Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Reraka Manompo An’i Jehovah

Aza Reraka Manompo An’i Jehovah

“Aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara.”—GAL. 6:9.

1, 2. Mandrisika antsika hanao inona ny fandinihana ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao?

TENA mahavariana tokoa ny mieritreritra hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao isika. Naseho tao amin’ny fahitana voarakitra ao amin’ny Ezekiela toko voalohany sy Daniela toko fahafito fa manao zavatra amin’ny alalan’ny fandaminany i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. I Jesosy no mitarika ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, ka manampy azy io hifantoka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, hampahery sy hanome toromarika an’ireo mpitory, ary hanampy olona maro ho lasa mpanompon’i Jehovah. Mandrisika antsika izany mba hatoky ny fandaminan’i Jehovah.—Mat. 24:45.

2 Miara-mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah ve ianao, ka mbola mafana fo foana amin’ny fahamarinana? Raha tsapanao hoe nihena ny zotom-ponao, dia tadidio fa efa nitranga tamin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izany. Nampirisika azy ireo àry ny apostoly Paoly mba handinika ny zotom-pon’i Jesosy teo amin’ny fanompoana. Hanampy azy ireo izany mba ‘tsy ho kivy na ho reraka.’ (Heb. 12:3) Toy izany koa fa hanampy antsika ho be zotom-po sy hiaritra foana ny fandinihana ny asa ataon’ny fandaminan’i Jehovah, izay hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.

3. Inona no mila ataontsika raha tsy tiantsika ny ho reraka manompo an’i Jehovah, ary inona no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Tsy ampy anefa izany, raha tiantsika ny tsy ho reraka manao ny fanompoana an’i Jehovah. Nilaza i Paoly hoe mila miezaka isika “hanao” ny tsara, izany hoe misy zavatra mila ‘ataontsika.’ (Gal. 6:9) Misy zavatra dimy tokony hataontsika àry hodinihina ato, mba hanampy antsika ho be zotom-po sy hiara-mandeha foana amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ho hitantsika avy amin’izany hoe inona no zavatra mila ahitsintsika na mila ahitsin’ny fianakaviantsika.

 MANATREHA FIVORIANA MBA HIFAMPAHEREZANA SY HANOMPOANA AN’I JEHOVAH

4. Nahoana isika no milaza fa tapany lehibe amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fivoriana?

4 Tena zava-dehibe amin’ny mpanompon’i Jehovah ny fivoriana hatramin’izay. Milaza ny Baiboly fa nivory teo anatrehan’i Jehovah ny anjely any an-danitra. (1 Mpanj. 22:19; Joba 1:6; 2:1; Dan. 7:10) Nivory koa ny Israelita fahiny ‘mba hihaino sy hianatra’ ny lalàn’Andriamanitra. (Deot. 31:10-12) Zatra nivory tao amin’ny synagoga koa ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, mba hihaino ny famakiana ny Soratra Masina. (Lioka 4:16; Asa. 15:21) Mbola zava-dehibe foana koa ny fivoriana rehefa niforona ny fiangonana kristianina, ary mbola tapany lehibe amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah izy io. Mifampiahy ny tena Kristianina rehefa any am-pivoriana, mba “handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.” Mila ‘mifampahery’ koa isika, indrindra satria ‘hitantsika fa manakaiky ny andron’i Jehovah.’—Heb. 10:24, 25.

5. Ahoana no ahafahantsika mifampahery any am-pivoriana?

5 Mifampahery amin’ny hafa isika rehefa manome valin-teny any am-pivoriana. Manambara ampahibemaso ny finoantsika isika amin’izay. Azontsika atao ny mamaly mivantana avy ao amin’ny fehintsoratra, manazava andinin-teny, na milaza fitantarana fohy mampiseho hoe mahasoa ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. (Sal. 22:22; 40:9) Ekenao angamba fa na dia efa an-taonany maro aza isika no nanatrika fivoriana, dia mbola mampahery foana ny mihaino ny valin-teny vokatry ny fo omen’ireo rahalahy sy anabavintsika, na tanora na antitra.

6. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fivoriana?

