitra no Nandidy ny Mpanompony Hanambady Olona Mitovy Finoana Aminy Ihany?

▪ Hoy ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny firenen’Israely, momba ny firenena nanodidina azy ireo: “Aza manao fifanarahana ara-panambadiana aminy: Aza omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.” (Deoteronomia 7:3, 4) Inona no anton’io fandrarana io?

Voalohany, fantatr’i Jehovah fa te hamitaka ny vahoakany i Satana ka mitarika azy ireo hanompo andriamani-diso. Hoy ihany i Jehovah: “Hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy [ny olona tsy mivavaka amiko], ka azo antoka fa hanompo andriamani-kafa ireo.” Hisy vokany lehibe eo amin’ny firenen’Israely manontolo izany. Tsy hankasitrahan’Andriamanitra sy tsy harovany intsony izy ireo ka ho mora resin’ny fahavalony, raha lasa nanompo andriamani-kafa. Tsy hipoitra avy amin’ilay firenena anefa ilay Mesia nampanantenaina raha izany no mitranga. Mazava àry hoe nahoana i Satana no te hitaona ny Israelita hanambady olona tsy mpivavaka amin’i Jehovah.

Faharoa, tadidio fa miahy izay hahasoa ny isam-batan’olona Andriamanitra. Fantany fa rehefa mifandray akaiky sy mivavaka aminy ihany ny olona tsirairay vao ho sambatra sy hahita soa. Mampidi-doza tokoa ve ny manambady olona tsy manompo an’i Jehovah, ka mila mampitandrina momba izany izy? Diniho ny ohatr’i Solomona Mpanjaka. Fantany izao fampitandreman’i Jehovah momba ny vehivavy hafa firenena izao: “Ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.” Nieritreritra angamba i Solomona fa tsy voakasik’io toro lalana io satria hoe nanana fahendrena niavaka. Inona no vokany rehefa tsy niraharaha an’izany izy? “Voatarik’ireny vadiny ireny [tsikelikely] hanaraka andriamani-kafa ny fony.” Loza tokoa izany! Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony i Solomona satria nivadika taminy, ary lasa nizara roa ny vahoakany.—1 Mpanjaka 11:2-4, 9-13.

Mety hieritreritra ny olona sasany fa nisy ihany ny toe-javatra maningana. Nanambady an’i Rota Moabita, izay lasa mpanompon’i Jehovah miavaka, ohatra, i Malona Israelita. Nampidi-doza anefa ny fanambadiana vehivavy moabita. Tsy noderaina i Malona rehefa nanambady tovovavy moabita. Maty tanora izy, angamba tamin’i Rota mbola tsy nanompo an’i Jehovah. Nanambady an’i Orpa Moabita koa i Kiliona, rahalahin’i Malona. Nifikitra tamin’ny “andriamaniny” ihany anefa i Orpa. Efa nanompo an’i Jehovah elaela kosa i Rota vao nanambady azy i Boaza. Nantsoin’ny Jiosy hoe ilay “hafa firenena tsy misy tsiny” mihitsy aza i Rota, tatỳ aoriana. Nitondra fitahiana ho azy sy Boaza ny fanambadian’izy ireo.—Rota 1:4, 5, 15-17; 4:13-17.

Fahendrena ve ny mihevitra fa tsy mety ilay fampitandreman’i Jehovah momba ny fanambadiana olona tsy mitovy finoana amintsika, rehefa jerena ny tantara toy ny an’i Malona sy Rota? Tsy toy ny milaza ve isika amin’izany fa mety ny miloka mba hivelomana satria hoe nisy mpiloka iray nahazo vola be?

Milaza ny Baiboly fa tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ny Kristianina ankehitriny. Ampitandremany isika mba tsy “hiray zioga amin’ny tsy mpino.” Natao ho an’ny tena Kristianina maniry hanambady ireo torohevitra ireo. Ary ahoana ny amin’ireo efa manambady olona tsy mitovy finoana aminy? Misy torohevitra ao amin’ny Baiboly mba hananan’izy ireo fiainana tsara araka izay azo atao. (1 Korintianina 7:12-16, 39; 2 Korintianina 6:14) Asehon’ireny torohevitra ireny fa tian’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fanambadiana, ho sambatra isika mpanompony, na manambady na mpitovo.