Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ny Teninareo Rehefa Eny dia Eny

Aoka ny Teninareo Rehefa Eny dia Eny

“Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—MAT. 5:37.

1. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fianianana, ary nahoana?

TSY voatery mianiana ny tena Kristianina, mba hanamafisana hoe marina ny teniny. Efa miezaka foana mantsy isika mba hitana ny teny nataontsika, araka ny voalazan’i Jesosy hoe: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny.” Nilaza i Jesosy talohan’io teniny io hoe: “Aza mianiana mihitsy”, satria lasa fahazaran’ny olona fotsiny ny mianiana, nefa tsy vonona hanatanteraka an’ilay fianianana akory. Tsy azo atokisana anefa ny olona toy izany, ary azo lazaina hoe eo ambany fahefan’ilay “ratsy.”—Vakio ny Matio 5:33-37.

2. Nahoana no tsy voatery ho ratsy foana ny hoe mianiana?

2 Tsy te hilaza anefa i Jesosy hoe tsy azo atao mihitsy ny mianiana. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa nianiana i Jehovah, ary nianiana koa i Abrahama mpanompony tamin’ny raharaha lehibe sasany. Notakin’ny Lalàn’Andriamanitra koa ny hoe mianiana, mba handaminana olana sasany. (Eks. 22:10, 11; Nom. 5:21, 22) Azon’ny Kristianina atao àry ny mianiana, amin’ny toe-javatra sasany. Mety hianiana hilaza ny marina, ohatra, isika rehefa eo anatrehan’ny fitsarana. Mety hianiana koa isika, mba hanomezana toky na mba handaminana olana. Rehefa nasain’ny mpisoronabe nianiana, ohatra, i Jesosy, teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, dia tsy nanohitra izy ary nilaza ny marina. (Mat. 26:63, 64) Tsy hoe nila nianiana foana anefa izy rehefa niresaka tamin’ny olona. Na izany aza, dia misy teny iray fampiasany matetika, mba hanamafisana hoe azo antoka ny hafatra nentiny. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa.” (Jaona 1:51; 13:16, 20, 21, 38) Nitana ny teniny foana i Jesosy sy ny apostoly Paoly, ary nisy olon-kafa koa toa azy ireo. Hodinihintsika izao hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo.

I JESOSY NO OHATRA TSARA INDRINDRA

Nitana ny teny nataony tamin’ny Rainy foana i Jesosy, nanomboka tamin’izy natao batisa ka mandra-pahafatiny

3. Inona no nampanantenain’i Jesosy an’i Jehovah tao amin’ny vavaka, ary ahoana no nasetrin’i Jehovah izany?

3 “Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!” (Heb. 10:7) Nasehon’i Jesosy tamin’io vavaka nataony io fa vonona hanao ny sitrapon’i Jehovah izy, ka hanatanteraka an’izay rehetra voalaza momba an’ilay Taranaka nampanantenaina, eny fa na dia “handratra azy eo amin’ny voditongony” aza i Satana. (Gen. 3:15) Mbola tsy nisy olona nanaiky hiantsoroka andraikitra lehibe toy izany hatramin’izay. Tena lehibe tokoa io zavatra nampanantenain’i Jesosy io, kanefa tsy nilaza taminy i Jehovah hoe mila mianiana izy fa hitana ny teniny. Tonga dia natoky tanteraka ny Zanany izy, raha jerena ny valin-teniny avy tany an-danitra.—Lioka 3:21, 22.

4. Inona no lazain’ny Baiboly ka manaporofo fa tena nitana ny teniny i Jesosy?

4 Hita tamin’ny fomba fiainan’i Jesosy fa nitana ny teniny izy, ka nanatanteraka ny asa nanirahan’ny Rainy azy. Tsy navelany hisy na inona na inona hisakana azy tsy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, sy hampianatra an’ireo olona notaomin’ny Rainy hanatona azy. (Jaona 6:44) Nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’ny Rainy izy, ka nilaza ny Baiboly hoe: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.” (2 Kor. 1:20) I Jesosy tokoa no ohatra tsara indrindra ho antsika, satria nanatanteraka izay nampanantenainy an’i Jehovah izy. Nisy lehilahy iray koa niezaka mafy nanahaka an’i Jesosy. Handinika ny ohatra navelany indray isika izao.

