Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

“Vehivavy Tsara Tokoa” i Rota

“Vehivavy Tsara Tokoa” i Rota

TONGA izao ny fijinjana vary orza any Betlehema, ilay tanàna kely an-tampon-kavoana. Efa hatry ny naraina i Rota no nanangona salohim-bary. Hariva ny andro ka mitanjozotra manatona ny vavahadin’ny tanàna ny mpiasa fa hody. Manakotsako daholo ny vatan’i Rota satria tsy nijanona niasa mihitsy izy tontolo andro. Mbola miasa ihany anefa izy izao. Mandohalika mively an’ireo salohim-bary amin’ny hazo kelikely izy mba hampihintsana ny voam-bary. Reraka be izy nefa nahafinaritra azy ny tontolo androny fa tsy araka ny nanampoizany azy.

Moabita i Rota. Mbola tanora izy nefa efa maty vady sahady. Efa maty vady koa i Naomy rafozany. Tsy nisaraka tamin’io rafozany io mihitsy i Rota hatrany Moaba ka hatrany Betlehema. Nivoady mihitsy aza izy fa hiaraka aminy foana sady hivavaka amin’i Jehovah Andriamaniny. Vao tonga kelikely tany Betlehema izy ireo, dia lasa fantatr’i Rota fa nisy Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita mba hikarakarana sy hanomezana izay ilain’ny mahantra, anisan’izany ny vahiny. * Lasa nahalala vahoakan’i Jehovah sasany tena mampihatra an’ilay Lalàna koa izy izao, ka tonitony kokoa ny alahelony.

Anisan’ireny i Boaza. Lehilahy efa lehibebe izy ary nanankarena. Teo amin’ny tanimboliny i Rota no nitsimpona vary orza. Tena tsara fanahy tamin’i Rota izy. Noderainy, ohatra, izy satria nikarakara an’i Naomy efa antitra sady nifidy ny hialoka tamin’i Jehovah Andriamanitra. (Rota 2:11-13) Faly erỳ i Rota rehefa nieritreritra ny tenin’i Boaza.

Mety ho mbola niady saina ihany anefa i Rota hoe hanao ahoana ny hoaviny. Ara-dalàna izany satria sady nahantra izy no vahiny teo amin’ilay toerana. Tsy mba nanana vady na zanaka nianteherana koa izy. Nieritreritra angamba izy hoe hahavelona azy sy ny rafozany ve raha mitsimpona salohim-bary fotsiny izy, ary iza no hikarakara azy rahatrizay antitra izy. Nanam-pinoana anefa i Rota ka nahavita niatrika an’izany. Miady saina noho ny adim-piainana koa ny ankamaroantsika ankehitriny. Hahavita hiatrika an’izany anefa isika raha manahaka an’i Rota.

Inona no atao hoe fianakaviana?

Niasa mafy i Rota mba hiveloman’izy sy Naomy

Rehefa avy nively an’ilay vary i Rota, dia nanangona an’ilay izy ka nahazo vary orza tokony ho iray efaha. Mety ho eran’ny vata 22 litatra izany ary 14 kilao teo ho eo ny lanjany. Nafatony tao anaty akanjo angamba ilay izy ary nololohaviny, dia nody tany Betlehema izy. Efa hariva ny andro tamin’izay.—Rota 2:17.

Faly erỳ i Naomy nahita an’io vinantovaviny io tafody. Tena tiany mantsy izy io. Nitondra ambin-tsakafo i Rota mba hohanin’izy sy ny rafozany. Nanomezan’i Boaza tamin’ny sakafo nentiny ho an’ny mpiasany mantsy izy. Gaga be angamba i Naomy nahita an’ilay entam-be nololohaviny ka hoy izy: “Taiza ianao no nitsimpona androany, ary taiza ianao no niasa? Hotahina anie ilay niahy anao!” (Rota 2:19) Nandinika an’i Rota i Naomy ka fantany fa nisy olona nitsinjo azy sy tsara fanahy taminy matoa izy nitondra vary be dia be.