6 Nahoana koa isika no tian’i Jehovah hanatrika fivoriana sy fivoriambe? Satria manampy antsika izy ireny mba ho be herim-po, ka ho sahy hitory foana na dia manohitra aza ny olona na tsy miraika. (Asa. 4:23, 31) Manatanjaka ny finoantsika sy mahatonga antsika ho mafy orina ireo lahateny sy fandaharana hafa atao amin’ireny fotoana ireny. (Asa. 15:32; Rom. 1:11, 12) Manampy antsika ho sambatra ny fianarana sy ny fampaherezana raisintsika amin’izy ireny, sady mahatonga antsika “hiadan-tsaina na dia amin’ny andro mahory aza.” (Sal. 94:12, 13) Ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana no mikarakara ny fandaharana rehetra atao, mba hampianarana ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany. Tena ankasitrahantsika ireo fampianarana mahasoa omena antsika any am-pivoriana isan-kerinandro!

7, 8. a) Inona no tena antony ivoriantsika? b) Inona no soa raisinao avy amin’ny fivoriana?

7 Tsy ny soa raisintsika ihany anefa no mahatonga antsika hivory. Ny tena antony ivoriantsika dia ny hanompo an’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 95:6.) Tombontsoa be ny hoe manao hira fiderana ho an’i Jehovah any am-pivoriana. (Kol. 3:16) Mendrika ny hotompointsika izy, ary anisan’ny fanompoantsika azy ny fanatrehana fivoriana sy ny fanomezana valin-teny. (Apok. 4:11) Tsy mahagaga àry raha ampirisihina isika mba “tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory”, fa tsy hanao “toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory.”—Heb. 10:25.

8 Tsapanao ve hoe fanomezana avy amin’i Jehovah ny fivoriana, mba hanampiana antsika hiaritra, mandra-pahatonga ny fandringanany an’ity tontolo ity? Raha mahatsapa an’izany ianao, dia tokony ho “zava-dehibe” aminao ny fivoriana, ka hivory foana ianao na dia be atao aza. (Fil. 1:10) Tsy tiantsika ny hoe hanapaka fivoriana, ka tsy hiara-manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika, raha tsy hoe misy zavatra faran’izay tsy azo anoarana angaha.

TADIAVO IREO OLONA TSO-PO

9. Inona no mampiseho fa tena zava-dehibe ny asa fitoriana?

9 Manampy antsika hiara-mandeha amin’ny  fandaminan’i Jehovah koa ny fahazotoana mitory ny vaovao tsara. I Jesosy no nanomboka an’io asa io, tamin’izy tetỳ an-tany. (Mat. 28:19, 20) Ary nanomboka teo, dia ny asa fitoriana an’ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra no anisan’ny asa ifantohan’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra sy etỳ an-tany. Maro ny zava-mitranga manaporofo fa manohana an’io asa ataontsika io ny anjely, sady mitarika antsika any amin’ireo olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48; Apok. 14:6, 7) Ny tena antony isian’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany, dia ny handamina an’io asa tena lehibe io sy ny hanampy an’ireo manatanteraka azy io. Ahoana àry ny aminao? Anisan’ny zava-dehibe indrindra aminao koa ve ny asa fitoriana?

10. a) Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hafana fo foana amin’ny fahamarinana? Hazavao amin’ny ohatra. b) Nanampy anao hafana fo amin’ny fahamarinana ve ny fanompoana? Tantarao.

10 Hafana fo amin’ny fahamarinana foana isika, raha mazoto manompo. Izany no tsapan’i Mitchel, anti-panahy efa ela sady mpisava lalana maharitra. Hoy izy: “Tena tiako ny miresaka momba ny fahamarinana. Talanjona aho rehefa mamaky an’ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety vaovao, satria feno fahendrena izy ireny ary voalanjalanja tsara ny fanazavana ao anatiny. Te handeha hanompo aho rehefa avy mamaky an’ilay izy, mba hahitako hoe ahoana no handraisan’ny olona azy. Mieritreritra koa aho hoe ahoana no hataoko mba hahatonga an’ilay izy hahaliana ny olona. Manampy ahy hahita izay  zava-dehibe kokoa ny fanompoana. Efa nisy fotoana natokako hanompoana, ka ataoko alohan’izay na aorian’izay ny zavatra hafa rehetra.” Raha be atao amin’ny fanompoana isika, dia hanampy antsika izany hifahatra tsara amin’izao andro farany izao.—Vakio ny 1 Korintianina 15:58.