NITANA NY TENINY FOANA I PAOLY

5. Inona no ohatra navelan’ny apostoly Paoly ho antsika?

5 “Inona, tompoko, no tokony hataoko?” (Asa. 22:10) I Saoly, izay antsoina koa hoe Paoly, no nilaza an’io teny io. Nametraka an’io fanontaniana io izy, rehefa niseho taminy i Jesosy Tompo, ary nilaza taminy mba tsy hanenjika ny Kristianina intsony. Nanetry tena izy vokatr’izany, ka nibebaka noho ny ratsy nataony, ary natao batisa. Nanaiky hanao andraikitra manokana koa izy, dia ny hitory momba an’i Jesosy amin’ny hafa firenena. Niantso an’i Jesosy hoe “Tompo” foana i Paoly nanomboka teo, ary nampifanarahany tamin’izany ny zavatra nataony mandra-pahatapitry ny fiainany teto an-tany. (Asa. 22:6-16; 2 Kor. 4:5; 2 Tim. 4:8) Tsy mba toa an’i Paoly anefa ny olona tamin’ny androny. Tsy mba nitana ny teniny izy ireo, ka hoy i Jesosy tamin’izy ireny: “Nahoana ianareo no miantso ahy hoe: ‘Tompo ô! Tompo ô!’, nefa tsy manao izay lazaiko?” (Lioka 6:46) Tian’i Jesosy hankatò azy àry izay olona miantso azy hoe Tompo, toy ny efa nataon’i Paoly.

6, 7. a) Nahoana i Paoly no tsy tonga dia nitsidika an’i Korinto, ary nahoana no diso ireo olona nanakiana azy? b) Ahoana no tokony hiheverantsika an’ireo voatendry hitarika antsika?

6 Nazoto nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana tany Azia Minora sy Eoropa i Paoly, ka nanorina fiangonana maro sy niverina nitsidika azy ireny. Nila nianiana anefa izy indraindray mba hanamafisana fa marina ny zavatra nosoratany. (Gal. 1:20) Rehefa nisy nanendrikendrika azy, ohatra, tao amin’ny fiangonan’i Korinto hoe tsy azo itokisana izy, dia niaro tena izy ka nanoratra hoe: “Ny teninay taminareo dia tsy hoe Eny sady Tsia. Raha ny amin’izany, dia azo itokisana Andriamanitra.” (2 Kor. 1:18) Avy any Efesosy izy tamin’izy nanoratra an’io taratasy io, ary tao Makedonia, fa nikasa ho any Korinto. Ny fikasany tamin’ny voalohany anefa, dia hitsidika an’i Korinto aloha, vao ho any Makedonia. (2 Kor. 1:15, 16) Niova ny diany satria nisy fanovana tsy maintsy nataony, toy ny ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny indraindray. Tsy zavatra tsy misy dikany anefa no anton’ireny fanovana ireny, na hoe noho ny fitiavan-tena, fa satria misy raharaha maika mila karakaraina. Ny hahasoa an’ilay fiangonana no nahatonga an’i Paoly hanemotra an’ilay fitsidihana an’i Korinto. Ahoana izany?

7 Nieritreritra i Paoly tamin’ny voalohany hoe ho any Korinto vao ho any Makedonia. Reny anefa taoriana kelin’izay hoe tsy nifandray tsara ny Kristianina tao Korinto, ary nilefitra tamin’ny fijangajangana. (1 Kor. 1:11; 5:1) Nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina àry i Paoly, ary nananatra mafy azy ireo. Tsy tonga dia nankany Korinto izy vokatr’izany, fa navelany aloha izy ireo hampihatra ny toroheviny. Amin’izay dia hampahery kokoa ny fitsidihana hataony, rehefa tonga any izy. Te hanome toky an’ireo Korintianina i Paoly hoe izany tokoa no antony nanemorany an’ilay fitsidihany, ka nanoratra toy izao izy tao amin’ny taratasiny faharoa: “Miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona hanameloka ahy aho, fa ho fitsimbinako anareo no mbola tsy nahatongavako tany Korinto.” (2 Kor. 1:23) Tsy tokony hanahaka an’ireo olona nanakiana an’i Paoly mihitsy isika, fa tokony hanaja lalina an’ireo voatendry hitarika antsika. Tokony hanahaka an’i Paoly isika, satria nanahaka an’i Kristy izy, ka nitana ny teny nataony.—1 Kor. 11:1; Heb. 13:7.

OHATRA TSARA HAFA

8. Inona no ohatra navelan’i Rebeka ho antsika?

8 “Vonona handeha aho.” (Gen. 24:58) Ireo teny tsotra ireo no navalin’i Rebeka ny reniny sy ny anadahiny, rehefa nanontaniana izy hoe vonona hanambady an’i Isaka zanak’i Abrahama ve izy. Midika izany fa hiala tao an-tranony izy tamin’io andro io, ary hanao dia 800 kilaometatra mahery miaraka amin’ny olona tsy fantany. (Gen. 24:50-58) Nitana ny teniny anefa izy, ka nanambady an’i Isaka. Natahotra an’Andriamanitra izy ary tsy nivadika tamin’ny vadiny. Nipetraka tao anaty tranolay izy nandritra ny androm-piainany, ary vahiny tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Namaly soa azy i Jehovah, noho izy tsy nivadika. Lasa razamben’i Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina, izy.—Heb. 11:9, 13.

