Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ampianaro Hanao ny Sitraponao Aho”

“Ampianaro Hanao ny Sitraponao Aho”

“Ampianaro hanao ny sitraponao aho, fa ianao no Andriamanitro.”—SAL. 143:10.

1, 2. Nahoana isika no mila mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, ary inona no hodinihintsika momba an’i Davida Mpanjaka?

AOKA hatao hoe mandeha amin’ny toerana be havoana ianao, ary mizara roa ny lalana rehefa mandeha kelikely ianao, nefa tsy fantatrao hoe mankaiza avy izy ireo. Iza amin’ireo lalana ireo no hofidinao? Mety hiakatra amin’ny toerana avoavo ianao, mba hitazanana hoe mankaiza avy ireo lalana ireo. Hanampy anao izany mba hifidy ny lalana tsara indrindra. Toy izany koa no tokony hataontsika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Mila miakatra amin’ny toerana avoavo isika, izany hoe mila mamantatra ny fomba fihevitr’i Jehovah, mba hahafahantsika handeha amin’ny “lalana” ankasitrahany.—Isaia 30:21.

2 Ohatra tsara ny amin’izany i Davida Mpanjaka. Niezaka namantatra ny sitrapon’i Jehovah izy, ary nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah ny fony. (1 Mpanj. 11:4) Handinika ny zava-tsarotra sasany natrehiny isika izao, ary handray lesona amin’ny zavatra nataony.

NANAJA NY ANARAN’I JEHOVAH I DAVIDA

3, 4. a) Nahoana i Davida no sahy nifanandrina tamin’i Goliata? b) Ahoana no fiheveran’i Davida ny anaran’Andriamanitra?

3 Mbola tovolahy i Davida, dia efa niady tamin’i Goliata, mpiady maherin’ny Filistinina. Tena goavam-be i Goliata, telo metatra latsaka kely ny halavany, ary nanana fitaovam-piadiana ampy tsara. (1 Sam. 17:4) Nahoana anefa i Davida no sahy niady tamin’i Goliata? Noho izy be herim-po ve, sa noho izy nino an’Andriamanitra? Marina fa nanampy an’i Davida ireo toetra ireo. Ny fanajany an’i Jehovah sy ny anarany anefa no tena nahatonga an’i Davida ho sahy hiady tamin’i Goliata. Sady tezitra i Davida no nanontany hoe: “Fa zinona moa io Filistinina tsy mifora io no dia mihantsy ady amin’ny tafik’ilay Andriamanitra velona?”—1 Sam. 17:26.

4 Nilaza toy izao i Davida, rehefa hiady tamin’i Goliata: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao.” (1 Sam. 17:45) Niantehitra tamin’ilay tena Andriamanitra i Davida, ka vato iray monja no nalefany tamin’ny pilotra, dia nahafaty an’i Goliata. Tsy tamin’io ihany anefa i Davida no natoky an’i Jehovah sy nanaja ny anarany. Nanao izany foana izy teo amin’ny fiainany. Nampirisika ny Israelita mihitsy aza izy hoe: ‘Ataovy ho reharehanareo ny anarana masin’i Jehovah.’—Vakio ny 1 Tantara 16:8-10.

5. Inona no zavatra ataon’ny olona ankehitriny, mety hitovy amin’ny nataon’i Goliata?

5 Mirehareha ve ianao hoe manana an’i Jehovah ho Andriamanitrao? (Jer. 9:24) Ahoana no ataonao rehefa milaza zavatra ratsy momba an’i Jehovah na maneso ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiray tanàna aminao, na ny mpiara-miasa aminao, na ny mpiara-mianatra aminao, na ny havanao? Sahy miteny ve ianao rehefa misy manala baraka ny anaran’i Jehovah, ary matoky ve ianao hoe hanohana anao izy? Marina fa ao ny “fotoana anginana”, kanefa tsy tokony ho menatra isika hoe Vavolombelon’i Jehovah sy mpanara-dia an’i Jesosy. (Mpito. 3:1, 7; Mar. 8:38) Ary na dia mila mandanjalanja sy mahalala fomba aza isika amin’ireo mpanohitra, dia tsy mety ny manahaka ny Israelita, izay “nihorohoro sy natahotra mafy”, rehefa nandre ny fihantsian’i Goliata. (1 Sam. 17:11) Tokony ho vonona kosa isika hiaro avy hatrany ny anaran’Andriamanitra. Tiantsika ho fantatry ny olona hoe Andriamanitra manao ahoana i Jehovah, ka mampiasa ny Teniny isika mba hampisehoana amin’izy ireo hoe ilaina ny manatona an’Andriamanitra.—Jak. 4:8.

