Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Fantatrareo na ny Andro na ny Ora”

“Tsy Fantatrareo na ny Andro na ny Ora”

“Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”—MAT. 25:13.

1-3. a) Azo ampitahaina amin’inona ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ny virjiny sy ny talenta? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika?

ERITRERETO hoe miangavy anao ny manam-pahefana iray mba hanatitra azy any amin’ny fotoan-dehibe iray. Efa minitra vitsy alohan’ny hiaingana anefa vao hitanao hoe tsy ampy lasantsy ny fiaranao. Lasa haingana ianao mividy lasantsy, kanefa vao lasa ianao, dia tonga ilay manam-pahefana. Mitoditodika izy mitady anao. Tsy mahandry anefa izy, ka mitady olon-kafa hitondra azy. Tafaverina ianao rehefa kelikely, nefa indrisy fa lasa ilay manam-pahefana. Manao ahoana ny fihetseham-ponao?

2 Eritrereto indray hoe ianao ilay manam-pahefana. Nifidy olona mahay anankitelo ianao hanao asa lehibe iray. Nohazavainao tamin’izy ireo ilay asa, ary samy nanaiky izy telo fa hanao an’ilay izy. Rehefa niverina anefa ianao, dia hitanao fa ny anankiroa ihany no nanao an’ilay asa, fa ny anankiray tsy nanao. Sady tsy vitan’ny hoe tsy nanao izy, fa mitady fialan-tsiny koa. Tsy mba nanandrana nanomboka an’ilay asa akory izy. Manao ahoana ny fihetseham-ponao?

3 Niresaka toe-javatra mitovy amin’izany i Jesosy, tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny sy momba ny talenta. Tiany hohazavaina tamin’izay hoe nahoana no ho mendri-pitokisana sy malina ny Kristianina voahosotra sasany, mandritra ny andro farany, fa tsy ho toy izany kosa ny sasany. * (Mat. 25:1-30) Hoy izy taorian’izay: “Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”, izany hoe tsy fantatra ny fotoana hahatongavan’i Jesosy mba hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny tontolon’i Satana. (Mat. 25:13) Mila miambina hatrany koa isika ankehitriny. Inona no soa raisintsika avy amin’izany? Iza ireo olona efa niambina hatrany? Ary inona no hanampy antsika hiambina hatrany?

NY SOA AZO REHEFA MIAMBINA HATRANY

4. Nahoana no tsy voatery ho fantatra ny fotoana hahatongavan’ny farany, vao ho afaka hiambina hatrany?

4 Zava-dehibe ny fotoana indraindray. Manaraka fotoana voafaritra tsara, ohatra, ny asa sasany. Ilaina koa ny manaja fotoana rehefa ho any amin’ny dokotera, na hamonjy fiaramanidina. Mety hanelingelina na hampidi-doza anefa ny fijerena famantaranandro foana rehefa mamonjy trano may, na mamonjy olona niharan-doza. Ilay asa atao no tena zava-dehibe amin’io fotoana io, fa tsy ny fotoana. Toy izany koa ankehitriny. Tena zava-dehibe ny asa fitoriana satria efa tena akaiky ny farany. Tena ilaina ny milaza amin’ny olona hoe ahoana no hamonjen’i Jehovah azy ireo. Tsy ilaina àry ny mahalala ny fotoana hahatongavan’ny farany, vao ho afaka hiambina hatrany isika. Raha ny marina aza, dia misy tombontsoa dimy, fara fahakeliny, ho azontsika raha tsy fantatsika hoe rahoviana marina ny andro sy ora hahatongavan’izany.

5. Nahoana no lasa miharihary ny ao am-pontsika, rehefa tsy fantatsika ny fotoana hahatongavan’ny farany?

5 Voalohany, afaka mampiseho izay tena ao am-pontsika isika, rehefa tsy fantatsika ny fotoana hahatongavan’ny farany. Mampisy vidiny antsika izany, satria afaka mampiseho isika hoe tena safidintsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah. Marina fa te ho tafavoaka velona isika rehefa hifarana ity tontolo ity. Tsy ny hahazo ny fiainana anefa no tena antony anompoantsika an’i Jehovah, fa noho isika tia azy. (Vakio ny Salamo 37:4.) Faly isika manao ny sitrapony, ary tsapantsika hoe mahasoa antsika ny fampianarany. (Isaia 48:17) Tsy mavesatra amintsika mihitsy koa ny didiny.—1 Jaona 5:3.

6. Inona no tsapan’i Jehovah, rehefa manompo azy noho ny fitiavana isika? Ary nahoana izy no manana izany fihetseham-po izany?

