Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah

Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah

“Homeko voninahitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao.”—SAL. 86:12.

1, 2. Inona no tsy mampitovy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

TSY mety mampiasa ny anaran’Andriamanitra ny ankamaroan’ireo fiangonana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny sasin-tenin’ny Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina (anglisy): ‘Tena tsy mety amin’ny Fiangonana Kristianina mihitsy ny miantso an’Andriamanitra amin’ny anarany, na iza izany anarany izany na iza.’

2 Tsy toy izany kosa isika Vavolombelon’i Jehovah. Mirehareha isika mitondra ny anaran’Andriamanitra sy manome voninahitra azy io. (Vakio ny Salamo 86:12; Isaia 43:10.) Raisintsika ho tombontsoa lehibe koa ny hoe mahafantatra ny dikan’io anarana io sy ilay raharaha lehibe mifandray amin’ny fanamasinana azy io. (Mat. 6:9) Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy izany tombontsoa izany. Handinika fanontaniana lehibe telo àry isika hanampy antsika amin’izany: Inona no dikan’ny hoe mahalala ny anaran’Andriamanitra? Ahoana no nanaovan’i Jehovah zavatra mifanaraka amin’ny hevitry ny anarany? Ary inona no azontsika atao raha tiantsika ny handeha amin’ny anaran’i Jehovah?

INONA NO DIKAN’NY HOE MAHALALA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA?

3. Inona no dikan’ny hoe mahalala ny anaran’Andriamanitra?

3 Ny hoe mahalala ny anaran’Andriamanitra dia tsy midika fotsiny hoe mahalala an’ilay anarana hoe “Jehovah.” Midika koa izany hoe mahalala ny mombamomba azy, ny toetrany, ny fikasany, ary mahafantatra an’ireo zavatra nataony resahina ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fomba nitondrany ny mpanompony. Nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely izany rehetra izany, rehefa nanatanteraka ny fikasany izy. (Ohab. 4:18) Nampahafantariny an’ilay mpivady voalohany ny anarany, ka afaka nanonona azy io i Eva rehefa avy niteraka an’i Kaina. (Gen. 4:1) Nahalala ny anaran’Andriamanitra koa i Noa, Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Nanjary takatr’ izy ireo kokoa anefa ny dikan’io anarana io, rehefa notahin’i Jehovah izy ireo, nokarakarainy, ary nampahafantariny ny fikasany. Misy zavatra miavaka anefa nampahafantarin’i Jehovah an’i Mosesy momba ny anarany.

Lasa natanjaka ny finoan’i Mosesy rehefa fantany ny dikan’ny anaran’Andriamanitra

4. Nahoana i Mosesy no mbola nanontany ny anaran’Andriamanitra? Ary nahoana izy no natahotra hoe tsy hino azy ny Israelita?

4 Vakio ny Eksodosy 3:10-15. Notendren’i Jehovah hiantsoroka andraikitra lehibe i Mosesy, tamin’izy 80 taona. Hoy izy: “Hoentinao hiala any Ejipta ny zanak’Israely oloko.” Nisy fanontaniana lehibe napetrak’i Mosesy vokatr’izany. Hoy izy: ‘Raha manontany ahy ny zanak’Israely hoe iza no anaranao, dia ahoana no havaliko?’ Fa nahoana i Mosesy no nanontany ny anaran’Andriamanitra, nefa efa fantatry ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny ela izany? Satria te hahafantatra bebe kokoa mombamomba an’Andriamanitra izy, mba hahafahany handresy lahatra an’ireo Israelita hoe tena hanafaka azy ireo tokoa Andriamanitra. Tsy mahagaga raha natahotra i Mosesy hoe tsy hino azy ny Israelita. Efa ela mantsy ry zareo no andevo, ka tsy maintsy hisalasala izy ireo raha hahavita hanafaka azy ireo tokoa ilay Andriamanitry ny razany. Tsy izay ihany fa nisy tamin’izy ireo efa lasa nanompo ny andriamanitry ny Ejipsianina.—Ezek. 20:7, 8.

5. Inona no nolazain’i Jehovah momba ny hevitry ny anarany?

5 Ahoana àry no navalin’i Jehovah an’i Mosesy? Nolazainy ny hevitry ny anarany. Hoy izy: “HOPOROFOIKO FA IZAHO ILAY MAHAVITA IZAY IRIKO.” Dia nasainy nilaza tamin’ny zanak’Israely i Mosesy hoe: ‘Ilay HOPOROFOIKO no naniraka ahy ho atỳ aminareo, dia i Jehovah Andriamanitry ny razanareo.’ * Nasehon’i Jehovah tamin’izany fa ho tonga izay rehetra ilaina izy, mba hahafahany manatanteraka ny fikasany. Hotanterahiny foana izay lazainy, ka izany no nahatonga azy hilaza eo amin’ny andininy faha-15 fa izany foana ny anarany “mandritra ny fotoana tsy voafetra”, sy hahatsiarovana azy “hatramin’ny taranaka fara mandimby.” Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’i Mosesy ireo teny ireo, sady nahatonga azy hanaja fatratra an’i Jehovah!

