Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Anao ny Famelan-kelok’i Jehovah

Mahasoa Anao ny Famelan-kelok’i Jehovah

‘Andriamanitra mamindra fo i Jehovah, tsara fanahy, tsy mora tezitra, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana.’—EKS. 34:6, 7.

1, 2. a) Andriamanitra manao ahoana i Jehovah, raha jerena ny fifandraisany tamin’ny Israelita? b) Inona no fanontaniana hovaliana ato amin’ity lahatsoratra ity?

NIVAVAKA teo anatrehan’ny vahoaka ny Levita maromaro tamin’ny andron’i Nehemia. Niaiky izy ireo hoe “tsy nety nihaino” ny didin’i Jehovah ny razambeny, ary nanao izany imbetsaka. Navelan’i Jehovah foana anefa ny helok’izy ireny, satria ‘Andriamanitra mamela heloka izy, sady tsara fanahy, mamindra fo, tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy feno fitiavana.’ Mbola nitohy izany hatramin’ny andron’i Nehemia. Naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamin’ireo Jiosy avy tany an-tsesitany i Jehovah.—Neh. 9:16, 17.

2 Mila mieritreritra anefa isika tsirairay hoe: Inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa amin’ny famelan-kelok’i Jehovah? Mba hamalianao an’io fanontaniana io, dia andeha hojerentsika ny tantaran’ny mpanjaka roa, nandray soa tamin’ny famelan-kelok’i Jehovah. Tsy iza izany fa i Davida sy Manase.

IREO FAHOTANA LEHIBE NATAON’I DAVIDA

3-5. Ahoana no nahatonga an’i Davida hanao fahotana lehibe?

3 Natahotra an’Andriamanitra i Davida, kanefa nanao fahotana lehibe. Nahakasika an’i Oria sy Batseba ny fahotana roa nataony, ary nisy vokany ratsy tamin’izy rehetra izany. Mahasoa antsika anefa ny mandinika ny fomba nanitsian’i Jehovah an’i Davida. Hanampy antsika izany mba hahafantatra momba an’ilay toetran’i Jehovah hoe mamela heloka. Diniho izay nitranga.

4 Naniraka ny tafik’Israely i Davida, mba hanao fahirano an’i Raba, renivohitry ny Amonita. Any amin’ny 80 kilaometatra atsinanan’i Jerosalema izy io, any ampitan’ny Reniranon’i Jordana. I Davida kosa nijanona tao an-dapany. Nahatazana an’i Batseba nandro izy rehefa nandehandeha teo an-tampon-trano, ka naniry mafy hanao firaisana taminy. Vadin’i Oria anefa i Batseba, saingy tany an’ady i Oria tamin’izay. Na izany aza, dia nampanantsoin’i Davida i Batseba, ka nijangajanga taminy izy.—2 Sam. 11:1-4.

5 Henon’i Davida fa bevohoka i Batseba, ka nasainy niverina tao Jerosalema i Oria. Nasainy nody tany an-tranony i Oria, amin’izay izy manao firaisana amin’ny vadiny. Tsy nanaiky anefa izy. Nanoratra taratasy ho an’ny mpitari-tafika àry i Davida nilaza hoe “ataovy any amin’izay misy ny fanafihana mafy indrindra” i Oria, ary asaivo mihemotra ny miaramila hafa. Maty tokoa ny vadin’i Batseba, araka ny nikasan’i Davida azy. (2 Sam. 11:12-17) Tsy vitan’ny hoe nijangajanga àry i Davida, fa namono olona tsy manan-tsiny koa.

TONGA SAINA I DAVIDA KA NANOVA NY FOMBA FISAINANY

6. Ahoana no nataon’i Jehovah rehefa nanota i Davida, ary manao ahoana ny toetran’i Jehovah raha dinihina ny nataony?

6 Mazava ho azy fa hitan’i Jehovah daholo izay nitranga. Tsy misy na inona na inona miafina aminy. (Ohab. 15:3) ‘Ratsy teo imason’i Jehovah ny zavatra nataon’i Davida’, na dia nanambady an’i Batseba aza izy tatỳ aoriana. (2 Sam. 11:27) Ahoana àry no nataon’i Jehovah? Nirahiny ho any amin’i Davida i Natana mpaminany, mba hahitany raha hibebaka i Davida na tsia. Andriamanitra mamela heloka i Jehovah, ka te hamindra fo taminy. Tsy mampahery anao ve izany? Tsy nanery an’i Davida hiaiky ny helony i Jehovah, fa nasainy nilaza fanoharana fotsiny i Natana, mba hahatakaran’i Davida fa tena ratsy ny nataony. (Vakio ny 2 Samoela 12:1-4.) Tena tsara ny fomba nataon’i Jehovah mba hamantarana ny tena tao am-pon’i Davida.

7. Inona no vokatr’ilay fanoharana nolazain’i Natana tamin’i Davida?

7 Tsapan’i Davida fa tsy rariny ny nataon’ilay mpanankarena tao amin’ilay fanoharana. Tezitra izy, ka nilaza hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, dia mendrika ny ho faty ilay lehilahy nanao izany!” Nilaza koa i Davida fa tokony honerana ny ondrin’ilay mahantra. Tamin’izay anefa no nilaza i Natana hoe: “Ianao izany lehilahy izany!” Tena nanaitra an’i Davida ilay izy. Nolazain’i Natana taminy avy eo ny sazy vokatry ny zava-dratsy nataony: Hamely ny ankohonany foana ny “sabatra”, ary hisy loza hanjo ny fianakaviany. Halam-baraka eo imasom-bahoaka koa izy noho ny fahadisoany. Takatr’i Davida fa lehibe ny fahotany, ka nanenina izy sady niaiky hoe: “Nanota tamin’i Jehovah aho.”—2 Sam. 12:5-14.

NIVAVAKA SY NAHAZO FAMELAN-KELOKA I DAVIDA

8, 9. Inona no tsapan’i Davida momba ny fahotany, araka ny Salamo faha-51? Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa dinihina izay nataony tamin’i Davida?

8 Hita tamin’ny hira nosoratan’i Davida Mpanjaka taorian’izay, fa tena nanenina izy. Hita ao amin’ny Salamo faha-51 ny fitalahoan’i Davida, ary tena mampihetsi-po izy io. Hita ao koa hoe nibebaka i Davida, fa tsy hoe niaiky ny fahotany fotsiny. Ny fifandraisany tamin’i Jehovah no tena nampanahy azy. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Taminao dia taminao irery ihany no nanotako.” Nitalaho koa izy hoe: “Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova. ... Ampodio amiko indray ny fifaliana avy amin’ny famonjenao, ary ampio aho hanam-paniriana hankatò anao.” (Sal. 51:1-4, 7-12) Toy izany koa ve no ataonao rehefa manao fahadisoana? Resahinao amim-pahatsorana amin’i Jehovah ve ny fahadisoanao, ary lazainao daholo ny zava-drehetra?

9 Tsy narovan’i Jehovah tsy hizaka ny voka-dratsin’ny zavatra nataony anefa i Davida, ary hita izany nandritra ny androm-piainany. Noho i Davida tena nibebaka anefa, dia namela ny helony i Jehovah. Hitany hoe tena nibebaka i Davida, ka ‘torotoro fo sy kivy.’ (Vakio ny Salamo 32:5; Sal. 51:17) Mahafantatra ny tena antony mahatonga ny olona hanota ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Fantany hoe nanao ahoana ny fihetseham-pon’ilay olona, ka nitarika azy hanota. Vokatr’izany, dia tsy novonoina ho faty, araka ny Lalàn’i Mosesy, i Davida sy Batseba. (Lev. 20:10) Tsy navelan’i Jehovah hotsarain’ny mpitsara olombelona izy ireo, fa izy no nitsara azy, ka namindra fo taminy. I Solomona, zanak’izy ireo, aza no notendren’i Jehovah ho mpanjaka handimby an’i Davida.—1 Tan. 22:9, 10.

10. a) Inona koa no mety ho antony namelan’i Jehovah ny helok’i Davida? b) Inona avy no tokony hataontsika raha te hahazo famelan-keloka isika?