Nanomboka nitafatafa izy mianaka. Notantarain’i Rota an’i Naomy ny nataon’i Boaza taminy. Faly erỳ i Naomy ka hoy izy: “Hitahy azy anie i Jehovah, izay tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny velona sy ny maty!” * (Rota 2:19, 20) Fantatr’i Naomy hoe i Jehovah no mahatonga ny mpanompony halala-tanana sady mampanantena fa hanonitra an’izany. (Ohabolana 19:17) Nihevitra àry i Naomy fa i Jehovah no nahatonga an’i Boaza ho tsara fanahy tamin’izy ireo.

Nilaza tamin’i Rota i Boaza hoe eny amin’ny tanimboliny sy eny akaikin’ireo ankizivavy mpiasany ihany mitsimpona vary. Amin’izay tsy hisy haninona azy ny mpijinja. Nasain’i Naomy nanaraka an’izany tenin’i Boaza izany i Rota. Nankatò an’i Naomy àry izy. ‘Niara-nonina tamin’io rafozambaviny io foana’ koa izy. (Rota 2:22, 23) Izany koa no porofo fa tena tia ny rafozany foana i Rota ary nampiavaka azy izany. Ahoana no anahafantsika azy? Tokony ho tia ny fianakaviantsika foana isika ary hanome izay ilainy. Hamaly soa antsika i Jehovah raha manao izany isika.

Nifanampy sy nifampahery i Rota sy Naomy

Azo lazaina hoe fianakaviana ve i Rota sy Naomy? Any amin’ny tany sasany, dia tsy atao hoe “tena fianakaviana” ny mpianakavy raha tsy misy ray aman-dreny sy zanaka ary Dadabe sy Bebe. Hitantsika amin’ny tantaran’i Rota sy Naomy anefa fa na vitsy kely aza ny ao an-tokantrano, dia afaka mifandray tsara sy mifankatia be ary mifaneho hatsaram-panahy foana. Tena tianao ve ny fianakavianao na firy na firy ianareo? Nilaza i Jesosy fa toy ny mpianakavy ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana, ka tsy irery mihitsy na ireo tsy manana fianakaviana aza.—Marka 10:29, 30.

“Anisan’ny mpanavotra antsika” izy

Nanomboka volana Aprily tany ho any ny fijinjana vary orza ary Jona ny fijinjana varimbazaha. Nitsimpona teny an-tanimbolin’i Boaza foana i Rota nandritra izany telo volana izany. Azo antoka fa nieritreritra foana izay azony atao ho an’io vinantony io i Naomy rehefa nandeha ny fotoana. Vao niala tany Moaba mantsy izy ireo, dia efa nieritreritra izy fa tsy ho afaka hanampy an’i Rota hahita vady intsony. (Rota 1:11-13) Niova hevitra anefa izy ka niteny tamin’i Rota hoe: “Tsy tokony hitady tokantrano hiadananao ve aho, anaka?” (Rota 3:1) Fanao tamin’izany ny hoe ny ray aman-dreny no mitady vady ho an-janany. Nihevitra an’i Rota ho toy ny zanany mihitsy i Naomy ka te hitady ‘tokantrano hiadanany’, izany hoe vady afaka hiaro sy hamelona azy. Inona anefa no azon’i Naomy atao?

Vao niresaka momba an’i Boaza i Rota, dia hoy i Naomy: “Havantsika izay lehilahy izay, ary anisan’ny mpanavotra antsika.” (Rota 2:20) Inona no tiany holazaina? Nanome Lalàna ny Israelita Andriamanitra tamin’izany mba hitsinjovana ny mahantra sy ny maty havana izay lasa sahirana be. Mety ho kivy be, ohatra, ny vehivavy iray raha maty ny vadiny nefa mbola tsy nanan-janaka izy ireo. Tsy hisy hitondra mantsy ny anaran’ny vadiny sady tsy hanan-taranaka izy. Araka ny Lalàna nomen’Andriamanitra anefa, dia afaka manambady an’ilay vehivavy ny rahalahin’ny vadiny. * Ho afaka hiteraka izy ireo amin’izay ka hisy hitondra ny anaran’ilay vadiny efa maty, ary hisy handova koa ny fananany.—Deoteronomia 25:5-7.

