Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanetry Tena i Jesosy ka Modely ho Antsika

Nanetry Tena i Jesosy ka Modely ho Antsika

“Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.”—JAONA 13:15.

1, 2. Inona no lesona nampitain’i Jesosy tamin’ny apostoliny, ny alina farany niainany teto an-tany?

ALINA farany niainan’i Jesosy teto an-tany tamin’izay. Niara-nisakafo tamin’ny apostoliny izy, tao amin’ny efitra ambony rihana tao Jerosalema. Nitsangana anefa izy raha mbola teo am-pisakafoana. Napetrany ny akanjony ivelany, ary nofatorany teo amin’ny andilany ny servieta. Nanisy rano tao anaty koveta izy avy eo, ary nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianany, sy nanamaina izany tamin’ny servieta. Rehefa vita izany, dia nanaovany indray ilay akanjony ivelany. Nahoana i Jesosy no nanao izany asa heverina ho ambany izany?—Jaona 13:3-5.

2 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Fantatrareo ve izay nataoko taminareo teo? ... Koa izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, nanasa ny tongotrareo, dia mba tokony hifanasa tongotra koa ianareo. Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:12-15) Nampita lesona lehibe tamin’ny apostoliny i Jesosy tamin’izay. Niraikitra tsara tao an-tsain’izy ireo izany, ary nanampy azy ireo hanetry tena.

3. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa zava-dehibe ny fanetren-tena? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Efa niresaka momba ny fanetren-tena koa i Jesosy talohan’izay. Nifanditra ny apostoliny tamin’izay hoe iza tamin’izy ireo no lehibe indrindra. Naka zaza iray àry i Jesosy, ary nilaza hoe: “Izay mandray ity zaza ity amin’ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’ilay naniraka ahy. Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.” (Lioka 9:46-48) Hoy koa i Jesosy, rehefa nahita an’ireo Fariseo nanambony tena: “Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.” (Lioka 14:11) Hita amin’izany fa tian’i Jesosy hanetry tena ny mpanara-dia azy. Tsy tiany hirehareha na hihevi-tena ho ambony izy ireo. Handinika ny ohatra navelan’i Jesosy isika izao, mba hahafahantsika manahaka azy. Ho hitantsika koa fa tsy hoe isika ihany no handray soa raha manetry tena isika, fa handray soa koa ny olon-kafa.

‘IZAHO TSY MBA NIVILY LALANA’

4. Ahoana no ahitana hoe nanetry tena i Jesosy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

4 Niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra i Jesosy, nandritra ny taona maro tsy hita isa, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Nifandray akaiky izy sy ny Rainy, araka ny voalazan’ny bokin’ny Isaia hoe: “I Jehovah Tompo Fara Tampony no nanome ahy ny lelan’ny efa nampianarina, mba hahafantarako izay tokony holazaina amin’ny olona reraka. Mamoha ahy isa-maraina izy, ka fohaziny ny sofiko mba handre toy ny sofin’ny olona efa nampianarina. Nanokatra ny sofiko i Jehovah Tompo Fara Tampony, ary izaho kosa tsy mba nikomy na nivily lalana.” (Isaia 50:4, 5) Nanetry tena àry ny Zanak’Andriamanitra, na dia talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany aza. Tena nazoto nianatra izy rehefa nampianarin’i Jehovah, ary nihaino tsara. Azo antoka fa nandinika tsara izy, rehefa nanetry tena i Jehovah ka namindra fo tamin’ny olombelona mpanota.

