Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Halaviro ny Fandrik’i Satana!

Halaviro ny Fandrik’i Satana!

Halaviro ny Fandrik’i Satana!

‘Tohero ny teti-dratsin’ny Devoly.’—EFES. 6:11.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Inona no azon’ny mpanompon’i Jehovah atao mba tsy ho lasa tia harena?

Inona no azon’ny Kristianina atao mba tsy hahatonga azy hanitsakitsa-bady?

Araka ny hevitrao, inona ny soa azo rehefa miezaka mafy mba tsy ho lasa tia harena na haloto fitondran-tena?

1, 2. a) Nahoana i Satana no mankahala ny voahosotra sy ny “ondry hafa”? b) Inona no fandrik’i Satana hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

MANKAHALA ny olombelona i Satana Devoly, ka ny mpanompon’i Jehovah no tena halany. Voalohany amin’izany ny sisa voahosotra. Miady amin’ireo Kristianina be herim-po ireo i Satana, satria mitarika ny asa fitoriana izy ireo, ary mampahafantatra fa i Satana no mitondra an’ity tontolo ity. (Apok. 12:17) Tsy tian’i Satana koa ny “ondry hafa”, satria manohana ny voahosotra izy ireo ary hiaina mandrakizay. Izy anefa tsy mba hiaina mandrakizay. (Jaona 10:16) Tsy mahagaga àry raha tezitra i Satana! Na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany, dia tadidio fa ny handrapaka antsika no tanjony fa tsy ny hanasoa antsika.—1 Pet. 5:8.

2 Mampiasa fandrika isan-karazany i Satana mba hanatratrarana ny tanjony. ‘Nohajambainy ny sain’ny tsy mino’, ka tsy manaiky ny vaovao tsara izy ireo ary tsy mahita ny fandrika ataony. (2 Kor. 4:3, 4) Voafandriky ny Devoly koa anefa na dia ny olona sasany efa nanaiky ny vaovao tsara aza. Nisy fandrika telo fampiasan’i Satana, noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Noresahina tao ny momba ny teny tsy voafehy, ny tahotra olona, ary ny fanamelohan-tena tafahoatra. Horesahintsika indray izao ny fomba azo ialana amin’ny fandrika roa hafa, dia ny fitiavan-karena sy ny fanitsakitsaham-bady.

FANDRIKA NY FITIAVAN-KARENA

3, 4. Nahoana ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity no mety hahatonga antsika hikatsaka harena?

3 Nanao fanoharana momba ny voa nafafy teny amin’ny tsilo i Jesosy, indray mandeha. Nilaza izy fa mety handre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona iray, “kanefa ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena dia mangeja ny teny, ka manjary tsy mamoa izy.” (Mat. 13:22) Ampiasain’i Satana tokoa ny fitiavan-karena mba hamandrihana antsika.

4 Zavatra roa mitambatra no “mangeja ny teny.” Voalohany, “ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity.” Betsaka tokoa ny zavatra mety hiteraka fanahiana amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Tim. 3:1) Mety ho sarotra aminao ny mahita vola ampy hivelomana, satria miakatra be ny vidim-piainana ary be dia be ny tsy an’asa. Mety hanahy momba ny hoavy koa ianao, ka ho lasa saina hoe: ‘Hanam-bola ampy hivelomako ve aho, rehefa antitra ka tsy afaka miasa intsony?’ Noho ny fanahiana toy izany, dia mikatsaka harena ny olona sasany, satria mihevitra fa tsy ho ory na inona na inona izy rehefa manam-bola.

5. Nahoana no lazaina hoe mamitaka ny “harena”?

5 Faharoa, “ny famitahan’ny harena.” Milaza ny Baiboly fa ‘fiarovana ny vola’, izany hoe manampy antsika hahazo izay ilaintsika. (Mpito. 7:12) Tsy hendry anefa isika raha mikatsaka vola aman-karena. Maro no mahatsapa fa arakaraka ny iezahany hahazo harena, dia vao mainka izy mitady harena, ka toy ny hoe voafandrik’izy io. Lasa andevozin’ny vola aman-karena mihitsy aza ny olona sasany.—Mat. 6:24.

6, 7. a) Inona no mety hitranga any am-piasana, ka mety hahatonga ny olona iray ho lasa tia harena? b) Inona no tokony hodinihin’ny Kristianina iray, raha angatahina hiasa mandritra ny ora fanampiny izy?

