Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Nahoana Andriamanitra no Naniraka An’i Jesosy Tetỳ An-tany?

Nahoana Andriamanitra no Naniraka An’i Jesosy Tetỳ An-tany?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Taiza i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

Anjely tany an-danitra i Jesosy talohan’ny nahaterahany tany Betlehema. Izy no noforonina voalohany. Andriamanitra mivantana no namorona azy, ary izy irery no toy izany. Mety àry ny iantsoana azy hoe Zanaka Lahitokan’Andriamanitra. Mpitondra tenin’Andriamanitra koa izy tany an-danitra, ka nantsoina hoe ny Teny. Nanampy an’Andriamanitra izy, ohatra hoe rehefa namorona ny zavatra hafa rehetra. (Jaona 1:2, 3, 14) Efa niaraka tamin’Andriamanitra tany an-danitra nandritra ny taona maro tsy hita isa izy, vao noforonina ny olombelona.—Vakio ny Mika 5:2; Jaona 17:5.

2. Ahoana no fomba nahatongavany tetỳ an-tany?

Nafindran’i Jehovah tao an-kibon’i Maria tamin’ny alalan’ny fanahy masina ny ain’i Jesosy. Tsy olombelona àry no rainy. Mpiandry ondry vitsivitsy no nilazan’ny anjely fa teraka i Jesosy. Niandry ny ondriny tany an-tsaha tamin’ny alina izy ireo tamin’izay. (Lioka 2:8-12) Tsy tamin’ny aty ririnina àry i Jesosy no teraka fa mety ho tamin’ny fiandohan’ny Oktobra, tamin’ny andro mafana. Nentin’i Maria sy Josefa vadiny tany an-tranony tany Nazareta i Jesosy taoriana kelin’izay, ka tany izy no lehibe. Nitaiza tsara an’i Jesosy toy ny zanany mihitsy i Josefa.—Vakio ny Matio 1:18-23.

Natao batisa i Jesosy tamin’izy 30 taona teo ho eo. Nampahafantarin’Andriamanitra ny olona tamin’izay fa Zanany izy. Nanomboka ny asa nanirahan’Andriamanitra azy i Jesosy avy eo.—Vakio ny Matio 3:16, 17.

3. Nahoana Andriamanitra no naniraka an’i Jesosy tetỳ an-tany?

Nirahin’Andriamanitra hampianatra ny marina i Jesosy. Nampianariny fa ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hitondra fiadanana eran-tany. Nampanantena fiainana mandrakizay koa izy. (Jaona 4:14; 18:36, 37) Nolazainy koa hoe inona avy no tena mahasambatra. (Matio 5:3; 6:19-21) Nanome modely izy rehefa nampianatra. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra foana, ohatra, izy na dia sarotra aza izany. Tsy namaly faty koa izy rehefa nisy nanisy ratsy.—Vakio ny 1 Petera 2:21-24.

Nampianatra ny mpanara-dia azy ho tia olona sy hahafoy tena ho azy ireo i Jesosy. Be dia be ny tombony nananany tany an-danitra, nefa nanetry tena izy ka nanaiky rehefa nasain’ny Rainy hanketỳ an-tany mba hiaraka amin’ny olombelona. Tsy nisy nahavita naneho fitiavana lehibe indrindra toa an’i Jesosy.—Vakio ny Jaona 15:12, 13; Filipianina 2:5-8.

4. Inona no soa azontsika noho i Jesosy maty ho antsika?

Naniraka an’i Jesosy koa Andriamanitra mba ho faty noho ny fahotantsika. (Jaona 3:16) Mpanota daholo isika, izany hoe tsy lavorary sy feno ota. Izany no mahatonga antsika harary sy ho faty. Lavorary kosa i Adama, ilay lehilahy voalohany. Tsy nisy ota tao aminy ka tsy tokony ho narary na ho faty mihitsy izy. Lasa mpanota anefa izy rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra. Nandova ota avy aminy isika ka maty.—Vakio ny Romanina 5:12; 6:23.

Lavorary i Jesosy. Tsy hoe nanota àry izy ka hoe izany no nahatonga azy ho faty. Maty noho ny fahotantsika kosa izy. Izany no mahatonga antsika ho afaka hiaina mandrakizay sy hahazo ny fitahian’Andriamanitra.—Vakio ny 1 Petera 3:18.