Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Foana ny Tsolotra!

Ho Foana ny Tsolotra!

‘Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany, dia ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.’—SALAMO 37:34.

MARO no mihevitra hoe tsy azo ialana sady tsy ho foana mihitsy ny tsolotra. Ara-dalàna raha mieritreritra an’izany koa ianao. Efa be dia be mantsy izay ny karazana fitondrana natsangan’ny olombelona, nefa mbola tsy nisy nahafoana tanteraka ny tsolotra izy ireny. Mety hanao ny marina daholo ve anefa ny olon-drehetra indray andro any?

Milaza ny Baiboly fa kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra tanteraka ny kolikoly. Hampiasa ny Fanjakany any an-danitra izy mba hanova tanteraka ny tany. Io ilay Fanjakana asain’i Jesosy hangatahin’ny mpanara-dia azy amin’ny vavaka. Hoy izy tao amin’ilay vavaka antsoin’ny olona hoe Rainay Izay any An-danitra na Vavaka Nampianarin’ny Tompo: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:10.

Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’io Fanjakana io: “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.” (Salamo 72:12-14) Mangoraka an’izay mijaly noho ny fisian’ny kolikoly àry i Jesosy ary hanao zavatra mba hanampiana an’izay hampahoriana. Tena mampahery izany!

Mangoraka sady matanjaka be ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ka hanafoana tanteraka ny tsolotra. Ahoana no hanaovany izany? Hofoanany ireo antony telo mahatonga ny olona hanao tsolotra.

Ny ota

Mora manota isika rehetra ka izany no mahatonga antsika ho tia tena. Tsy maintsy mbola miady mafy amin’izany isika izao. (Romanina 7:21-23) Misy olona tsara fanahy te hanao ny marina ihany anefa ankehitriny. Mino ny vidim-panavotana nomen’i Jesosy izy ireo ka afaka ny hahazo famelan-keloka. * (1 Jaona 1:7, 9) Handray soa izy ireo araka ny Jaona 3:16, hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Hanao fahagagana lehibe ho an’izay tsy mivadika aminy Andriamanitra. Hataony lavorary tsikelikely izy ireo, ka ho afaka tanteraka amin’ny fahotana amin’ny farany ary ho lasa mpanao ny marina daholo. (Isaia 26:9; 2 Petera 3:13) Hafahana amin’ny fanandevozan’ny ota ny olona tsy mivadika, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hanao na handray tsolotra intsony ny olona amin’izay satria tsy mpanota intsony.

Ity tontolo ratsy ity

Mampalahelo fa maro ankehitriny no manao fanahy iniana manisy ratsy olona. Manararaotra ny mahantra izy ireo sady mitaona ny hafa hanao tsolotra koa. Hoy ny Baiboly momba azy ireny: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny.” Raha miova ireny olona ireny, dia ‘havelan’Andriamanitra tanteraka ny helony.’—Isaia 55:7.

Tsy maintsy handringana azy ireny anefa Andriamanitra raha tsy mety miova mihitsy izy ireny. Rehefa hitondra ny Fanjakany, dia ho tanteraka ny voalazan’ny Salamo 37:34 hoe: ‘Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany, dia ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.’ * Tsy hijaly vokatry ny kolikoly intsony amin’izay ny mpanompon’Andriamanitra, satria efa ringana ny ratsy fanahy.

I Satana Devoly

I Satana Devoly no mpanota matevin-koditra indrindra. Soa ihany fa kely sisa dia tsy havelan’i Jehovah hitaona ny olona hanao ratsy intsony izy. Haringany tanteraka io anjely faran’izay ratsy fanahy io amin’ny farany, ka tsy hisy hitaona ny olona hanao tsolotra intsony amin’izay.

Marina fa hoatran’ny tsy mampino ilay hoe hanafoana ny antony rehetra mahatonga ny olona hanao tsolotra Andriamanitra. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Dia ho vitan’Andriamanitra tokoa ve ny hanao an’izany? Raha eny, nahoana no tsy nataony izany hatramin’izay?’ Mamaly tsara an’izany ny Baiboly. * Nahoana àry raha mandinika izay lazain’izy io momba ny hoavy?

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa ny maha zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy ny toko 5 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 12 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.