NANAO ZAVATRA ARAKA NY HEVITRY NY ANARANY I JEHOVAH

6, 7. Inona no manaporofo fa ‘mahavita izay iriny’ i Jehovah, araka ny hevitry ny anarany?

6 Nanafaka ny Israelita i Jehovah, taoriana kelin’ny nanirahany an’i Mosesy, ka hita tamin’izany fa ‘mahavita izay iriny’ izy, araka ny hevitry ny anarany. Nandefa loza folo izy tamin’izay mba hanasaziana ny Ejipsianina, ka nasehony tamin’izany fa tsy manan-kery ny  andriamanitr’izy ireo, anisan’izany i Farao. (Eks. 12:12) Nanasaraka ny Ranomasina Mena koa izy, nitarika ny Israelita namakivaky azy io, ary nandringana an’i Farao sy ny tafiny tao anaty ranomasina. (Sal. 136:13-15) Roa na telo tapitrisa na mihoatra ny isan’ny Israelita tamin’izany. Vitan’i Jehovah anefa ny niaro ny ain’izy ireo, ka nanome azy ireo sakafo sy rano, tamin’izy ireo tany amin’ilay “tany efitra lehibe sady mampahatahotra.” Na ny akanjo sy ny kapan’izy ireo aza narovany mba tsy ho simba. (Deot. 1:19; 29:5) Manao zavatra araka ny hevitry ny anarany foana tokoa i Jehovah, fa tsy misy mahasakana azy tsy hanatanteraka ny teniny! Niteny tamin’i Isaia izy tatỳ aoriana hoe: “Izaho no Jehovah, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.”—Isaia 43:11.

7 Anisan’ireo nahita ny asa mahagaga nataon’i Jehovah tany Ejipta sy tany an-tany efitra i Josoa, izay nandimby an’i Mosesy. Afaka nilaza toy izao tamin’ireo Israelita àry izy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.” (Jos. 23:14) Notanterahin’i Jehovah tokoa ny fampanantenany, araka ny hevitry ny anarany.

8. Inona no manaporofo fa manatanteraka ny teniny i Jehovah ankehitriny, araka ny hevitry ny anarany?

8 Mbola manatanteraka ny teniny koa i Jehovah ankehitriny. Nilaza mialoha tamin’ny alalan’ny Zanany izy, fa hotorina “maneran-tany” ny hafatra momba ilay Fanjakana, mandritra ny andro farany. (Mat. 24:14) I Jehovah irery ihany no afaka milaza izany mialoha, no sady manana hery hanatanterahana an’io asa io. Tsy vitan’izany fa ‘olon-tsotra sy tsy dia nahita fianarana’ no ampiasainy hanao izany! (Asa. 4:13) Mandray anjara amin’ny fanatanterahana faminaniana àry isika, rehefa mitory. Manome voninahitra an’ilay Raintsika koa isika, ary asehontsika fa tena vokatry ny fontsika ny vavaka ataontsika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Mat. 6:9, 10.

BE VONINAHITRA NY ANARAN’I JEHOVAH

Tsy nety nanaiky an’i Jehovah ho Andriamanitra i Farao

9, 10. Inona no toetran’i Jehovah hita teo amin’ny fomba nitondrany ny Israelita? Ary inona no nitranga vokatr’izany?

9 Misy zavatra hafa koa nataon’i Jehovah, taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. Noho izy ireo nanaiky ny fifaneken’ny Lalàna, dia lasa toy ny hoe vadin’izy ireo i Jehovah. (Jer. 3:14) Nampanantena azy ireo i Jehovah fa vonona hikarakara azy ireo. Nanjary nitondra ny anaran’i Jehovah koa izy ireo satria vadin’i Jehovah. (Isaia 54:5, 6) Rehefa nankatò ny didiny ny Israelita, dia notahin’i Jehovah sy narovany ary nomeny fiadanana. (Nom. 6:22-27) Nanjary nankalaza ny anaran’i Jehovah ireo firenena, vokatr’ izany. (Vakio ny Deoteronomia 4:5-8; Salamo 86:7-10.) Maro mihitsy aza ny hafa firenena lasa nanompo an’i Jehovah, ka nanao toa an’i Rota Moabita, izay niteny tamin’i Naomy hoe: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”—Rota 1:16.