5. Ahoana no ahitana hoe nanetry tena i Jesosy, tamin’izy nifanditra tamin’ny Devoly?

5 Tsy ny anjely rehetra no nanetry tena toa an’i Jesosy. Tsy naniry hampianarin’Andriamanitra ny anjely iray, izay lasa Satana Devoly. Nanjary nirehareha sy nanambony tena izy, nefa toetra mifanohitra amin’ny fanetren-tena ireo. Nahatonga azy hikomy tamin’Andriamanitra izany. I Jesosy kosa anefa tsy mba nitady fahefana mihoatra noho izay nomena azy, ary tsy nampiasa ny fahefany tamin’ny fomba ratsy. Hita, ohatra, izany rehefa ‘nifanditra momba ny fatin’i Mosesy’ izy sy ny Devoly. Nanetry tena izy, ary tsy nanao zavatra tsy nananany fahefana, na dia izy aza no Mikaela arkanjely. I Jehovah, ilay Mpitsara Fara Tampony, no navelany handamina an’ilay olana, amin’ny fotoana voatondrony sy araka ny fomba hitany hoe mety.—Vakio ny Joda 9.

6. Nahoana no azo lazaina hoe nanetry tena i Jesosy rehefa nanaiky ho lasa Mesia?

6 Azo inoana fa efa fantatr’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy ny faminaniana rehetra momba ny Mesia. Mety ho efa fantany mialoha àry ny fijaliana niandry azy. Na izany aza, dia nanaiky ho lasa Mesia izy, ka hiaina etỳ an-tany sy ho faty. Nanao izany izy satria nanetry tena, araka ny voalazan’ny apostoly Paoly hoe: “Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra. Tsia, fa nafoiny kosa ny zava-drehetra ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona.”—Fil. 2:6, 7.

“NANETRY TENA” IZY TAMIN’IZY OLOMBELONA

Inona no soa raisintsika rehefa mandinika ny fanetren-tenan’i Jesosy?

7, 8. Ahoana no ahitana hoe nanetry tena i Jesosy tamin’izy mbola kely sy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany?

7 Hoy i Paoly: ‘Rehefa hitan’i Jesosy fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena izy ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.’ (Fil. 2:8) Efa hatramin’ny mbola kely i Jesosy no nanetry tena, ka namela modely ho antsika. Tsy lavorary i Maria sy Josefa, ray aman-dreny nitaiza azy, nefa nanetry tena izy ka “nankatò azy ireo foana.” (Lioka 2:51) Tena ohatra tsara ho an’ny tanora izy. Ry tanora, hotahin’i Jehovah ianareo raha mankatò ny ray aman-dreninareo.

8 Nanetry tena koa i Jesosy rehefa lehibe, satria ny sitrapon’i Jehovah no nataony loha laharana, fa tsy ny sitrapony. (Jaona 4:34) Nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy rehefa nanao ny fanompoany, ary nanampy ny olona tso-po mba hahafantatra ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany ho an’ny olombelona. Nampihatra izay nampianariny koa izy. Nampianatra ny mpianany, ohatra, izy hoe ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’izy ireo. Io no noresahiny voalohany tao amin’ilay vavaka modely. Hoy izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Tsy hoe nampianatra an’izany fotsiny anefa izy, fa nampihatra koa. Nasehony tamin’ny teny sy ny atao hoe nanamasina ny anaran’i Jehovah izy, ka afaka nilaza toy izao tamin’i Jehovah izy, rehefa nadiva hifarana ny fanompoany teto an-tany: “Efa nampahafantariko [an’ireo apostoly] ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.” (Jaona 17:26) Hita hoe nanetry tena koa i Jesosy, satria i Jehovah foana no nomeny voninahitra tamin’izay rehetra nataony nandritra ny fanompoany.—Jaona 5:19.

9. Inona no faminaniana nolazain’i Zakaria momba ny Mesia, ary ahoana no nahatanteraka an’izany tamin’i Jesosy?

9 Naminany toy izao momba ny Mesia i Zakaria: “Aoka ho dibo-kafaliana ianao, ry Ziona zanakavavy ô! Manaova horakora-pandresena, ry Jerosalema zanakavavy ô! Iny fa tonga atỳ aminao ny mpanjakanao. Olo-marina izy, sady voavonjy. Manetry tena izy, ary mitaingina ampondra, dia zanaky ny ampondravavy.” (Zak. 9:9) Tanteraka izany rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy talohan’ny Paska taona 33. Nientanentana be erỳ ny vahoaka tamin’izay! Namelatra ny akanjony ivelany teny an-dalana izy ireo, ary nametraka sampan-kazo teny. Nanetry tena foana anefa i Jesosy, na dia nankalazain’ny vahoaka toy ny mpanjaka aza.—Mat. 21:4-11.