9. Inona no manaporofo fa nitana ny teniny i Rota?

9 “Tsia, fa hiara-mody aminao any amin’ny firenenao izahay.” (Rota 1:10) Tenin’i Rota sy Orpa ireo, rehefa nasain’i Naomy rafozambaviny hiverina tany Moaba izy ireo, teny an-dalana ho any Betlehema. Niverina i Orpa rehefa nitalaho mafy i Naomy. I Rota kosa tsy nety niverina fa nitana ny teny nataony. (Vakio ny Rota 1:16, 17.) Tsy nivadika tamin’i Naomy mihitsy izy, ka nilaozany mandrakizay ny fianakaviany sy ny fivavahan-diso tany Moaba. Nanompo an’i Jehovah foana izy, ka nahazo valisoa, satria lasa anisan’ireo vehivavy dimy razamben’i Jesosy, voalaza ao amin’ny bokin’i Matio.—Mat. 1:1, 3, 5, 6, 16.

10. Nahoana i Isaia no ohatra tsara ho antsika?

10 “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8) I Isaia no nilaza izany. Nahazo fahitana miavaka izy tamin’izay, ary nahita an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, teo ambonin’ny tempolin’ny Israely. Nanontany i Jehovah hoe: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?”, mba hampisehoana fa nitady olona izy hampita ny hafany tamin’ireo vahoakany tsy nankatò. Namaly àry i Isaia hoe: “Intỳ aho iraho!” Nitana izany teniny izany foana i Isaia. Nanao ny asan’ny mpaminany izy nandritra ny 46 taona, ka nilaza tamin’ireo Israelita fa hanasazy azy ireo i Jehovah. Nitondra hafatra mampahery koa anefa izy, dia ny hoe mbola hampodina any amin’ny taniny izy ireo any aoriana, ka hanompo an’i Jehovah any indray.

11. a) Nahoana no tena zava-dehibe ny mitana ny teny nataontsika? b) Inona no ohatra fampitandremana ao amin’ny Baiboly momba ireo olona tsy nitana ny teniny?

11 Nahoana no nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Teniny ireo ohatra ireo? Ary nahoana no tena zava-dehibe ny mitana ny teny nataontsika, ka rehefa Eny dia Eny? Milaza mazava tsara ny Baiboly hoe “mendrika ny ho faty” ny olona “tsy manaja fifanekena.” (Rom. 1:31, 32) Misy olona maromaro tsy nitana ny teniny ao amin’ny Baiboly, ary nijinja vokany ratsy izy ireo. Anisan’izany i Farao mpanjakan’i Ejipta, Zedekia mpanjakan’i Joda, ary Ananiasy sy Safira. Fampitandremana ho antsika ny nanjo azy ireo.—Eks. 9:27, 28, 34, 35; Ezek. 17:13-15, 19, 20; Asa. 5:1-10.

12. Inona no hanampy antsika hitana ny teny nataontsika?

12 Miaina amin’ny “andro farany” isika izao, ka voahodidina olona ‘tsy mena-mivadika.’ Misy olona sasany koa “jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Tim. 3:1-5) Tokony hiezaka araka izay azo atao isika, mba tsy hifanerasera amin’ny olona toy ireny. Tokony hiezaka kosa isika hifanerasera amin’ny olona miezaka foana mitana ny teniny.—Heb. 10:24, 25.

NY VOADY LEHIBE INDRINDRA NATAONAO

13. Inona no voady lehibe indrindra ataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy?

13 Ny fanokanan-tena ho an’i Jehovah no fampanantenana lehibe indrindra ataon’ny olona iray. Intelo ny olona maniry ho lasa mpianatr’i Jesosy no anontaniana, mba hahafantarana raha tena maniry hanao izay takina aminy izy. (Mat. 16:24) Raha mamaly hoe Eny izy amin’ireo fanontaniana ireo, dia midika izany fa manaiky hanompo an’i Jehovah izy. Izany no voady lehibe indrindra ataony eo amin’ny fiainana. Rahoviana avy no apetraka ireo fanontaniana ireo? Voalohany, rehefa te ho lasa mpitory izy. Misy anti-panahy roa miresaka aminy, ary manontany hoe: “Tena maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?” Rehefa mandroso tsara indray izy, ka te hatao batisa, dia manontany azy indray ny anti-panahy hoe: “Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka ve ianao?” Fahatelo, amin’ny andro anaovana batisa azy, dia manontany azy ilay mpandahateny hoe: “Miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy, moa ve ianao nibebaka noho ireo fahotanao, ka nanokan-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?” Mamaly hoe Eny ilay olona amin’izay, mba hampisehoana eo anatrehan’ny mpanatrika rehetra, fa hanompo an’i Jehovah mandrakizay izy.