10 Misy toetran’i Jehovah hafa koa hita teo amin’ny fomba nitondrany ny Israelita, nandritra ny 1 500 taona teo ho eo. Imbetsaka izy ireo no tsy nankatò, nefa ‘namindra fo’ tamin’izy ireo foana i Jehovah ary “tsy mora tezitra.” Tena nanam-paharetana tamin’izy ireo izy, sady nahari-po. (Eks. 34:5-7) Nisy fetrany anefa ny faharetan’i Jehovah. Tsy namindra fo tamin’ny firenena jiosy intsony izy, rehefa nolavin’izy ireo ny Zanany sady novonoiny. (Mat. 23:37, 38) Tsy ny Israely ara-nofo intsony no vahoaka nitondra ny anaran’Andriamanitra taorian’izay. Toy ny hoe maty izy ireo tamin’i Jehovah, toy ny hazo iray efa maina. (Lioka 23:31) Ahoana no niheveran’ny Israelita ny anaran’Andriamanitra taorian’izay?

11. Nahoana ny firenena jiosy no tsy nampiasa intsony ny anaran’Andriamanitra?

11 Nanjary nanaraka finoanoam-poana ny Jiosy tatỳ aoriana, ka nihevitra fa tsy tokony hotononina ny anaran’Andriamanitra. (Eks. 20:7) Lasa nanjavona tsikelikely tao amin’ny Fivavahana Jiosy ny anarana hoe Jehovah. Tsy maintsy hoe nalahelo i Jehovah satria tsy nanaja ny anarany mihitsy izy ireo. (Sal. 78:40, 41) “Saro-piaro” amin’ny anarany i Jehovah, ka rehefa nanala baraka ny anarany ny Israelita, dia tsy navelany hitondra ny anarany intsony. (Eks. 34:14) Mampahatsiahy antsika izany hoe tena ilaina ny manaja tsara ny anaran’ny Mpamorona.

FIRENENA VAOVAO ANTSOINA AMIN’NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

12. Inona no nataon’i Jehovah mba hisian’ny firenena iray mitondra ny anarany?

12 Nampahafantarin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia, fa hanao “fifanekena vaovao” amin’ny firenena iray vaovao izy, izay tsy iza fa ny Israely ara-panahy na ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) ‘Hahalala an’i Jehovah’ ny olona rehetra ao amin’io firenena io, “manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.” (Jer. 31:31, 33, 34) Tanteraka io faminaniana io nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nanao ny fifanekena vaovao i Jehovah. Nanomboka tamin’izay dia lasa ‘olona mitondra ny anarany’, na koa hoe ‘olona antsoina amin’ny anarany’ ilay firenena vaovao. Jiosy ny sasany amin’izy ireo, ary tsy Jiosy ny sasany.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:14-17; Mat. 21:43.

13. a) Ahoana no ahafantarantsika fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina voalohany? b) Manao ahoana ny fihetseham-ponao, rehefa mieritreritra hoe manana tombontsoa hampiasa ny anaran’i Jehovah ianao eny amin’ny fanompoana?

13 Nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina voalohany, izay anisan’io firenena vaovao io. Nampiasa azy io, ohatra, izy ireo rehefa nanonona andalan-teny nisy azy io tao amin’ny Soratra Hebreo. * Nampiasa ny anaran’Andriamanitra imbetsaka koa ny apostoly Petera, tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nitory tamin’ny Jiosy sy ny olon-kafa nanaraka ny Fivavahana Jiosy. (Asa. 2:14, 20, 21, 25, 34) Nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ny Kristianina voalohany, ka notahin’i Jehovah ny asa fitorian’izy ireo. Tahin’i Jehovah koa ny fanompoantsika ankehitriny, rehefa mampiasa ny anarany isika ary mampiseho azy io amin’ny olona, ao amin’ny Baibolin’izy ireo raha azo atao. Tombontsoa be ho antsika ny hoe mampahafantatra an’Andriamanitra amin’ny olona. Tombontsoa lehibe ho an’ny olona koa izany, satria mety hanomboka hanatona an’i Jehovah izy, hifandray akaiky aminy, ary ho lasa namany mandrakizay.

14, 15. Ahoana no niarovan’i Jehovah ny anarany, na dia niely be aza ny fivadiham-pinoana?