6 Faharoa, mahasoa antsika ny hoe tsy mahalala ny andro sy ny ora hahatongavan’ny farany, satria afaka mampifaly ny fon’i Jehovah isika amin’izay. Hanampy an’i Jehovah hamaly ny fanendrikendrehan’i Satana isika, raha manompo azy noho ny fitiavana, fa tsy noho ny fiandrasana daty iray, na noho ny fanantenana valisoa fotsiny. (Joba 2:4, 5; vakio ny Ohabolana 27:11.) Faly koa isika manohana ny zon’i Jehovah hitondra sy mandà ny fitondran’i Satana, satria fantatsika fa niteraka fahoriana sy fijaliana i Satana.

7. Araka ny hevitrao, nahoana no tsara ny hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona?

7 Fahatelo, noho isika tsy mahalala ny fotoana hahatongavan’ny farany, dia afaka mampiseho isika hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Maro ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra, kanefa mino hoe hifarana tsy ho ela ity tontolo ity. Matahotra izy ireo hoe ho potika tsy ho ela ny tany, ka izao no toe-tsainy: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Kor. 15:32) Isika kosa anefa tsy matahotra, ary tsy manao izay hahafa-po ny faniriantsika fotsiny. (Ohab. 18:1) ‘Mandà tena’ kosa isika, ka mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Vakio ny Matio 16:24.) Mahafaly antsika ny manompo an’Andriamanitra, indrindra fa ny manampy ny olona hahafantatra azy.

8. Inona ny ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho fa mila miantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah sy ny Teniny isika?

8 Fahefatra, lasa miantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah isika, rehefa tsy mahafantatra ny andro sy ny ora hahatongavan’ny farany. Mandrisika antsika hampihatra ny Teniny koa izany. Matetika isika no matoky ny tenantsika, noho isika tsy lavorary. Hoy anefa i Paoly: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.” Nampahatsiahiviny fa nisy Israelita 23 000 tsy nankatò an’i Jehovah ka maty, nefa efa kely sisa dia hiditra ny Tany Nampanantenaina. Nilaza izy avy eo hoe: ‘Nosoratana izy ireny mba ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.’—1 Kor. 10:8, 11, 12.

9. Nahoana no azo lazaina hoe manampy antsika hiana-javatra sy ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny fitsapana?

9 Fahadimy, mahasoa antsika ny tsy mahafantatra hoe rahoviana ny farany, satria lasa miana-javatra avy amin’ny fitsapana mahazo antsika isika. (Vakio ny Salamo 119:71.) Tena “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” tokoa izao andro farany izao. (2 Tim. 3:1-5) Maro no mankahala antsika eto amin’ity tontolon’i Satana ity, ka mety henjehina noho ny finoantsika isika. (Jaona 15:19; 16:2) Raha manetry tena anefa isika ka mitady ny tari-dalan’i Jehovah rehefa iharam-pitsapana, dia hihamatanjaka ny finoantsika, ka ho toy ny volamena voasedra amin’ny afo. Hahavita hanompo an’i Jehovah foana isika amin’izay, fa tsy hitsahatra. Tsy izay ihany fa ho lasa tena akaiky an’i Jehovah koa isika.—Jak. 1:2-4; 4:8.

10. Rahoviana isika no mahatsapa hoe mandeha be ny fotoana?

10 Tsapantsika hoe mandeha haingana be ny fotoana indraindray, nefa hoatran’ny ela be koa indraindray. Tsy hitahita akory dia lasa ny fotoana, rehefa be atao isika ary tsy mijery famantaranandro. Toy izany koa fa tsy ho hitahitantsika akory dia ho tonga ny farany, raha be atao isika amin’ilay asa mahafinaritra ampanaovin’i Jehovah antsika. Ohatra tsara ny ankamaroan’ny voahosotra, satria be atao tokoa izy ireo. Hodinihintsika vetivety hoe inona no nitranga taorian’ny naha lasa Mpanjaka an’i Jesosy, tamin’ny 1914. Ho hitantsika fa niambina hatrany ny voahosotra sasany, ka vonona foana niandry ny fiverenan’i Kristy, fa nisy kosa tsy toy izany.

MIAMBINA HATRANY NY VOAHOSOTRA

11. Inona no nahatonga ny voahosotra sasany hieritreritra hoe tara ny Tompo?

11 Eritrereto indray ilay fanoharan’i Jesosy momba ny virjiny sy momba ilay talenta. Tsy nila niambina ireo virjiny, raha fantany hoe rahoviana no ho tonga ny mpampakatra. Tsy nila niambina ireo mpanompo, raha fantany hoe rahoviana no ho tonga ny tompony. Tsy fantatr’izy ireo io fotoana io, ka tsy maintsy nivonona foana izy ireo niandry. Efa fantatr’ireo voahosotra am-polony taona mialoha fa hiavaka ny taona 1914, saingy tsy fantatr’izy ireo tsara hoe inona no hitranga amin’izay. Nilaza ny rahalahy iray hoe ‘nanantena ho any an-danitra ny sasany amin’izy ireo, ny herinandro voalohany amin’ny volana Oktobra 1914.’ Rehefa tsy tanteraka ny zavatra nantenain’ny olona sasany, dia nisy olona nihevitra hoe tara i Jesosy, ilay Mpampakatra.

