Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Faharetana toa An’i Jehovah sy Jesosy

Manàna Faharetana toa An’i Jehovah sy Jesosy

“Hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.”—2 PET. 3:15.

1. Inona no mety ho tonga ao an-tsain’ny mpanompon’i Jehovah sasany?

HOY ny anabavy tsy mivadika iray, niaritra olana be dia be nandritra ny taona maro: “Hahita ny fahatongavan’ny farany ihany ve aho?” Mieritreritra toy izany koa ny olona sasany nanompo an’i Jehovah efa ela. Tsy andrintsika tokoa ny fotoana hanavaozan’i Jehovah ny zava-drehetra, ka hanesorany ny olana rehetra mahazo antsika. (Apok. 21:5) Maro ny antony inoantsika hoe efa hifarana ny tontolon’i Satana, nefa mety ho sarotra amintsika ny miandry an’izany.

2. Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Milaza anefa ny Baiboly fa tsy maintsy manana faharetana isika. Mila manana an’io toetra io isika ary manana finoana matanjaka, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Raha manao izany isika, dia ho toa an’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny, ka hahazo ny zavatra nampanantenain’i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 6:11, 12.) Manam-paharetana Andriamanitra. Azony natao ny namarana ny faharatsiana avy hatrany, rehefa te hanao izany izy. Miandry ny fotoana mety tsara anefa izy. (Rom. 9:20-24) Nahoana izy no manam-paharetana be toy izany? Ahoana koa no nampisehoan’i Jesosy fa manam-paharetana toa an’i Jehovah izy? Inona no soa horaisintsika raha miezaka hanam-paharetana isika? Hanampy antsika hanana faharetana sy finoana matanjaka ny valin’ireo, indrindra fa raha mihevitra isika hoe ela be i Jehovah vao manao zavatra.

NAHOANA I JEHOVAH NO MANAM-PAHARETANA?

3, 4. a) Nahoana i Jehovah no manam-paharetana? b) Inona no nataon’i Jehovah rehefa nikomy i Adama sy Eva?

3 I Jehovah no manana ny fahefana fara tampony eo amin’izao rehetra izao, ary azony alamina avy hatrany ny olana rehetra mitranga. Misy antony tsara anefa matoa izy miandry. Misy fanontaniana lehibe nipoitra, taorian’ilay fikomiana tany Edena. Fantatr’i Jehovah fa elaela ireo fanontaniana ireo vao ho voavaly tsara, ka izay no mahatonga azy hanam-paharetana. Mahalala tsara ny ataon’ny zavaboariny tsirairay any an-danitra sy etỳ an-tany i Jehovah, sady mahalala ny eritreritr’izy ireo, ka azo antoka fa tena hahasoa antsika ny zavatra ataony.—Heb. 4:13.

4 Ny fikasan’i Jehovah dia hoe ho feno taranak’i Adama sy Eva ny tany. Tsy niova izany fikasany izany, na dia voafitak’i Satana aza i Eva, ary tsy nankatò an’i Jehovah i Adama. Tsy nampikorontana an’i Jehovah izany. Tsy nahatonga azy hanapa-kevitra maimaika izany, na hanao zavatra tafahoatra, ka hoe hanary ny olombelona. Nitady fomba hafa kosa izy, mba hanatanterahana ny fikasany momba ny olombelona sy ny tany. (Isaia 55:11) Nifehy tena be i Jehovah sady nanam-paharetana, mba hahafahany hanatanteraka ny fikasany sy hanamarina ny zony hitondra. Niandry an’arivony taona mihitsy aza izy, mba ho tanteraka amin’ny fomba faran’izay tsara ny fikasany.

5. Inona no fitahiana azo avy amin’ny faharetan’i Jehovah?

5 Manam-paharetana koa i Jehovah, satria tiany ho maro kokoa ny olona hiaina mandrakizay. Manao zavatra izy ankehitriny mba hamonjena “vahoaka be.” (Apok. 7:9, 14; 14:6) Mampirisika ny olona hianatra momba ny Fanjakany sy ny fitsipiny izy, amin’ny alalan’ny asa fitoriana. Tena ‘vaovao tsara’ ho an’ny olona ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary tsy misy vaovao tsara hoatr’izany! (Mat. 24:14) Rehefa taomin’i Jehovah ny olona iray, dia lasa anisan’ny fianakaviambe iray maneran-tany, izay misy olona tena mpinamana sy tia ny tsara. (Jaona 6:44-47) Manampy an’ireny olona ireny mba hahazo ny fankasitrahany ilay Andriamanitsika be fitiavana. Ankoatra izany, dia mifidy olona sasany avy eto an-tany i Jehovah, mba ho mpitondra ao amin’ny fanjakany any an-danitra. Rehefa lasa any an-danitra izy ireo, dia hanampy an’ireo olona mankatò eto an-tany mba ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay. Hitantsika amin’izany fa na dia manam-paharetana aza i Jehovah, dia manao zavatra izy mba hanatanterahana ny fikasany, ary mahasoa antsika izany.