Mitana ny teninao ve ianao, ka manatanteraka ny voady lehibe indrindra nataonao?

14. Inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika matetika?

14 Na vao haingana ianao no natao batisa, na efa ela, dia tsara ny manontany tena matetitetika hoe: ‘Manahaka an’i Jesosy Kristy ve aho, ka mbola mitana ny teniko foana tamin’ilay voady lehibe indrindra nataoko? Mbola mankatò an’i Jesosy ve aho, ka ny fitoriana sy ny fampianarana no ataoko loha laharana?’—Vakio ny 2 Korintianina 13:5.

15. Rahoviana isika no mila mitana ny tenintsika? Manomeza ohatra.

15 Ny hoe manatanteraka ny voady nataontsika momba ny fanokanan-tena, dia midika koa hoe mitana ny teny nataontsika amin’ny raharaha lehibe hafa. Manambady ve, ohatra, ianao? Raha izany, dia hajao foana ilay voady nataonao hoe hotiavinao sy holalainao ny vadinao. Ahoana indray raha nanao sonia fifanekena ara-barotra ianao, na nameno fangatahana mba handray anjara amin’ny karazana fanompoana iray? Aoka ianao hanatanteraka izay nolazainao. Ary ahoana raha misy olona mahantra manasa anao hisakafo, ary efa nanaiky ianao? Aza mivadika amin’ny teninao, na dia mahazo fanasana hafa heverinao ho mahafinaritra kokoa aza ianao. Raha nandeha nitory ianao, ka nampanantena olona hoe hitsidika azy, dia aoka ny teninao rehefa Eny dia Eny. Hotahin’i Jehovah ny fanompoanao raha manao izany ianao.—Vakio ny Lioka 16:10.

MAHASOA ANTSIKA NY ASAN’ILAY MPISORONABE SADY MPANJAKANTSIKA

16. Inona no tokony hataontsika raha tsy vitantsika ny nitana ny teny nataontsika?

16 Milaza ny Baiboly fa tsy lavorary isika, ka “manao fahadisoana imbetsaka”, indrindra fa amin’ny teny lazaintsika. (Jak. 3:2) Inona àry no tokony hataontsika rehefa tsapantsika fa tsy nitana ny teny nataontsika isika? Milaza ny Lalàn’i Jehovah ho an’ny Israelita, fa afaka mahazo famelan-keloka ny olona iray nanao “fianianana tsy voahevitra.” (Lev. 5:4-7, 11) Afaka mahazo famelan-keloka koa àry isika Kristianina, raha tsy nahavita nitana ny teny nataontsika. Raha mibaboka an’ilay fahotana amin’i Jehovah isika, dia hamindra fo izy ka hamela ny helotsika, noho ny asan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe. (1 Jaona 2:1, 2) Tokony hasehontsika koa anefa hoe tena mibebaka isika, raha tiantsika ny hankasitrahan’Andriamanitra foana. Tsy tokony hataontsika fahazarana, ohatra, ny hoe mampanantena nefa avy eo tsy manatanteraka. Raha nisy vokany ratsy koa ny nataontsika, noho isika tsy nitana ny tenintsika, dia mila miezaka isika hanonitra an’izany. (Ohab. 6:2, 3) Ny tsara indrindra anefa, dia ny mieritreritra tsara vao mampanantena zavatra. Amin’izay isika tsy hampanantena zavatra tsy ho vitantsika.—Vakio ny Mpitoriteny 5:2.

17, 18. Inona ny hoavy mahafinaritra miandry an’izay rehetra mitana ny teny nataony?

17 Hoavy tena mahafinaritra no miandry ny mpanompon’i Jehovah rehetra, izay miezaka mitana ny teny nataony. Tsy ho faty intsony ireo voahosotra 144 000, ary “hiara-manjaka” amin’i Jesosy any an-danitra mandritra ny “arivo taona.” (Apok. 20:6) Handray soa koa ireo olon-kafa an-tapitrisany. Hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany izy ireo eo ambany fitondran’i Kristy, ary hanana saina lavorary sy fahasalamana tonga lafatra.—Apok. 21:3-5.

18 Hisy fitsapana farany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, ka ho afaka hijanona ao amin’ny Paradisa izay tsy mivadika. Tsy hifampiahiahy intsony ny olona aorian’izay, fa hifampatoky. (Apok. 20:7-10) Hitana ny teniny foana ny olona, ka rehefa milaza izy hoe Eny dia Eny, ary rehefa Tsia dia Tsia. Hanahaka tanteraka an’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana” ny mponina rehetra eto an-tany amin’izay.—Sal. 31:5.