10. Inona avy no voaporofo rehefa tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy?

10 Nanetry tena sy nankatò an’i Jehovah foana i Jesosy Kristy mandra-pahafatiny, teo amin’ny hazo fijaliana. Voaporofo tanteraka tamin’izay hoe mahavita tsy mivadika amin’i Jehovah ny olombelona, na dia miatrika fitsapana faran’izay mafy aza. Noporofoin’i Jesosy koa fa diso ny fiampangan’i Satana hoe fitiavan-tena no anompoan’ny olona an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:4) Nasehon’i Jesosy tamin’ny tsy fivadihany koa fa nanohana ny zon’i Jehovah hitondra izy, ary natoky izy hoe ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra. Azo antoka fa faly i Jehovah rehefa nahita hoe tsy nivadika mihitsy ny Zanany.—Vakio ny Ohabolana 27:11.

11. Inona no fanantenan’ireo olona mino ny soron’i Jesosy?

11 Afaka nanome ny vidim-panavotana i Jesosy, noho izy maty teo amin’ny hazo fijaliana. (Mat. 20:28) Vokatr’izany, dia voahaja ny fitsipik’i Jehovah momba ny rariny. Tsy vitan’izany fa afaka ny hiaina mandrakizay koa ny olombelona mpanota. Hoy i Paoly: ‘Ambara ho marina ho amin’ny fiainana ny karazan’olona rehetra, noho ny asa fanamarinana iray.’ (Rom. 5:18) Afaka ny hiaina mandrakizay any an-danitra ny Kristianina voahosotra, noho ny fahafatesan’i Jesosy. Ny “ondry hafa” kosa ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany.—Jaona 10:16; Rom. 8:16, 17.

NANETRY TENA IZY KA TSARA FANAHY TAMIN’NY OLONA

12. Ahoana no ahitana hoe nalemy fanahy sy nanetry tena i Jesosy, rehefa nifandray tamin’ny olona tsy lavorary?

12 Nampirisihin’i Jesosy hanatona azy izay rehetra “miasa mafy sy mavesatra entana.” Hoy izy: “Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.” (Mat. 11:28, 29) Nanetry tena sy nalemy fanahy i Jesosy, ka izany no nahatonga azy ho tsara fanahy sy tsy hanavakavaka, rehefa nifandray tamin’ny olona tsy lavorary. Tsy nitaky be loatra tamin’ny mpianany izy, ary nidera sy nampahery azy ireo. Tsy nataony izay hahatonga azy ireo hihevi-tena ho tsy mahay na hoe tsy misy dikany. Tsy nasiaka koa izy na nampijaly. Nanome toky ny mpanara-dia azy kosa izy hoe ho velombelona izy ireo, raha mifandray akaiky aminy sy manaraka ny fampianarany, satria mora entina ny ziogany ary maivana ny entany. Tsy mahagaga àry raha tia niaraka tamin’i Jesosy ny olona, na lahy na vavy, na antitra na tanora.—Mat. 11:30.

Nahay nangoraka i Jesosy, ka mendrika hotahafina

13. Ahoana no ahitana fa nangoraka ny mahantra i Jesosy?

13 Nangoraka ny mahantra teo amin’ny Israely i Jesosy, ary nanampy azy ireo tamim-pitiavana. Nahita mpangataka jamba roa lahy izy indray mandeha, teny akaikin’i Jeriko. Bartimeo no anaran’ny iray, fa ny iray kosa tsy fantatra anarana. Nisisika nangataka fanampiana tamin’i Jesosy izy ireo, nefa niteny mafy azy ireo ny vahoaka mba hangina. Azon’i Jesosy natao ny tsy niraharaha an’ireo jamba ireo, kanefa tsy izany no nataony. Nangoraka azy ireo izy, ka nasainy nentina teny aminy izy roa lahy ary nositraniny. Nanahaka an’i Jehovah Rainy tokoa i Jesosy, ka nanetry tena sy nangoraka ny olona mpanota.—Mat. 20:29-34; Mar. 10:46-52.