Nahita hevitra àry i Naomy ka noresahiny tamin’i Rota izany. Azo antoka fa taitra be i Rota rehefa nihaino azy. Mbola vaovao tamin’i Rota ny Lalàna narahin’ny Israelita sy ny ankamaroan’ny fanaon’izy ireo. Tena nanaja an’i Naomy anefa izy ka nihaino tsara an’izay rehetra nolazainy. Mety ho hafahafa na nahamenatra ny zavatra nasain’i Naomy nataony. Mety hanala baraka an’i Rota mihitsy aza ilay izy, nefa nanaiky hanao izay nolazainy izy. Nalemy fanahy erỳ izy namaly hoe: “Hataoko daholo izay lazainao amiko.”—Rota 3:5.

Sarotra amin’ny tanora indraindray ny mihaino sy mankatò ny torohevitry ny olon-dehibe sy ny olona matotra kokoa. Mieritreritra mantsy izy ireo fa tsy tena mahatakatra tsara ny olana atrehiny izy ireny. Asehon’ny tantaran’i Rota anefa fa mandray soa isika raha mihaino izay atoron’ny olon-dehibe. Tena tia sy mitady izay hahasoa antsika mantsy izy ireny sady tena manam-pahendrena. Fa inona marina moa no nasain’i Naomy nataon’i Rota, ary nandray soa tokoa ve i Rota rehefa nankatò azy?

Teny am-pamoloana i Rota

Hariva ny andro tamin’izay, ary nankany am-pamoloana i Rota. Eny ny mpiasa no mively sy mikororoka vary. Tany marina sady mafy izy io, ary matetika no atao eny an-tampon-kavoana satria eny no misy tsiotsio-drivotra rehefa harivariva iny ny andro. Ingainy amin’ny fitaovana fikororohana ny voam-bary ary atsipiny. Entin’ny rivotra ny akofa sy ny mololo satria maivana, fa milatsaka amin’ny tany kosa ny vary satria mavesatra.

Nitazana an’ireo mpiasa nikororoka vary i Rota saingy niafinafina. Efa ho vita ny asa ary efa nihanisavovona be ny vary. Nanara-maso ny mpiasany i Boaza mandra-pahavitan’ilay izy. Nisakafo izy avy eo ka rehefa voky tsara dia natory teo an-tsisin’ilay antontam-bary. Izany no fanaon’ny olona tamin’izany. Te hiaro ny variny tamin’ny mpangalatra angamba izy ireo. Hitan’i Rota fa efa natory i Boaza ka tokony hanao izay nasain’i Naomy hataony amin’izay izy.

Nitsaitsaika nanatona i Rota. Nidobodoboka be ny fony. Hitany hoe efa renoky ny torimaso i Boaza. Nanaraka ny tenin’i Naomy izy ka ningainy ny lamba teo an-tongotr’i Boaza. Natory teo izy avy eo ary niandry izay hitranga. Hoatran’ny adiny zato angamba izany taminy! Efa tamin’ny misasakalina vao nikofoka i Boaza. Nangatsiaka izy ka niarina mba handrakotra lamba ny tongony. Hitany anefa hoe nisy olona teo. Milaza ny Rota 3:8 hoe: “Vehivavy natory teo an-tongony no hitany!”

Hoy i Boaza: “Fa iza ianao?” Nangovitra angamba i Rota namaly hoe: “I Rota mpanompovavinao ihany ity! Mba rakofy amin’ny morontongotr’akanjonao ny mpanompovavinao, satria mpanavotra ianao.” (Rota 3:9) Misy mpanazava teny milaza fa hita tamin’ny fihetsik’i Rota sy ny teniny hoe te hisarika an’i Boaza hanao firaisana taminy izy. Misy zavatra tsy nodinihin’izy ireo anefa. Efa fanaon’ny olona tamin’izany ny zavatra nataon’i Rota, saingy tsy fanao amin’izao intsony izany. Tsy mety àry raha ampitovina amin’ny fanaon’ny olona ratsy fitondran-tena amin’izao ny zavatra nataony. Tsy nieritreritra mihitsy koa i Boaza hoe tsy nety ny nataon’i Rota. Izy aza nidera azy.

Hita tamin’izay nataon’i Rota tamin’i Boaza fa tsy ratsy saina izy sady tsy tia tena

Nalemy fanahy i Boaza rehefa niresaka tamin’i Rota, ka azo antoka fa nampahery azy izany. Hoy izy: “Hotahin’i Jehovah anie ianao, anaka! Fa tsara kokoa noho ilay tamin’ny voalohany izao fomba anehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana izao, satria ianao tsy nanaraka ny tovolahy, na mahantra izy na manankarena.” (Rota 3:10) Tia an’i Naomy i Rota ary tsy nandao azy mihitsy fa nanaraka azy niverina tany Israely sady nikarakara azy. Izay ilay hoe “tamin’ny voalohany” tian’i Boaza horesahina. Nilaza koa anefa i Boaza fa tsara fanahy i Rota “izao.” Mbola tanora i Rota ka afaka nanambady tovolahy. Tsy nanao an’izany anefa izy fa naleony nanao soa tamin’i Naomy sy ny vadiny efa maty, mba hisy hitondra ny anaran’izy io. Tsy mahagaga àry raha nanohina ny fon’i Boaza ny nahita fa tsy mba tia tena i Rota.

Hoy koa i Boaza: “Aza matahotra, fa hataoko aminao daholo izay lazainao. Fantatr’izay rehetra eo am-bavahadin’ny fireneko mantsy fa tena vehivavy tsara tokoa ianao.” (Rota 3:11) Faly i Boaza hoe hanambady an’i Rota. Mety ho tsy tena gaga izy rehefa niangavian’i Rota ho lasa mpanavotra azy. Lehilahy marina anefa izy ka tsy te hanao izay tiany fotsiny. Nilaza tamin’i Rota àry izy fa nisy havana akaiky kokoa an’i Naomy afaka manavotra an’i Rota. Horesahiny aloha io lehilahy io ary hanontaniany raha hanaiky hanambady an’i Rota.

Nasain’i Boaza natory anefa aloha i Rota ka rehefa madiva haraina ny andro vao hody izy mba tsy hisy hahita. Te hiaro ny lazan’i Rota sy ny lazany mantsy i Boaza, satria mety hieritreritra ny olona hoe naloto fitondran-tena izy ireo. Natory teo akaikin’ny tongotr’i Boaza indray àry i Rota ary mety ho efa nilamina ny sainy. Raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nofenoin’i Boaza vary orza ny akanjo ivelan’i Rota, ary nandeha nody tany Betlehema i Rota avy eo.

Faly erỳ i Rota rehefa nieritreritra ny tenin’i Boaza hoe nalaza ho “tena vehivavy tsara tokoa” izy. Azo antoka fa noho izy nazoto nianatra momba an’i Jehovah sy nanompo azy no tena nahatonga azy ho tsara laza hoatr’izany. Tsara fanahy i Rota ary te hanampy an’i Naomy sy ny mpiray firenena taminy ka nanaja ny fomba amam-panaon’izy ireo, na dia tsy nahazatra azy aza izany. Manam-pinoana toa an’i Rota isika raha tena manaja olona sy ny fomba amam-panaony. Ho tsara laza koa isika raha manao toy izany.

Nahazo tokantrano hiadanana i Rota

Hoy i Naomy tamin’i Rota rehefa tonga tany an-trano izy: “Iza ianao, anaka?” Mbola maizimaizina ny andro tamin’izay ka izany angamba no nahatonga an’i Naomy hanontany an’izany. Tian’i Naomy ho fantatra koa anefa sao mba efa misy olona mikasa hanambady an’i Rota. Tonga dia notantarain’i Rota tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’i Boaza taminy. Nasehony koa ny vary orza be dia be nasain’i Boaza homena an’i Naomy. *Rota 3:16, 17.