6. Inona no tanjon’i Davida tamin’izy nifanandrina tamin’i Goliata, ary inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika?

6 Misy zava-dehibe hafa ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Davida sy Goliata. Nanontany toy izao i Davida, rehefa nanatona an’ireo miaramila israelita: “Hatao ahoana tsara hoe izay lehilahy mahafaty an’io Filistinina io, ka mahafaka ny Israely amin’izao fahafaham-baraka izao?” Naverin’ny olona tamin’i Davida àry izay efa nolazain’izy ireo, nanao hoe: “Izay lehilahy mahafaty [an’i Goliata], hono, dia homen’ny mpanjaka harem-be, ary homeny ho vadiny ny zanany vavy.” (1 Sam. 17:25-27) Tsy ny hahazo valisoa anefa no notadiavin’i Davida, fa zavatra tsara kokoa. Te hanome voninahitra an’i Jehovah izy. (Vakio ny 1 Samoela 17:46, 47.) Ary isika? Inona no tena zava-dehibe amintsika? Ny ho lasa mpanankarena na hanana toerana ambony ve, amin’izay ny anarantsika lasa malaza? Azo antoka fa tiantsika ny hanahaka an’i Davida, izay nihira hoe: “Mankalazà an’i Jehovah miaraka amiko, ary andao isika hiara-manandratra ny anarany.” (Sal. 34:3) Aoka àry isika hatoky an’Andriamanitra, ka hihevitra ny anarany ho zava-dehibe noho ny anarantsika, izany hoe ny lazantsika.—Mat. 6:9.

7. Inona no hanampy antsika hanana finoana matanjaka, ka hitory foana na dia tsy mety mihaino aza ny olona?

7 Tsy maintsy hoe natoky tanteraka an’i Jehovah i Davida, matoa sahy niady tamin’i Goliata. Nanampy an’io tovolahy io hanana finoana matanjaka ny fianteherana tamin’i Jehovah, tamin’izy nanao ny asan’ny mpiandry ondry. (1 Sam. 17:34-37) Mila finoana matanjaka koa isika, mba hahafahantsika manohy ny fanompoana, indrindra fa rehefa tsy mety mihaino ny olona. Afaka manana an’izany finoana matanjaka izany isika, raha miantehitra amin’i Jehovah eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Azonao atao, ohatra, ny miezaka manombo-dresaka amin’ny olona eo akaikinao, rehefa mandeha fitateram-bahoaka, ary miresaka momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Aza misalasala koa mitory amin’ny olona hitanao eny an-dalana, rehefa mitory isan-trano.—Asa. 20:20, 21.

NY HEVITR’I JEHOVAH FOANA NO ZAVA-DEHIBE TAMIN’I DAVIDA

Nahoana i Davida no tsy namono an’i Saoly, na dia afaka nanao izany aza?

8, 9. Ahoana no ahitana fa tena zava-dehibe tamin’i Davida ny sitrapon’i Jehovah, rehefa nitady hamono azy i Saoly?

8 Hita hoe natoky an’i Jehovah koa i Davida, rehefa jerena ny fomba fiheviny an’i Saoly, ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. Nialona azy i Saoly, ka intelo izy no notorahan’i Saoly tamin’ny lefona, mba hifantsika teo amin’ny rindrina. Tafala foana anefa izy, ary tsy nety namaly faty. Nitsoaka mihitsy izy tamin’ny farany. (1 Sam. 18:7-11; 19:10) Naka 3 000 lahy teo amin’ny Israely àry i Saoly, ary nitady an’i Davida tany an-tany efitra. (1 Sam. 24:2) Niditra tao amin’ny lava-bato iray i Saoly tany, ary tsy fantany hoe efa tao i Davida sy ny olony. Afaka nanararaotra namono an’i Saoly àry i Davida. I Jehovah rahateo efa nilaza hoe izy no ho mpanjaka hisolo an’i Saoly. (1 Sam. 16:1, 13) Ireo olona niaraka tamin’i Davida koa nampirisika azy hamono an’i Saoly. Nilaza anefa i Davida hoe: “Sanatria ahy ny haninjitra ny tanako hamely ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah.” (Vakio ny 1 Samoela 24:4-7.) Mbola i Saoly no mpanjaka voahosotr’i Jehovah tamin’izay. Tsy te handrombaka ny fahefany i Davida, satria i Jehovah aza mbola tsy nanaisotra azy teo amin’ny toerany. Ny morontongotr’akanjon’i Saoly fotsiny no nalain’i Davida, mba hanaporofoany hoe tsy te hanisy ratsy an’i Saoly izy.—1 Sam. 24:11.

9 Nanaja an’ilay voahosotr’i Jehovah foana i Davida, na dia tamin’ny fotoana farany nahitany azy aza. Tonga teo amin’ny toerana nitobian’i Saoly izy sy Abisay tamin’izay, ary nahita an’i Saoly natory. Nihevitra i Abisay hoe natolotr’Andriamanitra eo an-tanan’i Davida ny fahavalony, ary nangataka alalana izy mba handefona an’i Saoly hifantsika amin’ny tany. Tsy nanaiky anefa i Davida. (1 Sam. 26:8-11) Nitady ny tari-dalan’i Jehovah foana izy, ka tena tapa-kevitra hanao ny sitrapon’i Jehovah, na dia teo aza ny fampirisihan’i Abisay.

10. Inona no zava-tsarotra mety hatrehintsika, ary inona no hanampy antsika mba tsy hanaiky lembenana?

10 Mety hiatrika zava-tsarotra toy izany koa isika. Mety hanery antsika hanaraka ny heviny ny olona sasany, fa tsy handrisika antsika hanao ny sitrapon’i Jehovah. Misy aza mety hanahaka an’i Abisay, ka hampirisika antsika hanao zavatra avy hatrany, fa tsy handinika ny sitrapon’i Jehovah aloha. Raha tsy te hanaiky lembenana isika, dia mila mahatakatra tsara ny fomba fihevitr’i Jehovah momba an’ilay toe-javatra, ary tokony ho tapa-kevitra hanaraka ny fomba fiheviny.

11. Ahoana no azontsika anahafana an’i Davida, raha tena zava-dehibe amintsika ny sitrapon’Andriamanitra?

11 Nivavaka tamin’i Jehovah i Davida hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho.” (Vakio ny Salamo 143:5, 8, 10.) Naniry mafy ny hampianarin’i Jehovah i Davida, fa tsy niantehitra tamin’ny heviny, na hoe nanaraka ny fampirisihan’ny hafa. ‘Nisaintsaina ny zava-drehetra nataon’i Jehovah izy, ary ny asan’ny tanan’i Jehovah foana no tiany hoeritreretina.’ Afaka mahafantatra ny sitrapon’i Jehovah koa isika, raha mandalina ny Soratra Masina ary misaintsaina ny fomba nitarihan’i Jehovah ny mpanompony fahiny.

NAHATAKATRA NY HEVITRA FONOSIN’NY LALÀNA I DAVIDA

12, 13. Nahoana no nararak’i Davida tamin’ny tany ilay rano nentin’ireo miaramilany?

12 Misy toro lalana tian’i Jehovah hampitaina ao amin’ireo Lalàna nomeny. Ohatra tsara i Davida satria nahatakatra an’ireny toro lalana ireny izy, sady naniry hampihatra izany. Nangetaheta be, ohatra, izy indray mandeha, ka te hisotro “rano avy amin’ilay lavaka fanangonan-drano eo am-bavahadin’i Betlehema.” Teo ambany fifehezan’ny Filistinina i Betlehema tamin’izay. Niditra an-keriny tao Betlehema àry ny telo tamin’ireo miaramilany, ka naka rano tao ho an’i Davida. ‘Tsy nety nisotro anefa izy fa nararany ho an’i Jehovah ilay rano.’ Nahoana? Nanazava izy hoe: “Sanatria ahy ny hanao izany, noho ny fanajako an’Andriamanitro! Ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo ve no hosotroiko? Nanao vivery ny ainy mantsy izy ireo mba hitondrana rano atỳ amiko.”—1 Tan. 11:15-19.

Tsy nety nisotro ny rano nalain’ireo miaramilany i Davida. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

13 Fantatr’i Davida fa milaza ny Lalàna hoe tokony hararaka ho an’i Jehovah ny ra, fa tsy hohanina. Fantany koa ny antony, dia satria “ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.” Tsy ra anefa no natolotra azy, fa rano. Koa nahoana izy no tsy nety nisotro? Satria takany ny toro lalana tian’ilay lalàna hampitaina. Sarobidy toy ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo, ny rano nalainy. Nihevitra àry izy fa tsy mety mihitsy ny misotro an’ilay rano, fa tokony hararaka amin’ny tany ilay izy.—Lev. 17:11; Deot. 12:23, 24.