MAZOTOA MISAKAFO ARA-PANAHY

11. Nahoana isika no tokony hihinana ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah antsika?

11 Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy tondraka isika, mba hanatanjahana antsika. Azo antoka fa efa nieritreritra toy izao ianao rehefa avy namaky ny boky na gazetintsika: ‘Tena ilaiko mihitsy ity! Hoatran’ny hoe nosoratan’i Jehovah ho ahy mihitsy ilay izy!’ Tsy kisendrasendra fotsiny izany. Mampiasa an’ireny fitaovana ireny i Jehovah mba hampianarana antsika sy hanomezana tari-dalana antsika. Hoy izy: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao.” (Sal. 32:8) Miezaka ve isika mba hihinana ny sakafo ara-panahy rehetra, ary hisaintsaina avy eo? Manampy antsika izany mba ‘hamoa foana ka tsy halazo’ mihitsy, amin’izao andro farany tena sarotra izao.—Vakio ny Salamo 1:1-3; 35:28; 119:97.

12. Inona no hanampy antsika hankasitraka ny sakafo ara-panahy omena antsika?

12 Tsara ny misaintsaina hoe inona ny asa atao mba hamoahana an’ireo boky sy gazetintsika. Maro ny zavatra mila atao, na ho an’ireo hatao pirinty, na ho an’ireo havoaka amin’ny Internet. Ilaina ny manao fikarohana. Eo koa ny fanoratana, fanitsiana ny diso, fametrahana sary, ary fandikan-teny. Ny Komitin’ny Fanoratana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra an’ireo asa rehetra ireo. Ny sampana mpanao pirinty avy eo no mandefa an’ireo zavatra vita pirinty any amin’ireo fiangonana, na ny akaiky na ny lavitra. Inona no anton’izany asa rehetra izany? Mba hahatonga ny vahoakan’i Jehovah ho ampy sakafo ara-panahy tsara. (Isaia 65:13) Aoka àry isika hazoto hihinana ny sakafo ara-panahy rehetra omena antsika amin’ny alalan’ny fandaminan’i Jehovah.—Sal. 119:27.

MIEZAHA HANOHANA NY FANDAHARANA ATAON’NY FANDAMINANA

13, 14. Iza no manohana ny fandaharan’i Jehovah, any an-danitra? Ary ahoana no ampisehoantsika fa manohana ny fandaharan’i Jehovah koa isika etỳ an-tany?

13 Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray i Jesosy mitaingina soavaly fotsy mba hiady amin’ireo mikomy amin’i Jehovah. (Apok. 19:11-15) Manaraka azy avy ao aoriana ireo anjely tsy mivadika sy ireo voahosotra nandresy avy tetỳ an-tany, izay efa nahazo ny valisoany any an-danitra. Manohana an’ilay voatendrin’i Jehovah izy ireo! (Apok. 2:26, 27) Mandrisika antsika izany mba hanohana koa an’ireo voatendry hitarika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah.

14 Manao izany indrindra ny vahoaka be, satria manohana tanteraka ny asan’ireo voahosotra mbola eto an-tany, izay mitarika ny fandaminana. (Vakio ny Zakaria 8:23.) Ahoana kosa ny amintsika tsirairay? Manohana ny fandaminan’i Jehovah ve isika? Manao izany isika, raha mankatò an’ireo mitarika antsika. (Heb. 13:7, 17) Diniho ny ataonao eo anivon’ny fiangonana misy anao. Mandrisika ny hafa hanaja ny anti-panahy sy ny asa ataony ve ny teninao? Mampirisika ny zanakao ve ianao mba hanaja ny anti-panahy sy hangataka torohevitra amin’izy ireny? Miara-midinika amin’ny fianakavianao ve ianao hoe inona no azonareo atao mba hanohanana ara-bola ny asa fitoriana maneran-tany? (Ohab. 3:9; 1 Kor. 16:2; 2 Kor. 8:12) Raisinao ho tombontsoa ve ny mandray anjara amin’ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakana? Manohana ny fandaminan’i Jehovah isika raha manao an’ireo, ka homeny ny fanahiny masina. Ary io fanahy io no manampy antsika mba tsy ho reraka amin’izao andro farany izao.—Isaia 40:29-31.