Nasain’i Naomy nijanona tao an-trano àry i Rota fa tsy handeha hitsimpona vary any an-tanimboly. Hoy i Naomy taminy: “Tsy hipetrapetraka mihitsy ralehilahy raha tsy voalaminy anio ihany io raharaha io.”—Rota 3:18.

Marina ny tenin’i Naomy. Nankany am-bavahadin’ny tanàna i Boaza. Teny mantsy no nihaona ny anti-panahin’ny tanàna. Niandry an’ilay lehilahy havan’i Naomy handalo izy. Nanontany an’ilay lehilahy teo imason’ny olona i Boaza avy eo raha te hanavotra an’i Rota izy ka hanambady azy. Tsy nanaiky anefa ilay lehilahy fa mety hanimba ny lovany, hono, izany. Nilaza àry i Boaza fa izy no hanavotra an’i Rota ka hividy ny tanin’i Elimeleka vadin’i Naomy. Nilaza koa izy fa haka vady an’i Rota, vady navelan’i Malona zanak’i Elimeleka, mba “hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.” (Rota 4:1-10) Tena lehilahy marina sy tsy tia tena i Boaza.

Nivady àry i Boaza sy Rota, ary “nataon’i Jehovah nanana anaka ravehivavy ka tera-dahy.” Nirary soa ho an’i Naomy ny vehivavy tao Betlehema ary nidera an’i Rota hoe tsara kokoa noho ny zanaka fito lahy izy. Lasa razamben’i Davida Mpanjaka io zanakalahin’i Rota io tatỳ aoriana. (Rota 4:11-22) Lasa razamben’i Jesosy Kristy kosa i Davida.—Matio 1:1. *

Notahin’i Jehovah i Rota ka lasa razamben’ny Mesia

Samy nandray soa i Rota sy Naomy. I Rota nahazo zaza fa i Naomy kosa nanampy azy hitaiza an’ilay zaza ka toy ny zanany naterany mihitsy no fiheverany azy io. Hitantsika amin’izany fa tahin’i Jehovah izay miezaka mafy manome izay ilain’ny ankohonany sy manompo azy foana miaraka amin’ny vahoakany. Tsy hohadinoiny mihitsy koa ny hamaly soa an’izay tsy mivadika aminy sy miezaka hanana laza tsara toa an’i Rota.

^ feh. 4 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo: ‘Izay Alehanao no Halehako’ ”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2012.

^ feh. 10 Nilaza i Naomy fa tsara fanahy amin’ny maty koa i Jehovah fa tsy amin’ny velona ihany. Maty vady i Naomy ary efa maty ny zanany roa lahy. Efa maty vady koa i Rota. Azo antoka fa tena tian’izy mianaka ireo havany nodimandry ireo. Azo antoka koa fa raha teo ireo havany ireo, dia tena tiany raha voakarakara tsara izy mianaka. Izay tsara fanahy tamin’i Naomy sy Rota àry dia toy ny hoe tsara fanahy tamin’ireo havany efa maty.

^ feh. 15 Ny rahalahin’ilay maty aloha no afaka manambady an’ilay vehivavy, izay vao ny havany akaiky hafa. Toy izany koa ny amin’ny resaka lova.—Nomery 27:5-11.

^ feh. 28 Niasa enina andro ny Israelita fahiny ary niala sasatra tamin’ny andro fahafito na Sabata. Nisy ifandraisany tamin’izany angamba ny antony nanomezan’i Boaza vary inenin’ny famarana an’i Rota. Mety hoe efa kely sisa i Rota dia hiala sasatra ka hahazo tokantrano hiadanana. Mety hidika koa anefa izany hoe vary inenin’ny famarana ihany no zakan’i Rota. Lapelina angamba no famarana nampiasain’i Boaza.

^ feh. 31 Iray amin’ireo vehivavy efatra resahin’ny Baiboly fa lasa razamben’i Jesosy i Rota. Anisan’ireny koa i Rahaba, renin’i Boaza. (Matio 1:3, 5, 6) Tsy Israelita toa an’i Rota izy.