6. a) Inona no mampiseho hoe nanam-paharetana i Jehovah tamin’ny andron’i Noa? b) Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy ankehitriny?

6 Manam-paharetana i Jehovah, na dia misy zavatra tena mampahatezitra azy aza. Eritrereto, ohatra, ny nataony rehefa feno faharatsiana ny tany, talohan’ny Safodrano. “Nalahelo ny fony”, satria naloto fitondran-tena sy nahery setra ny olona, ary tsy nieritreritra afa-tsy ny hanao ratsy. (Gen. 6:2-8) Tsy afaka namela izany hitohy mandrakizay izy, ka nanapa-kevitra handefa safodrano handringanana an’ireo olona tsy mankatò. Mbola “niandry tamim-paharetana” anefa izy. Nanao zavatra hamonjena an’i Noa sy ny fianakaviany izy, teo am-piandrasana an’ilay fotoana handefasana ny safodrano. (1 Pet. 3:20) Nolazainy tamin’i Noa, ohatra, ny fanapahan-keviny rehefa tonga ny fotoana nety, ary nasainy nanamboatra sambofiara izy. (Gen. 6:14-22) Nirahiny hampitandrina ny mpiara-belona taminy koa i Noa, ka lasa “mpitory ny fahamarinana.” (2 Pet. 2:5) Nilaza i Jesosy hoe toy ny tamin’ny andron’i Noa ny androntsika. Efa nanapa-kevitra i Jehovah hoe rahoviana izy no handringana an’ity tontolo ratsy ity. Tsy misy olona mahalala anefa ny “andro sy ora” hahatongavan’izany. (Mat. 24:36) Asain’i Jehovah hampitandrina ny olona àry isika, ary hilaza amin’izy ireo izay tokony hataony mba hahatonga azy ireo ho voavonjy.

7. Mitaredretra ve i Jehovah manatanteraka ny fampanantenany? Hazavao.

7 Mazava àry fa tsy hoe mipetra-potsiny miandry ny fotoana i Jehovah, na dia manam-paharetana aza. Tsy midika koa izany hoe tsy mijery ny zava-mitranga izy, na hoe tsy miraharaha. Mety ho sarotra anefa ny mitadidy izany, rehefa mihantitra isika na mijaly. Mety ho kivy isika, na hieritreritra hoe mitaredretra i Jehovah manatanteraka ny fampanantenany. (Heb. 10:36) Aza hadinoina anefa hoe manana antony tsara izy matoa manam-paharetana, ary manao zavatra izy mba hahasoa an’ireo mpanompony tsy mivadika, eo am-piandrasana ny fotoana. (2 Pet. 2:3; 3:9) Manam-paharetana toy izany koa i Jesosy. Handinika ny ohatra navelany indray isika izao.

AHOANA NO NAMPISEHOAN’I JESOSY FA MANAM-PAHARETANA IZY?

8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe manam-paharetana izy?

8 Manao ny sitrapon’i Jehovah i Jesosy, ary efa an’arivony taona izy no nazoto nanao izany. Rehefa nikomy i Satana, dia nanapa-kevitra i Jehovah hoe hirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany lahitokana ary ho lasa Mesia. Nanam-paharetana i Jesosy, satria niandry an’arivony taona izy mandra-pahatongan’izany fotoana izany. (Vakio ny Galatianina 4:4.) Tsy hoe niandry fotsiny anefa izy, fa nanao ny asa nampanaovin’ny Rainy azy. Rehefa tonga tetỳ an-tany izy, dia fantany fa hataon’i Satana izay hahafaty azy, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Gen. 3:15; Mat. 16:21) Nijalijaly tokoa izy tamin’ny fotoana namonoana azy. Nanam-paharetana anefa izy niaritra an’izany, satria fantany fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Tsy nieritreritra be momba ny tenany na ny toerana tanany izy. Tonga lafatra ny tsy fivadihany, ka ohatra tsara ho antsika.—Heb. 5:8, 9.

9, 10. a) Inona no ataon’i Jesosy eo am-piandrasana ny fotoana voatondron’i Jehovah? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?

9 Nahazo ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty, ary mampiasa izany izy mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah. (Mat. 28:18) Miandry ny fotoana voatondron’i Jehovah anefa izy, vao manao zavatra. Nanam-paharetana izy ka niandry teo ankavanan’i Jehovah, mandra-pahatongan’ny 1914. Tamin’io fotoana io mantsy ny fahavalony no lasa fitoeran-tongony. (Sal. 110:1, 2; Heb. 10:12, 13) Tsy ho ela koa i Jesosy dia handringana ny tontolon’i Satana. Manampy ny olona anefa izy eo am-piandrasana an’izany fotoana izany, mba hahatonga azy ireo hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah sy hisotro amin’ny “ranon’aina.”—Apok. 7:17.

10 Ahoana no azonao anahafana an’i Jesosy? Marina fa tena te hanao izay rehetra nangatahin’ny Rainy taminy i Jesosy, kanefa vonona hiandry ny fotoana voatondron’i Jehovah izy. Mila manam-paharetana toy izany koa isika, eo am-piandrasana ny faran’ny tontolon’i Satana. Tsy tokony hanao zavatra alohan’i Jehovah isika, na ho kivy ka hitsahatra hanompo azy. Inona àry no azontsika atao mba hananantsika faharetana?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANAM-PAHARETANA?

11. a) Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny faharetana? b) Nahoana isika no tokony hanana finoana matanjaka?

11 Afaka ny hanam-paharetana na dia ny olona tsy lavorary aza. Mampiseho izany ny ohatr’ireo mpaminany sy olona tsy nivadika, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Ny finoana no nanampy azy ireo hanam-paharetana. (Vakio ny Jakoba 5:10, 11.) Ahoana tokoa moa no nahafahan’izy ireo niandry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah, raha tsy tena nino izay nolazain’i Jehovah izy ireo? Imbetsaka izy ireo no nahavita niaritra fitsapana sy zavatra hafa nampahatahotra, satria natoky fa tsy maintsy hanatanteraka ny teniny i Jehovah. (Heb. 11:13, 35-40) Vao mainka tokony hanana finoana matanjaka isika ankehitriny, satria efa lasa “Mpandavorary ny finoantsika” i Jesosy. (Heb. 12:2) Nanatanteraka faminaniana maro mantsy izy, ary nanampy antsika hahatakatra kokoa ny fikasan’i Jehovah.

12. Inona no azontsika atao mba hanatanjahana ny finoantsika?

12 Inona no azontsika atao mba hanatanjahana ny finoantsika, ka hahatonga antsika hanam-paharetana kokoa? Tena ilaina ny manaraka ny torohevitr’Andriamanitra. Diniho, ohatra, hoe nahoana ianao no tokony hanao loha laharana an’ilay Fanjakana. Afaka miezaka kokoa ve ianao mba hampihatra ny Matio 6:33? Mety hidika izany hoe mila manokana fotoana bebe kokoa hanompoana ianao, na manatsotra ny fiainanao. Efa nitahy ny ezaka nataonao i Jehovah hatramin’izay mba hankatoavana azy. Angamba efa nanampy anao izy mba hanomboka fampianarana Baiboly, na mba hahatsapa “ny fiadanan’Andriamanitra, izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Vakio ny Filipianina 4:7.) Nandray soa ianao satria nanaraka ny torohevitr’Andriamanitra. Ilainao ny misaintsaina an’ireny soa azonao ireny, mba hanampy anao hanana faharetana.—Sal. 34:8.

13. Inona no ohatra manampy antsika hahatakatra fa manampy antsika hanam-paharetana ny finoana?

13 Eritrereto ny ataon’ny mpamboly vary. Mamafy izy, mikarakara ny voliny, ary avy eo mijinja. Rehefa be dia be ny vokatra miakatra, dia matoky kokoa izy hoe hahazo vokatra rehefa hamafy voa amin’ny manaraka. Fantany hoe tsy maintsy miandry elaela izy mandra-pahatongan’ny fiakaran’ny vokatra. Tsy misakana azy tsy hamafy voa anefa izany. Mety hampitomboiny mihitsy aza ny voa hafafiny, satria matoky izy fa tsy maintsy hijinja. Toy izany koa fa rehefa mahalala ny torohevitr’i Jehovah isika, mampihatra an’ilay izy, ary mandray soa avy amin’izany, dia lasa matoky kokoa an’i Jehovah. Mampitombo ny finoantsika koa izany, ka lasa moramora kokoa amintsika ny hanam-paharetana, ka hiandry an’ireo fitahiana efa fantatsika fa homen’i Jehovah antsika.—Vakio ny Jakoba 5:7, 8.

Ho afaka hanao loha laharana an’ilay Fanjakana isika raha manam-paharetana, ka hahazo fitahiana be

14, 15. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fijaliana mitranga eto an-tany?

14 Inona koa no hanampy antsika hanam-paharetana? Mila manana ny fomba fihevitr’i Jehovah isika, momba ny zava-misy eto amin’ity tontolo ity, sy ny toe-javatra misy antsika. Eritrereto, ohatra, ny fiheveran’i Jehovah ny fijalian’ny olombelona. Efa hatramin’ny ela be izy no malahelo mahita ny fijalian’ny olombelona. Tsy hoe difotry ny alahelo anefa izy, ka tsy mahavita manao zavatra tsara. Naniraka ny Zanany lahitokana izy mba “handrava ny asan’ny Devoly” sy hanafoana ny fijaliana rehetra vokatry ny nataon’ny Devoly. (1 Jaona 3:8) Mihelina ihany ny fijaliana, raha ny marina, fa mandrakizay kosa ny vahaolana hoentin’Andriamanitra. Tokony hino an’ireo zavatra ampanantenain’i Jehovah àry isika, fa tsy hifantoka be loatra amin’ny faharatsiana eto amin’ity tontolo ity, na tsy hanam-paharetana ka tsy hahandry ny fotoana handravana azy io. Efa nametra fotoana hanafoanana ny faharatsiana i Jehovah, ary tsy maintsy hanatanteraka izany amin’ny fotoana voatondrony.—Isaia 46:13; Nah. 1:9.

15 Mety ho voasedra mafy ny finoantsika, amin’izao andro farany tsy mora setraina izao. Mety ho tezitra isika rehefa iharan’ny herisetra, na mijaly ny mpianakavintsika. Tsy tokony hamaly faty anefa isika, fa ho tapa-kevitra hatoky an’i Jehovah tanteraka. Tsy mora izany satria tsy lavorary isika. Hanampy antsika anefa ny fitadidiana izay nataon’i Jesosy, voalaza ao amin’ny Matio 26:39.—Vakio.

16. Inona no tsy tokony hataontsika, eo am-piandrasana ny faran’ity tontolo ity?

16 Mety hanjary tsy hanam-paharetana ny olona iray, raha lasa misalasala hoe tena efa akaiky ny farany. Mety hieritreritra izy hoe aleo aloha manao izay azo atao mba hampety ny fiainana, sao dia mbola tsy ho tonga amin’izao fotoana izao ny farany. Hoatran’ny miteny ny olona toy izany hoe: ‘Aleo aloha handeha ny fotoana, fa any aoriana any hita eo raha tanterahin’i Jehovah ny teniny.’ Mety hanjary hitady laza eto amin’ity tontolo ity ny olona toy izany, na hikatsaka harena fa tsy hanao ny Fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana. Na koa mety hanao fianarana ambony izy mba hananany fiainana mampiadana. Tsy ampy finoana anefa ny olona manao toy izany. Tadidio fa nampirisika antsika i Paoly mba hanahaka an’ireo olona tsy nivadika fahiny, izay nahazo fampanantenana tamin’i Jehovah satria “nanana finoana sy faharetana.” (Heb. 6:12) Efa namaritra fotoana handravana an’ity tontolo ratsy ity i Jehovah, ka tsy ho tara mihitsy rehefa hanatanteraka izany. (Hab. 2:3) Mila mitandrina anefa isika mandra-pahatongan’izany, mba tsy ho lasa fahazarana fotsiny ny fanompoantsika an’i Jehovah. Tokony ho mailo foana isika ary hazoto hitory ny vaovao tsara, izay asa tena mahafa-po.—Lioka 21:36.

INONA NO FITAHIANA HO AZON’IREO MANAM-PAHARETANA?

17, 18. a) Inona no azontsika atao eo am-piandrasana ny farany? b) Inona no soa ho azontsika raha manam-paharetana isika izao?

17 Maniry hanompo an’i Jehovah mandrakizay isika, na vao haingana isika no nanompo an’i Jehovah, na efa am-polony taona maro. Raha manam-paharetana isika, dia ho afaka hiaritra foana eo am-piandrasana ny famonjena antsika, ary na rahoviana na rahoviana no ho tonga ny farany. Omen’i Jehovah fotoana isika izao, mba hanaporofoantsika hoe matoky tanteraka ny fanapahan-keviny ve isika, ary vonona hijaly ho an’ny anarany rehefa ilaina izany. (1 Pet. 4:13, 14) Mampiofana antsika mba hanam-paharetana koa izy, ary tena ilaina izany mba hahazoana famonjena.—1 Pet. 5:10.

18 Manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany i Jesosy, ka tsy misy mahavita misakana azy tsy hiaro anao. Hiaro anao foana izy, raha tsy hoe ianao angaha no mivadika. (Jaona 10:28, 29) Tsy tokony hatahotra ny hoavy isika, ary tsy tokony hatahotra ny ho faty koa aza. Ho voavonjy izay manam-paharetana ka miaritra hatramin’ny farany. Tsy tokony hanaiky hotaomin’ity tontolo ity àry isika, ka tsy hiantehitra amin’i Jehovah intsony. Tokony ho tapa-kevitra kosa isika hanatanjaka ny finoantsika, ary hampiasa tsara ny fotoana sisa tavela, dieny mbola manam-paharetana i Jehovah.—Mat. 24:13; vakio ny 2 Petera 3:17, 18.