 AMPIHARO NY ZAVATRA AMPIANARINAO

15. Nahoana isika no tsy maintsy miady mafy foana mba hanaovana ny tsara?

15 Tsy maintsy mampihatra ny zavatra ampianarintsika koa isika, raha tiantsika ny hiaritra sy hiara-mandeha foana amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ho vitantsika izany, raha miezaka isika ‘mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.’ (Efes. 5:10, 11) Tsy lavorary anefa isika, ary eo koa i Satana sy ny tontolo ratsiny, ka tsy maintsy miezaka be foana isika mba tsy hanao ratsy. Miady mafy isan’andro ny sasany aminareo ry rahalahy sy anabavy malala, mba hahafahanareo mifandray tsara amin’i Jehovah foana. Tena tia anareo i Jehovah noho ny ezaka rehetra ataonareo. Tohizo foana izany! Ho afa-po isika raha miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah, ary tsy ho zava-poana ny fanompoantsika.—1 Kor. 9:24-27.

Mazotoa manampy ny olona mba hahatakatra fa afaka ny ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao izy

16, 17. a) Inona no tokony hataontsika raha nanao fahotana lehibe isika? b) Inona no lesona azontsika tsoahana avy amin’ny tantaran’i Hanitra?

16 Ahoana anefa no tokony hataontsika raha nanao fahotana lehibe isika? Mitadiava fanampiana haingana araka izay azo atao. Vao mainka hiharatsy ny toe-javatra, raha manafina an’ilay izy isika. Tadidio ny fihetseham-pon’i Davida tamin’izy nanafina ny fahotany. Hoy izy: “Nihalany ny taolako satria nitoloko mandrakariva aho.” (Sal. 32:3) Ho reraka ara-panahy sy ara-pihetseham-po fotsiny isika, raha manafina ny fahotantsika. Hahazo famindram-po kosa isika, raha “miaiky heloka” sy miala amin’ilay fahotana.—Ohab. 28:13.

17 Diniho izay nitranga tamin’i Hanitra. * Mpisava lalana maharitra izy tamin’izy 18 taona teo ho eo. Nanomboka naditra anefa izy, ary nisy vokany be taminy izany. Hoy izy: “Nahatsiaro tena ho meloka aho, ary tsy faly sady kivy be foana.” Inona no nanampy azy? Nitantara izy hoe noresahina tany am-pivoriana, indray mandeha, ny Jakoba 5:14, 15. Takany tamin’izay hoe nila fanampiana izy, ary mila manatona anti-panahy. Hoy izy: “Toy ny hoe toromarika avy amin’ny dokotera ilay andinin-teny, ary i Jehovah ilay dokotera nanome azy. Tsy mora ny nihinana an’ilay fanafody, nefa manasitrana ilay izy. Nampihariko ny torohevitra tao amin’ilay andininy, ary tena nandaitra ilay izy.” Efa taona maromaro izay no lasa. Nahazo hery indray i Hanitra, ka mazoto manompo an’i Jehovah sady manana feon’ny fieritreretana madio.

18. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

18 Tombontsoa be ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro farany izao, ka tokony ho tapa-kevitra isika mba tsy hanao ambanin-javatra an’izany mihitsy. Hiezaka isika sy ny fianakaviantsika mba hivory tsy tapaka miaraka amin’ny fiangonantsika, hikaroka an’ireo olona tso-po ao amin’ny faritanintsika, ary hankasitraka ny sakafo ara-panahy omena antsika tsy tapaka. Aoka koa isika hanohana an’ireo mitarika antsika, ary hiaina mifanaraka amin’ny hafatra torintsika. Hiara-mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah foana isika amin’izay, sady tsy ho reraka mihitsy manao ny tsara.

^ feh. 17 Novana ny anarana.