Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Nitsiriritra Zavatr’olona Loatra i Gehazy

Nitsiriritra Zavatr’olona Loatra i Gehazy

EFA nisy zavatra tena tianao ho azo ve?... * Tsy ianao irery no hoatr’izany. Mety ve anefa raha mandainga ianao mba hahazoana an’ilay izy?... Tsy mety izany. Fetsifetsy ratsy ny olona hoatr’izany. Izany no nahavoa an’ilay lehilahy iray atao hoe Gehazy. Mpanompon’i Elisa, mpaminanin’i Jehovah Andriamanitra, izy. Andeha hojerentsika ilay tantara.

Efa taloha ela be i Elisa sy Gehazy no niaina. Angamba arivo taona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Zanak’Andriamanitra tetỳ an-tany. Nampiasa an’i Elisa i Jehovah tamin’izany mba hanao fahagagana. Boka, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Namàna. Sefon’ny miaramila syrianina izy io. Tsy nisy nahay nanasitrana mihitsy izy afa-tsy i Elisa ihany.

Te hanome volamena sy volafotsy ary akanjo tsara tarehy ho an’i Elisa i Namàna rehefa sitrana, satria faly be izy. Tsy mba naka vola tamin’ny olona mihitsy anefa i Elisa rehefa nasain’Andriamanitra nanasitrana. Fantatrao ve hoe fa maninona?... Satria fantatr’i Elisa fa i Jehovah no nanao an’ilay fahagagana fa tsy izy. Tsy nety nandray an’ilay fanomezana àry i Elisa, fa i Gehazy no tena te hahazo an’ilay izy.

Rehefa lasa i Namàna, dia lasa nanenjika azy i Gehazy. Tsy niteniteny tamin’i Elisa izy. Fantatrao ve izay nolazain’i Gehazy rehefa tratrany i Namàna?... Hoy izy: ‘Nirahin’i Elisa aho hiteny aminao hoe misy vahiny anankiroa vao tonga any aminy. Mba omeo akanjo indroa misolo, hono, izy homeny an’ireo vahininy ireo.’

Lainga be anefa izany! Noforonin’i Gehazy fotsiny ilay hoe nisy vahiny tonga. Te hahazo ny akanjo saika homen’i Namàna an’i Elisa mantsy izy. Tsy fantatr’i Namàna izany hafetsen’i Gehazy izany. Nomen’i Namàna an’i Gehazy àry ilay fanomezana. Betsaka noho izay nangatahin’i Gehazy aza no nomeny. Fantatrao ve izay nitranga avy eo?...

Rehefa tonga tany an-trano i Gehazy, dia hoy i Elisa taminy: ‘Avy taiza ianao?’

Hoy i Gehazy: ‘Tsy taiza tsy taiza aho ka!’ Efa nampahafantarin’i Jehovah an’i Elisa anefa izay nataon’i Gehazy, ka hoy i Elisa: ‘Tsy fotoana andraisana vola sy akanjo ange izao e!’

Nalain’i Gehazy ilay vola sy akanjo nefa tsy an’azy akory. Nafindran’Andriamanitra taminy àry ny aretin’i Namàna, ka izy indray no lasa boka. Inona no lesona raisintsika avy amin’izany?... Tsy tokony handainga na hamorona tantara valamaty isika.

Fa naninona no nandainga i Gehazy?... Nitsiriritra zavatr’olona loatra izy dia nandainga mba hahazoany izany. Fetsifetsy ratsy izy, ka lasa boka mandra-pahafatiny.

Ratsy kokoa noho izany aza no nahazo an’i Gehazy. Fantatrao ve hoe inona izany?... Lasa tsy tian’Andriamanitra intsony izy. Aza manao zavatra mety hahatonga anao tsy ho tian’Andriamanitra mihitsy àry. Tokony ho tsara fanahy foana ianao ary ho tia mizara amin’ny hafa.

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.