14 Nisy olona nivadi-pinoana teo anivon’ny  fiangonana kristianina tatỳ aoriana, indrindra fa taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly. (2 Tes. 2:3-7) Nanaraka ny fanaon’ny Jiosy ireo mpampianatra sandoka ireo, ka tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Navelan’Andriamanitra hanjavona tanteraka ve anefa ny anarany? Sanatria! Marina fa tsy fantatsika ankehitriny hoe ahoana marina no tokony hanononana ny anaran’Andriamanitra. Tsy nanjavona anefa izy io. Hita ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro izy io, ary hita ao amin’ny asa soratr’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly. Anisan’izany i Charles Peters. Nanoratra izy tamin’ny 1757 fa na dia manana anaram-boninahitra maro aza Andriamanitra, dia ny hoe “Jehovah” no “tena mahalaza ny mombamomba azy.” Nilaza toy izao koa i Hopton Haynes, ao amin’ilay bokiny momba ny fivavahana, izay nivoaka tamin’ny 1797: “JEHOVAH no anarana niantsoan’ny Jiosy an’Andriamanitra. Izy irery no nivavahan’izy ireo, ary izany koa no nataon’i Kristy sy ny Apostoliny.” Nampiasa ny anaran’Andriamanitra koa i Henry Grew (1781-1862) sady niaiky fa nisy nanala baraka izy io ka tsy maintsy hohamasinina. Nampiasa an’io anarana io koa i George Storrs (1796-1879) sy Charles Russell, izay mpiara-miasa akaiky taminy.

15 Taona niavaka ho an’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena ny taona 1931. Nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tamin’io taona io. (Isaia 43:10-12) Nampahafantarin’izy ireo an’izao tontolo izao fa mirehareha izy ireo hoe mpanompon’ilay tena Andriamanitra sy ‘mitondra ny anarany’ ary midera azy. (Asa. 15:14) Mampahatsiahy an’ireo tenin’i Jehovah ao amin’ny Malakia 1:11 izany. Milaza izy ao hoe: “Ho be voninahitra ny anarako eo amin’ireo firenena, hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.”

MANDEHANA AMIN’NY ANARAN’I JEHOVAH

16. Nahoana no tokony horaisintsika ho voninahitra ny mandeha amin’ny anaran’i Jehovah?

16 Hoy i Mika mpaminany: “Ny firenena rehetra samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” (Mika 4:5) Voninahitra lehibe ho an’ny Mpianatra ny Baiboly ny nitondra ny anaran’Andriamanitra. Tsy izay ihany anefa, fa porofo koa izany hoe mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra izy ireo. (Vakio ny Malakia 3:16-18.) Ahoana àry ny aminao? Miezaka mafy ve ianao mba “handeha amin’ny anaran’i Jehovah”? Azonao tsara ve hoe inona no tafiditra amin’izany?

17. Inona no tokony hataontsika raha mandeha amin’ny anaran’i Jehovah isika?

17 Misy zavatra telo, fara fahakeliny, tokony hataontsika raha mandeha amin’ny anaran’i Jehovah isika. Voalohany, tsy maintsy mampahafantatra ny anarany amin’ny olona isika, satria fantatsika fa izay “miantso ny anaran’i Jehovah” ihany no hovonjena. (Rom. 10:13) Faharoa, mila manahaka ny toetran’i Jehovah isika, indrindra fa ny fitiavany. (1 Jaona 4:8) Ary fahatelo, mila mankatò amim-pifaliana ny fitsipiny isika, raha tsy izay mantsy dia hanala baraka ny anarany masina. (1 Jaona 5:3) Tapa-kevitra àry ve ianao “handeha amin’ny anaran’i Jehovah” foana, eny hatrany amin’ny mandrakizay mihitsy?

18. Nahoana no tsy matahotra ny hoavy izay rehetra manome voninahitra ny anaran’i Jehovah?

18 Tsy ho ela dia hahafantatra an’i Jehovah izay rehetra tsy miraharaha azy na mikomy aminy. (Ezek. 38:23) Anisan’izany ireo olona manao toa an’i Farao, izay nilaza hoe: “I Jehovah moa no iza no tokony hihaino ny feony aho”? Tsy ela taorian’izay anefa i Farao dia niaiky hoe Andriamanitra lehibe tokoa i Jehovah! (Eks. 5:1, 2; 9:16; 12:29) Tsy toa an’ireny olona ireny isika. Nifidy ny hahafantatra an’i Jehovah isika, ary faly isika mankatò azy, sady mirehareha hoe mitondra ny anarany. Tsy matahotra ny hoavy àry isika, fa matoky an’ilay fampanantenana ao amin’ny Salamo 9:10 hoe: “Hatoky anao izay mahalala ny anaranao, satria ianao tsy hahafoy an’izay mitady anao Jehovah ô!”

^ feh. 5 Avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “tonga ho” ny anaran’Andriamanitra. Noho izany, ny hoe “Jehovah” dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” (Jereo ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Fanazavana Fanampiny 1A, fehintsoratra voalohany.)

^ feh. 13 Nisy anaran’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Hebreo nampiasain’ireo Kristianina voalohany. Toa nisy an’io anarana io koa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo voalohandohany, izay tsy inona fa fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika.