Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Oviana i Jesosy no Lasa Mpanjaka?

Oviana i Jesosy no Lasa Mpanjaka?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Inona no nampanantenain’Andriamanitra fa homena an’i Jesosy?

Manana Fanjakana any an-danitra Andriamanitra. Nampanantena izy fa ny iray amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka no hanjaka mandrakizay ao amin’io Fanjakany io. I Jesosy io taranaka io ary efa Mpanjaka any izy izao.—Vakio ny Salamo 89:4; Lioka 1:32, 33.

Mbola ankizy i Davida, dia efa notendren’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israelita vahoakany. I Solomona avy eo no notendreny ‘hipetraka teo amin’ny seza fiandrianany’ rehefa maty i Davida. (1 Tantara 28:4, 5; 29:23) Maro be no nifandimby nanjaka tao Jerosalema rehefa maty i Solomona, saingy nivadika tamin’i Jehovah ny ankamaroany. Navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema sy hanala ny mpanjaka tao àry ny Babylonianina, tamin’ny taona 607 Talohan’i Kristy (T.K.). Tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony tao Jerosalema nanomboka tamin’izay.—Vakio ny Ezekiela 21:27.

2. Firy taona no tsy nisy mpanjaka nisolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra tetỳ an-tany?

Nilaza tamin’i Daniela mpaminany i Jehovah, rehefa rava i Jerosalema, fa hifidy mpanjaka hitondra avy any an-danitra izy. Rahoviana izy no hanjaka?—Vakio ny Daniela 7:13, 14.

Nahita hazo be tao amin’ny fahitana i Nebokadnezara. Nasaina notapahina, hono, izy io fa ny fotony navela, mba haniry indray rehefa afaka “fe-potoana fito.” Nohazavain’i Daniela fa ny fanjakana tao Jerosalema ilay hazo, ary toy ny hoe notapahina izy io rehefa nasain’Andriamanitra noravana. Maharitra 2 520 andro kosa ilay “fe-potoana fito”, satria milaza ny Baiboly fa 1 260 andro ny “fe-potoana” telo sy tapany. (Apokalypsy 12:6, 14) Matetika anefa no taona no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe andro. (Nomery 14:34) Nandritra ny 2 520 taona àry no tsy nisy mpanjaka nisolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra, tetỳ an-tany.—Vakio ny Daniela 4:10-17.

3. Oviana no lasa Mpanjaka i Jesosy?

Nataon’Andriamanitra Mpanjaka any an-danitra i Jesosy tamin’ny 1914, izany hoe 2 520 taona katroka taorian’ny nandravana an’i Jerosalema. Vao lasa Mpanjaka izy dia nandroaka an’i Satana sy ny demonia avy any an-danitra. (Apokalypsy 12:7-10) Tsy nahita an’izany isika saingy hitantsika kosa ny vokany, satria lasa feno olana etỳ an-tany. (Apokalypsy 12:12) Ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny 1914 no anisan’ny manaporofo fa tamin’io taona io i Jesosy no lasa Mpanjaka.—Vakio ny Matio 24:14; Lioka 21:10, 11, 31.

4. Inona no soa raisinao noho i Jesosy lasa Mpanjaka?

Tanteraka daholo ny zavatra nolazaina mialoha momba ny hoe ho lasa Mpanjaka i Jesosy. Porofo izany fa azo itokisana ny Baiboly. Kely sisa dia hampiasa ny fahefany i Jesosy ka hanafoana ny fijalian’ny olombelona.—Vakio ny Salamo 72:8, 12, 13; Daniela 2:44.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? pejy 215-218, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Tabilao, pejy 16, 17]

(Jereo ny gazety)

Oktobra Oktobra

607 T.K. 1914

← 2 520 taona →

1000 T.K. 1 T.K. 1 A.K. (Aorian’i Kristy) 1000 2000

← 606 taona sy 3 volana →← 1 913 taona sy 9 volana →

Rava ny fanjakana Kajio izao: Nataon’Andriamanitra

tao Jerosalema 606 taona sy 3 volana Mpanjakan’ny

+ 1 913 taona sy firenena

9 volana rehetra i Jesosy

= 2 520 taona