“IZAY MANETRY TENA NO HASANDRATRA”

14. Inona no soa azo avy amin’ny fanetren-tenan’i Jesosy?

14 Nisy vokany tsara maro ny fanetren-tenan’i Jesosy. Nahafaly an’i Jehovah ny nahita azy nanetry tena ka nanao ny sitrapony. Nahatsiaro ho velombelona koa ny apostoly sy ny mpianatra hafa, noho i Jesosy nanetry tena sy nalemy fanahy. Nanjary nandroso ara-panahy izy ireo, noho ny ohatra navelan’i Jesosy sy ny fampianarany ary ny teny fiderana nataony. Ny fanetren-tena no nahatonga an’i Jesosy hanampy sy hampianatra ary hampahery ny sarambabem-bahoaka. Nandray soa ny olona noho izany, ary noho ny sorona nataony aza, dia hahazo fitahiana mandrakizay ny olona rehetra mino azy.

15. Inona no soa noraisin’i Jesosy noho izy nanetry tena?

15 Ary ahoana ny amin’i Jesosy? Nahasoa azy ve ny nanetry tena? Hoy izy tamin’ny mpianany: “Izay manetry tena no hasandratra.” (Mat. 23:12) Tanteraka taminy io teny io. Nanazava i Paoly hoe: ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa i Jesosy, ary nomeny anarana ambony noho ny hafa rehetra izy, mba ho amin’ny anarany no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’ Nanetry tena sy tsy nivadika i Jesosy tetỳ an-tany, ka nasandratr’i Jehovah. Nomeny azy ny fahefana hanjaka amin’ny zavaboary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.—Fil. 2:9-11.

HIADY I JESOSY MBA “HAMPITOERANA NY FAHAMARINANA SY NY FANETREN-TENA”

16. Ahoana no hampisehoan’i Jesosy amin’ny hoavy fa tena zava-dehibe aminy ny fanetren-tena?

16 Mbola hasehon’i Jesosy amin’ny hoavy fa zava-dehibe aminy ny fanetren-tena. Hoy ny faminaniana momba azy: “Mandrosoa amim-boninahitra ho amin’ny fandresena! Taingeno ny soavalinao mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana.” (Sal. 45:4) Ho tanteraka izany amin’ny Hara-magedona, rehefa hiady amin’ny fahavalony i Jesosy Kristy Mpanjaka. Hiaro ny olona mahitsy sy tia ny fahamarinana izy amin’izay, nefa koa hiaro ny olona manetry tena. Ary inona kosa no hitranga amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, rehefa avy “nofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra”? Mbola hanetry tena ve i Jesosy? Izany tokoa, satria “hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy” izy amin’izay.—Vakio ny 1 Korintianina 15:24-28.

17, 18. a) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tena tokony hanetry tena toa an’i Jesosy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Ahoana kosa ny amintsika? Hanaraka ny modely navelan’i Jesosy ve isika, ka hanetry tena? Hanao ahoana isika, rehefa ho avy i Jesosy Kristy mba hampihatra didim-pitsarana, amin’ny Hara-magedona? Tadidio fa ny olona mahitsy sy manetry tena ihany no hovonjeny. Mila manetry tena àry isika, raha te ho tafavoaka velona. Ho toa an’i Jesosy koa isika raha manao izany, ka sady handray soa no hitondra soa ho an’ny hafa.

18 Inona àry no hanampy antsika hanetry tena toa an’i Jesosy? Ahoana no ahafahantsika manetry tena foana, na dia sarotra aza izany indraindray? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.