10 Namela ny helok’i Davida koa angamba i Jehovah, satria namindra fo tamin’i Saoly i Davida. (1 Sam. 24:4-7) Nilaza i Jesosy fa izay fomba itondrantsika ny hafa no itondran’i Jehovah antsika. Hoy izy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina, fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.” (Mat. 7:1, 2) Tena mampahery ny mahalala fa vonona hamela ny helotsika i Jehovah, na dia fahotana lehibe toy ny hoe manitsakitsa-bady sy mamono olona aza. Hamela ny helotsika izy, raha tia mamela heloka isika, miaiky ny fahotantsika eo anatrehany, ary manova ny fomba fisainantsika mba hanana ny fomba fijerin’i Jehovah momba ilay fahotana. Raha tena mibebaka ny olona iray nanota, dia homen’i Jehovah “fotoana mamelombelona” izy, izany hoe hampiany mba hanana feon’ny fieritreretana madio.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.

NANAO FAHOTANA LEHIBE I MANASE KANEFA NIBEBAKA

11. Inona avy ny ratsy nataon’i Manase?

11 Misy ohatra iray hafa mampiseho fa vonona hamela heloka i Jehovah. Lasa mpanjakan’ny Joda i Manase, 360 taona teo ho eo taorian’ny nanombohan’i Davida nanjaka. Nanjaka nandritra ny 55 taona i Manase, ary nalaza ratsy ny fanjakany. Nanao zavatra maharikoriko izy ka nanameloka azy i Jehovah. Nanorina alitara ho an’i Bala, ohatra, izy, nivavaka ‘tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra’, nandoro ny zanany tao anaty afo, ary nampirisika ny olona hifandray tamin’ny fanahy ratsy. ‘Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, ary be tokoa ny ratsy vitany.’—2 Tan. 33:1-6.

12. Ahoana no niverenan’i Manase tamin’i Jehovah?

12 Lasa babo sy nogadraina tany Babylona i Manase tatỳ aoriana. Angamba izy tany nahatsiaro ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israelita hoe: “Rehefa ory mafy ianao ary manjo anao ireo voalaza rehetra ireo any am-parany, dia hiverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony.” (Deot. 4:30) Niverina tamin’i Jehovah tokoa i Manase. Tamin’ny fomba ahoana? “Tena nanetry tena” izy ary “tsy nitsahatra nivavaka” tamin’Andriamanitra (araka ny hita eo amin’ny sary eo amin’ny pejy 21). (2 Tan. 33:12, 13) Tsy voasoratra mazava ao amin’ny Baiboly io vavak’i Manase io, kanefa mety ho nitovitovy amin’izay nolazain’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo faha-51. Na ahoana na ahoana, dia niova ny fon’i Manase.

13. Nahoana i Jehovah no namela ny helok’i Manase?

13 Namaly ny vavak’i Manase ve i Jehovah? Hoy ny Baiboly: ‘Nanaiky ny fiangavian’i Manase Andriamanitra, ka nihaino ny fitalahoany famindram-po.’ Toa an’i Davida, dia takatr’i Manase fa lehibe ny fahotany, ary tena nibebaka izy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamela ny helony, sy hamerina aminy ny fanjakany tany Jerosalema. Vokatr’izany dia “fantatr’i Manase fa i Jehovah no tena Andriamanitra.” (2 Tan. 33:13) Hita avy amin’izany fa mamela an’izay tena mibebaka i Jehovah, ilay Andriamanitra mamindra fo. Tena mampahery antsika izany!

Navelan’i Jehovah ny helok’i Manase, ka lasa mpanjaka tany Jerosalema indray izy

MAMELA HELOKA FOANA VE I JEHOVAH?

14. Ahoana no andraisan’i Jehovah fanapahan-kevitra hoe hamela heloka izy sa tsia?

14 Azo inoana fa vitsy amintsika ny hoe nanao fahotana lehibe toa an’i Davida sy Manase, ka hoe mila mangata-pamelana toa azy ireo. Ianarantsika avy amin’ny ohatr’izy ireo anefa fa vonona hamela heloka i Jehovah, eny fa na dia amin’ny fahotana tena lehibe aza, raha tena mibebaka ilay nanota.

