Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy fa Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra Ianao!

Asehoy fa Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra Ianao!

Asehoy fa Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra Ianao!

“Aoka ianareo hitondra tena mendrika.”—FIL. 1:27.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Iza avy no manana tombontsoa ho olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no dikan’ny hoe mianatra ny fiteny sy ny tantara ary ny lalàn’ilay Fanjakana?

Ahoana no ampisehoan’ny vahoakan’ilay Fanjakana fa tiany ny fitsipik’Andriamanitra?

1, 2. Nahoana no nisy heviny manokana ho an’ny Kristianina tany Filipy ny torohevitr’i Paoly?

HOY ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tao Filipy: “Aoka ianareo hitondra tena mendrika ny vaovao tsara.” (Vakio ny Filipianina 1:27.) Ilay teny grika hoe ‘mitondra tena’, dia midika koa hoe “mitondra tena toy ny olom-pirenena.” Nisy dikany manokana ho an’ny Kristianina tao Filipy io tenin’i Paoly io. Nahoana? Satria anisan’ireo olona navela hizaka ny zom-pirenena romanina ny mponina tao Filipy. Nirehareha ny olona tao Filipy sy nanerana ny Fanjakana Romanina, rehefa nahazo ny zom-pirenena romanina, satria nahazo tombontsoa manokana, ohatra hoe narovan’ny lalàna romanina.

2 Nanana antony lehibe kokoa hireharehana anefa ireo Kristianina tany Filipy. Nampahatsiahy azy ireo i Paoly fa voahosotra izy ireo, ka noho izany dia “olom-pirenen’ny lanitra.” (Fil. 3:20) Tsy olom-pirenen’ny fanjakan’olombelona fotsiny àry izy ireo, fa olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra. Vokatr’izany, dia mahazo tombontsoa sy fiarovana tsy manam-paharoa izy ireo.—Efes. 2:19-22.

3. a) Iza avy no manana tombontsoa ho olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra no tena nampirisihin’i Paoly mba hitondra tena toy ny olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Fil. 3:20) Natao ho an’ireo hofehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra koa anefa izy io, dia ireo hiaina mandrakizay eto an-tany. Nahoana? Satria Mpanjaka iray ihany no tompoin’ny Kristianina nanokan-tena rehetra, dia i Jehovah. Mitovy ihany koa ny fitsipika arahintsika rehetra. (Efes. 4:4-6) Miezaka mafy ny olona ankehitriny mba hahazo zom-pirenena any amin’ny tany manankarena. Tsy vao mainka ve tokony ho sarobidy amintsika ny hoe ho olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra? Mitovitovy amin’ny fepetra takin’ny fanjakan’olombelona ny fepetra takina amin’izany. Andeha isika handinika izany mba hahatonga antsika hankasitraka kokoa ny tombontsoa ananantsika. Handinika zavatra telo tsy maintsy hatao koa isika, raha tiantsika foana ny ho olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra.

FEPETRA TAKINA AMIN’IREO TE HO OLOM-PIRENEN’NY FIRENENA IRAY

4. Inona no atao hoe fiteny madio, ary ahoana no ahitana hoe miteny an’io fiteny io isika?

4 Mianatra ny fiteniny. Takin’ny firenena sasany ny hoe tsy maintsy mahay ny fiteniny izay olona te hahazo ny zom-pireneny. Na dia rehefa mahazo an’ilay zom-pirenena aza anefa ilay olona, dia mbola mila miezaka an-taonany maro mba hahay tsara an’ilay fiteny. Mety ho vetivety izy dia hahay ny fitsipi-pitenenana, kanefa ho elaela vao hahay hanonona tsara an’ireo teny. Toy izany koa fa tsy maintsy mianatra ny “fiteny madio” ny olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Vakio ny Zefania 3:9.) Inona ilay hoe fiteny madio? Izy io dia ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany, hita ao amin’ny Baiboly. Toy ny hoe miteny an’io fiteny io isika rehefa ampiharintsika eo amin’ny fiainantsika ny lalàn’Andriamanitra sy ny toro lalany. Mety ho vetivety ny olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hahay ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ary hatao batisa. Mbola mila miezaka hahay kokoa an’ilay fiteny madio anefa izy ireo, aorian’izay. Amin’ny fomba ahoana? Mila miezaka foana izy ireo mba hiaina mifanaraka amin’izay ianarany ao amin’ny Baiboly.