6 Mety tsy ho tandrintandrintsika akory dia mety ho lasa tia harena isika. Eritrereto izao: Manatona anao ny mpampiasa anao ary milaza hoe: “Misy vaovao tsara be! Nahazo asa vaovao ny orinasantsika. Midika izany hoe tsy maintsy hiasa bebe kokoa isika, mandritra ny volana vitsivitsy. Matokia fa homena karama fanampiny ianao!” Ahoana no hataonao raha izany no mitranga? Marina aloha fa andraikitra lehibe ny mamelom-bady aman-janaka. Tsy izany ihany anefa no andraikitrao. (1 Tim. 5:8) Misy zavatra hafa koa tokony hodinihinao. Anisan’izany ny hoe: Adiny firy ianao no tsy maintsy hiasa, ankoatra ny ora fiasana mahazatra? Ho voahelingelin’ilay asa ve ny fandaharanao ara-panahy, anisan’izany ny fivoriana sy ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

7 Eritrereto hoe inona no zava-dehibe indrindra aminao: Ny vola fanampiny horaisinao ve, sa ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Ho may hahazo vola bebe kokoa ve ianao, ka tsy hataonao loha laharana intsony ilay Fanjakana? Takatrao ve fa raha ny vola sy ny harena no ataonao eo amin’ny toerana voalohany, dia ho lasa an-tsirambina ny ara-panahinao sy ny an’ny fianakavianao, ka ho simba ny fifandraisanareo amin’i Jehovah? Ahoana anefa raha efa tandindomin-doza ny ara-panahinao izao? Inona no azonao atao mba tsy hahatonga anao ho voagejan’ny fitiavan-karena?—Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.

8. Inona ny ohatra ara-baiboly afaka manampy antsika handinika ny fiainantsika?

8 Ilaina ny mandinika foana ny fomba fiainantsika, mba tsy hahatonga antsika ho voagejan’ny fitiavan-karena. Mila mitandrina isika mba tsy hanao tsinontsinona ny zava-masina, toy ny nataon’i Esao. (Gen. 25:34; Heb. 12:16) Tsy tokony hanahaka an’ilay lehilahy nanan-karena niresahan’i Jesosy koa isika. Nasain’i Jesosy hivarotra ny fananany sy hanome izany ho an’ny mahantra izy, ary avy eo hanara-dia azy. Tsy nanao izany anefa ilay lehilahy, fa ‘lasa tamin’alahelo satria maro ny fananany.’ (Mat. 19:21, 22) Voafandriky ny harena izy ka matiantoka be, satria tsy lasa mpanara-dia an’ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany! Mitandrema koa àry sao ho very ny tombontsoanao, dia ny hoe mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.

9, 10. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny zavatra ara-nofo, raha ny Baiboly no jerena?

9 Mila manaraka an’ity torohevitr’i Jesosy ity isika, mba tsy hanahy be loatra momba ny fiainana. Hoy izy: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.”—Mat. 6:31, 32; Lioka 21:34, 35.

10 Tsy tokony hanaiky ho voafitaky ny harena isika, fa hanana fomba fihevitra toa an’i Agora, mpanoratra Baiboly. Hoy izy: “Aza atao mahantra loatra aho, na manan-karena loatra. Izay tena ilaiko ihany omena ahy.” (Ohab. 30:8, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Takatr’i Agora tsara fa ilaina ny vola. Takany koa anefa hoe mamitaka izy io. Tokony ho takatsika koa àry fa mety hanimba antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena. Raha manahy be loatra momba izay ilaintsika isika, dia mety ho lany amin’ny fitadiavam-bola ny fotoanantsika sy ny herintsika, ary tsy hazoto hikatsaka an’ilay Fanjakana intsony isika. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny tsy ho azon’i Satana amin’ny fitiavan-karena.—Vakio ny Hebreo 13:5.

FANDRIKA TSY MORA HITA NY FANITSAKITSAHAM-BADY

11, 12. Inona no zavatra mety hitranga any am-piasana, ka mety hahatonga ny Kristianina iray hanitsakitsa-bady?

11 Rehefa te hisambotra biby lehibe ny mpihaza, dia manamboatra lavaka eo amin’ny lalana falehan’ilay biby. Saronany rantsan-kazo sy tany kely izany avy eo, mba tsy ho hitan’ilay biby. Mitovy amin’io karazana fandrika io ny fandrika tena mandaitra iray ampiasain’i Satana. Tsy inona izany fa ny fitondran-tena maloto. (Ohab. 22:14; 23:27) Maro ny Kristianina latsaka tao anatin’io lavaka io, satria tsy nitandrina tamin’ireo toe-javatra mora mahavoan’ny fakam-panahy. Lasa raiki-pitia tamin’olon-kafa tsy vadiny ny Kristianina sasany, ka nanjary nanitsakitsa-bady.