15. Inona no manaporofo fa tsy hoe mamela heloka foana i Jehovah?

15 Tsy midika anefa izany hoe mamela heloka foana i Jehovah. Andeha hampitahaintsika amin’ny toe-tsain’i Davida sy Manase ny toe-tsain’ny Israely sy ny Joda. Naniraka an’i Natana mpaminany ho any amin’i Davida i Jehovah, mba hahafahany hiova ka hanana toe-tsaina tsara. Tena nankasitraka izany i Davida ary nanaiky hiova. I Manase indray nibebaka tamin’ny fony manontolo, rehefa ory mafy. Ny Israely sy ny Joda kosa anefa tsy mba nibebaka, na dia imbetsaka aza i Jehovah no nandefa mpaminany mba hanambara ny heviny momba ny fahotan’izy ireo. Tsy namela ny helok’izy ireo àry i Jehovah. (Vakio ny Nehemia 9:30.) Mbola nandefa fampitandremana ho an’ny Israelita foana i Jehovah, na dia taorian’ny niverenan’izy ireo avy tany an-tsesitany tany Babylona aza. Naniraka an’i Ezra mpisorona sy Malakia mpaminany, ohatra, izy. Rehefa nanao ny sitrapon’i Jehovah izy ireo, dia tena nahita fifaliana.—Neh. 12:43-47.

16. a) Inona no vokany rehefa tsy nibebaka ny firenen’Israely? b) Inona no tombontsoa mety ho azon’ireo Israelita isam-batan’olona?

16 Tsy nankasitraka ny sorona biby nataon’ny Israelita intsony i Jehovah tatỳ aoriana, rehefa avy nandefa an’i Jesosy tetỳ an-tany mba hanolotra sorona lavorary. (1 Jaona 4:9, 10) Nitovy hevitra tamin’i Jehovah i Jesosy, na dia tetỳ an-tany aza, ka nilaza hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo.” Hoy àry i Jesosy: “Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Mat. 23:37, 38) Nosoloana Israely ara-panahy ilay vahoaka mpanota sy tsy nibebaka. (Mat. 21:43; Gal. 6:16) Ahoana anefa ny amin’ny Israelita tsirairay? Hahazo famelan-keloka sy famindram-po izy ireo, raha mino an’Andriamanitra sy mino ny soron’i Jesosy Kristy. Toy izany koa ny olon-drehetra efa maty nefa tsy afaka nibebaka. Ho afaka hahazo famelan-keloka izy ireo, rehefa hatsangana eto an-tany.—Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15.

AHOANA NO ANDRAISANTSIKA SOA AMIN’NY FAMELAN-KELOK’I JEHOVAH?

17, 18. Ahoana no hahazoantsika famelan-keloka amin’i Jehovah?

17 Koa satria vonona hamela heloka i Jehovah, inona no tokony hataontsika ho setrin’izany? Tena tokony hanao toa an’i Davida sy Manase isika. Mila miaiky isika hoe mpanota, mila mibebaka noho ny fahotantsika isika, mitalaho amin’i Jehovah mba hamela antsika, ary mangataka azy mba hanome antsika fo madio. (Sal. 51:10) Tokony hangataka ny fanampian’ny anti-panahy koa isika, raha nanao fahotana lehibe. (Jak. 5:14, 15) Na lehibe toy inona aza ny fahotantsika, dia mampahery ny mitadidy ireo teny nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy hoe ‘Andriamanitra mamindra fo izy, tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana.’ Tadidio fa tsy miova mihitsy i Jehovah.—Eks. 34:6, 7.

18 Nanao fampitahana i Jehovah, mba hanomezana toky an’ireo Israelita nibebaka hoe hamela tanteraka ny helok’izy ireo izy. Nilaza izy fa na dia toy ny tasy “mena midorehitra” aza ny fahotan’izy ireo, dia hofafany ka ho lasa “fotsy mangatsakatsaka.” (Vakio ny Isaia 1:18.) Inona àry no tokony hataontsika, mba handraisan-tsoa amin’ny famelan-kelok’i Jehovah? Mila mankasitraka an’i Jehovah isika, noho izy mamela heloka, ary mila mibebaka isika. Raha manao izany isika, dia hamela tanteraka ny helotsika izy.

19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Koa satria mamela ny helotsika i Jehovah, ahoana no hanahafantsika azy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olon-kafa? Inona no hanampy antsika tsy hitana lolompo amin’ireo olona nanao fahotana lehibe nefa tena nibebaka? Hanampy antsika handinika ny fontsika ny lahatsoratra manaraka. Amin’izay isika ho afaka hanahaka an’i Jehovah Raintsika, izay “tsara toetra sy vonona hamela heloka.”—Sal. 86:5.