5. Nahoana isika no tokony hianatra ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah?

5 Mianatra ny tantarany. Mety hasain’ny firenena sasany hianatra ny tantarany koa ny olona te hahazo ny zom-pireneny. Toy izany koa fa mila mianatra ny zava-drehetra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izay maniry ho olom-pirenen’izy io. Diniho ny ohatra navelan’ireo zanak’i Kora. Tian’izy ireo i Jerosalema sy ny toeram-pivavahana tao, ary tian’izy ireo ny niresaka ny tantaran’i Jerosalema. Tsy ny hakanton’ilay tanàna fotsiny no nahatonga azy ireo ho tia an’i Jerosalema, fa noho izy io tanànan’i Jehovah ilay “Mpanjaka Be Voninahitra.” Tao ihany koa no foiben’ny fivavahana marina, sy nianarana momba ny Lalàn’i Jehovah. I Jehovah tokoa mantsy no tena Mpanjakan’i Jerosalema, ary izay vahoaka teo ambany fifehezany no nanehoany hatsaram-panahy feno fitiavana. (Vakio ny Salamo 48:1, 2, 9, 12, 13.) Maniry hianatra ny tantaran’ny fandaminan’i Jehovah sy hiresaka izany amin’ny hafa koa ve ianao, toy ny nataon’ireo zanak’i Kora? Arakaraka ny ianaranao momba ny fandaminana sy ny fomba anampian’i Jehovah ny vahoakany, dia vao mainka tena hisy aminao ny Fanjakan’Andriamanitra. Vao mainka koa ianao te hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Jer. 9:24; Lioka 4:43.

6. Nahoana no ara-dalàna raha mitaky amintsika i Jehovah hoe mila mianatra sy mankatò ny lalàny isika?

6 Mahay ny lalàny. Takin’ny fanjakan’olombelona ny hoe mila mahay sy mankatò ny lalàna ao amin’ilay tany ny olom-pireneny. Ara-dalàna àry raha milaza i Jehovah hoe tsy maintsy mianatra sy mankatò ny lalàny sy ny toro lalany ny olom-pirenen’ilay Fanjakana. (Isaia 2:3; Jaona 15:10; 1 Jaona 5:3) Matetika no misy diso ny lalàn’olombelona sady miangatra. “Tonga lafatra” kosa ny “lalàn’i Jehovah.” (Sal. 19:7) Tianao ve ny lalàn’Andriamanitra, ka vakinao isan’andro ny Teniny? (Sal. 1:1, 2) Isika mihitsy no mila mianatra ny lalàn’i Jehovah, fa tsy misy olona afaka manao izany ho antsika.

TOKONY HO TIA NY FITSIPIK’ANDRIAMANITRA ISIKA

7. Nahoana ny vahoakan’ilay Fanjakana no mankatò ny lalàn’Andriamanitra?

7 Tsy ampy ny hoe mahalala ny fitsipik’Andriamanitra, raha maniry ho vahoakan’ilay Fanjakana foana isika. Mila tiavintsika koa ny fitsipiny. Maro ny olona milaza fa ekeny ny lalàna ao amin’ny tany misy azy. Mandika lalàna anefa izy ireo rehefa tsy tiany ilay izy, na tsy misy mahita izy. Te hahazo “sitraka amin’olona” fotsiny izy ireny matetika, matoa mankatò lalàna. (Kol. 3:22) Tsy toy izany anefa ny olom-pirenen’ilay Fanjakana. Nahoana? Satria tiantsika ilay Mpanome lalàna antsika, ka faly isika mankatò ny lalàny, na dia tsy misy mahita aza.—Isaia 33:22; vakio ny Lioka 10:27.

8, 9. Ahoana no ahafantaranao raha tena tianao ny lalàn’Andriamanitra?

