Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Iza no anaran’Andriamanitra?

Manana anarana daholo ny olona ao an-tranontsika. Na ny biby fiompy koa aza mba manana! Tsy tokony hanana anarana koa àry ve Andriamanitra? Manana anaram-boninahitra maro izy ao amin’ny Baiboly, toy ny hoe Andriamanitra Mahery Indrindra, Tompo Fara Tampony, ary Mpamorona. Manana anaran-tsamirery koa anefa izy.—Vakio ny Isaia 42:8.

Misy ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 83:18 ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro. Izao, ohatra, no andikan’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao an’io andininy io: “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”

Nahoana isika no tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra?

Tian’Andriamanitra hiantso azy amin’ny anarany isika. Miantso ny olona akaiky antsika amin’ny anarany isika rehefa miresaka aminy, indrindra raha izy mihitsy no manasa antsika hanao izany. Tokony hiantso an’Andriamanitra amin’ny anarany koa àry isika. Na i Jesosy aza mantsy nampirisika antsika hanao izany.—Vakio ny Matio 6:9; Jaona 17:26.

Tsy ny anaran’Andriamanitra ihany anefa no tokony ho fantatsika, raha te ho lasa namany isika. Mila fantarintsika koa, ohatra, hoe: ‘Hoatran’ny ahoana izy? Tena afaka mifandray tsara kokoa aminy ve isika?’ Mamaly an’ireo ny Baiboly.