12 Mety ho lasa raiki-pitia amin’ny olona any am-piasany ny Kristianina iray efa manambady. Hita tamin’ny fanadihadiana fa nijangajanga tamin’ny mpiara-miasa taminy ny ankamaroan’ireo lehilahy nanitsakitsaka ny vadiny. Toy izany koa ny antsasany mahery tamin’ireo vehivavy nanitsakitsa-bady. Ahoana àry no hataonao, raha vehivavy ianao, ka tsy maintsy mifandray amin’ny lehilahy any am-piasana, na lehilahy ianao ka tsy maintsy mifanerasera amin’ny vehivavy any am-piasana? Diniho hoe manao ahoana ny fifandraisanareo. Feranao ve ny resakareo mba ho resaka asa ihany? Raha miresaka matetika amin’ny lehilahy iray ny anabavy iray, dia mety hiresaka ny tsiambaratelony ilay anabavy amin’ny farany, na hiresaka ny olana ao an-tokantranony mihitsy. Raha minamana amin’ny vehivavy koa ny rahalahy iray any am-piasana, dia mety hanjary hieritreritra izy hoe mahafinaritra ilay vehivavy. Mety ho tsapany hoe zava-dehibe amin’ilay vehivavy ny heviny, mihaino azy tsara ilay vehivavy rehefa miresaka izy, sady tena manaja azy. Mety hieritreritra àry ilay rahalahy hoe: “Raha mba hoatran’izany mantsy ny vadiko!” Takatrao ve fa mety hahatonga ny Kristianina hanitsakitsa-bady ny toe-javatra toy izany?

13. Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina manambady ho raiki-pitia amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana?

13 Mety ho lasa raiki-pitia amin’ny olona iray eo anivon’ny fiangonana koa ny Kristianina manambady. Diniho izay nitranga tamin’i Daniel sy Sarah. * Mpisava lalana maharitra izy mivady. Anti-panahy i Daniel, ary tsy mba mandà mihitsy rehefa misy andraikitra ampanaovina azy. Nisy lehilahy dimy nampianariny Baiboly, ary natao batisa ny telo. Nila fanampiana be ireo rahalahy vao vita batisa ireo, ary i Sarah matetika no nanampy azy ireo, rehefa repotra tamin’ny andraikiny i Daniel. Nanjary i Sarah foana no nampahery azy ireo, rehefa nila fampaherezana izy ireo. I Sarah koa anefa mba nila olona hiahy azy, ary ireo rahalahy ireo no niahy azy. Loza anefa no vokatr’izany rehetra izany. Hoy i Daniel: “Nanampy an’ireo rahalahy ireo foana ny vadiko nandritra ny volana maro, ka nila fanampiana ara-panahy sy ara-pihetseham-po. Izaho anefa tsy nanampy azy. Loza no vokany, satria niaraka tamin’ilay rahalahy iray nampianariko izy. Variana loatra tamin’ny andraikitro aho, ka tsy hitako akory hoe hay efa lasa nalemy ara-panahy ny vadiko.” Inona no azonao atao mba hisorohana ny loza toy izany?

14, 15. Inona no afaka manampy ny Kristianina mba tsy hanitsakitsa-bady?

14 Tokony hosaintsaininao hoe inona no dikan’ny hoe tsy mivadika amin’ny vady, raha tianao ny tsy hanitsakitsa-bady. Hoy i Jesosy: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Mat. 19:6) Midika izany fa tsy tokony hisy na inona na inona hanasaraka anao amin’ny vadinao. Aza mieritreritra mihitsy hoe zava-dehibe kokoa noho ny vadinao ny andraikitrao eo anivon’ny fiangonana. Tadidio koa fa raha zatra manao zavatra tsy miaraka amin’ny vadinao ianao, nefa tsy tena zava-dehibe ilay izy, dia mety hanaratsy ny fifandraisanareo mivady izany. Mety hiteraka fakam-panahy izany, ary mety hitarika ho amin’ny fahotana lehibe.

15 Raha anti-panahy anefa ianao, dia mety hieritreritra hoe: ‘Dia ahoana izany ny fikarakarana ny fiangonana?’ Nilaza tokoa ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, ary tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa.” (1 Pet. 5:2) Midika izany fa tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fikarakarana ny andian’ondry. Na izany aza anefa, dia tsy mety raha vitanao tsara ny andraikitrao amin’ny maha anti-panahy anao, nefa ataonao tsirambina ny andraikitrao amin’ny maha vady anao. Tsy hisy dikany raha toa ianao ka mifantoka tanteraka amin’ny famahanana ny andian’ondry, nefa mamela ny vadinao ho mosarena ara-panahy. Mety hampidi-doza ny tokantranonareo mihitsy aza izany. Hoy i Daniel, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy mety ny hoe miezaka mafy manao ny andraikitrao eo anivon’ny fiangonana ianao, nefa manao tsirambina ny fianakavianao.”

16, 17. a) Inona no azon’ny Kristianina manambady atao, mba hampisehoana amin’ny mpiara-miasa fa tsy hiaraka amin’olon-kafa mihitsy izy? b) Inona no lahatsoratra afaka manampy ny Kristianina hisoroka fakam-panahy?

16 Misy torohevitra tsara be dia be ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, natao hanampiana ny Kristianina mba tsy hanitsakitsa-bady. Izao, ohatra, no voalazan’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2006: ‘Halaviro ny toe-javatra mety hahatonga anao hiraiki-po amin’ny olona tsy vadinao, rehefa any am-piasana, na any an-toeran-kafa. Mety ho tratran’ny fakam-panahy, ohatra, ny lehilahy sy vehivavy, raha miara-miasa akaiky ivelan’ny ora fiasana. Raha lehilahy na vehivavy manambady ianao, dia asehoy mazava tsara amin’ny alalan’ny teninao sy ny fihetsikao, fa tsy afaka miaraka amin’olona ankoatra ny vadinao ianao. Olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra koa ianao, ka azo inoana fa tsy ho ianao indray no hijejojejo amin’ny olona na hihaingo amin’ny fomba tsy maotina, mba hisarihana ny sain’ny hafa. Azonao asiana sarin’ny vady aman-janakao koa ao amin’ny toeram-piasanao. Izany no hampahatsiahy anao sy ny hafa, fa tianao ny ankohonanao. Aoka ianao ho tapa-kevitra handa an-kitsirano, rehefa misy olona mitady hanangoly anao.’

17 Tena tsara koa ny torohevitra tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tena Tsy Mivadika Amin’ny Vadinao ve Ianao?”, tao amin’ny Mifohaza! Aprily 2009. Nampitandrina ny Kristianina izy io, mba tsy haka sary an-tsaina ny tenany manao firaisana amin’olona tsy vadiny. Voalaza tao fa atahorana kokoa hijangajanga ny olona manana eritreritra toy izany. (Jak. 1:14, 15) Raha manambady àry ianao, dia tena tsara raha iarahanareo midinika tsindraindray ireny lahatsoratra ireny. I Jehovah no nanao ny fanambadiana ary masina izy io. Hita hoe mankasitraka ny zava-masina ianao, raha manokana fotoana hiresahana amin’ny vadinao momba ny tokantranonareo.—Gen. 2:21-24.

18, 19. a) Inona no vokatry ny fanitsakitsaham-bady? b) Inona no soa azon’ny olona tsy manitsakitsa-bady?

18 Raha tsapanao fa mitady hanomboka ho tia olon-kafa tsy vadinao ianao, dia saintsaino ny voka-dratsin’ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady. (Ohab. 7:22, 23; Gal. 6:7) Tsy mampifaly an’i Jehovah ny olona maloto fitondran-tena. Mandratra ny fon’ny vadiny koa izy, sady manimba ny tenany. (Vakio ny Malakia 2:13, 14.) Eritrereto koa ny soa azon’ny olona madio fitondran-tena foana. Tsara ny fiainany dieny izao, manana feon’ny fieritreretana madio izy, ary hiaina mandrakizay.—Vakio ny Ohabolana 3:1, 2.

19 Nilaza ny mpanao salamo fa ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalàn’Andriamanitra, ary tsy hisy fandrika hahavoa azy ireo. (Sal. 119:165) Aoka àry ianao ho tia ny fahamarinana, ary ‘mitandrema hatrany mba tsy hitondranao tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry’, amin’izao andro feno faharatsiana izao. (Efes. 5:15, 16) Fenoin’i Satana fandrika ny lalantsika mpanompon’i Jehovah. Omen’i Jehovah izay rehetra ilaintsika anefa isika, mba hahafahantsika ‘hiorina mafy’ sy hahavita “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.”—Efes. 6:11, 16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Novana ireo anarana.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Mangeja ny fitiavan-karena, ka manakana antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah. Aza avela hitranga aminao izany

[Sary, pejy 29]

Mety ho voatarika hanitsakitsa-bady ny olona iray, raha manadaladala olona, na manaiky hadaladalain’ny olona