8 Ahoana no ahafantaranao raha tena tianao ny lalàn’Andriamanitra? Diniho ny fihetsikao rehefa omena torohevitra ianao momba ny safidinao manokana, ohatra hoe momba ny fitafiana. Tianao angamba ny akanjo misavoritaka sy manaitaitra, tamin’ianao mbola tsy nahalala ny fahamarinana. Rehefa nitombo anefa ny fitiavanao an’Andriamanitra, dia nanao fitafiana manome voninahitra azy ianao. (1 Tim. 2:9, 10; 1 Pet. 3:3, 4) Mety hihevitra àry ianao hoe efa maotina ny fitafinao. Ahoana anefa raha manatona anao ny anti-panahy iray, ka milaza fa manafintohina mpitory maromaro ny fomba fiakanjonao? Ahoana no ho fihetsikao? Hiaro tena ve ianao, sa ho tezitra, sa ho mafy loha? Anisan’ny lalàna lehibe tsy maintsy hankatoavin’ny vahoakan’ilay Fanjakana ny hoe tahafo i Kristy. (1 Pet. 2:21) Nilaza anefa i Paoly fa ‘na i Kristy aza tsy nanao izay nahafaly ny tenany.’ Midika izany fa tokony ‘hanao izay mahafaly ny namantsika amin’izay tsara isika, dia izay mampahery azy ireo.’ (Rom. 15:2, 3) Mandefitra àry ny Kristianina matotra, ka vonona hanaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa mba hisian’ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana.—Rom. 14:19-21.

9 Diniho koa ny fiheveranao ny firaisana sy ny fanambadiana. Mihevitra ireo olona tsy vahoakan’ilay Fanjakana fa tsy ratsy ny mijery sary vetaveta, ny manitsakitsa-bady, ny misara-panambadiana, ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Tia tena izy ireny, ary tsy mieritreritra ny vokatry ny ataony. Efa niala tamin’ny hevi-diso toy izany ny vahoakan’ilay Fanjakana. Marina fa Kristianina maro no ratsy fitondran-tena taloha. Heverin’izy ireo ho fanomezana avy amin’Andriamanitra anefa izao ny firaisana sy ny fanambadiana. Lasa sarobidy amin’izy ireo ny fitsipik’i Jehovah, ary ekeny tanteraka hoe tsy mendrika ny ho vahoakan’ilay Fanjakana ny olona ratsy fitondran-tena. (1 Kor. 6:9-11) Takatr’izy ireo koa anefa fa mamitaka ny fo, ka faly izy ireo rehefa mahazo fampitandremana mazava, izay manampy azy ireo ho tsara fitondran-tena foana.—Jer. 17:9.

TOKONY HANARAKA FAMPITANDREMANA ISIKA

10, 11. Inona no fampitandremana omen’ny Fanjakan’Andriamanitra antsika, ary inona no tsapanao momba ireny fampitandremana ireny?

10 Mety hamoaka fampitandremana voalanjalanja koa ny fanjakan’olombelona. Manao izany, ohatra, izy ireo rehefa misy sakafo na fanafody mampidi-doza, mba hahafahany miaro ny vahoakany. Tsy miraharaha ny vahoakany izy, raha tsy manao izany. Toy izany koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Mamoaka fampitandremana ara-potoana izy io momba ny loza ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Ampiasaina be, ohatra, ny Internet ankehitriny mba hifandraisana, sy hianarana, ary hialana voly. Mampiasa Internet koa ny fandaminana ary mahavita zavatra maro amin’izy io. Misy zavatra maro anefa ao amin’ny Internet mety hanimba ny fitondran-tenantsika sy ny ara-panahintsika. Anisan’izany ny sary vetaveta. Faly isika satria mampitandrina momba azy ireny ny mpanompo mendri-pitokisana, ary efa an-taonany maro izy no nanao izany.

11 Lasa be mpitia koa tato ho ato ny tranonkala fifaneraserana ao amin’ny Internet. Mety hahasoa antsika izy io, kanefa mety hanimba koa, ka tena ilana fitandremana. Mety hifanehatra amin’ny naman-dratsy isika ao amin’izy io. (1 Kor. 15:33) Toy izany koa ny telefaonina. Mety hahasoa antsika izy io, raha ampiasaina amin’ny fomba tsara. Mety hanimba antsika koa anefa izy io. Tsy mahagaga àry raha namoaka fampitandremana voalanjalanja ny fandaminana. Efa novakinao daholo àry ve ireo lahatsoratra navoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana momba ny tranonkala fifaneraserana sy ny fampiasana telefaonina? Tsy hendry isika raha mampiasa azy ireny, nefa tsy mamaky an’ireny lahatsoratra ireny! * Toy ny hoe mihinana fanafody mahery isika amin’izany, nefa tsy nihaino na namaky ny fampitandreman’ny dokotera.

12. Nahoana no hadalana ny hoe tsy miraharaha fampitandremana?

12 Mampidi-doza ny tenany sy ny fianakaviany ary ny namany, ireo olona tsy miraharaha ny fampitandreman’ny mpanompo mendri-pitokisana. Lasa nandevozin’ny fijerena sary vetaveta na nijangajanga ny sasany tamin’ireny olona ireny, ary nanjary nieritreritra fa tsy hitan’i Jehovah ny zavatra ataony. Adala isika raha mihevitra fa azontsika afenina an’i Jehovah ny zava-dratsy ataontsika! (Ohab. 15:3; vakio ny Hebreo 4:13.) Azon’ny fitondran’olombelona esorina amin’ny olona iray ny zom-pirenena nomena azy, raha nandika lalàna izy. Toy izany koa fa esorin’i Jehovah tsy ho olom-pirenen’ilay Fanjakana ireo mandika ny lalàny nefa tsy mibebaka. * (1 Kor. 5:11-13) Mamindra fo anefa i Jehovah, ary mampiasa ny anti-panahy izy mba hanampiana an’ireo olona nanota. (Gal. 6:1) Afaka ny ho naman’i Jehovah indray ireny olona ireny raha mibebaka sy miova, ka ho vahoakan’ilay Fanjakana foana. (2 Kor. 2:5-8) Voninahitra tokoa ny manompo Mpanjaka be fitiavana toy izany!

TOKONY HO TIA MIANATRA ISIKA

13. Ahoana no ampisehoan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra fa sarobidy aminy ny fianarana?

13 Maro ny fanjakana miezaka mafy mampianatra ny vahoakany. Manangana sekoly izy ireo mba hampianarana mamaky teny sy manoratra, ary hampianarana asa. Tena tiantsika ireny fianarana ireny, ka mazoto mianatra isika mba hahay hamaky teny, sy hanoratra, ary hamelon-tena. Mbola sarobidy lavitra amintsika anefa ny fampianarana omen’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampirisika antsika hamaky teny i Jehovah, amin’ny alalan’ny fiangonana. Ampirisihina hamaky teny amin’ny zanany mbola kely, ohatra, ny ray aman-dreny. Ampirisihina koa isika hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izay avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana isam-bolana. Ho voavakintsika ao anatin’ny iray volana izy ireny, raha mamaky pejy vitsivitsy isan’andro isika. Haharaka ny fampianarana omen’ilay Fanjakana isika amin’izay.

14. a) Inona no fampiofanana azontsika? b) Inona no soso-kevitra momba ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana efa nampiharinao ka nahafinaritra anao?

14 Mahazo fampiofanana isan-kerinandro ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ireo fivoriana kristianina. Efa nandritra ny 60 taona mahery, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana no nanampy ny mpitory mba hahay hampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mandray anjara amin’izy io ve ianao? Nampirisika antsika koa ny mpanompo mendri-pitokisana tato ho ato, mba hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro. Tena mampiray saina ny mpianakavy izy io! Efa nampiharinao ve ireo soso-kevitra momba azy io, navoaka tao amin’ny boky aman-gazetintsika? *

15. Inona no tombontsoa lehibe ananantsika?

15 Mamory vahoaka eny an-kalamanjana ny antoko politika sasany, mba hitadiavana olona hanohana azy. Mety handeha isan-trano mihitsy aza izy ireo. Toy izany koa no ataontsika. Mazoto manohana ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ka mitory eny an-dalana sy isan-trano. Hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha aza, fa Ny Tilikambo Fiambenana no gazety miely indrindra eran-tany, ary manambara ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. Anisan’ny tombontsoa lehibe indrindra ananantsika ny mitory momba an’io Fanjakana io. Mazoto mitory àry ve ianao?—Mat. 28:19, 20.

16. Ahoana no anaporofoanao fa olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao?

16 Tsy ho ela dia ny Fanjakan’Andriamanitra irery no hitondra ny tany. Hikarakara ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika io Fanjakana io amin’izay, na eo amin’ny lafiny ara-panahy na amin’ny lafiny hafa. Ho olom-pirenena mendrika ve ianao amin’izay fotoana izay? Afaka manaporofo izany ianao dieny izao. Ataovy ho voninahitr’i Jehovah foana izay fanapahan-kevitra raisinao, dia ho voaporofo fa tena olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao.—1 Kor. 10:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2011, pejy 6-7, sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2011, pejy 3-6.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 14]

Manaraka an’ireo fampitandremana momba ny Internet ve ianao?

[Sary, pejy 12]

Toa an’ireo zanak’i Kora ve ianao, ka tia ny fivavahana marina sy ny tantaran’izy io?

[Sary, pejy 15]

Ho tena vahoakan’ilay Fanjakana ianao sy ny fianakavianao raha manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana