Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manjaka ny Tsolotra

Manjaka ny Tsolotra

“Manao asa ho an’ny fanjakana ny orinasanay. Matetika anefa no tsy aloany ny volanay raha tsy afaka roa na telo volana. Nisy mpiasam-panjakana iray niantso ahy tatỳ aoriana hoe raha manome kely izahay, dia homeny aloha kokoa ny volanay.”—TANJONA. *

EFA nisy nanery anao hanao tsolotra ve? Mety tsy hitovy amin’izay nahazo an’i Tanjona ny nahazo anao, nefa azo antoka fa efa nisy olona nangataka tsolotra taminao.

Namoaka lisitra misy ny habetsahan’ny fanaovana kolikoly amin’ny raharaham-panjakana ny Mangarahara Iraisam-pirenena, tamin’ny 2011. Nomena naoty 0 ny firenena faran’izay mpanao kolikoly ary 10 ny tsy misy manao kolikoly mihitsy. Hita àry fa latsaka ny 5 ny naotin’ny ankamaroan’ireo firenena 183 tao amin’ilay lisitra. Roa taona talohan’izay aza ny Mangarahara Iraisam-pirenena, dia efa nanao tatitra hoe: “Tsy misy faritra tsy ahitana mpanao tsolotra eran-tany.”

“Manampatra ny fahefany mba hahazoana tombony ny olona mitaky tsolotra. Mijaly izay olona iharan’izany, satria misy vokany amin’ny fiainany sy ny asany izany.”—MANGARAHARA IRAISAM-PIRENENA

Tena faran’izay ratsy indraindray ny vokatry ny fanaovana tsolotra. Nilaza, ohatra, ny gazetiboky Fotoana (anglisy) fa “ny tsolotra sy ny tsy fitandremana” no anisan’ny nahatonga faty olona be dia be, tamin’ilay horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 2010. Nilaza mantsy izy io fa “tsy maka injeniera matetika ny olona rehefa hanao trano, fa manome tsolotra an’izay mpiasam-panjakana tonga hanara-maso ny fanorenana fotsiny izy ireo dia afaka manorina.”

Mety ho foana tanteraka àry ve ny tsolotra? Mba hahalalana izany, dia mila fantarintsika aloha ny antony mahatonga ny olona hanao tsolotra. Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 2 Novana ny anarana.