12. Inona no mampiseho fa mendri-pitokisana sy malina ny ankamaroan’ireo voahosotra?

12 Azo inoana fa tena kivy ireo nanantena hoe tonga tamin’ny 1914 ny farany. Tena mafy koa ny fanoherana, nandritra ny Ady Lehibe I. Zara raha nisy ny asa fitoriana, ka toy ny hoe nitsahatra. Nisy zava-nitranga anefa tamin’ny 1919 nanaitra an’ireo voahosotra. Tonga tao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah i Jesosy tamin’izay, ary nandinika an’ireo olona milaza ho Kristianina. Nisy asa mantsy nankinina tamin’izy ireo. (Mat. 25:16) Hita hoe tsy nahafeno fepetra anefa ny sasany tamin’ireo voahosotra, ka tsy nomena tombontsoa hiasa ho an’ilay Mpanjaka intsony. Toy ny hoe tsy nameno tsara ny fitoera-menaka ara-panahiny izy ireo, ka toa an’ireo virjiny adala. Toa an’ilay mpanompo kamo koa izy ireo, satria tsy vonona hahafoy tena hanao ny asan’ilay Fanjakana. Tsy nivadika kosa anefa ny ankamaroan’ny voahosotra, ary hita hoe tena te hanompo an’ilay Tompony, na dia nandritra ireo taona nisian’ny ady aza.

13. Nanao ahoana ny toe-tsain’ireo voahosotra taorian’ny 1914, ary manao ahoana ny toe-tsain’ny voahosotra ankehitriny?

13 Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1916: “Tsy diso fanantenana amin’ny fandaharan’Andriamanitra mihitsy isika, ry rahalahy, raha tsara ny toe-tsaintsika. Tsy ny sitrapontsika no tiantsika ho tanteraka. Diso ny zavatra nantenaintsika tamin’ny Oktobra 1914, nefa faly isika satria tsy novan’ny Tompo hifanaraka amin’ny faniriantsika ny Fandaharany. Tsy tiantsika hanao izany Izy. Tiantsika fotsiny raha takatsika tsara ny fandaharany sy fikasany.” Mbola manetry tena toy izany koa ny voahosotra ankehitriny, sady tena maniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mihambo ho nahazo fanambarana avy amin’ny fanahy masina izy ireo, fa te hanao ny asa nampanaovin’i Jesosy fotsiny. Manahaka azy ireo koa ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, izay hiaina eto an-tany, ka miambina foana sy mazoto.—Apok. 7:9; Jaona 10:16.

MIAMBINA HATRANY NY ONDRY HAFA

Miezaha foana hitady sakafo ara-panahy na ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza

14. Inona no soa raisintsika raha mandray tsara ny fampianaran’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina isika?

14 Mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana i Jehovah, mba hanomezana sakafo ara-panahy. Manampy ny vahoakany izany mba handray soa avy amin’ny Teniny sy ny fanahiny. Mandray tsara an’ireny sakafo ara-panahy ireny ny voahosotra, ary manao toa azy ireo koa ny vahoaka be, raha miambina hatrany. Toy ny hoe mameno fitoera-menaka isika raha manao izany. (Vakio ny Salamo 119:130; Jaona 16:13.) Manatanjaka antsika izany, ka manampy antsika hiambina hatrany sy ho vonona amin’ny fahatongavan’ny farany, rehefa miverina i Kristy. Manampy antsika koa izany mba tsy hivadika, na dia misy fitsapana mafy aza. Tsy nanana afa-tsy Baiboly iray, ohatra, ireo rahalahy tao amin’ny toby fitanana iray an’ny Nazia. Nivavaka àry izy ireo mba hahazo sakafo ara-panahy bebe kokoa. Tsy ela taorian’izay, dia ren’izy ireo fa nisy rahalahy mpigadra vaovao tao an-toby. Nahavita nanafina Tilikambo Fiambenana vaovao vitsivitsy izy io, tao anatin’ny tongo-kazony. Anisan’ireo nigadra tany ny rahalahy voahosotra atao hoe Ernst Wauer. Hoy izy: ‘Nanampy anay tamin’ny fomba nahatalanjona i Jehovah mba hitadidy an’ireo hevitra nampahery tao amin’ireo gazety ireo.’ Hoy koa izy: ‘Tena mora ny mahazo sakafo ara-panahy ankehitriny, kanefa mankasitraka azy ireny foana ve isika? Matoky aho fa homen’i Jehovah fitahiana tondraka isika, raha matoky azy sy tsy mivadika aminy ary mihinana eo amin’ny latabany.’

15, 16. Inona no valisoa azon’ny mpivady iray noho izy ireo nazoto nanompo? Inona no ianaranao avy amin’ny tantara toy ireny?

15 Mazoto manao ny asan’ny Tompo koa ny ondry hafa, ary manohana ny rahalahin’i Kristy izy ireo amin’izany. (Mat. 25:40) Tsy toa an’ilay mpanompo ratsy fanahy sy kamo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy izy ireo. Vonona kosa izy ireo hahafoy tena sy hiezaka mafy hanao ny asan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany. Mampiseho izany ny nataon’i Jon sy Masako. Nisalasala izy mivady tamin’ny voalohany, rehefa nasaina hifindra tany Kenya mba hitory amin’ny Sinoa any. Nivavaka sy nandinika ny fiainany anefa izy ireo, ka nanapa-kevitra hifindra ihany.

16 Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo. Nilaza izy mivady hoe: “Tena mahafinaritra ny fanompoana atỳ!” Nanomboka fampianarana Baiboly fito izy ireo, ary nisy zavatra mahafinaritra maro niainany. Hoy izy ireo: “Misaotra an’i Jehovah isan’andro izahay hoe navelany hankatỳ.” Maro koa ny rahalahy sy anabavy tapa-kevitra hoe ho be atao foana amin’ny fanompoana, na rahoviana na rahoviana no ho tonga ny farany. Eritrereto, ohatra, ireo Kristianina an’arivony nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada ary lasa misionera. Nahoana raha miezaka hahafantatra momba an’io fanompoana manokana io? Misy lahatsoratra momba izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2001, mitondra ny lohateny hoe: “Manao Araka Izay Fara Herinay Izahay!” Tantaraina ao hoe manao ahoana ny fiainan’ny misionera ao anatin’ny iray andro. Rehefa mamaky an’io lahatsoratra io ianao, dia saintsaino hoe inona no azonao atao mba hampitomboana ny fanompoanao. Ho afaka hidera an’i Jehovah ianao rehefa manompo bebe kokoa, ary hitombo ny fifalianao.

TOKONY HIAMBINA HATRANY KOA IANAO

Mandeha haingana ny fotoana rehefa mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika

17. Nahoana no mitondra soa ho antsika ny tsy mahalala ny andro sy ny ora hahatongavan’ny farany?

17 Mahasoa antsika tokoa ny tsy mahalala ny andro sy ora hifaranan’ity tontolo ity, fa tsy hoe mahakivy antsika na mahatonga antsika ho diso fanantenana. Vao mainka kosa aza isika lasa akaiky kokoa an’ilay Raintsika be fitiavana, satria mazoto manao ny sitrapony. Mahita fifaliana amin’ny asany ny olona mampiasa angadinomby, rehefa mifantoka tsara amin’ny asa ataony. Toy izany koa fa ho faly isika manompo an’i Jehovah, raha mifantoka amin’ny asa nampanaovin’i Jesosy antsika, ary tsy manaiky ho voahelingelina.—Lioka 9:62.

18. Nahoana isika no tsy tokony hivadika amin’i Jehovah mihitsy?

18 Efa tena kely sisa dia ho tonga ny andro fitsaran’Andriamanitra, ka tsy te handiso fanantenana an’i Jehovah sy Jesosy isika. Nanankinan’izy ireo andraikitra sarobidy isika amin’izao andro farany izao, ka tena faly isika hoe matoky antsika izy ireo!—Vakio ny 1 Timoty 1:12.

19. Ahoana no ampisehoantsika fa vonona hiatrika ny fahatongavan’ny farany isika?

19 Na manantena ho any an-danitra isika, na manantena hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany, dia aoka isika ho tapa-kevitra hanohy ny asa nampanaovin’i Jehovah antsika, dia ny hitory sy hampianatra. Mbola tsy fantatsika hatramin’izao ny andro sy ora hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Sady tsy mila mahalala an’izany koa isika! Hiezaka foana kosa isika hiambina hatrany, ka ho vonona hiatrika an’io andro io. (Mat. 24:36, 44) Tsy ho diso fanantenana mihitsy isika, raha matoky tanteraka an’i Jehovah ary manao ny Fanjakany ho loha laharana.—Rom. 10:11.