14. Inona no nanampy an’i Davida hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah?

14 Niezaka i Davida mba handentika ny lalàn’Andriamanitra tao am-pony sy tao an-tsainy. Nihira izy hoe: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” (Sal. 40:8) Nianatra ny lalàn’Andriamanitra i Davida, sady nisaintsaina lalina an’izay nianarany. Natoky izy hoe fahendrena ny mankatò ny didin’i Jehovah. Vokatr’izany, dia tsy hoe naniry hankatò ny Lalàn’i Mosesy fotsiny i Davida, fa takany koa ny hevitra nofonosin’ireny lalàna ireny, ka tiany hampiharina. Tsara koa àry raha misaintsaina izay vakintsika isika rehefa mianatra Baiboly, ary mitahiry izany ao am-pontsika mba hahafahantsika mamantatra hoe inona no hampifaly an’i Jehovah amin’ny toe-javatra atrehintsika.

15. Inona no mampiseho fa tsy nanaja ny Lalàn’Andriamanitra i Solomona?

15 Tena notahin’i Jehovah i Solomona, zanak’i Davida. Tsy nanaja ny Lalàn’i Jehovah intsony anefa izy tatỳ aoriana. Tsy nankatoaviny ilay didy hoe: Tsy tokony hampitombo ny isan’ny vadiny ny mpanjakan’ny Israely. (Deot. 17:17) Naka vady hafa firenena maro be koa aza izy. ‘Voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa anefa ny fony’, rehefa nihantitra izy. Na inona na inona antony nanaovany an’izany, dia ‘nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, ka tsy nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo, tsy mba hoatran’i Davida rainy.’ (1 Mpanj. 11:1-6) Tsy maintsy manaraka an’ireo lalàna sy toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa isika! Tena ilaina, ohatra, izany rehefa mitady vady.

16. Ahoana no hataontsika, raha takatsika ny hevitra fonosin’ilay didy hoe manambady “ao amin’ny Tompo ihany”?

16 Ahoana no hataonao raha misy olona tsy Vavolombelon’i Jehovah mampiseho aminao hoe tia anao izy? Hanahaka an’i Davida ve ianao sa hanahaka an’i Solomona? Mandidy antsika ny Baiboly hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” isika. (1 Kor. 7:39) Tokony ho mpanompon’i Jehovah ihany àry no alain’ny Kristianina ho vady. Raha takatsika tsara koa anefa ny hevitra fonosin’io didy io, dia tsy hoe tsy hanambady tsy Vavolombelona fotsiny isika, fa tsy hanaiky hadaladalainy koa.

17. Inona no hanampy antsika hanohitra ny fakam-panahy hijery sary vetaveta?

17 Misy soa hafa koa raisintsika avy amin’ny ohatra navelan’i Davida. Afaka manohitra ny fakam-panahy hijery sary vetaveta isika, raha miezaka hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah toa azy. Vakio ireto andinin-teny ireto, eritrereto ny toro lalana raketiny, ary miezaha hamantatra hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ny sary vetaveta. (Vakio ny Salamo 119:37; Matio 5:28, 29; Kolosianina 3:5.) Hanampy antsika tsy hijery sary vetaveta ny fisaintsainana an’ireo fitsipika tena tsara omen’i Jehovah antsika.

TADIDIO FOANA NY FOMBA FIHEVITR’I JEHOVAH

18, 19. a) Inona no nanampy an’i Davida hahazo sitraka tamin’i Jehovah foana, na dia tsy lavorary aza izy? b) Inona no fanapahan-kevitra raisinao

18 Nanao fahotana lehibe maromaro i Davida, na dia tena ohatra tsara aza izy tamin’ny lafiny maro. (2 Sam. 11:2-4, 14, 15, 22-27; 1 Tan. 21:1, 7) Hita hoe tena nibebaka anefa izy rehefa nisy fahotana nataony. Nanompo an’i Jehovah ‘tamin’ny fo manontolo’ izy. (1 Mpanj. 9:4) Nahoana isika no milaza izany? Satria niezaka nanao zavatra araka ny sitrapon’i Jehovah izy.

19 Afaka mahazo sitraka amin’i Jehovah foana isika, na dia tsy lavorary aza. Amin’ny fomba ahoana? Mila mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, misaintsaina izay ianarantsika, ary mampihatra izany avy hatrany. Raha manao izany isika, dia ho toa an’ilay mpanao salamo, izay nivavaka tamim-panetren-tena hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho.”